07/07/2020
Erreà Sport : Baolina vaovao ho an'ny Fosa Juniors 2020-2021
Ity pejy ity dia natokana hoantsika mpankafy sy mpanohana an'ny Fosa Juniors Fc.
07/07/2020
Erreà Sport : Baolina vaovao ho an'ny Fosa Juniors 2020-2021
15/04/2020
Misy mpilalao efa tsy milalao ao amin'ny Fosa Juniors intsony ao amin'ity sary ity,iza ary ilay izy?
15/04/2020
Tsy mahavita mampandroso ny baolina Kitra isika raha tsy misy vaza manampy,izy no Arno Steenkist filoha-panorina ny Fosa Juniors sy CFEM na afantarany maro hoe Orange Pro League.
Merci Arno,
10/04/2020
FOSA JUNIORS FC
Le Fosa Juniors FC est un Club malagasy de football fondé en 2016,le Club est basé à Mahajanga,au nord-ouest de Madagascar , dans la région de Boeny.Il joue ses matches au Stade Rabemananjara.
• Nom Complet: Fosa Juniors Football Club
• Noms précédents: SOM-Fosa Juniors
• Joueur le plus capté: Baggio Rakotoarisoa
•Championnat actuel: Orange Pro League
• Couleurs: Oranges
• Président: Arno Steenkist
• Entraîneur Chef: T**i Rasoanaivo
14/12/2019
Tapitra ny lalao teo amin'ny Cnaps Sport sy Fosa Juniors teo amin'ny andro fahavalo ny Orange Pro League teny Vontovorona ary nisaraka ady sahala 2 noho 2 nilalao teo amin'ny roa tonta.
Fizotsany lalao kosa dia nisaraka 0 sy 0 ny roa tonta teo amin'ny fizaram-potoana voalohany,rehetra niditra teo amin'ny fizara-potoana faharoa teo amin'ny minitra faha 49' dia nampiditra baolina i Sambatra ho any Fosa Juniors.Afaka fotoana fohy teo amin'ny minitra faha 61 dia nahazo karatra mena i Tolotra ho any Cnaps Sport,nanomboka teo dia nilalao folo ny Cnaps Sport.Nifamezivezy ny lalao saingy teo amin'ny minitra faha 76' dia nisahalan'i Niasexe ny baolina ka lasa 1 noho 1.
Nihezaka nanafika ny Fosa Juniors ka nampitombo isa taminy alalan'i Dahery ny teo amin'ny minitra faha 86' nahatonga ny isa ho 2 noho 1.Taorian'izay nihezaka nanafika ny Cnaps Sport ka nahatonga ny vodilaharan'ny Fosa Juniors i Lekadoda nanao fahadisona teo amin'ny minitra 88',nahazoany karatra mena avy hatrany ihany koa ka nahazo penalty ny Cnaps Sport vokatr'ilay fahadisoana teo.Ary nodakan'ny Ando ka maty avy hatrany teo amin'ny minitra faha 89' ka nahatonga ny isa ho 2 noho 2 ary io no isa nisarahany roa tonta.
N.B:
[•] Tolotra sy Lekadoda deux fois jaune.
06/12/2019
Aza hadino ny fotoan-tsika amin'ny alahady 8 desambra 2019 ho avy izao ny fihaonana eo amin'ny Club M sy Fosa Juniors ny Boeny ao amin'ny kianja ny Barikadimy any Toamasina.Eo amin'ny andro faha fito ny Orange Pro League,manomboka @ 2ora30.