02/06/2026
➡️ Anio Talata faha 02 Jona 2026 no nisokatra tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Tranom-pokonolona Antamponivinany Ambositra ny Fikaonandohamparitry ny Tanora eto Amoron'i Mania.
➡️ Tonga nanome voninahitra izany ireo manampahefana isantsokajiny eto anivon'ny Faritra, izay notarihin'Andriamatoa Préfet Ambositra.
➡️ Tonga maro ireo Tanora nisolontena ny Kaominina tsirairay mandrafitra ny Faritra.
14/05/2026
Anio Alakamisy 14 Mai 2026 dia nandalo teto Ambositra ny Tale Kabinetran’ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Tonga nanome voninahitra azy ny mpiaramiasa eto anivon’ny Fitaleavaparitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Amoron’i Mania,izay notarihin’ny Talem-paritra.
Nisy ny dinidinika niarahana tamin’ny Prefet Ambositra sy ireo Komity mpikarakara ny fakankevitry ny tanora eto anivon’ny faritra.
Nanome toromarika vitsivitsy Izy ny hanatsarana sy ny hampahomby izany fakankevitra izany.
04/05/2026
Totosa omaly 03 mai 2026 n'y lalao famaranana ny Championnat Régional de basket Ball 🏀
🏀 Izay nokarakan'ny Ligue Régional de basket Ball Amoron'i Mania 🏀, ka Tonga nanotrina izany lalao famaranana izany n'y Téo anivon'ny DRJS AMORON'I MANIA
04/05/2026
Alatsinainy 04 May 2026
Fananganan-tsaina isakin'ny voalohan'ny volana niraisan'ny mpiasampanjakana eto Ambositra.
Mirary herinandro mafinaritra ho antsika n'y DRJS Amoron'i Mania .
28/04/2026
1/ Fananganana ny comité d'organisation de la concertation régionale des jeunes, tafatsangana ny comité d'organisation de la concertation régionale des jeunes notarihin'ny Préfet sy ny Maire Ambositra, tonga namaly ny antso ny ankamaroan'ny nasaina ka miisa 36 ireo nanatrika. Nanampy ireo DIRECTIONS 5 (DRJS, DRR, DRETFP, DIR UNIVAM, DRPOPS) ny avy ao @ Forces sy sécurité publique, ny SANTÉ, ny DRCC, ny DREN.
2/ Natomboka androany koa ny renforcement de capacités ho an'ireo tanora hisehatra @ concertation au niveau District sy Communes, tonga avokoa ny avy any @ district 3 fa ny avy eto Ambositra no tsy ampy tanora 2.
Nanomboka t@ 8h 30mn izany ka haharitra 3 Andro, hita fa mavitrika tokoa ireo tanora sy Délégués nasaina.
Mbola tsy sasatra manentana sy mampirisika ny Tanora rehetra tsy ankanavaka mba handray anjara mavitrika @ fanehoankevitra.
DRJS AMORON'I MANIA
23/04/2026
CONCERTATION RÉGIONALE DES JEUNES
Ilazàna isika tanora rehetra tsy ankanavaka, TSY ANKANAVAKA, mba hiaraka hanatanteraka ny fikaonan-doham-paritry ny tanora izay hatao mandritra ny volana MAY 2026 izao.
Tonga ity ny fotoana nandrasantsika hanehoana ny hevitsika izay nimatematesantsika t@ tolona.
Toy izao ny fandrindrana azy :
1. Misafidy solotena 2 na 3 isaky fikambanan'ny tanora na vondron'ny tanora na plateforme des jeunes ny eny @ fokontany tsirairay na Commune isika tanora ho mpitondra teny sy hevitra ary ho mpanara-maso ny lahadinika.
2. Misafidy solotena 2 hafa koa ny mpikamba hiaraka amin'ireo mpandrindra (comité d'organisation) mba hialana @ ahiahy satria dia hatao @ fomba mangaraha tanteraka io fakan-kevitra io
3. Io tanora solotena nofidian'ny mpikambana io no hitondra ny teny, ny hevitra, ny soso-kevitra, ny tolo-kevitrareo mpikambana ; hanara-maso ny fizotran'ny concertation, hiaraka mandrindra mpikarakara mba hampangarahara tanteraka ny vokatry ny fikaonan-doha.
4. Ny antotan-kevitra avy amin'io olona voatendrinareo mpikambana io no entina eo anivon'ny Commune misy anareo mba handrafetana ny documents (fanovàna, fanavaozana ny rafitra ho an'ny Repoblika faha 5)
5. Misy ny Kômity mpikarakara sy mpandrindra io fikaonan-doha io ho eny anivon'ny Commune @ daty izay mbola ho lazaina eo ihany (ao antin'ny volana MAY 2026 ihany).
6. Marihina fa mpandrindra fotsiny ihany izy ireo fa tsy mandray anjara, fa ny tanora sy ireo solotenany no mandray an-tsoratra ny antotan-kevitra tapak'izy ireo ao ka hitondra izany eo anivon'ny Faritra izay hatambatra @ antotan-kevitra avy any @ Commune hafa mandrafitra ny District.
Tiana ho marihina sy tsindriana etoana fa :
- tsy anavahana ny fandraisana anjara fa rehefa tanora lahy sy vavy monina ato anatin'ny Faritra Amoron'i Mania dia iangaviana haneho ny heviny sy handray ny andraikiny satria dia zava-dehibe loatra ho an'ny fiainam-pirenena izy ity ho fanovàna ny rafitra, izay nimatematesantsika tamin'ny tolona nataontsika, tsy misy tapenam-bava intsony eto fa atao ampahendrena.
Miankina @ fandraisantsika andraikitra concertation régionale ity no ahafahantsika manova ny rafitry ny 5eme République koa andao ry tanora namana hitondra ny anjara birikintsika ho an'ny fanavaozana ny firenena.
DRJS AMORON'I MANIA.
26/03/2026
Tonga nanome voninahitra ny Fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Fanatanjahan-tena antsekoly eto anivon'ny CISCO AMBOSITRA izahay eto anivon'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena Amoron'i Mania. Izany dia notontosaina anio Alakamisy 26 Mars 2026 teo amin'ny Kianja Manarapenitra Ankorombe Ambositra. Navoitrany tamin'ny fandraisany fitenenana fa vonona hatrany n'y eto anivon'ny Fitaleavam-paritra amin'ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny tontolon'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, indrindra moa fa ny eo amin'ny lafiny "Éducation Physique de Qualité".
DRJS Amoron'i Mania