Kung-Fu WISA kwoon Nanisana

Kung-Fu WISA kwoon Nanisana

Share

Mandresy mandrakariva✨

19/03/2026

“Malagasy aho : teraka ho an’ny Malagasy, Velona ho an’ny Malagasy, Fiafarana Malagasy.”🇲🇬

✅Anisan’ny tenin’ny grand-maître Pierre Mizaël io teny io. Mialohan’ny ahatongavany teto Madagasikara dia nahare feo izy tany anatiny nanao hoe :
“MODIA ANY AN-TANINDRAZANAO, VONJEO NY FIRENENAO”.

✅Ny faharenesany izany feo izany no nanapahany hevitra hodiana teto Madagasikara hitondrany sy hampianarany ilay filozofia Malagasy sy ny hasin’izany Malagasy sy Madagasikara izany.

✅Ny mpanao kung-fu Wisa Malagasy araka izany dia manaraka sy manaja ary mampihatra ny filozofia Malagasy araka ny nitondran’ny mpamorona azy. Ary fotoana izao hifoazana sy hiverenana indray amin’ilay fototra maha Malagasy izay nampiavaka ny Malagasy hatramin’izay. Tsy mifanenjika, tsy mifaninana, tsy mifanaratsy, tsy mifankahala fa mifanohana sy mifanampy amin’ny lafiny rehetra ary madio fo sy saina ary fihetsika.
MIFOHAZA RY MALAGASY fotoana izao.

✅Arahabaina isaka rehetra nahatratra ny asaramanitra ary mirary soa sy ho ambinina amin’ny rehetra hitombo hasina sy ho tena Andriamanitra 🇲🇬✨

“Malagasy aho : teraka ho an’ny Malagasy, Velona ho an’ny Malagasy, Fiafarana Malagasy.”🇲🇬

KUNG-FU WISA MALAGASY
MANDRESY MANDRAKARIVA ✨

16/03/2026

“Connais-toi toi-même et ton adversaire, et tu ne seras jamais en danger dans cent batailles.”

Faly miarahaba antsika rehetra 🥰

Hiresaka mikasika ny fahafantarana ny tena na ny fahalalana ny tena isika androany na ny connaissance de soi izany.

Efa nametraka ireto fanontaniana ireto tamin’ny tenanao ve ianao :

✅Iza aho?
✅Inona no antom-pisiako eto sy nandefasana ahy eto?
✅Ho aiza aho?

1️⃣Iza aho?
Raha miala ny anaranao sy ny momba anao rehetra dia fantatrao marina ve hoe iza ianao, avy aiza ianao? Fantatrao ve ny fahalemenao sy ny tanjakao? Fantatrao ve ny fetran’ny zava-bitanao sy ny hery manosika anao hamita-zavatra mihoatra ny fetranao? Fantatrao ve ny vatanao ray manontolo? Ny kilemanao, ny tsara indrindra any aminao? Fantatrao ve ny zavatra voafehinao sy hainao ahafahanao manampy sy manasoa ny hafa? Maro be ny fanontaniana ary samy manana ny valiny noho izany anjaran’ny tsirairay no mamaly azy.

2️⃣Rehefa fantatrao amin’izay hoe iza ianao dia mametraha fanontaniana hoe inona no antom-pisianao eto, maninona ianao no nalefa eto? Mila fantatrao ny antom-piasanao ahafahanao miaina sy manatanteraka izay nanirahana anao eto fa tsy miaina tsotra fotsiny. Matoa ianao nalefa eto misy antony, matoa ianao velona sy miaina eto misy antony ary maro ny zavatra nanirahana anao eto ka fantaro dia tanteraho sy iaino ary ampiharo. Ianao ve ilay hanoratra tantara sa ilay mpilalao tantara fotsiny eto hoe izay itondran’ny fiainana ahy eny.

3️⃣Rehefa fantatrao ny antom-pisianao dia apetraho ny hoe ho aiza ianao rehefa vita ny nanirahana anao? Samy manana ny vali-panontaniany ny tsirairay hoe ho aiza izy, vitany an-tsakany sy an-davany ve nanirahana azy teto, natao am-pitiavana sy am-pahamendrehana ve sa nanambakany ny hafa?
Rehefa vitanao na koa tsy vitanao manko izay nanirahana anao eto tsy mandeha ianao dia eo ianao ilay hoe ho aiza ary aho? Dikan’izay ianao ihany no mamaritra ny lalak’ombanao ary samy manana ny lalany ny tsirairay.

“Cherche la réponse en toi-même”. Hoy ny teny vahiny.

✅ Ary ny fahafantaranao ny tenanao no ahafanao mifehy sy mamehy ny tenanao satria ny tenanao ihany no fahavalonao lehibe indrindra. Noho izany fantaro ny tenanao fa ny olona mahalala ny tenany no mahita sy mahalala ary mamaritra mazava ny lalana hizorany. Ary ny olona mandresy ny tenany no tena matanjaka sy mahery.

“Celui qui connaît les autres est intelligent,
mais celui qui se connaît lui-même est éclairé.”

MANDRESY MANDRAKARIVA ✨

28/02/2026

✅Aza hadino rahapitso ilay fotoana ho an’izay vonona hiaraka aminay🥰

1️⃣Hanovo hery anaty sy hery hivelany, hitaiza vatana, hampiakatra hery fiarovana sy fahasalamana

2️⃣Hitaiza ny ara-tsaina, hianatra hivela-tsaina sy halala-tsaina amin’ny atao.

3️⃣Hitaiza ara-panahy amin’ny alalan’ny fihainoana ilay ao anaty sy hanokatra ireo ivon-kery rehetra.

#️⃣Izay vonona ary mandefasa mp dia ao ny fanazava 😊. Ho an’ny efa niresaka dia

✅RAHAPITSO ILAY FOTOANA AMIN’NY 2 ORA

MANDRESY MANDRAKARIVA ✨

23/02/2026

Miarahaba antsika rehetra 🥰

Maro ny fanontaniana hoe mampianatra resaka spiritualité ve? Tsy maintsy mikotrana physique ve mba ahafahana mandeha amin’ny spiritualité ?

✅Ho valiantsika anaty ranty isan’ambaratongany io fanontaniana io.

1️⃣Ho resahintsika androany ny corps physique na io vatantsika ivelany io.
Ny corps physique dia ilay vatantsika hita maso ety ivelany io, ilay itoeran’ilay Andriamanitra ao anatintsika. Dikan’izany mila karakaraina sy kolokoloina tsara izany ny corps physique satria io ilay hita maso ety ivelany.
Io no amaritan’ny olona anao voalohany sy hanasokajian’ny olona anao voalohany satria tsy misy mahita izay any anatinao any.

2️⃣Noho izany karakarao ny corps physique, ataovy en forme tsara izy, ampiakanjoy tsara, ataovy manimanitra tsara, amboaro tsara ny volo, diovy tsara daholo ataovy madio tsara.

3️⃣Ny corps physique no fototra ahafahana mandeha alavitra satria rehefa hainao no mifehy sy mikolo ny vatanao hita maso dia afaka mandeha miroso bebe kokoa ianao.
Ohatra : fotoana izao fanaovana fifandian-kanina, ao anaty fifandian-kanina anisan’ny fomba iray amehezanao ny tenanao ianao ilay manomboka noana iny mahita sakafo matsiro be ilay tinao indrindra dia eo ianao ilay hoe voafehinao ve ny vatanao sa tsia? Hihinana sa tsia?😁
Tsy voatery fifandian-kanina ihany anefa no ahafahana mamehy izany fa any anaty kotrana ihany koa.

4️⃣Ny corps physique no anisan’ny mifandray akaiky indrindra amin’ny tany. Noho izany ilaina ny fanaovana encrage amin’ny tany, mandeha tongotra any anaty natiora tsy manao kiraro na kapa na mandehandeha amin’ny tany.

5️⃣Ny fitaizana sy fikolokoloina ny corps physique no fototra iray enti-manatanteraka ny rehetra. Tsy voatery hoe mikotrana be fa maka 15 hatramin’ny 30 minitra isa-maraina avy mifoha alohan’ny hivoaka ny trano handehanana hiasa na hianatra.
Rehefa mihetsika ny vatana dia mikoriana ny rà ary voakitika daholo ny sela rehetra any anatinao any dia iny ilay mahasalama sy mampavitrika. Noho izany kolokoloy sy karakarao tsara izy. Ny fifehezana ny corps physique dia ahafahanao mahomby sy mivoatra amin’ny fiainana.

✅Madio fo sy madio saina ary madio fihetsika ny mpao kung-fu Wisa.

🛑Mbola mitohy ny fandraisana mpianatra ho an’izay vonona hiaraka aminay.
🛑Aza misalasala mandefa hafatra miafina raha liana sy vonona.

MANDRESY MANDRAKARIVA ✨

11/02/2026

Faly miaraha antsika rehetra indray 🥰

Hizara vaovao mahafaly sy mahafinaritra ho an’ireo rehetra maniry te hikotrana sy hiditra ho mpikambana ary te handalina ny taranja kung-fu WISA izahay😊

✅Noho ny fangatahan’ny maro anaty hafatra miafina izay liana te hikotrana sy hiditra ho mpikambana dia tapaka fa :

1️⃣Misokatra ny kotrana ankoatran’ny sabotsy eto amin’ny kwoon Nanisana. Izany hoe misy kotrana ny ALAHADY tolakandro ankoatran’ny sabotsy.

2️⃣Toy izao ny fandaharam-potoana ary :

➡️Sabotsy maraina : 8ora-10ora
➡️Alahady tolakandro : 2ora-5ora

3️⃣Misokatra ny fisoratana anarana amin’ity volana febroary ity ho an’ireo vonona sy liana ary te hikotrana. Midirà hafatra miafina raha vonona ianao.

4️⃣Ara-dalàna sy manaraka ny rafitra eo anivon’ny ministera ny kwoon Nanisana.

5️⃣Iza daholo no raisina ?
Ankizy manomboka 7 taona hatramin’ny lehibe indrindra.

#️⃣Raha vonona ianao hiaraka aminay dia midirà hafatra miafina maka ny andinindininy

✅Tsy mifaninana amin’iza na iza ary tsy manenjika sy mifanenjika amin’iza fa miezaka mandeha anatin’ny lalan’ny fahamarinana am-panetre-tena sy am-pahamendrehana hanatanteraka sy hamità ny iraka izay nanirahana.

✅Hitaiza sy hanasoa ny tena manokana sy ny mpiara-belona ary ny mpiray tanindrazana.

✅Mikatsaka ny fahendrena sy ny filozofia Malagasy araka ny nitondran’ny mpampianatra lehibe azy.

✅ « Velona ho an’ny Malagasy, mianatra ho an’ny Malagasy ary fiafarana Malagasy » hoy ny grand-maître Pierre Mizaël.

✅Madio fo, madio saina ary madio fihetsika.

Ianao sisa andrasana fa aza tara intsony.

MANDRESY MANDRAKARIVA ✨

09/02/2026

Miarahaba antsika rehetra 🥰

Inona tokoa moa ilay dikan’ny hoe midinà ambany sy ny midina ambany ho an’ny mpanao kung-fu WISA?

1️⃣ Voalaza anaty filozofia ny fanetre-tena, mifandraika amin’izay tovozina ary hiainana koa ny fidinana ambany. Raha angovo no resahana dia manakaiky ny tany satria ny tany dia singan-kery iray ahitana angovo goavana, ilaina mba ahazoana ilay fifandajan-kery.

2️⃣Anisan’ny mampisokatra sy manamafy ny ivon-kery voalohany ihany koa ny fidinana ambany. Manala ireo rehetra maharary any amin’ny valahana, lohalika, lamosina ihany koa izy. Mampitombo hery anaty sy anisany manamafy ihany koa izy.

3️⃣Ny mpikatroka kung-fu Wisa dia mahay miaina tahaka ny rano eo amin’ny fiainana.
Mahay midina ambany dia mahay miakatra ambony, izany hoe raha atao anaty verre ny rano dia manaraka ny endriky ny verre, atao anaty ny tavoahangy mahay manaraka ny endriky ny tavoahangy, raha atao amin’ny tany ny rano lasa fotaka. Ny mpikatroka kung-fu Wisa araka izany dia mahay miaina amin’ny lafiny rehetra sy eo amin’ny toerana ametrahana azy saingy am-panetre-tena sy am-pahamarinana lalandava.
Ny fidinana ambany dia ny fanetre-tena sy ny fandeferana saingy apetraka sy omena lanja ary hajaina lalandava ilay taranja.

✅Madio fo, madio saina, madio fihetsika ny mpikatroka kung-fu WISA.

MANDRESY MANDRAKARIVA ✨

01/02/2026

Miarahaba antsika rehetra🥰

Misy mangataka sy manontany any amin’ny mp any hoe mba omeo teknika ny fahombiazana, inona no atao raha te hahomby amin’ny fiainana ?

✅ Misy tenin’ny grand maître izay manao hoe
« FARITO MAZAVA NY TANJONAO DIA TSY HO NOFY NY FAHOMBIAZANAO »

1️⃣Amin’ny fiainana na inona na inona ataonao dia mametraha tanjona na fohy ezaka io na lavitra ezaka. Ohatra amin’ity volana febroary ity aho mila mandray vola 50.000ar isan-kerinandro. Ohatra mikotrana aho satria te hatanjaka, mikotrana aho fa te ho salama, mikotrana aho fa te handalina sy hitrandraka ny ara-panahy be dia be. Ny olona rehetra samy manana ny tanjony amin’ny zavatra ataony rehetra. Dikan’izay mametraha fanontaniana amin’ny tenanao isaky ny misy zavatra ho ataonao, mametraha tanjona.

2️⃣Rehefa fantatrao mazava ny tanjonao, rehefa fantatrao mazava ny antony anaovanao zavatra iray dia mametraka ianao ny Visualisation sy ny Imagination eritreritanao daholo amin’ny fomba rehetra ireo zay zavatra rehetra mety ahatratraranao ny tanjonao amin’ny fahamarinana sy amin’ny ara-dalana. Mamomavola drafitra ianao, mandefa fisainana mihabo amin’ny tanjonao satria miainga amin’ny saina ny zava-drehetra. Miherim-panahy ianao dia eritreretinao ao daholo ny zavatra tsara rehetra ahafahanao mahatratra ny tanjonao, henoinao ny bitsik’ilay Andriamanitra ao anatinao. Rehefa voavolavola ny drafitra rehetra sy ny fisaintsainana mihabo rehetra dia mila ampanarahanao ny eritreritrao ny zavatra lazainao sy ny fihetseham-ponao. Eritreretinao ho toy ny efa azo efa tanteraka ny zavatra novolavolainao.

3️⃣ Rehefa vita izay dia mila manao hetsika na ny action fa tsy hoe efa mieritreritra aho, efa mivavaka aho dia tsy hihetsika fa hiandry fotsiny eo. Atao daholo izao zavatra rehetra izao nefa ianao tsy mihetsika tsy manao action. Te ho afa-panadinana ianao nefa tsy mianatra lesona, te ho mafy ianao nefa tsy mikotrana, te hanam-bola ianao nefa tsy miasa. Dikan’izay mila mihetsika ianao, mila miasa ianao. Ataovy am-pitiavana, ataovy am-pahamarinana, akao tsirony ary ataovy amin’ny fo.

4️⃣Rehefa vita izay rehetra izay dia misy ny vokatra na ny résultat. Na ho ela na ho aingana misy vokatra io ataonao io rehefa voarafitrao sy voafaritrao mazava ny tanjonao, rehefa hitanao ny lalan-kizoranao sy alehanao arahinao fanatanterahana sy finoana ary fahatokisan-tena.
Raha sanatria ratsy ny vokatra ny tanjona tsy miova fa ovaina ny drafitra andraisana lesona ny lesoka satria tafiditra ao anaty andrana na ny experience izany rehetra izany.

5️⃣ Rehefa vita izay rehetra izay dia misaorà, isaory ny zava-drehetra izay azonao na inona na inona satria zava-dehibe indrindra dia ny misaotra sy mankasitraka amin’ny zava-drehetra miseho eo amin’ny fiainanao.

« FARITO MAZAVA NY TANJONAO DIA TSY HO NOFY NY FAHOMBIAZANAO »

#️⃣Visualisation, Action, Résultat (VAR)

✅Madio saina, madio fihetsika ary madio fo ny mpikatroka kung-fu Wisa.

MANDRESY MANDRAKARIVA ✨

26/01/2026

Miarahaba antsika rehetra 🥰

Inona marina moa izany no antony hanaovana ity kung-fu WISA ity?
✅Hoy ny grand maître hoe ny antony hanaovana kung-fu Wisa dia MBA hampetipety ny fiainana.

Fa ohatrany ahoana izany ilay fiainana metimety rehefa manao kung-fu Wisa?

1️⃣Eo amin’ny lafiny ara-batana. Ilay ianao tsemboka tsara eo ampanodinana lesona iny, ilay ianao mahararirary kely anaty kotrana iny, iny ilay ahazoana fahasalamana. Iny ilay mampikoriana tsara ny rà, ilay mampidoboka tsara ny fo, manala ny loto rehetra any anaty ianao ilay tsemboka iny. Voafehy sy voataiza ao anatin’izany ny corps éthérique satria mikoriana tsara ny rà, mitempo sy midoboka tsara ny fo, voakitika daholo ny sela rehetra anaty vatana amin’ny alalan’ny respiration na ny pranamaya. Voataiza ihany koa ny corps astral satria ao ianao Ilay maka tsirony tsara amin’ilay kotrana izay ataonao afaka ny rarin-tsaina, ny fahasorenana rehetra…
Metimety tsara izany ny vatanao na ny plan physique anao ety ivelany satria ianao en forme tsara, tanora lalandava, ilay hitan’ny olona ety ivelany vao mijery anao ny olona tonga dia hitan’ny tena ao tsara hoy ny tanora😊

2️⃣Eo amin’ny lafiny ara-tsaina.
Ao indray mianatra mifehy ny tenanao, mampitombo fahatokisanao tena. Manala henatra, mianatra mitarika, mianatra miteny.
Ankoatran’ny fianaranao any am-pianarana sy izay ianaranao dia mianatra ianao maneho hevitra, mifampizara sy mifampiresaka na mianatra mivelatra sy malala-tsaina.
Voataiza indray araka izany ny corps causal amin’ilay ianao mianatra miteny, maneho hevitra, mianatra mihira mihitsy aza tamin’ny andron’ny grand maître.
Olona marani-tsaina sy tia mianatra ny mpanao kung-fu Wisa hoy ny grand maître.
Voataiza ihany koa ny corps mental, satria ny mpanao kung-fu Wisa dia tia mianatra, liam-pandrosoana, liam-pivoarana mitondra makany amin’ny tsara sy ny mahasoa ny tena sy ny mpiara-belona.

3️⃣Eo amin’ny lafiny ara-panahy.
Izay lehibe indrindra
Ao ianao ilay mifandray sy mihaino ilay Andriamanitra ao anatinao, maka fitoniana, filaminana, mierim-panahy. Io no tena anisan’ny trandrahana sy iainan’ny mpikatroka kung-fu Wisa. Fahaizana mihaino ilay ao anaty satria rehefa mifandray mivantana amin’ilay ao anatinao ianao na aligné hoy ny teny vahiny dia afaka manatanteraka izay fanirianao sy izay kasainao atao rehetra.
Ao no mitrandraka ilay hery anaty. Ilay corps atmique sy ilay corps Christique izay sombin’Andriamanitra ao anatintsika.
Zava-poana ny daka sy ny totondry raha tsy hainao mampiasa azy sy mifehy azy amin’ny fotoana ilanà azy fa ny lehibe indrindra dia ny fahaizanao mampiasa sy mifandray ary mampiasa ilay Andriamanitra ao anatinao.

#️⃣Ny antony anaovana kung-fu Wisa dia mba hampetipety ny fiainana. Mandeha am-pahendrena sy am-pahamarinana ary am-pitiavana.

✅Madio fo, madio saina ary madio fihetsika ny mpikatroka kung-fu Wisa

MANDRESY MANDRAKARIVA ✨

23/01/2026

Faly miarahaba antsika rehetra indray🥰
Maro ny fanontaniana mipetraka anaty hafatra miafina hoe inona no fady ao amin’ny kung-fu Wisa, manompo sampy ve ny kung-fu Wisa, manavaka antokom-pivavahana ve ny kung-fu Wisa. Iza no andriamanitry ny kung-fu wisa
Ho valiana araka izay azo hamaliana azy ary ny fanontaniana.

1️⃣Ny mpikatroka kung-fu Wisa dia mino an’Andriamanitra nahary izao rehetra izao. Ary tsy manavaka antokom-pinoana na atokom-pivavahana. Tsy manompo sampy mpanao kung-fu Wisa fa miaina sy mihaino ilay Andriamanitra ao anatiny amin’ny maha sombin’Andriamanitra ny olombelona.

2️⃣Ny fady ny mpanao kung-fu Wisa dia izay mifanohitra amin’ny tsara rehetra. Ny faholotoana, ny tsy fahamarinana, ny fialonana, ny fanaratsiana…

3️⃣Tsy mihinana sakafo misy poizina ny mpikatroka kung-fu Wisa izay mety hampidina sy hampihena ny hovitra ao anaty.
Ohatra amin’izany : ny sigara, rongony, paraky, toaka…

✅Ny kung-fu WISA dia fomba iray enti-miaina sy hitondrana tena mandeha am-pahamarinana sy am-pahamendrehana, ary hanasoavana ny tena manokana sy ny mpiara-belona indrindra fa ny firenena araka ny filozofia nitondran’ny mpampianatra lehibe azy hatramin’izay

#️⃣Madio fo, madio saina ary madio fihetsika ny mpanao kung-fu WISA

19/01/2026

Miarahaba antsika rehetra indray🥰

✅Isika olombelona dia fanahy miaina ilay vatana maha olombelona ety ivelany. Misy fomba fiteny izay hoe Andriamanitra dia fanahy ary hoy ny Ntaolo Malagasy hoe ny fanahy no maha-olona noho izany ny vatantsika dia ilay itoeran’ny fanahin’Andriamanitra izay maha sombin’Andriamanitra antsika.

✅Ny filozofia WISA dia mifotrotra sy mitrandraka ilay hery anaty amin’ny maha Andriamanitra izay avoaka ety ivelany entina hanasoavana ny tena manokana, ny ankohonana, ny mpiara-monina ary indrindra ny firenena.

1️⃣ *Ny haiady Wisa dia tsy haiady ara-batana fotsiny fa lalàn'ny fivoaran'ny tena manokana izay mampifandray ny vatana, ny saina ary ny fanahy.

Anisan’ny ihany koa ny fampandrosoana ny ao anaty, fahalalàna ny tena, ny fampivoarana ny tena manokana …

Azo ampifandraisina toy ny Rano izany hoe « Tahaka ny rano maka ny endriky ny fitoerany ».

2️⃣ Voalaza anaty filozofia ny fanetre-tena, mifandraika amin’izay tovozina ary hiainana koa ny fidinana ambany. Raha angovo no resahana dia manakaiky ny tany satria ny tany dia singan-kery iray ahitana angovo goavana, ilaina mba ahazoana ilay fifandajana.

Manambatra ny angovo miaraka amin’ny lalàn'ny polarity (+/-) na (Yin sy Yang) izay miantoka ny fifandanjan-kery.

Ohatra: hetsika, sakafo, zavatra atao…
Hetsika malefaka sy miadana maneho ny Yin.
Hetsika mafonja maneho ny Yang.

✅Ny kung-fu Wisa dia fiainana ary madio fo, madio saina ary madio fihetsika ny tena mpikatroka kung-fu Wisa.

#️⃣Mbola mitohy ny fandraisana ho an’ireo liana te ho mpikambana. Midira hafatra miafina😊

Photos from Kung-Fu WISA kwoon Nanisana's post 18/01/2026

✅ Ao anatin’ny ara-dalàna hatrany isika amin’ny fanarahana rafitra federaly ara-panjakana ka manatanteraka ny adidy sy hetsika iarahana amin’ny fédération.

👉Vory lanona tetsy amin’ny efitrano malalaka petit palais des sports anio Alahady 18 janoary 2026 ireo mpikatroka kung-fu wisa an’arivony eto Analamanga.

🙏Ny Grand Maître AVOKO Filohan’ny fédération kung-fu sy ny Ligimparitra Analamanga no nitarika ny fotoana.

🤝Fifampiarahabàna nahatratra ny taona vaovao, Fanolorana ireo Athlètes hiatrika ny championnat de Madagascar, Fampianarana sy torohevitra ho entina hiatrika sy hanatsaràna ny fiainana isantokantrano no anisan’ny novoizina tao.

📍Mitohy ny fitetezam-paritra ary nisongadina tamin’izany ny fanentanana ny mpikambana manerana ny Nosy mba tsy ho variana na hitazampotsiny amin’ny raharahampirenena satria olompirenena ny mpanao kung-fu ka manana zo ho amin’izany.

🙏Afapo tamin’ny fampianarana ny mpikambana rehetra🙏

✅Madio fo, madio saina, madio fihetsika ny tena mpikatroka kung-fu Wisa


Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Nanisana
Antananarivo
101