10/10/2022
Raha sendra olana mafonja
Be fiavy toy ny onja
Ataoko ambony ny ahy ny saina
Faly aho fa mbola miaina.
Ny tsy fisiana lava reny
Zary efa iainako ombieny
Tsy ataoko ampikoro
Izay herin-tsaiko mba mijoro.
Ny fingampingan'ny tsy tia
Ireo esoeso etsy sy ery
Ireny no fototr'ananganako
Ny ho avy hamiratr'hivantanako.
😍
04/08/2022
Aleo an, miaina irery fa am-pilaminana;toy izay miaina miaraka -maro(namana, havana,...) kanefa korontan-dava, mpiatsara-velatsihy, mpandainga, mpamitaka...
Na de matsiaro tena hoe irery aza ianao, tsy tsapanao ve fa milamina ihany fiainanao?
Ny ahy aloha aleoko irery e, namana tena natokisana milaza fa mifampizara manta syy masaka aza mantsy mahavita mamadika tsy ampoizina.
Ilaina ny misy namana fa raha asaina misafidy aho de aleoko irery... 😍izaho ihany de afaka mapifali2 tenako, afaka manao zay tiako atao... 😍
22/03/2022
Ny fitiavana hono...
Zavatra ilaina fa mampiferin'aina,
Mampikorotana be izato saina,
Tsy ahavitana izay tokony atao,
Fa mampitanondrika lava izao.
Ny fitiavana mantsy toa maha saro-piaro,
Mahatonga ny sasany malai-mifangaro,
Misento lava lavitra olo-tiana,
Manirery sy toa olo-mangina.
Fanampin'izany toa mankahia,
Fa olana lava misakana ny dia,
Tsy mahinan-kanina fa mitebiteby,
Manahy isanandro ndrao hisy hibedy.
Tena izany ve?
Amiko aloha dia tsy mba tahak'izany,
Fa ny fitiavana dia ilaina hatrany,
Satria ny fitiavana tsy zavatra kely,
Ka ho zary adino raha toa manirery.
Ilay fitia lehibe ao am-ponao ao,
No hany hampahery atao,
Manolotra hatrany ny tsara rehetra,
Manome am-pitiavana tsy misy fepetra.
Fa kosa tandremo...
Fa ny fitiavana anie tsy kilalao,
Sao entanim-po be atao,
Dia mihevi- tena fa hoe mahay mitia,
Avy eo mamoy fo fa hoe sampona ny dia.
Fitiavana tokana tsara hotarafinao,
Ilay Andriamanitra Ray tsy mba mandao,
Hangataho Izy hanoro sy hitantana ny dia,
Dia ho tafita sy ho lavorary ianareo mpifakatia.
11/03/2022
Ekena fa ilaina ny vola,
Ny fiainana tsy vita mora,
Mihazakazaka mitady ny soa,
Tena mandeha mafy tokoa.
Tsy maintsy miady raha mbola eto an-tany,
Fa tsy atao mahakivy anefa izany,
Na dia hisotroana izay tena mangidy,
Miketrika ho an'ireo fara sy dimby.
Na dia eo aza ny ady lalovana,
Na dia sahirana sy fadiranovana,
Ny finoako Anao Tompo ampy ahy,
Ka tsy misy izay mampanahy.
Ny Hanitro
15/02/2022
NY FOSAFOSA
Ianao ve no te halaza dia ny hafa no haratsianao?
Ianao no te halaza dia mifosa no atao?
Sa Tsy tantinao mihitsy mahita ny hafa mba tafita?
Dia feno fialonana sy fosafosa analin- kisa?
Tsarovy fa tsy izay enjehina akory no ratsy
Fa ny mpialona sy mpanakiana no be kisasy
Ary tadidio koa fa miodina ny tany
Ka sao ianao hifoterany vao hitomany.
Eny aki ry be fosafosa,
Fa ianao io mihitsy no hatao hoe kanosa,
Tsy aleo ve hifanatrehana aloha,
Dia hita eo izay tena maivan-doha
Raha laza sy voninahitra no tadiavinao,
Nahoana re raha mba izay tsara no atao?
Tsy ny takoritsika etsy sy eroa
No hanamarika fa ianao ilay tsy manam-paharoa.
Hatsaharo ny fosafosa mampiady
Hialao ny takoritsika mihantsy ady
Ny fahendrenao dia ny mangina
Fa fiainana ity tsy ilaozan'izay mpanakiana.
Ny Hanitro
13/02/2022
NY TENA NAMANA
Anisan'ireo namana tsy foiko raha ianao,
Sakaiza fizarako ny rehetra izay natao,
Vao tsy ela isika no nifankahay,
Fa ilay fo nifankatia no nampiray .
Raha sendra nisy vesatra nitondra fahoriana,
Dia niarahana nizaka ka nisolo fifaliana,
Tamin'ny fiainako rehetra izay nilaiko tolo-tanana,
Tsy nitsahatra nanampy ahy lay tsy foiko tena namana.
Nitady ihany aho aloha ny hasolo andry ,
Fa hatreto mbola meilleure ianao ry bestie,
Tazomy hatramin'ny farany ny place-nao,
Fa marobe anie ireo te hisongona anao.
Ny Hanitro (13/02/2022)
15/01/2022
ALOKA
Tampoka anie hoa ilay fahafatesana
Vao ora iray monja tsy naharenesana
Dia hoe lasa hono nindaosin-drafahafatesana
Ka tonga ny tomany tsy hifandrenesana
Tsy zakan'ny saina ny mandinika izany
Kanefa tsy misy azo atao afa-tsy ny manaiky ihany
Fa ny olombelona tsirairay dia samy mbola ho amin'izany
Ka na dia mangidy aza dia fiainana izany
Fandalovana anie ny fiainana an-tany
Toy ny aloka sy zavona izay miserana ihany
Ka hararaoty hanaovana ny tsara hatrany
Mba hisy valisoa hovantanina rehefa tonga any
ny fahavelomanao fa mandalo izao fiainana izao.
16/12/2021
ILAY FOKO TIA
Misy fotoana aho resy lahatra fa tsy natao ho ahy ianao
Ilay foko tia anefa mihika te ho eo anilanao
Misy fotoana aho te hamotsitra ilay tananao mamihina ahy
Ilay foko tia anefa toa mananjamba ny masom-panahy
Misy fotoana aho toa resy tsy sahy mibanjina akory
Ilay foko tia anefa mihika mafy toa tsy mety matory
Misy fotoana toa manantena be ny foko
Hay ka fampitoniana ahy mba tsy hitoloko
Ilay foko tia mbola te hijanona anilanao foana
Kanefa ny sopatra nahatonga ny faniriako ho foana
Ny ratra-po sy alahelo nandavan-taona
No nahatonga ilay foko tia nanjary babangoana
Indrisy ry foko tia,mitonia
Fa tsy natao ho anareo ny hiara-dia
Hatsaharo ny ranomaso
Fa ity fiainana tsy ialan'izay akaso
Ny Hanitro
10/11/2021
Namako an,
Tsy ny toetra ivelany no hamantarana fa tsara ny olona iray na hoe hendry
Azo amboamboarina hifanaraka hita ety ivelany ny toetra
_mody tsotra sy malemilemy
_mody hendry
_mody miseho be fitiavana
Satria misy tombontsoa tadiaviny ao dia miezaka izy manamboamboatra ny toetra ivelany mba hahazoany ilay tombontsoa tadiaviny.
Kanefa tsy maintsy hibaribary foana ny tsy fahamarinan'iny toetra namboamboarina iny na ho ela na ho aingana.Tsy maintsy hiseho ny tena toetrany!
Vokany?
==>fahadisoam-panantenana
==>fifandirana
==>tsy fifampitokisana
==>ratra-po sy alahelo
Aleo aza Tonga de hasehonao azy hoe tsy tianao izy na koa tsy mety aminao ny mifandray aminy toy izay hoe fitahinao toetra namboarina izy,.
Raha tena tianao ny namanao/manodidina anao/olo-tianao?
*aza fitahina izy
*hajao tsara izy
"...,ny toetra ratsy azo ovaina."
Aza menatra maneho ny maha anao anao,fa rehefa tena Tia anao ny namanao/manodidina anao/olo-tianao dia hainy :
mananatra anao sy manoro anao izay tokony hataonao
mivavaka ho anao mba handraisanao fanovana
👉👉Aza fitahina ny olona tianao raha irianao ny hanana fifandraisana tsara,mirindra ary maharitra ireo
Teny hatsipy ho an'ny manam-panahy.
04/11/2020
Manana olona iray tena namanao ianao na koa hoe"meilleur ami",fitantaranao ny tsiambaratelonao,eo izy vonona tsara mihaino anao,mifanpizara ny manta sy ny masaka dia matoky azy tokoa ianao fa tena namanao izy.
Kanefa hay izy ambadika any manana ny tena namany koa fa tsy ianao;dia eo izy mitantara ny fiainanao sy ilay tsiambaratelonao tena namany.
Dia iny tena namany iny koa kay manana ny tena namany fa tsy izy.
==>Tsy misy mihitsy izany ilay hoe "garder secret" fa izay mivoaka eo dia tsy maintsy lasa gazety vakian'ny olon-drehetra foana.
==>tsy misy olona azo atokisana izany hoa raha mbola ety ambonin'ny tany e! asa ianao raha mahatsapa izay tsapako???
==>Namana an,aza tia misikotsikotra fiainan'olona,dia aza tia raha fa ny fiainanao hatreo,ny ho avinao banjino!
==>Aza matoky olona,aza haparitaka ny fiainanao rehefa tianao ho tsiambaratelo
25/10/2020
Irery aho nilaozanao
Fa saingy tsy misy azo atao
Marary ny fo,ory ny fanahy
Fa saingy mbola ao ilay Ray Mpiahy
Ny fiainana mitohy foana
Na dia rava hatreo aza ilay fitia
Ny fanantenana tsy ho foana
Satria mbola eo ilay Ray Tia
Mivavaka aho ho ambinina ianao
Ho tojo izay iriana sy tianao
Ary ny alahelo hifarana hatreto
Hisolo hafaliana ireo sento