Mik'ifa Sport

Mik'ifa Sport

Share

"​​Ta dose quotidienne de passion"
par Nomena Mika. Concepteur de la Rubrique "Training Loops & Sport" (Dream'in TV)📺.

15/08/2026

Filaharan'ny Fifaninanana nationaly (Championnat) amin'ny taranja baolina kitra rehetra eto Afrika⚽️.
Miisa 54 izy ireo ary Faha-38 no misy an'i Madagasikara sy ny PFL (Pureplay Football League)🇲🇬.

Azo lazaina hoe mbola tsaratsara toerana ihany🔥

12/08/2026

Ny réaction an'ny mpiara-milalao amin'i Yan Diomandé rehefa nanontaniana izy hoe firy taona😭🤣🇨🇮

08/08/2026

Sary tamin'ny 14 Novambra 2024 izy ity📸

Dia ity misy fanazavana ny resaka contrat Tripartite nataon'i Roro, Fanjakana, FMF.

🔴 MOMBA ILAY RESAKA “KARAMAN'I COACH RÔRÔ”

Mihamaro amin'izao fotoana izao ny publication sy commentaire manenjika ny Fédération Malagasy de Football (FMF) momba ny resaka karaman'i Coach Romuald “Rôrô” Rakotondrabe.

Alohan'ny hanamelohana na handotoana ny FMF anefa, aleo aloha apetraka mazava ny chronologie sy ny zava-misy.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
📅 30 MAI 2023 – FANENDRENA AN'I COACH RÔRÔ
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Tamin'ny 30 Mai 2023, i Romuald Rakotondrabe, fantatra amin'ny anarana hoe Coach Rôrô, no voatendry ho sélectionneur des Barea A, nisolo an'i Nicolas Dupuis.

Tamin'io vanim-potoana io dia nahazo vokatra lehibe ihany koa izy, anisan'izany ny faha.telo tamin'ny CHAN 2023 sy ny volamena tamin'ny Jeux des Îles 2023.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
📅 17 MAI 2024 – CONTRAT VAOVAO
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Tsy tokony hadinoina koa fa tamin'ny 17 Mai 2024 dia nanao sonia contrat vaovao i Coach Rôrô, izay nitazona azy ho sélectionneur hatramin'ny Oktobra 2026.

Ary tena zava-dehibe ity:

👉 Contrat tripartite izy io, nahitana ny Coach Rôrô + FMF + Ministère de la Jeunesse et des Sports.

Noho izany, raha resaka fandoavana karama no atao, tsy azo atao ny mametraka ny FMF irery ho tompon'andraikitra, raha tena contrat tripartite no nifanarahana.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
🔴 14 NOVAMBRA 2024 – DÉMISSION
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Ity no daty tsy maintsy hazava tsara:

👉 14 Novembre 2024

Taorian'ny lalao Madagascar – Tunisie, dia nametra-pialana i Coach Rôrô tamin'ny maha-sélectionneur ny Barea A azy.

Ny FMF mihitsy no nanamafy izany tamin'ny communiqué ofisialy nivoaka ny 16 Novembre 2024, nilaza mazava fa nitranga taorian'ny lalao tamin'i Tunisie tamin'ny 14 Novembre 2024 ny démission.

Ary inona no nataon'ny FMF?

➡️ Tsy nitazona azy an-tery.
➡️ Tsy namela fahabangana teo amin'ny Barea.
➡️ Nandray fanapahan-kevitra haingana.
➡️ Gilles Hugon no nampandraisina vonjimaika ny fitantanana ny ekipam-pirenena.

Izany rehetra izany dia voarakitra ao amin'ny communiqué ofisialin'ny FMF.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
💰 KA AIZA NO MISY ILAY RESAKA KARAMA?
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Eto indrindra no tokony hahay hanavaka zavatra roa:

❌ Tsy mitovy ny hoe:

“Tsy nahazo karama tamin'ny asa nataony izy”

sy ny hoe:

“Mbola tokony handray karama izy rehefa efa nametra-pialana.”

Araka ny fanazavan'i Coach Rôrô tamin'ny resadresaka iray tamin'ny 2025, nilaza izy fa mbola nisy salaires talohan'ny démission teo am-pandaminana, ary nanazava koa fa ny contrat-ny dia tokony haharitra hatramin'ny Oktobra 2026.

Nilaza ihany koa izy fa telo ny mpandray anjara amin'ny fandoavana ny karamany: ny État, ny FMF ary ny sponsor, ary araka ny fanazavany dia 60 % ny État ary 40 % ny FMF.

👉 Midika izany fa tsy rariny ny manome sary amin'ny olona hoe FMF irery no tokony hamoaka ny vola rehetra, raha araka ilay fanazavana dia misy antoko maromaro voakasika.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
❓ FA MANINONA MOA?
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Raha tena misy vola mbola tsy voaloa amin'ny Coach Rôrô, dia tokony hapetraka amin'ny fomba mazava:

Iza no tokony handoa?

Inona ny période nanaovana ilay asa?

Inona ny montant mbola tsy voaloa?

Inona ny andraikitry ny État?

Inona ny andraikitry ny FMF?

Inona ny anjaran'ny sponsor?

Ary indrindra:

👉 Inona marina no voalazan'ny contrat nosoniavin'ny antoko telo?

Satria tsy tokony ho lasa fitaovana politika na fitaovana fanaratsiana ny resaka karaman'ny Coach.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
🇲🇬 KA MANINONA NO FMF IHANY NO IHARAN'NY FANEJEHANA?
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Raha État + FMF + sponsor no voakasika amin'ny financement, dia mampametra-panontaniana:

❓ Fa maninona moa ny FMF ihany no iharan'ny fanenjehana sy fanaratsiana?

❓ Fa maninona no tsy hazavaina amin'ny vahoaka manontolo ny tena rafitra sy ny andraikitry ny antoko tsirairay?

❓ Fa maninona no lasa “FMF tsy mandoa karama” avy hatrany no hafatra aparitaka, raha mbola misy contrat sy partenaires maro voakasika?

Aleo ny antontan-taratasy sy ny zava-misy no hiteny.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
⚠️ ARY MOMBA ILAY FANARATSIANA MIHITSY?
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Tsy tokony hanendrikendrika olona tsy misy porofo isika.

Fa azo apetraka kosa ny fanontaniana:

👉 Iza no tena mahazo tombontsoa amin'ny fanaparitahana ady sy fifandirana eo amin'ny Coach Rôrô sy ny FMF?

👉 Nahoana no amin'izao fotoana izao no miverina avoaka sy ampiasaina amin'ny fanenjehana ny FMF ity raharaha ity?

👉 Moa ve misy olona na vondrona efa ela no nitady toerana na fahefana ao anatin'ny football Malagasy ka manararaotra izao toe-javatra izao?

Ireo dia fanontaniana mila valiana amin'ny porofo, fa tsy tokony hanamelohana olona mialoha.

Ary indrindra, tsy tokony hampiasaina ho fitaovana handotoana ny Fédération Malagasy de Football ny fahafahan'i Coach Rôrô mitady na mandray opportunité vaovao any ivelany.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
🛡️ FMF: AZO TSIKERAINA, FA AZA TONGA AMIN'NY FANDAINGANA
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Ny FMF dia azo tsikeraina raha misy lesoka.

Fa ny tsikera dia tokony hiorina amin'ny zavzava-misy.

Ahoana ny tena marina? Iza no tena diso?

07/08/2026

Raha tena tanteraka eo i Rodri lasa FC Barcelone dia izao no henonareo rehefa mandeha ny tiki-taka⚽️ :

🎙️ Commentateur au micro :

« Rodri… Pedri… Pedri… Rodri… Rodri… Pedri… Rodri-Pedri ! Pedri-Rodri ! Rodri, Pedri, Pedri, Rodri… »

Le ballon ne quitte jamais leurs pieds !🤣

04/08/2026

Hiresaka baolina kitra eto an-toerana isika⚽️

Namoaka publication ny ekipan'Andoharanofotsy fa naka renforts amin'ny fifaninanana Afrikanina miandry azy ireo na ny Caf Ligue des Champions.🔥. Ireo hitantsika amin'ny sary ireo moa ireo mpilalao nantsoina anamafy ny ekipa🫯

Tsy manakana an'izany isika, ary tsy manaratsy akory, satria hoe vokatra no ilainy🏆.

Fa hisarihako kely ny sainareo dia hoe ahoana ny momba ireo mpilalao tena niaritra tao anaty klioba? Tsy mba hatoky azy ireo mihitsy ve ny klioba izany?😞

Ekena nisy ny mpilalao lasa nila ravinahitra, fa tena hoe lasa système eto Madagasikara ilay izy.

Mety tsy maintsy ireo no hijoro, satria matoa hantsoina dia hilalao. Dia misy tsy mba hiaina an'izany fifaninanana Afrikanina izany mihitsy izany fa izay efa avo foana no tovonana🤷🏾‍♂️.

Tsy ahatsapa ny tsirony sy ny valin'ny ezaka be nataony naha chanpion azy ny mpilalao sasany🏆

Averiko ihany, Tsy manakana an'izany isika, ary tsy manaratsy akory satria hoe vokatra no ilainy!. Fa Izany hoe na raraka 1/4, na tsy nivoaka poule ary izany ilay mpilalao dia mandeha Afrika foana, dia misy niaritra ka hatramin'ny farany dia sanatria tsy mandeha na tsy manao match fa tsy atokisana ve sa hoe ahoana ohatra?. Manimba joueurs ihany izy ity na mahasoa ny klioba ary.😞

Samy namako daholo ireo, fa tena tsy misy vahaolana maharitra ve izy ity avy amin'ny klioba mba ahatonga ny mpilalao kely sy mba izay ao anaty ekipa ihany no hiatrika Afrika?

Ny football dia experience, tsy ahazo experience mihitsy ny mpilalao raha tsy manao an'ilay izy.

Misokatra ny ady hevitra.

Mik'ifa Sport

Photos from Mik'ifa Sport's post 01/08/2026

Sary vitsivitsy nalaiko tamin'ny Finale Yas Coupe de Madagascar 2026🏆⚽️

FT: FC ROUGE 3-2 AS SAINTE ANNE

Aza adino ny mi-mentionner ahy rehefa mipub an'ireo ianareo fa tsy asiako sonia🙏

29/07/2026

🚨Vaovao mafana be🔥

Nanambara ny Al Merrikh SC (Klioba misy an'i Nicolas sy Fenohasina) izao fa i Coach Roro no mpanazatra vaovao ny ekipa reserve🙏.

Fifanarahana herintaona azo avaozina✍️

Araho hatrany ny Pejy Mik'ifa Sport⚽️

29/07/2026

Azo lazaina fa "Talent gaché" ve i Neymar?😞

Nanambara mantsy ity mpilalao Breziliana ity fa haka retraite ao amin'ny ekipa nationale Brésil🇧🇷.

Hoy izy : « J'ai écrit l'histoire, j'ai été très heureux, j'ai donné mon sang, ma vie, j'ai toujours combattu pour le maillot jaune, mais maintenant je n'en ai plus envie. »🙏

Tsy mba nahazo amboara Copa America sy Coupe du Monde mihitsy izy tao amin'ny Bresil nefa tena manan-talenta be mihitsy🤯.

Coupe du monde 2014 no tena hoe anazy hoy ny mpanohana raha tsy nisy ilay ratra nahazo azy iny😞.

Talent Gaché ve izy? Mety maro no tsy ahazaka ity teniko ity fa Gareth Bale🏴󠁧󠁢󠁷󠁬󠁳󠁿 mbola tsara carrière noho i Neymar Jr🇧🇷 .

Taiza no tena nanimba ny carrière any?

Aza adino ny manaraka ny pejy Mik'ifa Sport⚽️

29/07/2026

🚨 | KRIZY ARA-BOLA: AL-NASSR |🚨

Nandoa 675 tapitrisa dolara tamin’i Cristiano Ronaldo tao anatin’ny efa-taona i Al-Nassr, nefa amboara iray monja no azony ho setrin’izany.😳

Ankehitriny, miatrika trosa mitentina 280 tapitrisa dolara ilay klioba taorian’ny nandoavany karama be loatra an’i Ronaldo.💰❌

Ary araka ny gazety saodiana Arritadiyah, dia mitondra trosa mavesatra ny Al-Nassr, tompondakan'i Arabia Saodita teo. Ity klioba, izay klioba misy an'i Cristiano Ronaldo ity, dia voatery hampihatra fepetra fitsitsiana henjana mandritra ity fotoana fialan-tsasatra ity mba hahafahany manohy mandoa ireo karama avo dia avo raisin'ireo mpilalaony.💶💸

Araho hatrany ny pejy Mik'ifa Sport👊

28/07/2026

❌️Stade Barea tsy mety Homologué❌️

🚨Inona no mety antony ? Iza no tena tompon’andraikitra momba azy io ?🚨

Matetika isika mahita publication an’olona dia tonga dia manaratsy Fédération Malagasy de Football momba azy io. Ary misy andian’olona mihitsy mamoy an’izay vaovao izay. Tsy hidirako ny hafa fa io terrain io aloha no horesahako.

Ampahafantariko anareo eto ny tena marina amin’izy io ka araho ary.

1️⃣Voalohany, ny tena tompon’andraikitra amin’izy io dia ny fanjakana, ny Kianja Barea Mahamasina dia tsy an’ny Fédération❌️ fa an’ny Fanjakana✅️, ary ny KBM no mitantana azy fa manofa ny Fédération rehefa hanao lalao ao.
Fananam-panjakana fa tsy fananan'ny Fédération

2️⃣Faharoa, ny andraikitry ny Fédération dia manao ny demande homologation any amin’ny CAF✅️.
Izay ihany raha mikasika ny terrain fa tsy manamboatra terrain no asany.❌️

3️⃣Fahatelo, misy vahaolana ve? Eny misy vahaolana izy io raha ohatra ka hoe maka manam-pahaizana ao amin’ny Fédération ny KBM hoe "inona avy ireo critères takian’ny CAF mba ho homologué ny stade?".🏟

‼️Ireo antony tsy maha homologué io stade io dia ny Bozaka, sy ny infrastructures sy sécurité(Vestiaires, VIP/VVIP, Tribunes mpanao gazety, sy ny lafiny sécurité anatiny).‼️

Raha nahatadidy isika dia efa nilaza anie ny Minisitra (MJS) fa anamboatra azy io mba ahafeno ny fepetra indray ka matoky azy isika🙏.

Ny fédération ihany koa dia efa manana ny any Carion izay efa ho tokanana tsy ho ela mba ahafahana mahazo lalao eto an-toerana sy hikarakarana ireo tanora.🏟

▶️Fehiny : Tsy misy Fédération manamboatra terrain izany raha ny tokony ho izy, tamin’ireny Coupe du monde ireny ohatra dia ny fanjakana Amerikanina no manamboatra terrain fa ny Fédération any aminy no mangataka homologation any amin’ny FIFA. Tahaka izany daholo eran-tany.

Izay no marina, ka efa hainareo izy izao🥰
Mba ahatonga anareo tsy ho diso fijery intsony

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Address

Itaosy
Antananarivo
102