🥋Araka ny hevitrao, inona no toetra manan-danja indrindra ampitomboin'ny fiangaliana/fianarana ny Aïkido?
Ny Aïkido dia tsy fianarana teknika fotsiny fa manampy antsika hivoatra ara-tsaina sy ara-panahy ihany koa.
Safidio izay heverinao fa tena zava-dehibe indrindra:
🥋 Fifehezan-tena (Discipline)
💪 Fahatokisan-tena (Confiance)
❤️ Fanajana (Respect)
😊 Fitoniana sy Fahatoniana (Calme)
🤗 Hevitra hafa
Zarao eo amin'ny commentaire ary ny hevitrao.
"Fanabeazana hanefy ny saina, finiavana hampiray ny fo ary finiavana hanandratra ny maha-olona"
Aikido Sandratra Madagascar - A.S.M
"Fanabeazana hanefy ny saina, Fitiavana hampiray ny fo, Finiavana hanandratra ny maha-olona." SR
Aikido Sandratra Madagascar - A.S.M
"Fanabeazana hanefy ny saina, Fitiavana hampiray ny fo, Finiavana hanandratra ny maha-olona."
21/06/2026
💙 Tratry ny Fetin’ny Ray! 💙
Ho an’ireo ray rehetra, misaotra anareo noho ny fitiavana tsy misy fepetra, ny torohevitra, ny herim-po ary ny sorona ataonareo isan’andro.
Tsy voatery ho lavorary ny ray iray, fa ny fony feno fitiavana sy ny ezaka ataony no mahatonga azy ho miavaka.
Enga anie ho feno hafaliana sy fitahiana ity andro natokana ho anareo ity. 👨👧👦❤️🙏
20/06/2026
❤️❤️ Andro feno fitiavana sy fifampizarana ❤️❤️
Faly izahay nahavita nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana teny @ Akany Fiezahana Morarano Andoharanofotsy anio . Tsy ny haben’ny fanomezana no zava-dehibe, fa ny fo sy ny fitiavana entina mizara izany 🎁🎁
Tsara ny manao soa, ary tsy tokony hiandry valiny na tambiny rehefa manao izany. Tsy tokony ho tonga ao an-tsaintsika akory ny hoe « aiza ny valibabena? » na ny hoe « mba nanaovana soa iny »…Ny tsiky hita sy ny hafaliana zaraina dia efa valisoa lehibe indrindra😍
Mankasitraka ny mpikambana rehetra nandray anjara tamin’ity hetsika ity. Enga anie isika rehetra hanohy hizara fitiavana sy hanao soa amin-kitsimpo, satria “ny soa atao tsy mba very.
✨
Ny Aïkido dia fiainana 🥋
12/06/2026
🔥🔥Faly izahay mampahafantatra anareo an’izy mianadahy mpikambana voalohany nahazo grady (tempana volontany) eto @ ASM 🥹
Vokatry ny ezaka, ny faharetana ary ny fanoloran-tena nasehon’izy ireo nandritra ny fiofanana no nahafahan’izy ireo nahatratra izao dingana izao.
Arahabaina sy mirary fahombiazana hatrany amin’ny lalana mbola hizorany izahay. Ho modely sy loharanom-panentanana ho an’ireo mpiara-miofana aminy anie izy ireo🥋👏
10/06/2026
Ohatrany mahazatra anay eto @ klioba moa dia misy foana ny fahatsiarovana kely atolotra ho an’izay mendriky ny taona!🔥🥋
Ndao isika hiaraka hirary soa ho azy 👏
08/06/2026
Mankasitraka indrindra tompoko nahafoy fotoana, nanome ny voninahitra 🙏👏
07/06/2026
✅ Vita soa ny omaly e! 💪
Misaotra an’Andriamanitra hatrany noho ny fitantanany sy ny fitondrany ka nahavitana soamatsara ny lanonana 06/06/26 🙏
Misaotra sy mankatelina ihany koa ho an’ireo senseï nanome voninahitra ny fotoana ❤️
Ary indrindra ianareo ray aman-dreny manohana hatrany ireto zanatsika 😍
🥋🥋
16/05/2026
🥋Programme mois de Juin 🥋
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Andoharanofotsy
102