Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT

Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT

Share

Centre National de Recherche
Musée d'Histoire Naturelle et d'Ethnographie

Photos from Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT's post 28/08/2026

➡️ Anisan'ireo mandray anjara amin’ny ASIEF 2026 eto Manakara ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT ,amin'ny alalan'ny fikambanan'ireo mpanao fanatanjahantena ASVT ✨.
Maro ny taranja andraisana anjara amin'izany, toy ny football, basketball, danse, pétanque, ... ⚽🏀💃🏽

⛹️🤝 Fotoana iray mampivondrona ny mpiasa amin’ny alalan’ny fanatanjahantena, ny fifankatiavana ary ny firaisankina. 💪🤝❤️

🙏 Mankasitraka indrindra ny Talen’ny Valanjavaboahary Tsimbazaza tamin’ny fanohanana sy ny fikarakarana izao fandraisana anjara amin’ny ASIEF 2026 eto Manakara izao.

💚 Mirary fahombiazana ho an’ny ekipan’ny PBZT 💪🏆🙏

Botanique et Zoologique de Tsimbazaza

20/08/2026

💚 Mankasitraka ny Ekipan'ny Valanjanavaboahary Tsimbazaza tamin'ny asa notanterahina niaraka tamin'ny

💚 Mankasitraka ny ihany koa tamin’ny fahatokisana sy ny fiaraha-miasa 🙏

Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT


Camp'Aura FMC 2026

Photos from Camp'Aura FMC 2026's post 19/08/2026

.

18/08/2026

Araho tsy tapaka ny pejy fa ho hampafantarinay aminareo amin'ny alalan'ny horonantsary fohy ny "Parc Mobile" izay notanterahinay teny Vontovorona ☺️

Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT

Photos from Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT's post 11/08/2026

🇲🇬
🌿Efa nanokana fotoana ve ianao hitsidika sy hahafantatra ny "Rocaille Africaine" ato amin’ny Valanjanavaboahary Tsimbazaza ? 🌿

➡️ Araka ny anarany, ity toerana ity dia natokana hanehoana ireo zavamaniry avy amin’ny faritra Afrikanina sy ireo mampiavaka azy. Anisan’izany ireo zavamaniry amin'ny ny toerana maina, toy ny Aloe, Delonix, Pachypodium... 🌿🪴
✨ Ny tena mampiavaka ity toerana ity ihany koa dia ny hakanton’ny toerana izay, mahatazana tsara ny farihy lehiben'ny Valanjavaboahary Tsimbazaza.☀️🌿🏞️

🇫🇷
🌿Avez-vous déjà pris le temps de découvrir la Rocaille Africaine au PBZT ? 🌿

➡️ Comme son nom l’indique, cet espace met à l’honneur des plantes originaires ou représentatives des régions africaines, notamment des plantes adaptées aux milieux secs comme les Aloe, Delonix, Pachypodium... 🌿🪴
✨ Mais ce qui rend aussi cet endroit particulièrement agréable, c’est sa vue, qui donne envie de s’arrêter quelques instants et de profiter du paysage. Depuis la Rocaille Africaine, on peut admirer directement le Grand Lac de Tsimbazaza 🏞️ et profiter d’une belle vue sur la végétation et les différents espaces naturels qui l'entourent.

Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZTsimbazaza- PBZT Tsimbazaza- PBZT

Photos from Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT's post 06/08/2026

🇲🇬
𝐅𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚n' 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐭𝐚𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐛𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐥𝐚𝐧𝐣𝐚𝐯𝐚𝐛𝐨𝐚𝐡𝐚𝐫𝐲 𝐓𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚𝐳𝐚𝐳𝐚.

➡️ Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpiasa ao amin'ny sampana miandraikitra ny Biby, dia nisy fiofanana naharitra roa andro momba ny "secourisme animalier" notanterahin'ny TSA (Turtle Survival Alliance) teto amin'ny Valanjavaboahary Tsimbazaza.
➡️ Nandritra izany dia nohalalinina ny fahafantarana ny fitondran-tenan'ny Biby, sy ny fomba hamantarana biby salama, biby marary , tsy ampy rano,na ahitana soritr'aretina hafa. 🐒🐊🐍🐢
➡️ Nisy ihany koa ny Fampianarana ny fomba fiasa sy fitandremana tokony harahina amin'ny fikarakarana sy famindrana biby, mba hiantohana ny fahasalaman'izy ireo sy ny fiarovana azy.

🙏 Maneho fisaorana feno ho an'ny TSA ny ekipan'ny Valanjanavaboahary Tsimbazaza noho izao fiofanana sy ny fizarana traikefa izao.

🇫🇷
𝐅𝐨𝐫𝐦𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐞𝐧 𝐬𝐞𝐜𝐨𝐮𝐫𝐢𝐬𝐦𝐞 𝐚𝐧𝐢𝐦𝐚𝐥𝐢𝐞𝐫 𝐚𝐮 𝐏𝐚𝐫𝐜 𝐁𝐨𝐭𝐚𝐧𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐞𝐭 𝐙𝐨𝐨𝐥𝐨𝐠𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐝𝐞 𝐓𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚𝐳𝐚𝐳𝐚

➡️ Dans le cadre du renforcement des capacités du personnel du département Faune, une formation de deux jours en secourisme animalier a été organisée au PBZT.Assurée par la TSA (Turtle Survival Alliance) , cette formation porte notamment sur la connaissance des animaux, leur comportement, ainsi que sur l'identification des signes permettant de reconnaître un animal en bonne santé, malade déshydratatié,ou présentant des signes de carence.🐒🐊🐍🐢

➡️ Les participants ont également appris les gestes appropriés à adopter lors de la manipulation et du déplacement des animaux, tout en veillant à leur bien-être et à leur sécurité.

🙏 Le PBZT adresse ses sincères remerciements à la TSA pour cette formation et son engagement dans le renforcement des compétences de ses équipes.

Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT

Photos from Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT's post 05/08/2026

🇲🇬
Fikarohana, hoy ianao ? 💡🤔

Maro taminareo no nanontany anay momba ny fikarohana, ny asa ara-tsiansa amin'ny ankapobeny sy ireo fikarohana asa ara-tsiansa tanterahina eto amin'ny PBZT.

➡️Andeha hohazavaina ny atao hoe fikarohana .Araka ny fenitra iraisam-pirenena (Boky Torolàlana Frascati an'ny OCDE), dia mizara ho sokajy telo lehibe ny fikarohana:

🔍 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 (Recherche fondamentale na recherche pure) : fikarohana natao hanitarana ny fahalalana ara-tsiansa sy hamoronana teoria na foto-kevitra vaovao, nefa tsy voatery hisy fampiharana mivantana avy hatrany.Ohatra : fanaovana "taxonomie" ny karazana gidro iray.

🔍 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐡𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 (Recherche appliquée) : fikarohana mikendry ny hamaha olana iray manokana na hamaly filàna ara-tsosialy, ara-teknika na ara-toekarena.Ohatra : famolavolana paikady hiarovana karazana zavamananaina iray tandindomin-doza.

🔍 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 (Recherche & Développement na Développement expérimental) : mampifandray ny fikarohana ampiharina sy ny fampandrosoana ara-teknolojia mba hamoronana na hanatsarana vokatra, fomba fiasa, fitaovana na tolotra vaovao.

➡️ Araka ny Boky Torolàlana M.A.S.T. an'ny UNESCO, ny asa ara-tsiansa sy ara-teknolojia kosa dia ahitana:

🔸 Ny fikarohana, anatin'izany ny fampandrosoana ara-panandramana.

🔸 Ny fampianarana sy ny fanofanana ara-tsiansa ary ara-teknika, toy ny fanaraha-maso sy fitarihana mpianatra manao fikarohana (thèse), ny fanofanana mpiofana (stagiaires), ary ny fampianarana eny amin'ny oniversite.

🔸 Ny tolotra ara-tsiansa sy ara-teknika, toy ny fitahirizana sy fiarovana ireo santionam-biby ao amin'ny tranombakoka, ary ny fanisana sy fanoratana an-tsoratra ny karazana biby sy zavamaniry.

🇫🇷
Recherche dites-vous? 💡🤔

Vous étiez nombreux à nous poser des questions sur la recherche ainsi que sur les activités scientifiques en général et au sein du PBZT en particulier.
➡️ Tout d’abord, précisons ce qu’on entend par « recherche(s) ». Selon les normes internationales (Ref : Manuel de Frascati de l'OCDE), les activités de recherche se subdivisent en trois catégories :

🔍𝐑𝐞𝐜𝐡𝐞𝐫𝐜𝐡𝐞 𝐟𝐨𝐧𝐝𝐚𝐦𝐞𝐧𝐭𝐚𝐥𝐞 (ou recherche pure) : visant à produire de nouvelles connaissances, théories ou modèles conceptuels sans application pratique ou commerciale immédiate. Exemple : étudier la taxonomie d'une espèce de lémurien.

🔍𝐑𝐞𝐜𝐡𝐞𝐫𝐜𝐡𝐞 𝐚𝐩𝐩𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞́𝐞 : visant à résoudre un problème pratique précis ou à répondre à un besoin social, technique ou économique concret. Exemple : concevoir un protocole de conservation pour une espèce menacée.

🔍 𝐑𝐞𝐜𝐡𝐞𝐫𝐜𝐡𝐞 & 𝐃𝐞́𝐯𝐞𝐥𝐨𝐩𝐩𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 (ou développement expérimental) : combinaison de la recherche appliquée et du développement technologique pour créer ou améliorer des produits, procédés ou services. Elle s'oriente vers la fabrication de nouveaux matériaux, produits ou dispositifs.

➡️ Les activités scientifiques et technologiques comprennent à leur tour (Ref : Manuel M.A.S.T. / UNESCO -Manual for the Assessment of Scientific and Technological Activities-)
🔸La recherche, incluant le développement expérimental ;
🔸L’enseignement et la formation scientifiques et techniques (Exemples : la supervision de thèses, l'encadrement de stagiaires ou les cours universitaires) ;
🔸Les services scientifiques et techniques (Exemples : Conservation des spécimens zoologiques dans les musées, Inventaire de la faune et de la flore).

Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT

Photos from Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT's post 31/07/2026

🇲🇬
🌿 Fantatrao ve?

➡️ Ny Valanjavaboahary Tsimbazaza dia tsy toerana fialam-boly sy fitsangatsanganana, na ivon-toerana fanabeazana momban'ny fiarovana ny tontolo iainana fotsiny ihany, fa ivon-toeram-pikarohana nasionaly ihany koa, izay eo ambany fiahian' ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESupReS).

👨👩‍🏫Manana mpikaroka mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka manodidina ny efapolo ny PBZT, avy amin'ny sehatra maro samihafa, toy ny siansa momba ny zavamananaina sy ny tontolo iainana (primatolojia, ornitolojia, herpetolojia, botanika, zoolojia,...), ary koa ireo sehatra hafa, toy ny toekarena, informatika, fitantanana, sosiolojia, sy ny maro hafa...

🔎Mitaky fikarohana ara-tsiansa ny fiarovana sy fikarakarana ireo zavamaniry sy biby ato amin'ny PBZT , toy ny fanaraha-maso ny fitondran-tenany, ny fahasalamany, ny sakafony ary ny fanatsarana toeram-poneny...

🔬 Ho ampafantarinay aminareo ireo vokam-pikarohana ato amin'ny PBZT . Araho hatrany ny pejinay ☺️

🇫🇷
🌿 Le saviez-vous ?

➡️ Le Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) n'est pas seulement un lieu de détente pour toute la famille et un espace dédié à l'éducation à l'environnement. C'est avant tout un centre national de recherche, rattaché au Ministère de l'Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique (MESupReS).

👨👩‍🏫Le PBZT compte une quarantaine de chercheurs-enseignants/ enseignants-chercheurs issus de plusieurs disciplines, notamment les sciences de la vie (primatologie, ornithologie, herpétologie, botanique, entomologie, zoologie, paléontologie, ...) ,ainsi que les autres sciences (économie, informatique, gestion, système d'information, sociologie, ...).

🔎La conservation des espèces en captivité repose également sur la recherche scientifique : observation des animaux, études comportementales, suivi sanitaire, alimentation et amélioration de leur bien-être.

🔬 Au fil de nos prochaines publications, nous vous ferons découvrir les différents travaux de recherche menés au sein du PBZT. Restez connectés ☺️

Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa

Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza- PBZT

Photos from Kew Madagascar's post 28/07/2026

🇲🇬
Ny Valanjavaboahary Tsimbazaza dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno ho an'ny Kew Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka rehetra noho izao fiaraha-miasa sarobidy izao ho fiarovana ireo karazan-javamaniry tandindomin-doza.

🇫🇷
Le Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) remercie Kew Madagascar et ses partenaires pour cette précieuse collaboration en faveur de la conservation des espèces végétales menacées .

23/07/2026

🇲🇬
🐋🐬 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐓𝐫𝐨𝐳𝐨𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐞𝐬𝐨

Andao isika hianatra kely momban'ny trozona sy ny feso amin'ny alalan'ity horonantsary fohy ity.🐳🐬

🇫🇷
🐋🐬𝐉𝐨𝐮𝐫𝐧𝐞́𝐞 𝐦𝐨𝐧𝐝𝐢𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐛𝐚𝐥𝐞𝐢𝐧𝐞𝐬 𝐞𝐭 𝐝𝐞𝐬 𝐝𝐚𝐮𝐩𝐡𝐢𝐧𝐬

Apprenons-en un peu plus sur les baleines et les dauphins à travers cette courte vidéo. 🐳🐬

Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa



Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Address

Rue Fernand KASANGA, Tsarafaritra, Tsimbazaza
Antananarivo
101