15/04/2026
Nitolona hanalana an-dRajoelina sy ny forongony izahay raha nidina ten an-kianja. Maro ny namanay naratra, namoy ny ainy ary mbola mitondra takaitra mandrak’androany.
Ny sasany efa manao saritsarim-pihavanana sy fifanarahana amin’ireo niray tsikombakomba nahavoa mafy ny vahoaka sy nandroba firenena.
Sa soa ty filongoa zao va ? 🤔
15/04/2026
TAZOMY HO ANAREO I ANDRY RAJOELINA FA TSY ILAINAY
Fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy ny fandraisan'ny mpanjakan'i Eswatini an'i Andry Rajoelina. Filoha naloan'ny vahoaka ary tsy manana intsony ny zom-pirenena Malagasy.
Mazava izao fa hanery ny famerenana azy eto Madagasikara no tanjon'ny SADC. Tsy hanaiky izany velively ny malagasy ary mpiray tsikombakomba ireo izay mandray anjara amin'izany. Miantso ny Fitondrana tarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana handà tsy misy fepetra sy tsy ho lavo anatin'ny vela-pandriky ny fanohanan'ny SADC anatin'izao dingana Fanavaozana ny firenena izao.
Nidina an-dalambe hialana amin'ny jadona nataon-dRajoelina sy ny forongony ny tanora sy ny malagasy, tsy ny SADC no hibaiko sy hametraka ny fepetra hanarenana ny Firenena Malagasy.
Ho an'ny Taninjanaka ! 🇲🇬
15/04/2026
🇲🇬 FANAMBARANA
Ny hetsika GenZ Madagasikara dia mampafantatra antsika rehetra, mpanaraka ny pejy, ny rafi-pitantanana, ny mpiara-mombon'antoka, ny haino aman-jery sy ireo vondrona nasionaly sy iraisam-pirenena isan-karazany fa i Herizo sy i Jenny dia tsy miara-dia amin'ny hetsika GenZ Madagasikara intsony ary tsy manana fahefana sy fahalalahana hijoro amin'ny anaran'ny hetsika manomboka ankehitriny.
👉🏽 Jenny dia niala tamin'ny hetsika tamin'ny sitrapony. Arak'izany dia tsy manana alalana na fahefana hiteny amin'ny anaran'ny hetsika intsony izy.
👉🏽 Herizo kosa dia nandalo dingana fitsarana anatiny (CODIS) mifanaraka amin'ny dina mifehy azy indrindra ny andininy voalohany izay miompana sy mifantoka amin'ny fangaraharahana tanteraka amin’ny atao rehetra.
Mifanaraka amin'izany dia mametraka mazava ny hetsika fa ireo fanapahan-kevitra na dingana na hetsika handraisan'i Herizo anjara ka fantatry hetsika sy neken'ity farany fa nataony dia tsy misy hidiran'ny andraikitry ny GenZ Madagasikara.
Manaraka hatrany ireo soatoavina sy andry hijoroany ny hetsika Gen Z Madagasikara. Ny ady amin'ny tsy maty manota, ny fitakiana ny rariny sy ny mangaraharaha ary ny fametrahana ny tany tan-dalàna, ireo dingana ireo no laharam-pahamehana ankehitriny.
Arak'izany, tsy miray petsapetsa na mifandray na mijery fotsiny ny hetsika ary indrindra, manameloka tanteraka ireo fomba na olona manatanteraka hetsika mifanohitra amin'ireo soatoavina iorenanny.
Ny soa iombonana sy ny tombotsoa an'ny besinimaro ary ny fandraisana andraikitra miaraka ireo teboka ireo no hirosoan'ny hetsika. Tsy fanana’olom-bitsy ny hetsika ary fampiasana ny anaran'ny hetsika ho tohatra fiakarana dia melohanay tanteraka.
Ho an’ny Taninjanaka !
Antananarivo, le 8 febroary 2026.
15/04/2026
« La bêtise insiste toujours. » - Albert Camus
15/04/2026
🗣️ AOKA NY FAHAFAHANA MANEHO HEVITRA IZAY ZO FOTOTRA TSY HO HITSAKITSAHANA
🇲🇬 Ny Hetsika Gen Z Madagasikara dia mitaky ny fanajana tanteraka ny FAHALALAHANA miteny sy maneho hevitra ho zo fototra tanteraka.
🔐 Izany fitakiana izany dia mifototra amin'ny:
1. 🛑 Fanajanonana ny fampijaliana sy fisamborana tsy ara-dalàna ireo tanora naneho hevitra am-pilaminana.
2. ⚖️ Fanatsaharana ny fampiasana fiampangana tsy ara-drariny toy ny “fanohintohinana ny filaminam-bahoaka” hanakantsakanana ny feon'ny tanora.
3. 🔓 Famoahana avy hatrany ny tanora rehetra nogadraina noho ny hetsika am-pilaminana.
4. 🗳️ Fampidirana ny tanora amin'ny rafitra fanapahan-kevitra, amin'ny alalan'ny sehatra fifampiresahana ofisialy sy mangarahara.
5. ❌ Tsy fampiasana ny tanora ho fitaovam-piadiana fotsiny
6. 📢 Fampandrosoana ny lalàna momba ny fahazoam-baovao ho an'ny daholobe mba hahafahan'ny rehetra mahafantatra ny zava-mitranga marina.
🎯 FEHINY:
Mitaky fiovana ara-dalàna sy ara-pitondrana ny tanora, amin'ny alalan'ny fahalalahana miteny sy fandraisana anjara mivantana, fa tsy herisetra.
HO AN'NY TANINJANAKA ✊🏽🇲🇬
14/04/2026
🗣️🎙️ Une réflexion citoyenne sur l’avenir de Madagascar : Allons-nous vraiment vers la Refondation ?
🎥 Gen Z Madagasikara
Une réflexion citoyenne sur l’avenir de Madagascar - Gen Z Madagasikara
Podcast sur la situation actuelle à Madagascar : état des lieux, défis du changement et réflexion citoyenne avec Elliot et Mihary.
24/02/2026
Fiaraha-mientana sy fanampiana ho an’ny mponina tao amin’ny fokontany Ambolomadinika, Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI.
Mankasitraka ireo rehetra nanome sy mbola manohy ny fanampiana eto Toamasina :
- Shyn sy Denise ary ny ekipany
- Gen Z Ankatso
- Malagasy Women Empowerment
- ZKH - Za Koa Hanorina
Mampiseho hatrany ny malagasy sy tanora fa ny firaisankina no hery.
Mbola mila ny fanampiana sy ny fiaraha-mientantsika rehetra ny havantsika ao Toamasina .
Mbola misokatra ny cagnotte ho antsika maniry hitondra ny anjara birikintsika : https://tr.ee/6uPdHGuPK9
Ho an’ny Taninjanaka ! 🇲🇬
14/01/2026
Nandritry ny faran'ny taona 2025 teo dia nampiseho mivantana ny firotsahany an-tsehatra ny Gen Z Madagasikara. Manohana akaiky ireo mpiray tanindrazana sy manamafy ny firaisankina manerana ny nosy. 🇲🇬
Ny tolona dia tsy am-bava ihany fa iainana eny ifotony mihitsy ary arahana asa sy fiaraha-mientana ho antsika mpiray tanindrazana. Manan-danja ny anjara birikin’ny tsirairay ahafahana manangana firenena miray hina sy mendrika ho antsika rehetra.
Ity hetsika ity dia nentina hanehoana firaisankina sy fanohanana :
👉🏽 ireo zokiolona tao amin’ny Faritra Androy,
👉🏽 ireo zaza amam-behivavy ao amin’ny fonjan’Antalaha, Faritra SAVA
Hetsika natao ho fitohizan’ny fandraisan’andraikitra ho an’ilay Madagasikara tsy mivaky, miray hina sy mendrika ho antsika rehetra.
Tongava manatevin-daharana ny tolona ary sahia mijoroa ho isan’ireo olom-pirenena miady ho an’ny fanavaozana sy fanovana an’i Madagasikara. Mandefasa MP na mailaka manoratra amin’ny adiresy:
🔗Mailaka : [email protected]
08/01/2026
Nandritry ny faran'ny taona 2025 teo dia nampiseho mivantana ny firotsahany an-tsehatra ny Gen Z Madagasikara. Manohana akaiky ireo mpiray tanindrazana sy manamafy ny firaisankina manerana ny nosy. 🇲🇬
Ny tolona dia tsy am-bava ihany fa iainana eny ifotony mihitsy ary arahana asa sy fiaraha-mientana ho antsika mpiray tanindrazana. Manan-danja ny anjara birikin’ny tsirairay ahafahana manangana firenena miray hina sy mendrika ho antsika rehetra.
Ity hetsika ity dia nentina hanehoana firaisankina sy fanohanana ireo zaza kamboty ao amin’ny kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Hetsika natao ho fitohizan’ny fandraisan’andraikitra ho an’ilay Madagasikara tsy mivaky, miray hina sy mendrika ho antsika rehetra.
Tongava manatevin-daharana ny tolona ary sahia mijoroa ho isan’ireo olom-pirenena miady ho an’ny fanavaozana sy fanovana an’i Madagasikara. Mandefasa MP na mailaka manoratra amin’ny adiresy :
🔗Mailaka : [email protected]