Karate Shotokan Ambatolampy Antehiroka

Karate Shotokan Ambatolampy Antehiroka

Share

"Ny tena ady mafy indrindra dia ao anatintsika. Izay mandresy ny tenany no tena mahery."

Oss 🥋

➡️ Fampianarana Karate-do (Kihon, Kata, Kumite)

➡️ Fanabeazana feno (Saina, Vatana, Fanahy) mifototra amin'ny maha olom-banona.

20/05/2026

🤔Indraindray ny làlan’ny karate-do dia tsy mora.
Misy fotoana reraka ny vatana, leo ny saina, ary misy aza fotoana mahatsapa ho tsy mandroso na dia efa miezaka mafy aza. Mety hisy ny faharesena amin’ny fifaninanana, ny fahadisoam-panantenana amin’ny fanadinana, ny ratra, ny fanakianana, na koa ny fahitana hoe toa mandroso kokoa noho isika ny hafa. Amin’ireny fotoana ireny indrindra no maro no kivy, misalasala, na te hiala amin’ny lalana.

🥋Kanefa tsy tokony hohadinoina fa ny karate-do dia tsy làlana natao ho an’ny fitadiavana mora. Tsy natao hanomezana vokatra haingana izy io, fa natao hananganana olona matanjaka ao anaty aloha vao eo ivelany. Ny tanjona lehibe indrindra dia tsy fehikibo, tsy medaly, tsy laza… fa ny fanovana sy fanatsarana ny tena.

👉Ny tena karateka dia tsy ilay tsy lavo mihitsy, fa ilay mahavita mitsangana isaky ny lavo.
Mety ho sarotra ny entraînement, mety havesatra ny répétition, mety hahakivy ny tsy fahombiazana indraindray… nefa ao anatin’izany indrindra no amolavolana ny saina sy ny toetra. Ny hery lehibe indrindra azo amin’ny karate dia tsy ny herin’ny totohondry na ny daka, fa ny herin’ny fo sy ny finiavana tsy hiala an-dalana.

Rehefa mahatsiaro ho kivy dia tsarovy ny antony nanombohanao.
Tsarovy ilay fahavononana voalohany niditra tao amin’ny dojo. Tsarovy ireo fotoana nahatsapanao fifaliana rehefa nahafehy teknika iray, na dia kely aza. Tsy misy fandrosoana lehibe tonga tampoka. Dingana madinika miverimberina isan’andro no manorina karateka matanjaka.💪🥋

Misy andro hahatsapana ho malemy.
Misy andro tsy handeha tsara ny kata.
Misy andro tsy hahomby ny kumite.
Misy andro hahatsapa ho te hijanona.

Fa amin’ireo andro sarotra ireo indrindra no tena zava-dehibe ny manohy.
Satria ny faharetana no mampiavaka ny mpandresy sy izay mijanona eny an-dalana. Ny rano mitete tsy an-kijanona aza mahavaky vato; mainka fa ny olona manana finiavana sy faharetana.💪🥋

Aza matahotra ny mandeha miadana.
Ny tokony hatahorana dia ny mijanona tanteraka.
Na dingana iray isan’andro aza dia efa fandrosoana ihany. Ny karate-do dia dia lavitra ianarana mandritra ny fiainana manontolo. Tsy fifaninanana amin’ny hafa izy io, fa ady amin’ny fahalemen’ny tena isan’andro.

Koa raha sendra kivy ianao, aza miala amin’ny làlana.
Raha reraka ianao, mialĂ  sasatra fa aza kivy.
Raha lavo ianao, mitsangĂ na indray.
Satria indray andro any, ireo fahasarotana nolalovanao androany no hahatonga anao ho matanjaka kokoa, hendry kokoa, ary hahatakatra ny tena dikan’ny karate-do.🥋🔥

🧠Ny hazo matanjaka indrindra dia tsy ilay tsy notsofin’ny rivotra, fa ilay nijoro na dia tao anatin’ny tafio-drivotra aza.💪

Oss 🙏🥋

16/05/2026

Ny Faharesena ao amin’ny Kumite: Tsy Farany, Fa Dingana iray amin’ny Fandrosoana

Ao anatin’ny sehatry ny karate, indrindra eo amin’ny kumite, misy fotoana mety hahakivy lalina.
Mety ho very teo amin’ny fihodinana voalohany.
Mety tsy nahavita nampiseho ny tena fahaiza-manao.
Mety ho resin’olona noheverina fa ho voafehy.
Na mety efa zatra nandresy aza, indraindray tonga ny andro tsy mifanaraka amin’ny fanantenana.

Ary marina fa maharary izany.

Ho an’ny vao sambany miatrika fifaninanana, ny faharesena dia mety hahatonga fisalasalana:
“Angamba tsy mahay aho.”
“Angamba tsy natao ho ahy ity.”

Ho an’ireo efa nandresy sy efa nahazo traikefa kosa, ny faharesena indraindray vao mainka mavesatra kokoa, satria misy fanerena avy amin’ny tena sy avy amin’ny manodidina.

Kanefa ao amin’ny làlan’ny karate-do, ny faharesena dia tsy famantarana hoe tapitra ny dia.

Matetika aza, izy no dingana mampitombo ny tena.

Ny fandresena dia mampifaly.

Fa ny faharesena kosa matetika no mampianatra.

Ao anatin’ny faharesena no ahitana:

▪️ireo teknika mbola mila hatsaraina,
▪️ireo fahalemena mbola tsy voafehy,
▪️ny tahotra miafina ao anatintsika,
▪️ary ny tanjaka mbola tsy voavoatra.

Misy atleta maro lasa matanjaka kokoa satria nandalo fotoan-tsarotra.

Ny sasany aza nilaza fa ny faharesena no nampianatra azy hiasa amim-panetren-tena kokoa, hamerina hiofana amin’ny fototra, ary hahay hifehy saina rehefa miady.

Tsy ny tsy fianjerana no maha lehibe ny atleta iray.

Fa ny fahaizany mitsangana indray rehefa avy lavo.

Rehefa resy:

▪️aza menatra,
▪️aza mieritreritra hoe very maina ny ezaka,
▪️ary aza mampitaha tena tafahoatra amin’ny hafa.

Ny tena zava-dehibe dia ny fanontaniana hoe:

👉“Inona no hianarako avy amin’ity?”

Satria ny fifaninanana dia tsy fandrefesana sanda maha-olona.

Tsy ny medaly ihany no mamaritra ny lanjan’ny karate-ka iray.

Indraindray, ny tena fandresena dia:

▪️ny fahasahiana niakatra tatami,
▪️ny fifehezana ny tahotra,
▪️ny fanekena ny vokatra,
▪️ary ny fahavononana hiverina hiofana indray rahampitso.

🥋Ao amin’ny karate-do, ny tanjona dia tsy hoe handresy olona foana.

Fa handresy ny fahakiviana, ny fireharehana tafahoatra, ary ny faniriana hiala rehefa sarotra ny lalana.

Koa raha sendra resy androany ianao, dia tadidio:

Tsy io no pejy farany amin’ny tantaranao.

Mety io aza no fiandohan’ny fandrosoanao lehibe indrindra.

OSS 🙏🥋

14/05/2026

Misy fotoana toa kely eo imason’izao tontolo izao… kanefa ho an’ny ankizy iray, mety ho fahatsiarovana hijanona mandritra ny androm-piainany izany.

Ny fahazoana fehikibo vaovao dia tsy hoe fiakarana gradé fotsiny. Fa porofon’ireo fotoana rehetra saika nilavo lefona izy nefa tsy nanao izany. Ireo fotoana natahorany nefa mbola niditra tao amin’ny dojo ihany izy. Ireo fotoana nianjerany… nefa nisafidianany ny hitsangana indray.

Ary ao ambadik’izay fandrosoana rehetra izay, misy foana olona iray nino azy, talohan’ny nahafahany nino ny tenany.

Satria ny karate tsy manova ny ankizy amin’ny fampianarana azy hiady fotsiny… fa manova azy satria mampianatra azy hahatsapa fa mahavita izy.

Ary rehefa manomboka mino ny tenany ny ankizy iray… mety hiova tanteraka ny fiainany manontolo.

OSS 🙏🥋

Photos from Karate Shotokan Ambatolampy Antehiroka's post 11/05/2026

Hezaka sy faharetana no ao ambadiky ny fandresena. Shania championne mini poussine -25 kg ouverture ligue Analamanga👆🙏🥋🔥

02/05/2026

Ny timing (fotoana mety hanaovana hetsika) eo amin'ny karate dia tsy resaka hafainganam-pandeha (vitesse) fotsiny, fa fahafantarana tsara ny fotoana marina indrindra hamelezana na hiarovana. Io no mampifandray ny teknika, ny elanelana (maai), ary ny fahatsapana ny hetsiky ny mpifanandrina.

👉Hevitra fototra

▪️Timing = fotoana + fahatsapana + fanapahan-kevitra

▪️Tsy hoe “izay haingana indrindra no mandresy”, fa izay mahita sy mahay misafidy ny fotoana mety indrindra.

👉Ohatra amin’ny timing amin’ny karate

🔹 Sen no sen: mihetsika miaraka amin’ny fanombohan’ny fanafihan’ny mpifanandrina.

ScĂŠnario :

▪️Ny mpifanandrina manomboka manandratra tanana hanao kizami-zuki

▪️Amin’io fotoana io indrindra ianao no miditra manao gyaku-zuki

🔹Go no sen: miandry kely dia mamaly rehefa avy manafika izy

ScĂŠnario :

▪️Manafika oi-zuki ny mpifanandrina

▪️Ianao manao age-uke na soto-uke

▪️Avy eo vao mamaly gyaku-zuki

🔹Tai no sen: miala na misoroka aloha, avy eo mamaly

ScĂŠnario :

▪️Tonga ny mae-geri

▪️Ianao mi-tai sabaki (miala amin’ny axe)

▪️Avy hatrany mamaly (oh: mawashi geri na gyaku-zuki)

🧠Zava-dehibe ao anatiny

✅Fandinihana (observation): mamaky ny fihetsiky ny mpifanandrina

✅Anticipation: mahatsapa mialoha izay hataony

✅Rhythm: mahay mandrindra ny hafainganam-pandeha (tsy mitovy foana ny cadence)

➡️Raha fintinina

Ny timing dia:

“fahaizana miditra amin’ny fotoana iray izay tsy vonona ny mpifanandrina, na vao manomboka izy.”

Izay no mahatonga karate-ka iray tsy voatery ho haingana be, nefa mbola mahomby satria marina tsara ny fotoana idiran’ny teknikany.

OSS 🥋🙏

28/04/2026

Ny Sen no sen dia foto-kevitra lehibe amin’ny budo sy karate-do momba ny timing amin’ny ady.

👉Hevitra fototra

Ny Sen no sen dia midika hoe: ➡️ “mandray ny fanafihana alohan’ny hahavitan’ilay fahavalo manomboka azy”

Izany hoe tsy miandry fotsiny ianao, fa mamaky ny fikasana hanafika dia mamoaka teknika mialoha na amin’ny fotoana tena fiandohan’ny hetsika.

👉Toetra ara-teknika

▪️Fahaizana mamantatra ny fahatsiarovan-tena mitohy (zanshin) sy ny fikasana ao an-tsain’ny mpifanandrina (ny eritreritra na tetika ao an-tsainy alohan’ny hanaovany fihetsika; ohatra: hanafika, hiaro tena, na hamitaka.

▪️Saina mialoha ny hetsika (anticipation)

▪️Manafika amin’ny fotoana raha vao mipoitra na vao manomboka ny fanafihan’ny mpifanandrina.

▪️Matetika miaraka amin’ny:

- debana (fanapahana elanelana mialoha)

- kizami (tsipĂŹka haingana)

- tai sabaki (fihodinana sy fialana amin’ny ligne)

👉Ohatra tsotra

Raha vao manomboka manetsika ny sorony na manova poids ilay mpifanandrina, ianao efa miditra amin’ny valim-panafihana alohan’ny hahatongavan’ilay totohondry.

👉Fampitahana fohy

✅Sen no sen: mialoha ny fanafihana

✅Tai no sen: miaraka amin’ny fanafihana

✅Go no sen: aorian’ny fanafihana

👉Tanjona ara-budo

Tsy “réaction” intsony izy io fa lasa:

➡️Fahafehezana lavorary ny fotoana hanaovana hetsika

➡️ fandresena ny ady alohan’ny hivoahany tanteraka

OSS 🙏🥋

23/04/2026

Ny hoe “tsy miady" amin'ny Budo dia tsy hoe mijery na miandry fotsiny ara-bakiteny akory, raha misy mamely satria "mahafehy tena”.

Heviny fototra :

⚖️ 1. Budo ≠ faharesen-dahatra ho kivy

Ny fampianaran’i Gichin Funakoshi aza milaza hoe:

“Karate ni sente nashi” — tsy manomboka ady ny karate

fa tsy midika hoe:

❌miandry fotsiny raha misy mamely

❌tsy mihetsika raha misy loza.

👉 Fa miidika hoe:

✅tsy mitady ady

✅fa vonona hiaro tena rehefa ilaina

🛡️ 2. Ny tena tanjon’ny fahaizana: “hiaro, fa tsy handresy”

Ny karate na aikido dia natao:

▪️hisorohana ny loza

▪️hampitsahatra ny herisetra haingana

Raha misy olona mamely:

▪️tsy mijery fotsiny ianao

▪️tsy mamaly amin’ny hatezerana koa

👉 Fa manao izay hifehezana azy amin’ny kely indrindra ilaina:

▪️misoroka (esquive)

▪️mifehy (contrôle)

▪️raha tsy maintsy, mamaly voalanjalanja

🧠 3. “Mahafehy tena” ≠ “tsy mihetsika”

Io no diso fahazoan’ny maro.

Ny tena dikan’ny hoe mahafehy tena:

▪️tsy variana amin’ny tahotra

▪️tsy voafehin’ny hatezerana

▪️afaka mandray fanapahan-kevitra marina ao anatin’ny segondra

👉 Indraindray izany midika:

▪️miala (fandresena lehibe indrindra)

▪️miantso fanampiana

▪️na miaro tena haingana sy mahomby

⚠️ 4. Raha tena hita fa mety hitarika loza (takaitra na fahafatesana)

Amin’izay fotoana izay:

➡️tsy filozofia intsony no loha laharana, fa

▪️fiarovana aina

Ny budo tena izy dia manaiky fa:

✅Ny fiarovana ny aina (na ny anao na ny an’ny hafa) no ambony indrindra

Noho izany:

▪️ara-dalàna ny miaro tena

▪️ara-dalàna ny mamaly raha tsy misy safidy hafa

🧘 5. Ny haavon’ny Maître (toa an'i Gichin Finakoshi sy Morihei Ueshiba)

Izy ireo no mitady:

▪️ny handresy tsy misy ratra

▪️ny hanova ady ho fandriampahalemana

👉 Vokatry ny fahaizana ambony izany fa tsy fahalemena

OSS 🙏🥋

22/04/2026

Inona no mety ho antony nahatonaga ny ankabeazan'ireo Grand MaĂŽtre teo aloha toa an'i Gichin Funakoshi sy Morihei Ueshiba lasa nirona bebe kokoa tany amin'ny budo sy ny ara-panahy, izay toa mifanohitra tanteraka amin'ny resaka hay ady raha jerena amin'ny ankapobeany izany ?

Fanontaniana lalina io, ary tena fototra amin’ny fahatakarana ny tena lalana (Do) ao amin’ny hay ady.

Ny tena zava-misy dia tsy tena mifanohitra akory ny “ady” sy ny “ara-panahy”, fa dingana samihafa amin’ny lalana iray ihany.

1. Fahafantarana fa voafetra ny hery ara-batana

Rehefa mandroso ny fahaiza-manao, dia tsapan’ireo Maître fa:

▪️Tsy ny tanjaka na ny teknika fotsiny no mamaritra ny fandresena

▪️Misy olona matanjaka kokoa hatrany

👉 Izany no mitarika azy hitady zavatra lalindalina kokoa: fifehezana tena, saina, ary toe-tsaina🥋

2. Ny traikefa amin’ny ady tena izy

Taloha, ny hay ady dia natao ho amin’ny:

▪️fiarovan-tena

▪️ady tena izy (indraindray misy fahafatesana)

Rehefa niaina izany:

▪️Hitan’izy ireo ny fahapotehana sy ny vidin’ny herisetra

▪️Tsy nahafa-po ny fandresena ara-batana fotsiny

👉 Dia mivadika ho fanontaniana: “Inona no tena tanjon’ny ady?”

3. Fivoarana avy amin’ny “Jutsu” ho “Do"

▪️Jutsu (術) = teknika, fomba hiadiana

▪️Do (道) = lalana, fomba fiainana

Ohatra:

▪️Karate-jutsu → Karate-do

▪️Aiki-jutsu → Aiki-do

👉 Midika izany fa:

➡️Tsy fitaovana handresena olona intsony ny hay ady, fa lasa fitaovana hanatsarana ny tena.

4. Fifehezana ny ego

Arakaraka ny maha-mahery ny olona iray:

➡️vao maika misy loza amin’ny ego (rehetra ho ahy, izaho no tsara indrindra)

🥋Ny budo dia mampianatra:

✅fanetren-tena

✅faharetana

✅fifehezana ny hatezerana

👉 Izany no mahatonga ny Maître maro hilaza fa:

➡️Ny ady tena izy dia ady amin’ny tena, fa tsy amin’ny hafa.

5. Fiantraikan’ny filozofia sy fivavahana aziatika

Ny hay ady dia voakasiky ny:

▪️Zen (Japana)

▪️Taoïsme (Shina)

▪️Shinto

Ireo dia mampianatra:

▪️fifandanjana (harmonie)

▪️tsy fanoherana tafahoatra

▪️fiainana milamina

👉 Ohatra mazava:

Ny Aikido an’i Morihei Ueshiba dia mifototra amin’ny fandriampahalemana fa tsy fandresena

6. Fahatanterahana (mastery)

Rehefa tonga amin’ny ambaratonga avo:

▪️Efa voafehy ny teknika rehetra

▪️Tsy misy intsony ny “mitady handresy”

👉 Dia miova ny tanjona:

▪️avy amin’ny fahaiza-manao

▪️ho amin’ny fahendrena sy fahatsiarovan-tena

🔎 Famintinana

Tsy hoe miala amin’ny ady ireo Maître, fa:

➡️mahita ny tena hevitry ny ady izy ireo

Ny budo dia tsy fandavana ny ady, fa:

▪️fanadiovana azy

▪️fanandratana azy ho lalana mankany amin’ny fahalalana tena sy ny fandriampahalemana

🧠 Hevitra farany

Raha jerena lalina:

Ny olona tsy mahafehy tena no mila miady amin’ny hafa

Ny olona mahafehy tena kosa tsy mila miady intsony

OSS 🙏🥋

21/04/2026

Na dia samy avy amin’ny làlana sy fomba fanao samihafa aza, dia misy ireo toetra fototra nitovizana teo amin'i O-Sensei Gichin Funakoshi izay loharano nipohiran'ny Karate Shotokan, sy O-Sensei Morihei Ueshiba namorona ny Aïki-do.

1. Budo ho làlan’ny fanatsarana tena (spirituel)

Samy tsy nijery ny ady ho fitaovana handresena olona fotsiny izy roa, fa:

➡️Ho an’i Funakoshi: “Karate ni sente nashi” (tsy misy fanafihana voalohany)

➡️Ho an’i Ueshiba: Aïkido dia làlan’ny fandriam-pahalemana sy firindrana.

👉 Midika: fanabeazana ny toetra sy ny saina no ambony noho ny herisetra.

2. Fifehezan-tena (self-control) sy fahononam-po

Samy nampianatra:

✅Tsy maintsy voafehy ny ego

✅Tsy atao amin’ny hatezerana ny teknika

👉 Ny hery tena izy dia avy amin’ny fifehezana ny tena, fa tsy amin’ny hery ivelany.

3. Fanajana sy etika (Reigi)

Ao amin’ny Karate sy Aïkido:

✅Ny fanajana ny mpampianatra, mpiara-manao, ary ny tenanao dia fototra.

✅Ny dojon’izy ireo dia toerana fanabeazana ara-moraly.

4. Fampifandanjana vatana – saina – fanahy

Samy nanasongadina:

Tsy ampy ny tanjaka ara-batana

Mila mifandanja ny:

▪️Shin (saina)

▪️Gi (teknika)

▪️Tai (vatana)

👉 Io no antsoina hoe Shin-Gi-Tai

5. Fandavana ny herisetra tsy ilaina

➡️Funakoshi: Karate ho fiarovan-tena, tsy fanafihana

➡️Ueshiba: Aïkido mitady hamongotra ny fifandirana, tsy handratra ny mpanafika.

6. Fahatsorana sy fahaleovantena ara-panahy

Samy:

▪️Niaina tamim-panetren-tena

▪️Tsy nifantoka tamin’ny laza na hery politika

▪️Nampianatra ny mpianatra hikaroka fahamarinana anatiny

7. Fampianarana ho an’ny fiainana manontolo

Ny tanjon’ny fampianarany dia tsy voafetra amin’ny dojo:

✅Hanampy ny olona ho olona tsara kokoa amin’ny fiainana andavanandro

✅Hampihena ady, hampitombo fandriam-pahalemana

🧠Famintinana

👉 Na Karate (Shotokan) na Aïkido:

▪️Làlan’ny fanatsarana ny tena (Do)

▪️Fifehezana ny ego

▪️Fampihavanana fa tsy fandresena

OSS 🙏🥋

18/04/2026

Ny hoe "fantaro ny tena - fantaro ny tenanao vao mahafantatra ny hafa” ao anatin'ny fitsipik'i Gichin Finakoshi, dia tsy fijery ivelany fotsiny fa:

👉 fikarohana lalina ny “ego” (tena mihevitra tena ho ambony)

👉 fahafantarana ny fetran’ny tena

👉 fahitana ny tena marina tsy voasariky ny fihetseham-po

➡️zany dia mifandray amin’ny foto-kevitra japoney hoe:

▪️“Do” (làlana) → tsy tanjona iray vita indray mandeha, fa mitohy

▪️“Reigi” (fanajana sy fitsipi-pitondran-tena) → vokatry ny fahalalana tena

🧠 1. “Fantaro ny tena” = Fifehezana ny saina (self-awareness)

Tsy ampy ny hoe “fantatro hoe tezitra aho”. Ny tena lalina kokoa:

Inona no mahatonga ahy ho tezitra?

▪️Ego ve? Tahotra ve? Fahatsapana ho ambany?

▪️Miverimberina ve io fihetseham-po io?

➡️Eto dia miditra ny metacognition (fahafantarana ny fomba fisainanao mihitsy).

Ohatra amin’ny dojo:

Misy mandresy anao → tezitra ianao

👉Raha tsy mahalala tena: tezitra amin’ilay olona

👉Raha mahalala tena: hitanao fa ego naratra no olana (firaiketana amin’ny “izaho” : image, voninahitra, toerana)

🔥 2. Ny ady voalohany: ady anatiny

Funakoshi dia nanamafy fa:

“Ny fahavalo lehibe indrindra dia tsy ny olona eo anoloanao, fa ny ao anatinao.”

Ireo fahavalo anatiny lehibe:

▪️Ego → te ho marina foana

▪️Tahotra → manakana hetsika marina

▪️Hatezerana → manimba fitsarana

▪️Fahamaimaizana → tsy mahafehy tena

👉 Raha tsy resena ireo:

❎lasa miady tsy amin’ny antony

❎mampiasa hery tsy amin’ny tokony ho izy

⚖️ 3. Fahalalana tena = fahafahana mandanjalanja

Rehefa mahafantatra ny tenanao ianao:

✅Fantatrao ny fotoana hiadiana sy ny fotoana hialana

✅Mahay misafidy hery vs fahendrena

✅Tsy voafehin’ny fihetseham-po tampoka

👉 Izany no tena atao hoe: “karate ni sente nashi” (tsy manomboka ady ny karate)

🪞 4. Ny hafa = fitaratra (mirror)

Ity no ampahany lalina indrindra:

👉 Ny fomba ahitanao ny hafa dia mampiseho ny toetranao

Ohatra:

▪️Raha mora tezitra amin’ny olona mirehareha ianao
→ mety misy ego miafina ao aminao

▪️Raha mitsara be ianao → mety tsy mbola manaiky ny fahalemenao

👉 Midika izany: tsy afaka mahatakatra ny hafa ianao raha tsy mahafantatra ny tenanao

🧩 5. Dingana 3 amin’ny fahalalana tena

1. Fahitana (Observation)

▪️Mandinika tsy mitsara

▪️Mahatsikaritra fihetseham-po sy fihetsika

2. Fankatoavana (Acceptance)

Manaiky fa misy fahalemena

Tsy mandositra na manafina

3. FanovĂ na (Transformation)

Manitsy tsikelikely

Mampihatra amin’ny fiainana sy dojo

👪 6. Fampiharana amin’ny fiainana

✅Asa → tsy manome tsiny haingana ny mpiara-miasa

✅Fianakaviana → mahay mihaino, tsy manindry hevitra

✅Fifandraisana → mahay mametraka fetra sy manaja ny an’ny hafa

👉 Ny olona mahalala tena dia:

✔️tsy mora voasarika

✔️tsy mora tezitra

✔️manana fitoniana (stabilité intérieure)

◾Famintinana lalina

👉Ny hoe “Fantaro ny tena” dia:

tsy fahalalana tsotra, fa fanazaran-tena mandritra ny fiainana

ady amin’ny ego sy fihetseham-po tsy voafehy

làlana mankany amin’ny:

▪️fahendrena

▪️fanajana

▪️fandanjalanjana

👉 Ary amin’ny farany:

Rehefa mazava aminao ny tenanao, dia mazava ho azy aminao ny hafa.

OSS 🙏🥋

16/04/2026

Ny teny japoney hoe Shihan (師範) sy Sensei (先生) dia samy anaram-boninahitra ampiasaina ao amin’ny Karate-do, saingy tsy mitovy ny lanjany sy ny andraikiny.

🔹 Sensei (先生)

Dikany fototra: mpampianatra na olona efa nialoha lalana

🥋Ao amin’ny Karate-do, ny Sensei dia:

✅Ilay mpanazatra mivantana mampianatra teknika sy fitsipika ao amin’ny dojo.

✅Manana traikefa sy fahaiza-manao ambony (matetika dan maromaro).

✅Mifandray akaiky amin’ny mpianatra (enseignement pratique isan’andro).

✅Tsy voatery ho ambony indrindra amin’ny rafitra, fa efa mahay mitarika sy mampita fahalalana

👉 Raha fintinina: Sensei = mpampianatra

🔹 Shihan (師範)

Dikany fototra: modely lehibe na maĂŽtre instructeur

Ny Shihan kosa dia:

✅Mpampianatra ambony indrindra amin’ny rafitra iray (souvent haut gradé, ex: 5e dan miakatra).

✅Olona mitarika ny lalam-pampianarana sy ny filozofia (tsy teknika fotsiny)

✅Reference ho an’ny Sensei sy ny dojo maro

✅Matetika manana andraikitra amin’ny:
fanofanana ireo Sensei (fanapahan-kevitra lehibe (orientation technique, examens, discipline)

👉 Raha fintinina: Shihan = mpampianatra ny mpampianatra / modely ambony

🔸 Fahasamihafana lehibe

Sensei

▪️Mampianatra mpianatra
▪️Asa andavanandro ao dojo
▪️Mpitarika eo an-toerana
▪️Niveau efa avo

Shihan

▪️Mampianatra sy mitarika Sensei
▪️Asa stratejika sy ara-filozofia
▪️Niveau tena ambony sy manam-pahefana
▪️Reference lehibe amin’ny rafitra

✔️ Hevitra lalina (ao amin’ny budo)

Ny Sensei dia mampita ny fahaiza-manao

Ny Shihan dia mampita ny lalana (do) sy ny fanahy (spirit)

Midika izany fa tsy ny grade ihany no maha-Shihan, fa:
👉fahamatorana

👉fahadiovan’ny toetra

👉fahafahana mitarika amin’ny ohatra (exemplarité)

Ny maha Shihan (師範) dia mifandray amin’ny grade, saingy tsy grade irery no mamaritra azy. Ary miankina be amin’ny style (ryu-ha) sy ny fédération koa.

🔹 1. Ny anjara asan’ny grade (dan)
Amin’ny ankapobeny:

Tsy omena Shihan ny grade ambany

Matetika dia manomboka amin’ny 5e dan no ahitana izany, indraindray 6e dan miakatra.

👉 Fa zava-dehibe:

grade = fepetra ilaina (minimum)
fa tsy ampy irery.

Olona 5e dan roa:

iray mety ho Sensei fotsiny
iray mety ho Shihan

➡️ miankina amin’ny traikefa sy ny andraikiny

🔹 2. Ny tena mamaritra ny Shihan

Ny tena jerena dia:

✅Traikefa lava (taona maro nampianatra sy nanao budo).

✅Fahaizana mitarika rafitra (dojo maro, na faritra iray)

✅Fahatakarana lalina ny filozofia (do)

✅Fankatoavan’ny rafitra (reconnaissance officielle)

👉 Midika: titre honorifique sy fonctionnel izy, fa tsy “grade automatique”.

🔹 3. Miankina amin’ny style / organisation

Ao amin’ny Japan Karate Association (JKA):

✅Voafaritra tsara ny fepetra

✅Tsy mora azo ny “Shihan”

Ao amin’ny style hafa:

▪️misy mampiasa azy betsaka kokoa

▪️misy kosa tsy mampiasa mihitsy ilay titre

Ao amin’ny fikambanana sasany:

ny chef instructeur national na directeur technique no antsoina hoe Shihan.

na olona notendren’ny grand maître

🔸 Famintinana mazava

✔️ Miankina amin’ny grade → ENY (fa minimum fotsiny)

❌ Grade irery no mamaritra azy → TSIA

✔️ Miankina amin’ny style / fédération → ENY

🔹 Hevitra budo

Ny Shihan dia:

tsy ilay “ambony grade indrindra” fotsiny,
fa ilay lasa modely sy lalana arahina.

OSS 🙏🥋



Sary fintina ao @ commentaire. 👇

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address

Antananarivo