07/08/2026
🥋Ao amin'ny budo, ny teny hoe fahatokisana (confiance) sy ny fahavononana (détermination) dia tsy afa-misaraka.
🧠Ny tanjon'ny Karate-do tsy ho amin'ny hery ara-batana ihany, fa amin'ny fananganana olona manana fahatokisana sy fahavononana. Ireo toetra roa ireo dia mifameno ka tsy afa-misaraka. Tsy misy fahavononana maharitra raha tsy miorina amin'ny fahatokisana, ary tsy misy fahatokisana marina raha tsy natsangan'ny fanazaran-tena sy ny fahalalana.
Ny fahatokisana dia manomboka amin'ny tena. Tsy avy amin'ny fireharehana na fanambonian-tena izy io, fa avy amin'ny fahatsapana fa nanao ny ezaka rehetra tokony hatao ny tena. Ny fanazaran-tena tsy tapaka no mamolavola izany. Isan'andro, amin'ny alalan'ny kihon, kata ary kumite, dia tsikelikely no ianarana mifehy ny elanelana (maai), mamantatra ny fotoana mety (timing), mampifanaraka ny hafainganam-pandeha, mitazona ny fifandanjana ary mifehy ny saina sy ny vatana. Rehefa voafehy ireo, dia mihena ny fisalasalana ary mitombo ny fahatokisan-tena.
Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny andraikitry ny Sensei. Tsy teknika fotsiny no ampitainy, fa fahalalana voasedra tamin'ny fotoana, nolovaina tamin'ireo mpialoha lalana, nohamafisin'ny traikefa ary nohatsaraina tamin'ny fikarohana. Raha marina sy lalina ny fahalalana ampitaina dia matoky ny làlana arahiny ny mpianatra. Avy amin'izany no miteraka fifampitokisana ao anatin'ny dojo, satria iray fototra sy iray vina no iorenan'ny rehetra.🥋🔥
Rehefa miorina tsara ny fahatokisan-tena dia tonga ho azy ny fahavononana. Tsy misy intsony ny fisalasalana rehefa tonga ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra. Vonona sy sahy miatrika ny sarotra ny karate-ka, satria fantany fa efa ampy hiatrehana izany ny fahalalana, ny fahaiza-manao ary ny fanazarana azony. Matoky ny tenany izy, matoky ny ezaka nataony ary matoky ireo fitsipika efa niorina tao anatiny.
Tsy midika velively anefa izany fa mitady ady na maniry hifandona amin'ny hafa izy. Ny olona tena mahay miady dia tsy olona mitady ady, fa olona tsy matahotra ny hiatrika izay tsy maintsy atrehina. Fantany ny heriny sy ny fetrany, ka tsy mila mampiseho izany amin'ny fireharehana. Ny fahatoniana sy ny fifehezan-tena no iray amin'ireo famantarana lehibe fa tena miorina ao anatiny ny fahatokisana.
Rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy iatrehana zava-tsarotra, dia tsy mandositra noho ny tahotra izy, tsy misalasala noho ny tsindry, ary tsy mivadika amin'ny fitsipika noho ny tombontsoa. Mandray fanapahan-kevitra amim-pahatoniana izy ary mampihatra izay efa nianarany. Raha Sen no Sen, ohatra, no safidy ho an'ny paikady hihatrehana ny mpifanandrina iray, dia ampiharina tsy amim-pisalasalana izany. Tsy noho ny hatezerana na ny fireharehana, fa noho ny fahatokisana ny fanazarana sy ny fahalalana efa voaorina tao anatiny.
Tsy eo amin'ny ady ihany no isehoan'izany fahavononana izany. Miseho koa izy rehefa miatrika olana eo amin'ny fiainana, rehefa mila mandray fanapahan-kevitra sarotra, rehefa mila miteny ny marina, na rehefa mila mijoro amin'ny zavatra inoana fa marina sy ara-drariny. Ny fahavononana natsangana tao amin'ny dojo dia tokony ho lasa fahasahiana sy fahamatorana eo amin'ny fiainana.
Izany no iray amin'ireo tena lesona lehibe entin'ny Karate-do: tsy ny hampianatra antsika hitady ady, fa ny hanomana antsika tsy ho resin'ny tahotra rehefa tonga ny ady; tsy ny hampianatra antsika handresy ny hafa, fa ny hampianatra antsika tsy ho resin'ny fahalemena sy ny fisalasalana ao anatintsika.
OSS 🙏
25/07/2026
Ho fanomezana fahafaham-po anareo rehetra maniry hianatra Karate-do, indro atolotray eto ny fampahalalana rehetra momba ny fiofanana ato amin'ny ASKA2A. Misokatra ho an'ny rehetra izahay, ary vonona hiara-hiasa amin'ireo sekoly sy toeram-pampianarana maniry hampiditra ny Karate-do ho hetsika parascolaire. Tongasoa eto amin'ny ASKA2A!
Contact : 034 44 960 15
WhatsApp : 032 66 574 50
Karate Shotokan Ambatolampy Antehiroka
"Ny tena ady mafy indrindra dia ao anatintsika.
Izay mandresy ny tenany no tena mahery."
Oss 🥋
➡️ Fampianarana Karate-do (Kihon, Kata, Kumite)
➡️ Fanabeazana feno (Saina, Vatana, Fanahy) mifototra amin'ny maha olom-banona.
24/07/2026
"Ny tenanao ihany no fahavalonao." Inona marina no heviny ao amin'ny Budo? 🤔
Ao amin'ny Budo dia matetika isika no mandre ny hoe: "Ny tenanao ihany no fahavalonao." Mety ho diso fandray anefa ny sasany ka hihevitra fa midika izany hoe tsy tokony hiraharaha ny hafa intsony na hiaina irery.
Tsy izany velively no tian'io fampianarana io hambara.
🧠Ny tena fahavalo lehibe indrindra dia ireo fahalemena ao anatintsika: ny tahotra, ny fireharehana, ny hatezerana, ny hakamoana, ny fialonana, ny fitiavan-tena, ary ny tsy fahafehezan-tena. Ireo no tena manakana antsika tsy handroso sy tsy hahatratra ny tanjontsika.
🥋Ao amin'ny Karate-do, tsy ny fandresena ny mpifanandrina no tanjona ambony indrindra, fa ny fandresena ny tenantsika isan'andro. Raha mahafehy ny hatezeranao ianao, dia efa nandresy ady iray. Raha maharitra manao fanazaran-tena na dia reraka aza, dia efa nandresy ny hakamoanao. Raha manaiky ny fahadisoanao ka manitsy azy, dia efa mandroso amin'ny lalan'ny Budo ianao.
Izany akory tsy midika fa tsy tokony hiraharaha ny fiaraha-monina ny Budoka.
Tsia
🥋Ny Budo dia mampianatra ny fanajana (Rei), ny fangorahana, ny fifanampiana, ary ny andraikitra amin'ny fiaraha-monina. Rehefa voafehinao aloha ny tenanao dia vao afaka mitondra fiadanana sy manampy ny hafa ianao. Sarotra ny hitondra filaminana amin'ny hafa raha mbola korontana ny ao anatinao.
Noho izany, tsy fialana amin'ny fiaraha-monina ny Budo, fa fanomanana ny tena mba ho olona mendrika kokoa ao anatin'ny fiaraha-monina. Ny Budoka tsara dia tsy olona mitady ady, fa olona mampihena fifandirana, manaja ny hafa, ary manome ohatra amin'ny fitondran-tenany.
🧠Tsarovy: Ny ady sarotra indrindra dia tsy ilay atao amin'ny hafa, fa ilay atao isan'andro amin'ny fahalemena ao anatintsika. Rehefa mandresy ny tenanao ianao dia lasa afaka manampy ny hafa sy mandray anjara amin'ny fananganana fiaraha-monina tsara kokoa.
"Ny fandresena lehibe indrindra dia ny fandresena ny tena." Izay no iray amin'ireo fototry ny Budo.
OSS 🙏🥋
19/07/2026
Mirary fahombiazana ho antsika manala fanadinana baccalauréat rehetra ny club ASKA2A 🙏
12/07/2026
Raha maro no miala sasatra amin'ny alahady hariva, izahay kosa misafidy ny hanefy vatana, saina ary toetra amin'ny alalan'ny Karate. Ny fifehezan-tena anio no fototry ny fahombiazana rahampitso.
Tsy natoritory, tsy fialam-boly fotsiny... fa fotoana hanefena vatana, saina ary toe-panahy. Isaky ny entraînement dia manakaiky kokoa ny tanjona.
Oss! 🥋🔥
24/06/2026
KARATE: TSY TENY FOTSINY, FA FOMBA FIAINANA
Maro amintsika no tia miresaka ny soatoavina entin'ny karate: ny fahamarinana, ny fahitsiana, ny fanajana, ny herim-po, ny fifehezan-tena ary ny fandraisana andraikitra. Saingy fanontaniana iray no tokony hapetratsika amin'ny tenantsika tsirairay:
Moa ve ireo soatoavina ireo hita taratra amin'ny fiainantsika andavanandro, sa mijanona ho teny tsara re ao amin'ny dojo sy eny amin'ny fampisehoana fotsiny?
Ny tena karate-ka dia tsy izay mahay kata sy kumite ihany. Tsy izay mahazo medaly na mitondra fehikibo ambony ihany koa. Ny tena karate-ka dia olona sahy mijoro amin'ny fahamarinana, olona mahitsy, ary olona mandray andraikitra rehefa ilaina izany.
Ao anatin'ny Budo, tsy ny tanjaka ara-batana no zava-dehibe indrindra, fa ny fananganana toetra mendrika. Inona moa no ilàna fiofanana an-taonany maro raha toa ka mangina isika rehefa misy ny tsy rariny? Inona no ilàna ny fianarana miaro tena raha toa ka mijery fotsiny rehefa misy olona iharan'ny herisetra eo imasontsika?
Mazava ho azy fa tsy midika akory izany hoe hiditra ady na hampiasa herisetra foana ny karate-ka. Ny mifanohitra amin'izany aza no tena tanjon'ny karate. Nefa rehefa misy olona marefo mila fanampiana, rehefa misy tsy rariny mitranga, rehefa misy herisetra azo sakanana amim-pahendrena sy amim-pitandremana, dia tsy tokony ho mpijery fotsiny isika.
Indraindray anefa dia mora kokoa ny manoratra hevitra eny amin'ny tambazotran-tserasera noho ny mijoro amin'ny tena zava-misy. Mora kokoa ny manao publication momba ny fahamarinana noho ny miaro olona iharan'ny fanararaotana. Mora kokoa ny mizara teny filamatra noho ny mampihatra izany amin'ny fiainana andavanandro.
Tokony ho tsaroantsika fa ny dojo dia toerana ianarana, fa ny fiainana no tena sehatra fampiharana ny karate. Any no tena andrefesana raha tena azontsika ny fampianarana na tsia. Any no hita raha lasa ampahany amin'ny toetrantsika ny Budo na mbola teny voatahiry anaty boky sy kabary ihany.
Ny fanajana dia tsy ao amin'ny rei ihany. Ny herim-po dia tsy ao amin'ny fifaninanana ihany. Ny fahitsiana dia tsy ao amin'ny fianianana ihany. Ireo rehetra ireo dia tokony hiseho isan'andro: amin'ny asa, ao an-tokantrano, eny an-dalambe, ary eo amin'ny fiaraha-monina.
Koa andeha isika karate-ka rehetra handini-tena. Tsy ny fanontaniana hoe: "Manao karate ve aho?" no zava-dehibe indrindra, fa ny hoe:
"Misy ve mahita ny karate ao amin'ny fiainako andavanandro?"
Satria ny tena karate dia tsy mifarana eo am-pivoahana ny dojo. Eo indrindra no tena manomboka izy.
"Ny kata tsara indrindra dia ny fitondran-tena mendrika. Ny kumite sarotra indrindra dia ny ady amin'ny tsy rariny sy ny fahalemena ao anatin'ny tena. Ary ny fandresena lehibe indrindra dia ny fahafahana miaina isan'andro ireo soatoavina ampianarin'ny karate."
OSS 🙏🥋
13/06/2026
👉Aza matahotra ny manandrana, satria ao no manomboka ny fandrosoana.
Maro amintsika no efa naniry hianatra 🥋Karate-Do indray andro any. Misy te hahay hiaro tena noho ny firongatry ny herisetra, misy kosa mitady fanatanjahantena hanatsarana ny fahasalamana sy ny toe-tsaina, ary misy ihany koa te hampitombo ny fahatokisan-tenany. Na izany aza, matetika dia misy fisalasalana manakana ny dingana voalohany.
"Mety ho vitako ve izany?"
"Tsy efa tara loatra ve aho?"
"Sao dia tsy mety amiko izany?"
Ny marina anefa dia tsy misy afaka mamaly ireo fanontaniana ireo ho anao. Ny fomba tokana hahafantaranao raha mety aminao na tsia ny zavatra iray dia ny manandrana azy.
🧠Tsy voatery ho efa matanjaka ianao vao miditra ao amin'ny dojo. Tsy voatery ho efa mahay teknika na efa zatra manao fanatanjahantena ihany koa. Ny hany ilaina dia ny fahavononana hanao ilay dingana voalohany . Dingana tsotra nefa mety hanova zavatra maro eo amin'ny fiainanao.
Rehefa manomboka mianatra Karate-Do ianao diadia tsy teknika sy kapoka fotsiny no hianaranao. Hianatra faharetana, fanajana, fifehezan-tena ary finiavana handresy ireo sakana miseho eo amin'ny lalanao ihany koa ianao. Isaky ny fanazarantena misy zavatra kely miova ao anatinao, ary tsikelikely dia lasa matoky tena kokoa, matanjaka kokoa ary vonona hiatrika ny fiainana andavanandro.
👉Mety ho zavatra vaovao tanteraka aminao ny Karate-Do amin'izao fotoana izao. Kanefa raha vao manomboka ianao dia ho hitanao fa mihena tsikelikely ilay tahotra sy fisalasalana. Ary indraindray aza, ilay zavatra natahoranao sy nisalasalanao taloha no lasa iray amin'ireo zavatra tena tianao indrindra eo amin'ny fiainanao. 🥋🔥
Tsarovy fa ny fehikibo mainty rehetra dia samy nanomboka tamin'ny maha vao mianatra azy. Samy
nanao ny dingana voalohany izy ireo, samy nanao fahadisoana, samy nianatra sy niezaka. Tsy nisy tonga dia nahay.
➡️Koa raha efa misy faniriana ao anatinao hianatra Karate-Do, aza avela hijanona ho faniriana fotsiny izany. Manàna herim-po hanao ilay dingana voalohany. Satria mety io dingana kely io no fiandohan'ny fiovana lehibe eo amin'ny fiainanao.💪
Andramo. Ianaro. Iaino. Ary avelao ny Karate-Do hampiseho aminao izay tena vitanao. 🥋
OSS 🙏🥋
13/06/2026
Ny Uraken Uchi dia teknika kapoka amin'ny lamosin'ny totohondry ao amin'ny karate-do. Haingana be izy io, mora afenina ary matetika ampiasaina amin'ny elanelana akaiky na antonony.
Ny faritra mikapoka dia ny lamosin'ny lohan'ny rantsan-tanana voalohany sy faharoa (index sy majeur) amin'ny totohondry mihidy.
Ireo karazana Uraken :
1. Mae Uraken Uchi
Ny teny hoe "Mae" dia midika hoe "mandroso" na "eo anoloana".
Amin'ity teknika ity dia mipaka mankany aloha ny uraken.
Fomba fanatanterahana azy :
▪️Miondrika kely ny kiho.
▪️Ny sandry dia mivoaka mankany aloha.
▪️Mihodina tampoka ny sandry sy ny hatotanana.
▪️Ny lamosin'ny totohondry no mikapoka ny lasibatra.
Lasibatra matetika
▪️Orona
▪️Takolaka
▪️Valanorano
▪️Tempoly (la tempe)
Tombony
▪️Haingana be.
▪️Sarotra hitan'ny mpifanandrina.
▪️Mety ampidirina aorian'ny blocage na feinte.
2. Age Uraken Uchi
Ny teny hoe "Age" dia midika hoe "miakatra".
Eto kosa dia miakatra avy any ambany mankany ambony ny lalana alehan'ny kapoka.
Fomba fanatanterahana
▪️Atomboka eo akaikin'ny tratra na valahana ny tanana.
▪️Asandratra haingana ny kiho.
▪️Mihodina ny sandry ka ny lamosin'ny totohondry no mikasika ny lasibatra.
▪️Miakatra ny làlan'ny kapoka.
Lasibatra matetika
▪️Saoka
▪️Orona
▪️Ambanin'ny valanorano
Tombony
▪️Mahomby raha miondrika ny mpifanandrina.
▪️Mety ampiasaina rehefa avy nanao esquive.
Ny lesoka fahita matetika amin'ny mpiofana dia ny mampifangaro ny Age Uraken Uchi sy ny Age Tsuki satria samy miakatra. Ny tena maha samy hafa azy dia ny faritra mikapoka: lamosin'ny totohondry amin'ny Age Uraken, fa seiken kosa amin'ny Age Tsuki.
▪️Age Uraken Uchi = Uraken mandeha miakatra.
▪️Age Tsuki = Tsuki mandeha miakatra, mampiasa ny seiken fa tsy ny lamosin'ny totohondry ; mampiditra ny herin'ny valahana sy ny vatana manontolo; mahery kokoa noho ny Age Uraken.
3. Yoko Uraken Uchi
Ny teny hoe "Yoko" dia midika hoe ankavia na ankavanana (lateral).
Fomba fanatanterahana
▪️Atomboka eo akaikin'ny tratra na soroka ny totohondry.
▪️Mandeha mitsivalana ny kapoka.
▪️Mijanona somary miondrika ny kiho.
▪️Mihodina tampoka ny sandry sy ny hatotanana.
▪️Ny lamosin'ny totohondry no mamely.
Làlan'ny kapoka
▪️Mitsivalana avy amin'ny ilany iray mankany amin'ny ilany iray.
Lasibatra
▪️Tempoly
▪️Takolaka
▪️Sofina
▪️Valanorano
Toetra mampiavaka azy
▪️Mahomby amin'ny ady akaiky.
▪️Mora ampifandraisina amin'ny blocage na esquive.
▪️Tsy dia hita mialoha satria fohy ny fihetsika.
Lesoka fahita
❌Fanitarana tafahoatra ny sandry.
❌Fiankinana amin'ny sandry irery ka very ny herin'ny valahana.
❌Fiakaran'ny soroka izay mampihena ny hafainganam-pandeha.
4. Mawashi Uraken Uchi
Ny teny hoe "Mawashi" dia midika hoe mihodina na boribory.
Izy no iray amin'ireo uraken be mpampiasa indrindra amin'ny kata sy kumite.
Fomba fanatanterahana
▪️Miondrika ny kiho.
▪️Manao hetsika boribory ny sandry.
▪️Avy amin'ny fihodinan'ny valahana sy ny soroka no miteraka ny hery.
▪️Rehefa tonga amin'ny lasibatra dia mihodina tampoka ny hatotanana ka ny lamosin'ny totohondry no mamely.
Làlan'ny kapoka
▪️Manao fihodinana na arc boribory.
Lasibatra
▪️Tempoly
▪️Takolaka
▪️Orona
▪️Valanorano
Toetra mampiavaka azy
▪️Lava kokoa ny làlana alehany noho ny Age Uraken sy Yoko Uraken.
▪️Mahazo hery bebe kokoa avy amin'ny fihodin'ny vatana.
▪️Mety hahagaga ny mpifanandrina raha avy amin'ny zoro tsy ampoizina.
Lesoka fahita
❌Fihodinana lehibe loatra ka lasa mora vakian'ny mpifanandrina.
❌Fanokafana tafahoatra ny kiho.
❌Fahataran'ny famerenana ny tanana aorian'ny kapoka.
Fampitahana ireo teknika efatra :
▪️Mae Uraken Uchi : uraken mandeha manoloana
▪️Age Uraken Uchi: uraken miakatra mankany amin'ny saoka na orona.
▪️Yoko Uraken Uchi: uraken mitsivalana mankany amin'ny tempoly na takolaka.
▪️Mawashi Uraken Uchi: uraken mihodina amin'ny làlana boribory, mampiasa fihodin'ny valahana sy soroka mba hampitombo ny hery.
Amin'ny fampianarana Shotokan nentim-paharazana dia matetika ny Age Uraken Uchi no heverina ho teknika akaiky indrindra, ny Yoko Uraken Uchi no teknika mitsivalana haingana indrindra, ary ny Mawashi Uraken Uchi no manambatra indrindra ny hafainganam-pandeha sy ny herin'ny fihodinan'ny vatana.
OSS 🙏🥋