14/04/2026
🌟Rentable (ahazoana tombony) ve ny maka entana avy hatrany aty Chine?
👉 Ireo tsara ho fantatra mialohan'ny hankanesana aty Chine
1- Ny business tianao ho atao
🌸 inona ny activité principale ataonao na ihany koa tianao atao? (matetika ny usine fournisseur manontany anao an'io satria collaboration à long terme no tadiaviny fa tsy achat indray mandeha tsy miverina) (ohatra: misehatra amin'ny poketra, misehatra amin'ny fitaovan-dakozia...)
⚠️ Raha tianao ho rentable (ahazoana tombony) ny voyage anao fa tsy ho fandanim-potoana fotsiny dia mila mifantoka amin'ny activité karazany 1 na 2 na 3 ianao fara-fahabetsany mandritr'ilay voyage ataonao
⚠️ Raha toa ka efa manana activités maro ianao na hoe maniry ny hisehatra amin'ny activités maro dia mila manao priorisation aloha fa tsy ho vitanao indray mandeha anatin'ilay séjour iny daholo izany rehetra izany
✨ Misy fotoana mantsy isika mieritreritra hoe "aleo ataoko daholo ny activité rehetra satria.efa aty Chine ihany aho dia mila araraotina dia hita eo avy eo izay mandeha", izany anefa no tena mi-bloqué anao rehefa sur terrain amin'izay ianao aty (vouloir tout faire = ne rien faire)
***hisy vidéo hanazavako bebe kokoa ny momba azy ity***
2- ireo karazana fournisseur ho hitanao aty
🌸 détaillant 👉 afaka manome entana 1 ary entana "disponible de suite"
🌸 grossiste 👉 misy "quantité minimum" enjehina miankina amin'ny "conditions" izay omeny ary entana "disponible de suite"
🌸 usine 👉 tsy maitsy "sur commande" ary afaka atao mifanaraka amin'izay zavatra ilainao ny production, ny "quantité" kosa tsy maitsy maro (tsy latsaky ny 500pcs raha toa ka articles kely ireny)
🌸 ny grossiste mety afaka manome en détail, ny usine ihany koa afaka manome entana en gros raha toa ka efa misy articles "disponible de suite" ao aminy
⚠️ Tsy voatery ho ireny entana malaza sy izay efa be mpivarotra any Mada ireny no tadiavinao rehefa tonga aty, marina hoe mandeha ilay izy ary ahazoana tombony EO NOHO EO, fa avy eo?... mandalo mantsy ny lazan'ny zavatra iray (anaty formation sy coaching anao mialohan'ny départ izahay tena mametraka tsara ny lanjan'ny fananana activité miavaka, vaovao ary mitondra voka-tsoa ho an'izay manjifa azy)
3- Ny prix
🌸 prix d'usine 👉 prix d'usine izany hoe ny mora indrindra (mazava ho azy fa mila mividy marobe)
🌸 prix de gros 👉 lafo kokoa noho ny prix d'usine
🌸 prix détail 👉 lafo kokoa noho ny prix de gros
⚠️ Tsy afaka ny hahazo prix d'usine mihitsy ianao raha mividy 50pcs
⚠️ Arakaraky ny "quantité" vidianao no mampidina ny prix, ary mety ho tafiakatra hatramin'ny x3'ny prix de gros ny prix détail
4- Ny "qualité"
Mizara 3 ny "qualité" ny entana aty na mitovy izao ary ny modèle
🌸 qualité ambany - mora simba 👉 prix tena mora, indrindra fa hividy en gros ianao na hampanao production any amin'ny usine
🌸 qualité antonony (tsara kokoa) 👉 lafo kokoa noho ilay qualité ambany
🌸 qualité tsara sy tena tsara 👉 lafo indrindra ary mety ho tafiakatra x10 ny prix an'ilay qualité mora simba
⚠️ Aty Chine tsy misy hoe tsara qualité nefa mora indrindra izany,
***qualité ambany = mora,
*** qualité tsara = lafo kokoa
5- Kajy kely afaka ataonao
🌸 rehefa atao ny "total" ny dépenses anao mandritry ny "séjour" 15 à 21 jours ohatra dia "en moyenne" tafiakatra 15.000.000ar izy au total
🌸 tsy ny fiverenan'ny volanao sy fahazoanao tombony afaka 1 na 3 volana dia avy eo samy vita no tanjona fa ilay "rentabilité à long terme" izany hoe hampiditra vola anao mandritry ny fotoana maharitra, aman-taona ve ny fandehananao taty?
🌸 raha toa ka misy mampitady entana anao na mampividy entana anao rehefa tonga aty, ankoatran'ny activité principale izay ataonao dia ataovy ny kajy
👉👉👉 raha toa ka lany 1 andro ianao nitady iny entana iny (izay mety ho sarotra tadiavina indrindra fa spécifique be ilay zavatra ilainy), mampiditra bénéfice minimum 1.000.000ar ho anao ve ilay entana iny? raha 2 andro no laninao nitady ilay entana dia minimum 2.000.000ar izany ny bénéfice tokony azonao, izay tokoa ve?
🙄 Raha TSIA ny valiny dia tadidio fa PERTE izay ianao, maika moa fa tsy nalainy akory ilay izy!!! very ny 2 jours anao izay tokony efa nampidiranao x3 an'izay
🌟🌟🌟 Valin'ilay fanontaniana voalohany indrindra: miankina amin'ny activité ho ataonao sy ny "mentalité" entinao miatrika ilay "parcours de combattant" izay miandry anao aty ary ny budget anao ny "rentabilité anao à long terme"
🎉 Rentabilité à long terme no tadiavina rehefa makaty Chine fa tsy ny fiverenan'ny volanao faran'izay haingana dia avy eo départ à zéro indray afaka 3 volana aorian'ny fahatongavan'ny entana
✨Mbola hisy vidéo hanomezako fanazavana misymisy kokoa momban'izy ity✨
👉 Date business trip to China manaraka: 1 au 19 Juin
26/02/2026
25/02/2026
20/02/2026
19/02/2026