Conseils pour la santé

Conseils pour la santé

Share

La santé pour vous est ma priorité

21/03/2026

Ny rivotra an-kibo na coliques dia matetika mampitahotra ny ray aman-dreny satria mitomany mafy ny zaza nefa toa tsy misy antony hita maso.

1. Ahoana no ahafantarana azy?

Mitranga matetika eo anelanelan'ny faha-2 herinandro sy ny faha-4 volan'ny zaza.

Mitomany mafy nefa efa voky sy voadio

Manakona tongotra manakaiky ny kibony ny zaza, mihamafy ny kibony, ary mena be ny tavany.

2. Inona no atao rehefa miseho izany? (Ny vahaolana haingana)

Ny fanorana ny kibo: Iny amin'ny fihodin'ny famantaranandro iny mba hanampiana ny rivotra hivoaka.

Ny fampandrezatana (Rotsy): Aza adinoina mihitsy ny mamparezaka ny zaza isaky ny avy minono

Ny fomba fitondra ny zaza: Apetraka mitsinkafona eo amin'ny sandrinao ny zaza (ny kibony mipetraka amin'ny sandrinao) ary kosehina moramora ny lamosiny.

Ny fampiasana hafanana: Azo atao ny mametraka lamba mafana kely (tsy may be) eo amin'ny kibony mba hampitony ny fanaintainana.

3. Ny fomba fisorohana

Ho an'ny reny mampinono: Tandremo ny sakafo mety hiteraka rivotra (oh: tsaramaso, laisoa, zava-pisotro misy gazy)

Raha mampiasa "biberon": Hamarino tsara raha tsy mitelina rivotra be loatra ny zaza

11/03/2026

Fitomboan'ny lanja isam-bolana (Tombantombana):

0 hatramin'ny 3 volana: Mitombo eo amin'ny 700g ka hatramin'ny 900g isam-bolana (na 20g-30g isan'andro).

4 hatramin'ny 6 volana: Manomboka miadana kely ny fitomboana, eo amin'ny 500g ka hatramin'ny 700g isam-bolana.

6 hatramin'ny 12 volana: Mitombo eo amin'ny 250g ka hatramin'ny 400g eo ho eo isam-bolana.

Tokony hanatona mpitsabo zaza (pédiatre) ianao raha:

Tsy mitombo ny lanjan'ny zaza mandritra ny iray volana na mihena ny lanjany.

Hitanao fa vizana loatra izy na tsy mety misakafo.

Ho an'ny zaza teraka tsy ampy volana, ilaina ny fanaraha-maso akaiky ny fitomboany

01/03/2026

Ireto misy torohevitra fototra ho an'ny ray aman-dreny mba hisorohana ny areti-mifindra sy ny aretipivalanana (diarrhée) amin'ny ankizy:

1. Ny fahadiovana

Fanasana tanana: Sasao amin'ny rano madio sy savony foana ny tanana alohan'ny hikarakara sakafo, alohan'ny hisakafo, ary rehefa avy nivoaka ny trano fivoahana.

Rano madio: Ampangotrahy foana ny rano hosotroina na ny rano hikarakarana ny sakafon'ny zaza.

Fitaovana madio

2. Ny sakafo sy ny fahasalamana

Fampinonoana: Tohizo ny fampinonoana ny zaza satria manome hery fiarovana ho azy izany.

Fisakafoana ara-pahasalamana: Sasao madio tsara ny legioma sy ny voankazo

Vaksiny: Araho tsara ny tetiandro fanaovam-baksiny (toy ny vaksiny miaro amin'ny rotavirus)

Ody kankana: Omeo ody kankana indroa isan-taona ny ankizy (1 ka hatramin'ny 14 taona).

3. Inona no atao raha efa voan'ny aretim-pivalanana ny zaza?

SRO (Solution de Réhydratation Orale): Omeo SRO matetika ny zaza mba hisorohana ny fahaverezan-drano be loatra.

Tohizo ny sakafo: Aza atsahatra ny fanomezana sakafo ny zaza.

Fadio ny zava-pisotro misy siramamy

25/02/2026

Hoan'ny zaza vao teraka hatramin'ny faha-1 volany, ireto no "Signes de danger" na famantarana mampidi-doza tokony hitondrana azy haingana dia haingana any amin'ny mpitsabo:

1. Olana amin’ny fisefoana

Miaina haingana be: Mihoatra ny in-60 isa-minitra ny fisefoany rehefa tsy mitomany izy.

Sempotra: Hita mihetsika miditra any anatiny ny tratrany isaky ny miaina ("tirage sous-costal").

Feo hafahafa: Misy feo "mikononkonona" na "mitoloko"

2. Olana amin'ny sakafo sy ny hery

Tsy mety minono

Malemy loatra (Léthargie): Tsy mihetsika ho azy ny zaza, sarotra fohazina, na hita ho vizana sy malemy loatra ny vatany.

Mandoa

3. Fiovana eo amin'ny vatana

Hafanana (Fièvre): Mihoatra ny 38°C ny hafanany (na mangatsiaka loatra ny vatany, latsaky ny 35.5°C).

Mangana na hatsatra
Mavo (Jaunisse): Mavo be ny fotsin'ny masony na ny felan-tanany sy ny felan-tongony

Fanintona (Convulsions): Mihetsiketsika hafahafa ny rantsany na ny masony

4. Olana hafa

Tsy mandena couche mandritra ny 6 hatramin'ny 8 ora mahery.

Mitomany tsy an-kijanona:

Raha vao mahita ny iray amin’ireo ianao, dia aza miandry ampitso fa ento haingana any amin'ny Hopitaly akaiky indrindra ny zaza.

24/02/2026

Ny visite systématique na ny fanaraha-maso ara-pahasalamana mahazatra ho an'ny zazakely dia dingana lehibe hiantohana ny fitomboany sy ny fahasalamany.
Tsy miandry ny zaza harary vao manatona dokotera, fa misy fotoana voatondro tsy maintsy atao.

1. Inona no anton'ny visite systématique?

Fanaraha-maso ny fitomboana: Refesina ny lanjany, ny halavany, ary ny manodidina ny lohany (périmètre crânien).

Fanamarinana ny fivoarana (Développement): Jerena ny fahaizan'ny zaza mihetsika, ny fandrenesany, ny fahitany, ary ny fifandraisany amin'ny manodidina.

Fanaovana vaksiny: Fanarahana ny tetiandro fanaovana vaksiny mba hiarovana azy amin'ny areti-mifindra.

Torohevitra: Fotoana ahafahan'ny ray aman-dreny manontany momba ny sakafo, ny torimaso, ary ny fitondran-tena.

2. Rahoviana no tokony hanao visite?

Vao teraka:

Isam-bolana: Mandritra ny 6 volana voalohany.

Isaky ny 2 na 3 volana: Rehefa feno 6 volana ka hatramin'ny 1 taona.

Isaky ny 6 volana: Rehefa feno 1 taona ka hatramin'ny 3 taona.

Isan-taona: Rehefa lehibe kokoa ny zaza.

11/07/2022

Mbol mitohy hatrany ny fandraisana membre vaovao amn abonnement par mois mba azahoanao ny sopapa quinté plus isakin'ny course attelé
Araraoty ny manao abonnement manomboka androany
Amnty semaine ty ftsiny zao dia attelé ny quinte androany , ny alarobia, ny zoma ary ny asabotsy.

16/01/2020

Un petit bonus pour aujourd'hui

Entraîneur a suivre: 7-5
Gros rapport: 1-2-5-3
Outsiders: 13-10-11-7
Favoris: 12-15-14
Tocard: 1
Dernier minute: 15
Remplacent: 16
Indice de confiance: 2/5
Indice de difficulté : très difficile 8/10
Conseil de jeu: multi7
1) 12-15-1-13-5-7-11
2) 12-15-1-13-10-3-2
Pour avoir les quintes s/f 3 bases sur et 4 chevaux a associés abonnez vous

07/01/2020

Koa satria efa mihamaro n'y mpanaraka n page de averina eto ndray n'y fanentanana''' efa 30000/ mois zau n abonnement '' iu amsary Etsy iu zau n'y tandroany'' malgré la disqualification de 2 Alexandre abrivard

15/11/2019

Io n'y santionany omal eee'' abonnez vous alors pour avoir des ce jour les chevaux sur avec deux type de quinté en 6 chevaux'' n'oubliez pas que pour aujourd'hui ce sera mieux qu'hier

Photos from PMU Bet eto mahajanga's post 06/11/2019

Reo ndray n'y tandroan eee'' malgré discalification de 13 le cheval remplacent rentre 5em rang

04/11/2019

Abonnez vous pour qu'on gagne ensemble

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address

Ambohimiadana
Antananarivo
102

Opening Hours

Monday 08:00 - 18:00
Tuesday 08:00 - 18:00
Wednesday 08:00 - 18:00
Thursday 08:00 - 18:00
Friday 08:00 - 18:00
Saturday 08:00 - 18:00