Eat clean with Faly

Eat clean with Faly

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Eat clean with Faly, Gym/Physical Fitness Center, Ambatolampy Tsimahafotsy, Antananarivo.

27/08/2026

Ity angamba raha misy miteny hoe hosorana dia manala tavy, anatin'ny telo andro monja dia afaka.

Tsy vitsy no hanontany avy eo hoe: "Normal ve raha somary mangidihidy be ilay faritra nosorana taminy?"

Aza mitady raccourci fa ny fotoana tsy tia izay tsy miaraka aminy 😉

Ps: tsy haiko ilay anarany dia sary nangalarina ilay sary 😁

20/08/2026
04/08/2026

Tokony mandeha an-tongotra 30 minitra isan'andro aho.

Isaky ny tsy mahavita aho androany dia ampiako 30 minitra ny rahampitso.

Tena nanova ny fiainako izany.

Rahampitso aho izao tokony mandeha an-tongotra ....... 3 volana 🙊😂

14/05/2026

L'avocat/ Ny zavoka 🥑

Mitobaka izy izao eny an-tsena eny ka andeha ho resahana kely ihany.

Manan-karena lipides ity voankazo iray ity fa indrindra ilay Oméga-9 izay "acides gras monoinsaturés" (tsy hidirantsika lalina loatra fa anisan'ireo acide gras "essentiels" izy na koa hoe tsy vitan'ny vatana ny manamboatra azy fa mila ampidirina amin'ny alalan'ny sakafo)
Ity acide gras iray ity dia "hypotriglycéridemiant" (afaka mampihena ny tahan'ny triglycérides, afaka mampihena ny tahan'ny cholestérol total ihany koa izy. Mahatsara ny fahasalaman'ny fo sy ny lalan-drà.

Ankoatr'izay dia manankarena "fibres" koa izy izay manampy betsaka ny fandevonan-kanina na ny "digestion" fa sady mora mahavoky fa matevina be 🙊😂.

Mbola ananany koa ny vitamines E, C, B ary manana potassium sy magnésium ihany koa.

⚠️Mila fandanjalanjana ihany anefa ny fihinanana azy, indrindra ho an'ireo izay manara-maso akaiky ny lanjany, satria raha samy voankazo dia tena "calorique" izy satria be lipides kokoa mihoatra ny hafa nefa ny Lipides 1 gramme dia efa 9 kcal, raha 4kcal ny glucides 1 gramme 🧮.
🔹Ohatra: raha mihinana 200g izany ianao, misy lipides 40g ao izany hoe efa 360 kcal izay ilay zavoka 200g fotsiny 🙄
No sady misy fatra sy fetra ihany koa ny fampidirana ny Lipides amin'ny sakafo mankany amin'ny vatana.

24/03/2026

Fantatrao ve fa?

Efa ny 70 isan-jato no vitanao raha zarainao efatra ny lovia isaky ny misakafo ?

- 1/4 Glucides complexes 🍠🥔🥖 : vary mena, flocons d'avoine, vomanga, pâte complète..
- 1/4 légumes vapeurs na cuites à l'eau 🥕🥦 : carottes, haricots verts, brocolis, courgettes...
- 1/4 protéines 🥚🥩🍗🫘 : atody, hena, trondro, akoho....
- 1/4 crudités sy/na fruits: 🥒🍎🍏🥭🥝🍓🍉 : pomme, poire, pastèque, laitues, tomates, poivrons....

Tsy adino ny produits laitiers 🧀 : fromage, yaourt.

Efa mahafantatra ianao izao fa alefaso amin'izay 😁. Zarao sao mahasoa ny hafa 🤗

(Ity zao sary tany aminareo ihany 📸)

13/03/2026

Ianareo koa ve mihinana "gâteau" 🍰?
(Ho lavalava izy ity 🤭)

Ary raha atao lasa "stratégie" kely hanampiana ny vatana ny "une part de gâteau"? 💡
Liana? (Tendan-kanina ki nareoooo 😂)

- Leptine (hormone de satiété) 🧬: rehefa anaty R.A lavalava iny dia midina ny tavy, midina koa miaraka aminy ny famokarana "leptine", rehefa mihena io dia mahazo baiko miakatra ny ati-doha 🧠 hoe "noana isika fa ajanony aloha izay azo ajanona". Eo no alefany miadana amin'izay ny "métabolisme".
Ny bitsika atsy anefa mandeha be hoe atsy misy Red Velvet, atsy misy Cheese Cake 🤭...dia lasa fa tsy tana e 🤪.
Nihinana, nampiditra calories misimisy tampoka, vokany : nitohy ny famokarana leptine ; niakatra ny hafatra 🧠 : "tairo mandroso fa tsy olana" (redémarrage système : rétablissement du métabolisme).

- Sérotonine (hormone du bonheur) sy Cortisol (hormone du stress) 🧬: vitsy kosa no sorena rehefa avy mihinana gâteau e 🙄, raha tsy hoe tsy nijery prix avant de consommer 🤦.
Rehefa miakatra ny famokarana Sérotonine dia midina ny famokarana Cortisol.
Ity Cortisol ity rehefa ambony dia mora manangona tavy kokoa ny vatana indrindra fa eo amin'ilay tiana alàna iny. Raha terena ajanona daholo anefa ny "plaisir" rehetra dia stressé ny vatana dia ambony ny famokarana azy io.

Dia izay, "une part de gâteau" ilay resaka eto, tsy isan'andro koa 🤭🙄, "UNE PART DE GÂTEAU" fa tsy hoe lasa actionnaire an'ilay salon de thé sy pâtisserie akory ianareo 👌

04/02/2026

Tsara ny mikaroka, tena tsara fa hafa kokoa raha hamafisina anaty fianarana ilay izy sady tohizana ihany foana ny fikarohana fa fianarana ny fiainana. Ity izao certificat tany amin'izany Educatel izany ahafahako manampy sy manoro anareo mpanaraka ahy ato 😁👊
01/10/2024 ny daty manjavozavo kely

15/01/2026

Ka ahoana? 🙊 Efa misasaka ny volana androany! Sa aleo aloha hiandry Février fa mbola misesy ilay fifampiarahabana 😂.

Tsy maninona anefa izany, marathon izy ity fa tsy course de vitesse 😁.

Tandremo fotsiny ny mampitaha ny étape 1 anao amin'ny étape 10n'ny manodidina anao 👌.

It's You vs You 👊

Courage be daholo 😘

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Ambatolampy Tsimahafotsy
Antananarivo
105