Mikey Mousse

Mikey Mousse

Share

FC Barcelone FANS

27/02/2025

Lamine Yamal it's HIM

27/02/2025

🔴 Messi: « Alohan’ny hijanonako tanteraka dia tsy maintsy mbola hiverina hilalao ao amin’ny Camp Nou vaovao aho ».

🔴 Culers, mety mbola ho tanteraka ihany ny nofinofinao, ny nofinofiko, ny nofinofin’ny mpankafy baolina kitra maro manerana an’izao tontolo izao. Tsy inona izany fa ny mbola hahita indray an’i Lionel Messi hisalotra ny Maillot Blaugrana 😍😍🙏. Nanaitra ny maro ity vaovao ity io maraina io, maniry fatratra ny hiverina ao amin’ny FC Barcelone ny GOAT 🔥🔥.

🔴 Raha ny sio-ndresaka dia efa miketrika mangina ny fahatongavan’i Messi amin’ny saison ho avy ny FC Barcelone. Enganie ho tanteraka fa tena mbola misy zavatra tsara be ho entin’i Messi ho an’ny ekipantsika. Na dia tsy ho titulaire intsony ary izy dia tena mbola manova zavatra be ny fidiran’izany Messi izany any amin’ny fizaram-potoana faharoa 🔥🔥🔥🔥. VAMOS!!!



VISCA BARCA 💙❤️

27/02/2025

🔴 Culers, manentana anareo hatrany handefa ny logo antsika ao amin’ny message privé (messenger) ho an’izay mana-talenta. Hamafisinay hatrany ny hoe mba hita amin’ilay Logo ny soratra BFM satria antsika iny ary izany no tena nahafantarana ny page tsika ka tianay ho tazomina hatrany na dia niova ary ny anaran’ny pejy 🙏.

🔴 Ny zoma ho avy izao no farany fandefasana ny sary, tsara ho marihana fa tsy misy loka akory ny fanaovana azy ity fa ho an’izay mazoto fotsiny. Misaotra mialoha 🙏.

🔴 Nandinika tsara izahay dia tahakan’ izao ny fomba hanaovana ny fifidianana. Mifidy iray izay coup de coeur anay izahay dia hatao finale amin’izay iray nosafidianareo mpikambana ato amin’ny pejy. Izany hoe 2 sisa no hanaovana safidy amin’ny famaranana. Raha mitovy amin’ilay safidinay moa ny safidinareo dia tonga dia lany izany ilay izy fa tsy misy famaranana intsony. Mazava tsara amin’ny rehetra ve o?

VISCA BARCA 💙❤️

27/02/2025

🔴 Tonga tao amin’ny Barca i Hansi Flick vao tena tsikaritra fa tsara tsiky kay ity coach tsika ity 😄. Tsy mototra lava tahakan’ny nahafantarana azy intsony fa lasa miramirana hendrika foana izy 😉.

🔴 Misy tsara tsiky ihany koa ve ny culers ato? Misy ny olona tena tsy mahay mitsiky rehefa maka sary tsy aiko raha mahatsikaritra an’izany ianareo, anisan’izany ny tenako. Tena hoe ohatran’ny tsy natioraly izany mihitsy ilay tsiky rehefa amin’ny sary dia aleoko manao mototra be foana 😂😂. Mirary tontolo andro sambatra ho anareo rehetra 🙏.



VISCA BARCA 💙❤️

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Antananarivo