French IMPEC Madagascar

French IMPEC Madagascar

Share

🔴📙Voulez-vous vous ouvrir à un monde d'opportunités ? ✍️✊
👉✅Alors, vous avez frappé à la bonne porte

22/05/2026

🔴 FORMATION ENTRETIEN D’EMBAUCHE

❓ Efa leo mandefa CV nefa tsy misy valiny ? ❓ Tonga amin’ny entretien… fa very teny sy matahotra ?
👉 Misy olona mahay kokoa noho ianao ve no voaray ? Tsy voatery.

⚠️ Matetika, tsy ny compétence no olana… Fa ny fomba hanehoanao ny tenanao.
Rehefa entretien :
❌ Tsy ampy confiance
❌ Tsy mahay miresaka amin’ny recruteur
❌ Tsy mahafantatra izay valiny andrasana
❌ Tsy mahay “mivarotra” ny capacité ananany

💡 Izany indrindra no anton’ity formation ity.

Mandritra ny formation dia hianatra ianao :
✔️ Fomba famaliana fanontaniana piège
✔️ Teknika hampitombo confiance en soi
✔️ Fomba firesaka matihanina sy maharesy lahatra
✔️ Astuces hahatonga ny recruteur hahatsiaro anao
✔️ BONUS : Fanamafisana ny français professionnel

🎯 Tanjona ?
👉 Tsy hoe hiatrika entretien fotsiny… Fa hahazo asa.

📅 Date : 27 Mai
🕗 Heure : 08h – 11h

📩 Misorata anarana dieny izao amin’ny message privé.

⚡ Ny opportunité tsy miandry… Miomàna dieny izao, ary asehoy fa mendrika ilay poste ianao.

20/05/2026

🇫🇷📚 LEÇON DE FRANÇAIS : “QUAND MÊME” Expression kely, fa tena ampiasain’ny Français isan’andro!

Maro ny mpianatra no mahalala ny teny hoe quand sy même, nefa mbola tsy tena mahatakatra ny tena dikan’ilay expression hoe quand même.

Kanefa izy io dia iray amin’ireo expressions tena ilaina raha te hiteny frantsay voajanahary sy fluide ianao. 🇫🇷✨

🔹 Inona no dikan’ny “quand même” ?

Miankina amin’ny contexte, mety hidika hoe:

👉 na dia izany aza
👉 malgré tout
👉 tout de même
👉 kanefa ihany

🔹 Ohatra fampiasana

📌 Il pleuvait, mais nous sommes sortis quand même.
➡️ Na dia avy aza ny orana, dia nivoaka ihany izahay.

📌 Ce film n’est pas parfait, mais il est quand même intéressant.
➡️ Tsy lavorary ilay film, nefa mahaliana ihany.

📌 Tu aurais pu prévenir quand même !
➡️ Tokony mba nampandre ihany ianao!

🔹 Synonymes

✅ malgré tout
✅ tout de même
✅ pourtant (amin’ny contexte sasany)
✅ néanmoins (fomba fiteny formel kokoa)

⚠️ Fahadisoana mahazatra

❌ Miezaka mandika ara-bakiteny ny hoe “quand” sy “même”
❌ Mampiasa azy nefa tsy mahatakatra ny nuance-ny

🎯 Nahoana izy io no tena zava-dehibe?

Satria tena ampiasaina matetika amin’ny:

🗣️ conversation andavanandro
🎬 films sy séries
📺 interviews
📚 textes écrits

Raha mahafehy ny “quand même” ianao dia ho lasa voajanahary kokoa avy hatrany ny fomba fiteninao.

💬 Anjaranao izao: Mamoròna fehezanteny iray mampiasa quand même ao amin’ny commentaire 👇

📩 Te hahay hiteny frantsay fluide sy matoky tena ve ianao? Midira amin’ny cours de français parlé.

15/05/2026

🇫🇷📚 LEÇON DE FRANÇAIS : “EN REVANCHE”, “PAR CONTRE” ary “AU CONTRAIRE”

⚠️ Teny mitovitovy, saingy tsy mitovy ny fampiasana azy!
Maro ny mpianatra no mampifangaro ireo expressions ireo rehefa te haneho fifanoherana amin’ny teny frantsay. Andeha hojerentsika tsotra sy mazava. 👇

🔹 1. EN REVANCHE
👉 Ampiasaina rehefa te hanonona lafiny tsara na ratsy izay mifanohitra amin’ny voalaza teo aloha.

✅ Dikany:
etsy ankilany
kosa anefa

📌 Ohatra:
➡️ Ce travail est difficile. En revanche, il est très bien payé. (Sarotra ity asa ity. Etsy ankilany kosa anefa, tsara karama izy.)

➡️ Il n’est pas très rapide. En revanche, il est très précis. (Tsy dia haingana izy. Fa tena marina tsara kosa.)

🎯 Tena mahazatra amin’ny conversation sy rédaction.

🔹 2. PAR CONTRE
👉 Mitovy hevitra amin’ny “en revanche”, saingy tena ampiasaina amin’ny resaka andavanandro.

📌 Ohatra:
➡️ Je ne peux pas venir aujourd’hui. Par contre, je suis disponible demain. (Tsy afaka ho avy aho anio. Fa afaka aho rahampitso.)

➡️ Ce téléphone est cher. Par contre, il est de très bonne qualité. (Lafo ity téléphone ity. Saingy tena tsara kalitao izy.)

🎯 Tena naturel amin’ny conversation.

🔹 3. AU CONTRAIRE
👉 Ampiasaina hanitsiana na handavana hevitra iray.

✅ Dikany:
mifanohitra amin’izany
ny mifanohitra amin’izany aza

📌 Ohatra:
➡️ Tu n’es pas en re**rd. Au contraire, tu es en avance. (Tsy tara ianao. Ny mifanohitra amin’izany aza, tonga aloha ianao.)

➡️ Ce n’est pas une faiblesse. Au contraire, c’est une force. (Tsy fahalemena izany. Mifanohitra amin’izany aza, hery izany.)

🎯 Ampiasaina rehefa manitsy hevitra na perception.

🔥 Te hahafehy connecteurs sy expressions tena ampiasain’ny Français ve ianao?
Araho hatrany ny pejy 🇫🇷✨
💬 Anjaranao izao: Mamoròna fehezanteny iray mampiasa:
1️⃣ en revanche
2️⃣ par contre
3️⃣ au contraire 👇

11/05/2026

🎓🏆 ARAHABAINA IANAREO! 🏆🎓

Andro feno hafaliana sy rehareha ho anay izao, satria nahazo ny certificat-nareo ianareo taorian’ny ezaka sy faharetana nandritra ny fiofanana. 👏📚

Tsy mora ny lalana nodiavinareo.
Nisy ny:
✅ fisalasalana,
✅ tahotra hanao fahadisoana,
✅ fahasahiranana rehefa miteny,
✅ ary fotoana nahatsapana fa sarotra ny fandrosoana.

Kanefa tsy kivy ianareo. Nanao ezaka, nianatra tsy tapaka, ary nanapa-kevitra ny hanatsara ny tenanareo. Ary izao dia hita maso ny vokany.

🎯 Ity certificat ity dia porofo fa rehefa misy finiavana sy fahaizana mitarika tsara, dia azo tratrarina ny tanjona.

🙏 Misaotra indrindra tamin’ny fahatokisana anay. Faly sy mirehareha izahay nahita anareo nivoatra, nahazo fahatokisana, ary nahafehy kokoa ny teny frantsay.

🌟 Mirary anareo:
📖 fahombiazana amin’ny fianarana,
💼 fahafahana bebe kokoa amin’ny asa,
🌍 varavarana misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena,
🚀 ary fahombiazana lehibe amin’ny fiainana.

Aza mijanona eto. Tohizo ny fianarana, tohizo ny fanazaran-tena, ary sahia miteny frantsay isan’andro.

📩 Raha ianao koa te hahazo certificat sy hahafehy ny teny frantsay am-pahatokisana, misokatra ny fisoratana anarana amin’ny andiany manaraka.

10/05/2026

Comment appelle-t-on une personne qui aime trop la mode ?
Dis en commentaire (sans triche ou chat GPT😄)

08/05/2026

🇫🇷📚 LEÇON DE FRANÇAIS : “EN MODE” Expression moderne tena ampiasain’ny tanora Français !

Rehefa mijery vidéos na mihaino Français miteny ianao dia mety mandre matetika hoe :
👉 “J’étais en mode…” 😅
Fa inona marina no dikan’izany ?

🔹 “En mode” dia expression ampiasaina :
➡️ hilazana toe-tsaina
➡️ réaction
➡️ fomba fihetsika tamin’ny moment iray

📌 Ohatra : 👉 Quand il a parlé, j’étais en mode : “Quoi ?!”
➡️ Rehefa niteny izy dia toy ny hoe : “Inona?!”

👉 Elle était en mode stress avant l’examen.
➡️ Tena tao anaty stress izy talohan’ny examen.

🎯 Tena ampiasaina amin’ny conversation moderne sy réseaux sociaux izy io.

⚠️ Attention :
❌ Tsy expression matihanina na administratif loatra izy.
➡️ Aleo tsy ampiasaina amin’ny entretien d’embauche na email officiel 😅

🔄 Expressions proches :
✅ comme si…
✅ dans un état de…
✅ genre…
📌 Ohatra : 👉 Il était en mode colère toute la journée.
➡️ Tezitra be izy tontolo andro.

💡 Raha te hahatakatra ny tena français ampiasain’ny olona isan’andro ianao, dia mila mianatra expressions modernes tahaka izao… satria tsy hita firy any anaty boky 📖😄

🔥 Te hiteny frantsay naturel sy moderne ve ianao ?
Araho hatrany ny pejy 🇫🇷✨
💬 Ary ianao ?
Efa niteny hoe “j’étais en mode…” ve ianao taloha ? 😄

07/05/2026

🎓✨ ANDRO LEHIBE HO ANAY ! ✨🎓

Feno hafaliana sy rehareha izahay mahita anareo nandray ny certificat-nareo androany. Tsy mora ny lalana nodiavinareo : nisy ny fisalasalana, ny tahotra, ny fahasahiranana… nefa tsy nivadika tamin’ny tanjona ianareo. Ary izao, hita maso ny vokatra. 👏

Arahabaina indrindra ho anareo rehetra nahavita sy nahazo ny certificat ! 🏆📚
Porofon’ny ezaka, faharetana ary finiavana izany.

Misaotra anareo koa izahay tamin’ny fahatokisana sy ny fiarahana nandritra ity dingana ity. Tena voninahitra ho anay ny nahita anareo nitombo sy nahay niteny frantsay tamim-pahatokisana bebe kokoa. ❤️

Mirary fahombiazana lehibe amin’ny lalana mbola ho diavinareo izahay :
🎯 amin’ny fianarana
💼 amin’ny asa
🌍 ary amin’ny fiainana andavanandro

Aza mitsahatra mianatra, aza matahotra miteny, ary tohizo hatrany ny fanatsarana ny tenanareo. Ny certificat dia fiandohana fotsiny… mbola lavitra ny fahombiazana miandry anareo. 🚀

📩 Raha ianao koa te hahafehy teny frantsay sy hahazo certificat, misokatra ny fisoratana anarana amin’ny andiany manaraka.

05/05/2026

🔥 Mbola misavoritaka amin’ny “être” sy “avoir” ve ianao rehefa miteny frantsay ?
❌ “Je suis mangé…”
❌ “J’ai allé…”

🔴 PROCHAINES RENTRÉES :
👉 19 MAI (NIVEAU DÉBUTANT)
👉 20 MAI (NIVEAU INTERMÉDIAIRE)

➡️ Ireo no hadisoana mahazatra indrindra ataon’ny maro… ary manimba ny fahatokisan-tena rehefa miteny.

💡 Fa ity ny fahamarinana tsotra tokony ho fantatrao :

👉 “AVOIR” no ampiasaina amin’ny ankamaroan’ny matoanteny
✔️ J’ai mangé (Nihinana aho)
✔️ J’ai travaillé (Niasa aho)

👉 “ÊTRE” kosa ampiasaina amin’ireo matoanteny fihetsika na fiovana toerana
✔️ Je suis allé (Nandeha aho)
✔️ Je suis arrivé (Tonga aho)

⚠️ Tsarovy tsara : Rehefa mampiasa ÊTRE ianao dia tsy maintsy mampifanaraka ny “participe passé”
✔️ Elle est allée
✔️ Ils sont arrivés

🎯 Tsy ny fahalalana voambolana no olana… fa ny fampiasana azy tsara rehefa miteny.

💬 Raha te hahay miteny frantsay tsy misalasala, tsy diso, ary mampitombo ny fahatokisan-tena, dia araho hatrany ny pejy!

📩 Ary raha tena te hivoatra haingana ianao… manatona anay.
👉 Eto no ianaranao miteny tena izy, fa tsy mianatra fotsiny.

30/04/2026

de SPÉCIAL SAMEDI
🔴Nouvelle rentrée : 09 Mai

Apprenez une nouvelle langue dans un environnement interactif !

Rejoignez nos cours en salle et plongez dans une expérience d'apprentissage immersive.

🔵Ho anao izay tsy manana fahafahana isan'andro, natao ho anao ity programme ity, izay ahafahanao mamaha ireo olana manakana anao tsy ahay hiteny frantsay tahaka ilay irinao iny:
-
- et français
- les typiquement françaises
- exprimer ses pensées, etc.

🏷️🏷️Inscrivez-vous maintenant et maîtrisez la langue qui va vous permettre d'ouvrir la porte du succès.

Merci de nous contacter au 038 55 000 34 ou au message privé.

29/04/2026

⚠️ Mbola misalasala amin’ny ve ianao rehefa miteny français ?
👉 “être” sa “avoir” no ampiasaina ?
👉 Nahoana no misy verbe mila “être” fa ny hafa “avoir” ?
👉 Ary nahoana no misy erreur matetika rehefa manao passé composé ? 😵

🔴 FIDIRANA VAOVAO :
👉 12 Mai (NIVEAU DÉBUTANT)
👉 13 Mai (NIVEAU INTERMÉDIAIRE)

💥 Izay no mahatonga anao hiteny… nefa tsy mbola tena marina tsara

🎯 Amin’ity vidéo ity, hazavaiko aminao ny auxiliaires sy ny fampiasana azy:
✔️ Rahoviana no mampiasa “être”
✔️ Rahoviana no mampiasa “avoir”
✔️ Ahoana no atao mba tsy hanaovana erreur intsony
🚀 Ataovy mazava, marina ary professionnel ny français-nao

👉 Jereo hatramin’ny farany ilay vidéo
👉 Ary mis’abonner raha te hiteny français TSARA kokoa 💬

28/04/2026

🔴 Mbola manao amin’ny français foana ve ianao rehefa mampiasa ny de ?
👉 Miteny ianao… fa tsy mitovy fotoana ny fehezanteny
👉 Mampiasa sy mifangaro… dia lasa tsy mazava
👉 Ary very confiance rehefa miteny
🔴 FIDIRANA VAOVAO :
👉 05 Mai (niveau débutant)
👉 06 Mai (niveau intermédiaire)

🎯 Amin’ity ity, hazavaiko aminao tsikelikely ny concordance de temps mba hahafahanao:
✔️ Miteny mazava sy marina
✔️ Tsy hifangaro intsony ny fotoana
✔️ Hahatoky tena rehefa miteny français
🚀 Ajanony ny fiteny “tsy voalamina”
Ataovy matihanina ny fomba fiteninao
👉 Jereo hatramin’ny farany ilay vidéo
👉 Ary aza adino ny mis’abonner raha te hiteny français TSARA kokoa ianao 💬

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Andavamamba
Antananarivo