Ndao i-Run

Ndao i-Run

Share

Prendre soin de sa santé est un devoir envers soi. La course à pied est plus qu’un sport, c’est une école de discipline, de patience et de dépassement de soi.

12/04/2026

➡️Veleso ny vy dieny mbola mafana ✅

"Tsy voatery hoe feno ny fepetra 🙅‍♂️📃 vao hanomboka zavatra iray 😊 fa vao mitsiry ny hevitra tonga dia hatomboy"






16/05/2025

Eh❗Zavatra iray ihany no tena ilaina mba hivoarana 🤔

❌❌La Discipline ♾️ ❌❌

Discipline➡️For you to you








21/04/2025

❗IZA NO HIFANINANANA❓🆚

💡 NY Fivoarana (Croissance) 📈 sy Fahatomombanana (Réussite) ♾️ dia ady 🤼‍♂️ eo aminao sy ianao 🤔 ho Anao 🤝

Ny Tenanao no Mpifanandrina (Adversaire) 🥷🏼 mafy indrindra (Redoutable) 💪🏼 mifanehitra aminao.

❗Satria nahoana❓🤔
Ianao ihany ilay Mpifanandrina mahalala ireo fahalemenao (Fablaisse) ohatra:
-Fahazaran-dratsy (Mauvaise habitude) 🥴
-Tahotra (Peur)😵‍💫
-Hakamoana (Paresse)🥱
-Tsy fandraisana andraikitra (Inaction)😩
-Fanaovanana andraso-andraso na aleo rahampitso (Procrastination)🤥

❗Ny vahaolana ❓🤷🏼‍♂️
Manaiky (Accepter) 🤝 > Miatrika (Affronter) 🤼‍♂️ > Miaritra (Résister) 💪🏼

Ireo ☝️ no hampiarina mandritran’ny fotoana maharitra 🕟 no mitondra Fiovana (Changement) 🙃 sy Vokatra tsara (Bon Résultat) 📊

Koa aza miandry fotoana ela, na olona hanampy.
Aza miandry an rakoto na rabe na rajoe….sy ny ekipany🤣 fa ianao y ianao io 🙂
⚡ YouVSyou ⚡









16/04/2025

‼️Miracle ve❓

Ny tontolon'ny fitaizam-batana 🏋🏼‍♂️ ny fahasalamana 💪🏻 ny tsy misy honohono fa Hezaka 🏃 Fikirizana 🦵 Fiaretana mandritran''y fotoana maharitra 🕟

Ito ny 🆕 Formules magique 🔥🔥
- Fahasalamanao androany = sakafo omaly 🥗 + Fanantanjahatena 🏋🏼‍♂️ omaly + Torimaso omaly 🛌

- Fahasalamanao amin'ity volana ity = sakafo tamin'ny volana lasa 🥗 + Fanantanjahatena 🏃 tamin'ny volana lasa + Torimaso tamin'ny volana lasa 🛌

Aussi sure que 1+1=2 💡 tu récoltes ce que tu sèmes 🙂






12/04/2025

INONA KAY NO ANTONY❓

Betsaka 📈📊 ny tombom-tsoa 🙂azo amin'ny fanantanjahatena 🏃💪🏻🏋🏼‍♂️

Ary samy manana ny manosika azy ny tsirairay 😄

Misy ny manao izany mba :
- ho tsara firafitra ny vatana 😎
- ho fitaizana ny fahasalamana 🧠🩸
- ho hanalana ny vesatra ara-tsaina 🧘🏼‍♂️




07/04/2025

Miarahaba finaritra Antsika rehetra 🙂

Enao koa ve ❓
Tia miazakazaka 🏃 nefa tsy namana❓ 😔
Tia miazakazaka 🏃 nefa tsy toerana aleha❓😩
Tia miazakazaka 🏃 nefa sarokenatra rehefa mandeha irery ❓🤭

Na koa isan’ireo miazakazaka mba:
Hampirindra ny tosi-dra 🩸 sy ny fitempon'ny Fo 🫀
Hitaizana 🚶sy hanatsarana ny vatana 🤸
Hanalàna sorisory 🤬 sy ny vesatra ara-tsaina 😩

Na koa mitovy amiko miazakazaka 🏃 mba:
Ahafahana mihinana izay sakafo tiana 🥞🍕🍝 rehefa fety
Ho tsara torimaso 😴🛌 rehefa amin'ny alina 🌖

Sa ilay somary adaladalakely 🤪 ohatra ahy iny ka:
Tsy mitsahatra ny mifaninana 🏋️ sy manao mihoatra ny omaly 📈↗️
Ilay tsy mifidy fotoana 🕓 na andro ☀️ na @ 5h maraina 🌅 na @ 7h hariva 🌄 na @ 12h mamay be iny 🌡️ na misy orana 🌧️ na mangatsiaka 🌨️ 🌬️ na Krisimasy 🌲 na taom-baovao 🎉 na anniversaire 🎂 🎁 fa rehefa malalaka dia lasa zao miazakazaka 🏃 foana😁

Aza manahy intsony fa tsy ho irery intsony ianao 😉 efa eto ny A.R.C. 😎

Inona moa izany ❓

Ny A.R.C na koa ⏩ Amateur Running Club⏪ dia vondrona iray na “Communauté” 👫👬👭🧑‍🤝‍🧑 hampiraisana an'izay tia manao na te hanao na te hiverina hanao fanantanjahatena amin'ny alalan'ny Hazakazaka 🏃😁

Ny tanjona ao antin'izany ve❓
Ho fizarana hafaliana 🙂 ho Fampivondronana 🤝 Hifampizarana ireo tantara sy dingana nolalovana teo am sehatry ny Hazakazaka sy fanantanjahatena ary indrindra hampiroboroboana ny taranja Hazakazaka 🏃 ho an’ny rehetra.

Misy vola aloha ve❓
Tsia ❌ 0Ar 🙂

Ny zavatra ilaina ve ❓
Ny fahavononanao 1kg 🔘
Ny finiavana 1L 🫙
Ny fikirizanao hanao mihoatra ny omaly 1 gony 🧺

▶️ Ho zaraina eto amin’ny Pejy Amateur Running Club ireo hetsika rehetra ho avy◀️



Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Antananarivo