08/03/2026
🎉 Fetin'ny vehivavy - 8 Mars 🎉 ( Misy hafatra eo amin'ny sary )
Amin'izao andro manokana izao dia miarahaba antsika vehivavy rehetra :
- ireo miasa mafy amin'ny sehatra rehetra
- ireo mitolona ho an'ny rariny
- ireo mijoro ho an'ny fiarahamonina sy ny fianakaviana
🌸 Ry vehivavy : tsarovy fa ny herinao dia tsy voafetra : ianao no reny , mpampianatra , mpiaro ary koa mpitarika ; koa mankahery antsika vehivahy rehetra ary mirary ny soa rehetra ho antsika 💕
🥰 Herin'ny vehivavy = Fiovana 💪
14/02/2026
💖💖Ny andro androany dia tsy natokana ho an'ireo mpifankatia irery fa ho an'ireo olona manam-pitiavana rehetra.💖💖Miarahaba anareo tia sport rehetra, mahità vokatra araka ny iriana avy.😍
Hatomboy amin'ny tenanao ny fitiavana dia zarao amin'ny manodidina anao rehetra isan'andro.💖💖
13/02/2026
👉 “Maninona aho no efa mikotrana be sy misakafo tsara nefa tsy mahita vokatra?”
✴Maro ny olona mahatsapa izany. Ny antony dia mety ho:
❌Fahazarana kely tsy hita maso: 1-Toromaso tsy ampy
2-Ny stress avo
❌Fomba fanazaran-tena tsy voalanjalanja: Raha cardio fotsiny no atao, mety tsy hahita fivoarana amin’ny hozatra. Raha musculation fotsiny, mety tsy hihena.
🔑 ireto ary ny Fototra lehibe hahitana vokatra :
✅- Sakafo voalanjalanja: Tsy ampy ny mihinana kely fotsiny. Mila proteinina ampy (avy amin’ny hena, atody, tsaramaso), legioma sy voankazo isan-karazany, ary misoroka sakafo be siramamy sy tavy ratsy. Ny rano koa tena ilaina.
✅Aza mifantoka amin’ny cardio fotsiny. Amboary ny fandaharana: cardio + fanazaran-tena mampitombo hozatra (squat, push-up, deadlift). Izany no manampy amin’ny fandoroana tavy sy fanamafisana hozatra.
✅ Ny vatana dia tsy miova ao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Mila fotoana sy faharetana. Ny fanovana kely atao tsy tapaka isan’andro no mitondra vokatra lehibe.
✅Torimaso : Raha tsy matory ampy dia tsy afaka mamerina sy manamboatra hozatra ny vatana. Ny torimaso tsara dia manampy amin’ny fihenan’ny lanja sy fanamafisana hozatra.
05/02/2026
Hizara exercice fessier bombé ho anareo zah rahampitso koa aza adino ary ny manaraka hatrany ny page🥰
22/01/2026
🥰 Vita ny kotrana androany fa ireto misy Zava-dehibe atao rehefa avy mikotrana :
🥤 1. Misotro rano
- Ny rano dia mamerina ny hydration very tamin’ny hatsembohana ary manampy amin’ny fanarenana sela sy hozatra.
🧘♀️ 2. Stretching malefaka
-Manaova étirement kely rehefa vita kotrana mba hisoroka fanaintainana aorian’ny kotrana.
🍎 3. Mihinana sakafo maivana : yaourt sy akondro
🛁 4. Fandroana na do**he
- Rano mafana → manalefaka hozatra.
- Rano mangatsiaka → manampy amin’ny fanalefahana “inflammation”.
😴 6. Torimaso ampy
- Rehefa ampy tsara ny torimaso= vokatra tsara amin’ny kotrana.
20/01/2026
🌼JUS DE BAOBAB 🌼
Rehefa mahatsiaro vizana sy mitady harary iny rehefa avy mikotrana dia manaova jus de baobab hamerenana hery sy tanjaka indray !
Metetika fataoko izy ity ary tena nety tamiko dia zaraiko aminareo.
👉Ny fanaovana azy :
✅Maka rano mafana iray vera dia maka baobab iray atao ao anatiny
✅+ tantely iray sotro kely
Ny baobab dia akora voajanahary manampy amin'ny fifehezana ny fanaintainana sy ny fivontosana hozatra.
✴ Mbola misy ato amiko hoan'ireo izay mitady 😊
14/01/2026
🔥 MOTIVATION sy DISCIPLINE💥
💪Efa misasaka ity ny volana Janvier fa aiza daholo ilay nilaza fa hanomboka kotrana 2026 ireny 🥰
🌟 Motivé be daholo nareo fa tsy mbola manomboka dia ito ny hafatra ho anareo :
💡Tsara ho fantatra fa ny hery lehibe indrindra amin’ny fanatanjahan-tena dia tsy ny hozatra fotsiny, fa ny saina sy fahazarana. Raha tsy misy motivation sy discipline, dia sarotra ny hahatratra tanjona.
- ✅Motivation ➡️ Izy no manosika anao hanomboka. Manome hery sy aingam-panahy rehefa reraka ianao.
- ✅Discipline ➡️ Izy no mitazona anao tsy hiala. Manampy anao hanaraka fandaharam-piofanana sy sakafo, na dia tsy misy hery aza.
👉 Ny fahombiazana dia tsy avy amin’ny zavatra ataonao indray mandeha, fa avy amin’ny fanaovana azy isan’andro.
👉 Ny vatana miova rehefa ny saina no voaofana hahay mitandrina sy tsy miala amin’ny lalana.
🌟Tadidio:
- Ny motivation dia manomboka ny dia.
- Ny discipline no mitondra anao hatramin’ny farany.
13/01/2026
🌿 Rano mafana sa rano mangatsiaka no tsara sotroina? 💧
Fanontaniana matetika mipetraka io :
👉 Valiny : Rano mafana tsara koakoa hoan'ny fahasalamana ( na mikotrana na tsy mikotrana ianao)
✅Ireto ny tombontsoa azo avy amin'ny fisotroana rano mafana, indrindra raha sotroina amin'ilay vao mifoha iny izany :
🌟 Mitsabo vavony marary sady mampahazoto homana
🌟 Mampihena ny fanaintainana ho an'ireo vehivavy marary kibo rehefa tonga fotoana.
🌟 Manampy amin’ny fihenan’ny tavy.
🌟 Mampitombo hery isorohana ny homamiadana
🌟 Misoroka sy mitsabo ny aretin'ny fo
🌟 Misoroka sy mitsabo ny aretin'andoha
👉Rano mafana tsotra, tsy misy Hanitra na siramamy, no resahina eto. Amporisihina ny rehetra, na kely na lehibe, hizatra hisotro rano mafana.
✅-Rano mafana manodidina ny 45° C eo ho eo no tsara sotroina
✅-Rehefa mifoha maraina dia misotro rano mafana iray kaopy aloha, ka afaka 30 na 45 minitra vao misakafo