FC Barcelone Fans Madagascar Ofisialy

FC Barcelone Fans Madagascar Ofisialy

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FC Barcelone Fans Madagascar Ofisialy, Sports Team, Antananarivo.

CULERS👋🏻💙❤️

Pejy natokana ho an'ny mpankafia FC Barcelone rehetra ity 🥰

🔹Te hanaraka ny vaovaon'ny Barça ve ianao❓

🔹Mpankafia Barça ihany koa ve❓

TONGASOA eto amin'ny Pejy fa ho hitanao ato avokoa izany rehetra izany ✊🏼🥰

VISCA BARÇA 💙❤️

27/08/2026

🔴🚨 OFISIALY ‼️✅

Anio amin'ny 19:00 Ora Malagasy no hotanterahina ny ankitsapaky ny fifaninana UEFA CHAMPIONS LEAGUE 2026-2027 🥰

📺 Azonao arahina mivantana ao amin'ny Canal+ Sport 1 😍

Ao amin'ny Chapeau 1 no misy an'ny FC BARCELONE mandritran'ny ankitsapaky ny fifaninana UEFA CHAMPIONS LEAGUE 2026-2027 😍

▪️ Tsy maintsy hifandona amin'ny ekipa 2 amin'ireto ny FC BARCELONE noho izany dia ny :

- PSG
- Bayern Munich
- Arsenal
- Liverpool
- Manchester City
- Inter Milan

🔸 Samy ekipa goavana ary manana ny maha izy azy avokoa ireo voalaza Ireo, ary araky ny efa nolazaiko dia ny 2 amin'ireo no tsy maintsy hifandona amin'ny Barça. 🥰

🔸 Fotoana hahafahana hamaritana noho izany io hoe hatraiza ny tanjaky ny FC BARCELONE manoloana ny ekipa ngeza mitovy aminy 😍

➡️ Iza amin'ireo ekipa ireo ary no tianao hifandona aminy mivantana ❓

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️

27/08/2026

🔴🚨TONGA INDRAY ILAY ANDRON'NY LALAO NA ELAELA ARY / LALAO ANIO ‼️✅

⚽ FC BARCELONE 🆚 ATHLETIC BILBAO

▪️ CULERS, Hiverina hiakatra an-kianja indray ny FC Barcelone anio alina rehefa tsy hitantsika nilalao nandritran'ny 4 andro be izao 😍

▪️ VICTOIRE OBLIGATOIRE ho an'ny Barça anio alina mba hitadiavana ny toerana hakana ny laharana voalohany eo amin'ny filaharana 🤗

▪️ MARIHANA MOA FA EFA HILALAO I RODRI ANIO ALINA 🤗❤️

➡️ Toy izao indray ary ny fandaharam-potoana ho an'ny anio :

⚽ FC BARCELONE 🆚 ATHLETIC BILBAO
🗓️ Alakamisy faha 27 Aogositra 2026
⏳ 19:00 GMT / 22:00 Ora Malagasy 🇲🇬
🏟️ CAMP NOU

📺 Ireto avy ireo chaîne handefa azy mivantana eto Madagascar :

- Sport Premium Startimes
- Canal+ Sport 3
- New World Sport 3
- Supertsport Maximo 3
- Supertsport Laliga
- Disney +
- DAZN

📲 Ho anao izay tsy manana Startimes na Canal+ KANEFA te hanaraka ilay lalao VOLIHANY anio alina dia aza asiana olana izany satria efa afaka harahinao mivantana amin'io Finday anao io ilay izy 🤗

▪️ Ireto misy Application voatokana hanarahinao ilay lalao ary omeko anao maimaimpoana avokoa ireo anarany saingy ianao no mila maka azy any amin'ny GOOGLE :

- Cricfy TV
- Sportzfy TV
- Yacine TV + YTV Pro
- Drama Live (Mety amin'ny Iphone sy Android)

➡️ Ho an'izay sahirana maka ilay Application dia jereo ato amin'ny video an'ny Pejy fa efa nalatsakako ato ilay izy 🥰

➡️ Efa ireo daholo ny andinindininy rehetra ry CULERS ah. Andao hiaraka hijery Barça daholo indray ary eh 😉

▪️ Tairo andao mba tohanana milay be ilay ekipantsika. Atomboy eto amin'ny Page aloha ilay Fanohananareo azy ary e, hatomboy amin'ny halalan'ny Réaction sy Partage be dia be aloha ity Publication ity sao misy namantsika tsy maharaka any ho any 🥰

▪️ Aza adino ny mametraka Pronostic ao amin'ny Commentaire ah 🤗

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏽❤️

26/08/2026

🔴🚨 HERE WE GO ‼️✅

Lasan'ny Real Sociedad amin'ny fomba OFISIALY i Hector Fort 😍

Toy izao ny andinindinin'ny fifanarahana :

▫️💶 Indemnité de transfert : 8 M€
▫️🔄 Clause de revente : 50 %
▫️💰 Clause de rachat : environ 20 M€

➡️ Izany hoe :

▪️ 8 Millions d'euros no nivarotan'ny Barça azy 🥰

▪️ Raha toa ka mivarotra azy ny Real Sociedad any aoriana any dia ny atsasaky ny vidiny dia ho an'ny Barça 😍

▪️ Azon'ny Barça alaina 20 Millions d'euros izy rehefa te hamerina azy ny Barça, eny fa na dia tafiakatra 60 Millions d'euros ary ohatra ny tokony ho tombam-bidiny dia tsy afaka mandahy ny Real Sociedad fa tsy maintsy 20 Millions d'euros rehefa hoe Barça 🤗

MIRARY SOA LESY ZANDRY AH 🫡

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️

26/08/2026

🔴🚨 NIVOAKA TAMIN'NY FAHANGINANY I LAPORTA ARY NANEHO FA MANOHANA AN'I JULIAN ALVAREZ NY BARÇA :

🗣️ Joan Laporta : «Izahay dia mbola liana sy mankafy foana an'i Julian Alvarez ary maniry mba ho eken'ny ATM ny tolotra narosonay.» 😍

🗣️ Joan Laporta : «Nataonay tamin'ny fanajana ny Ateltico anefa ny tolotra narosonay.» 🥰

🗣️ Joan Laporta : «Ankehitriny dia mbola manamafy hatrany izahay fa vonona hividy an'i Julian raha toa ka vonona hivarotra azy ny ATM.» 🤗

➡️ Mbola misy 5 andro vao hikatona ny MERCATO, mbola manantena hatrany isika ⏳⏳

26/08/2026

🔴🚨 Nisy fivoriana teo amin'i Laporta, Deco ary i Hansi Flick omaly 🥰

Tapaka nandritran'izany fivoriana izany ary fa hifantoka amin'i Julian Alvarez ny klioba mandrampahatapitry ny MERCATO 😍

Raha sanatria ka tsy azo i Julian dia tsy haka AC ny Barça fa hampiady an'i Raphinha, Gordon ary Adeyemi eo amin'io toerana io 🥰

Tsapan'ny FC BARCELONE fa tsy misy AC mifanaraka amin'ny Style de Jeu an'i Flick eo amin'ny tsena hafa tsy Julian irery ihany ka izany no mahatonga ny Barça tsy rototra haka AC hafa 🤗

Raha sanatria ka tsy azo amin'ity Mercato ity i Julian dia hiezaka haka azy indray ny Barça amin'ny fisokafan'ny MERCATO HIVERNAL ny Janoary 2027 😔

➡️ Manao ahoana ny fahitanareo ity fanapahan-kevitra noraisin'ireo mpitantana ity. Tokony haka AC hafa ve ny Barça sa hifantoka amin'i Julian irery ihany ❓

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️

25/08/2026

🔴🚨 HAFA IHANY LESY IZANY PEDRI AO BARCELONE IZANY AH 😍

Raha somary takona i Pedri nandritran'ny COUPE DU MONDE niarahany tamin'ny ekipam-pirenena Espaniola dia MIFANOHITRA TANTERAKA amin'izany kosa izy ao amin'ny Barça 🥰

Ny fidiran'i Pedri no nanova tanteraka ny endri-dalao ho an'ny Barça ny alahady teo raha somary nikorontana izany 😍

Izany indrindra no hitenenako hoe hafa ihany izany Pedri izany rehefa misalotra ny fanamian'ny BARÇA 🤗

Teny kely ho an'ity Magicien antsika ity ary 🫡

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️

25/08/2026

🔴🚨 Raha ny vaovao voaray hatreto dia efa manana PLAN B ny FC BARCELONE eo amin'ny toeran'ny AC ary mazava ho azy fa tsy maintsy ho tonga amin'ity herinandro ity izany nohon'ny MERCATO efa hikatona afaka 7 andro. 🥰

Na izany ary anefa dia mbola tsy maty ny dossier Julian Alvarez. Mba ho fanajan'ny klioba sy ho fanohanana an'i Alvarez amin'izao zavatra mahazo azy izao. 🤗

Vonona handoa ilay 150 Millions d'euros takian'ny Atletico Madrid ny FC Barcelone saingy matahotra handefa an'i Julian ao amin'ny Barça ny ATM hatreto 😌

▪️ Mbola miaraka miady ho an'i Julian avokoa na i Deco na ny manodidina ilay mpilalao amin'izao fotoana izao 🤗

➡️ Tsara ny fihetsika hasehon'ny klioba, tsy mba mamela an'i Julian hiady irery 🙏🏼

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️

24/08/2026

🔴🚨 50K FOLLOWERS FC BARCELONE FANS MADAGASCAR OFISIALY ‼️ ✅

▪️ Feno 50.000 mahery isika no mifanaraka ato amin'ny Pejy amin'izao fotoana izao 😍

▪️ Ao ireo mpitsikilo, ao ireo miandry tsy fahombiazana FA KOSA Betsaka noho ireo no tena mpanohana ny FC BARCELONE mijanona ato 🤗

▪️ Matoa isika tonga amin'ny izao dia nisy fifanajana, nisy ny fanohanana avy aminareo 🥰

▪️ Tianareo ny zavatra zaraina eto amin'ny Pejy matoa isika mbola tafiaraka 😍

▪️ Tsy handraisam-bola ny famitana vaovao eto amin'ny Pejy fa kosa nohentin'ny Fitiavana ilay Barça ka tafiaraka eto isika 🤗

TENA MISAOTRA RY CULERS

➡️ Inona no hitanareo afaka hanatsarana ny Pejy ry CULERS namako ❓

➡️ Inona no hitanareo mbola hatsaraina ❓

➡️ ANDAO HIARAKA HANDROSO ✅

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️

24/08/2026

🔴🚨 Efa nikotrana niaraka tamin'ireo namany i Rodri androany ary efa afaka hilalao amin'izay ny Alakamisy ho avy izao 😍

▪️ Raha ireny Milieu nampidirina nandritran'ny 2è MI-TEMPS omaly ireny no miampy Rodri tonga dia hoe hijery SPECTACLE indray eny ambony kianja 🥰

➡️ Efa tena tsy andry sahady ny hahita ny lalao manaraka ⏳⏳

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️

24/08/2026

🔴🚨 FA IZANY BANDY IZANY KOA ANIE KA TENA NANAO LALAO TSARA SADY MIAVAKA OMALY FA SAINGY TSY MISY MPIRESAKA FOTSINY EH ‼️✅

▪️ Ireny ilay maha Christensen azy, manao lalao faran'izay tena tsotra, tsy taitaitra KANEFA mahomby tsara 🥰

▪️ Nandritran'ny lalao omaly dia tsy nanao hadisoana mihintsy i Christensen, mahay mipetraka amin'ny maha vodilaharana azy... 🤗

➡️ Izany bandy izany koa anie mba tena tsara fa saingy nanana olana teo amin'ny ratra eh 🥺

Ho an'izay tena nijery sy nandinika ny lalao omaly, mba nanao ahoana ny fahitanareo an'i Chris ❓

VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Antananarivo