Comité Ad Hoc - Echecs Analamanga

Comité Ad Hoc - Echecs Analamanga

Share

Restez connectés pour toutes les actualités concernant les Echecs à Analamanga

Comité nommé par la FMJE, reconnu par la Fédération Internationale des Echecs (FIDE) comme l'unique organe de gestion provisoire légitime pour la Ligue Régionale d'Analamanga.

28/01/2026
19/01/2026

Eseky

📢 Nivoaka tamin'ny fahanginany manoloana ny resabe mikasika ny fitantanana ny ligin'Analamanga Eseky, ny federasiona malagasin'ny Eseky (FMJE), io maraina io tetsy amin'ny ACSA Ambohidahy, taorian'ny faka-kevitra notanterahin'izy ireo niaraka tamin'ny klioba miisa 15 avy eto amin'ny faritra.
❗Nanambara araka izany ireo mpikamban'ny FMJE, Ramalanjaona Andrianantenaina (filoha) sy Rakotomaharo Yves (filoha lefitra) fa " tsy mana-kery eo anatrehan'ny federasiona ny ligin'Analamanga vaovao amin'izao izay milaza ho lany tamin'ny alalan'ny fifidianana nokarakarain'ny mpikamban'ny ligy teo aloha kanefa ity farany dia efa voasazy ary nampahafantarina ny federasiona iraisam-pirenena ny zava-misy tamin'izany. Efa nisy ihany koa taratasy fanakanana napetrakay teo anivon'ny fitaleavam-paritry ny Fanatanjahantena Analamanga (DRJS) mikasika ny tsy hanekenay na ny fanatanterahina ny fifidianana na ny vokatr'izany saingy tsy nahazoana valinteny izy ireo no notontosaina ihany fifidianana", hoy izy ireo.
✅ Tsy manakana ny fikarakarana hetsika momba ny Eseky kosa anefa ny federasiona saingy tsy tafiditra ao anatin'ny mahazo fankatoavana izany ary "handraisana fepetra izay minia mandika lalàna. Fitsabahana amin'ny andraikitry ny federasiona no nisy nandritra iny fifidianana iny kanefa tokony ho fantatry ny tompon'andraikitra ao amin'ny DRJS izany ", hoy ny filoha Ramalanjaona nanamafy.
👉 Nisy tamin'ireo klioba nanotrona ity fivoriana ity moa no nampahafantatra ny zava-nisy niainan'izy ireo ihany koa talohan'ny fifidianana ka nangataka ny hijeren'ny minisitera akaiky izany.
🎤 " Efa nahavita ny dingana rehetra izahay tamin'ny volana jona 2025 hahafahana manavao ny taratasy manambara fijoroana ara-dalana na ny "certificat de conformité" kanefa dia nolavina tsotra izao fotsiny fa hoe nomena baiko ireo "délégué" tsy hamoaka izany ho an'ny taranja noho ny fisavorovoroana misy. Nisy klioba anefa nahazo izany vao tamin'ny volana septambra 2025 teo ka mampalahelo ilay fanavakavahana klioba toy izany", hoy Rakotoniaina Tiana, filohan'ny klioba CAS Itaosy.
🎙️" Vao tamin'ny alakamisy teo izahay no niverina nanontany tao mikasika ny fangatahana nataonay tamin'ny volana jona kanefa mbola izay ihany no valinteny azonay", hoy ihany koa Randrianariveloson Zo Fitiavana, mpanazatra ao amin'ny klioba ACSA Ambohidahy.
📞 Rehefa nanontanianay manokana an-tarobia momba izany ny talem-paritra, Andriamampionona Njato dia nanazava fa " torolalana efa taloha, izany hoe tamin'ny fotoana mbola nisian'ny savorovoro, no mbola nampiharin'ireo délégué ka tsy mbola nanontany taty amiko izy ireo momba ny torolalana vaovao. Manasa ireo klioba rehetra mba hanantona mivantana ahy raha mila izany fa efa misokatra izao ny fanomezana "conformité" ho an'ny kliobana Eseky rehetra izay hanavao izany".

Araho tsy tapaka ny pejin'ny Radio Fivoarana 88.2 mhz

13/11/2025

Baku, November 12, 1985. Forty years ago today, Garry Kasparov returned to his hometown, crowned the 13th World Chess Champion.

09/09/2025
04/08/2025

Classement Final du Championnat de Tana 2025

Photos from Comité Ad Hoc - Echecs Analamanga's post 04/08/2025

Ireo sary nisongadina nandritran NY champion at de tana

Photos from Comité Ad Hoc - Echecs Analamanga's post 04/08/2025

Le championnat de Tana le 2 et 3 août 2025 au MPTC Andranobevava

Photos from Comité Ad Hoc - Echecs Analamanga's post 31/07/2025

Jouons, allons-y

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Antananarivo