Marovatana Karaté-Do

Marovatana Karaté-Do

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Marovatana Karaté-Do, Sports, Ambohidratrimo, Antananarivo.

31/05/2026
24/05/2026

Tonga ny fotoana! Manasa antsika ho tonga maro hanotrona ireo zoky sy zandritsika!

🏆CHAMPIONNAT MAROVATANA 2026🏆

Hisy tombola panier garni indray fa tongava maro!🎁
Alefa Marovatana!!! 🥋🏆🔥

Alahady 31 Mai 2026, manomboka amin’ny 8ora maraina, ao amin’ny tranom-pokonolona Mahitsy.

Photos from Marovatana Karaté-Do's post 19/04/2026

Notanterahina omaly ny fihaonan’ireo Klioba ara-dalàna sy ireo maniry hiditra amin’izany eto Marovatana.
Nanao ny tatitra nandritra izay 2 taona nitsanganan’ny birao izay. Teo ihany koa ny fampahatsiahivana sy fampahafantarana ireo adidy sy andraikitra miandry ny section sy klioba ary ireo lalàna mifehy antsika.
Nanararaotra ihany koa niarahaba nahatratra ny taona an’i Mme Déléguée an’Ambohidratrimo sy Andriamatoa filohan’ny ligy Analamanga, tonga nanotrona ny fotoana sy nifanakalo hevitra ary nampita fahalalana.
9 izao no efa ara-dalàna isika klioba ary efa misy 2 eo an-dalampamitana ny certificat de conformité.
Hoavy tsy ho ela indray ny championnat antsika Marovatana ka manasa antsika hiditra anaty ara-dalàna ka hanatevin-daharana ireo mpikatroka eto Marovatana.

11/04/2026

Aza misalasala manoratra aminay, raha misy fanontaniana.
Tongavasoa isika mpitia sy mpikatroka Karaté.
🥋🥋🥋

Antsoina isika "club" mpikatroka Karaté eto Marovatana ho tonga ao amin’ny Dojo Skills Ambohibao ny asabotsy 18 Aprily 2026 Amin’ny 10ora30.
Na Club efa ara-dalàna na te hiditra amin’ny ara-dalàna.
Ho avy hanotrona sy handray anjara Mme Déléguée eto Ambohidratrimo, ny solontenan’ny ligy Analamanga, ny birao ny section Marovatana tarihin’ny Mme Présidente.

Fandaharampotoana :
- tatitra fohy ny 2taona voalohany
- Ireo taratasy sy fepetra hidirana ho ara-dalàna
- Ireo adidy sy andrikitra amin’ny maha club ara-dalàna
- Ireo lalàna mifehy ny Section Marovatana
- Ireo hetsika karakarain’ny Section ao anaty ny taona
- Ireo ezaka mbola ho atao
- Fivorian’iny birao
- Fialana hetaheta iraisana

Hahafahanay mpikarakara miomana amin’ny fandraisana anareo dia afaka misoratra anarana hatramin’ny zoma 17 aprily 2026 Amin’ny 5ora hariva.

Fandraisana anjara: 1000ar

Photos from Marovatana Karaté-Do's post 24/03/2026

Tontosa ny alahady teo teny Mahitsy ny Kids Challenge Marovatana 2026.
22 catégories, 120 participants. Nahafinaritra sy nahavelombolo ny nahita ireo taninketsan’ny karaté do eto Marovatana, mini poussin poussine (-6ans) hatramin’ny minime (12-13ans) 🥰🌟.
Nisy tombola panier garni natolotry ny présidente ny section ary koa ny coupe Mavitrika sy Fair play🏆🏆 ho fankasitrahana sy fanentanana ireo clubs mendrika eto amintsika.
Mankasitraka ny ekipa rehetra nahatanteraka iny ouverture de saison antsika iny.
Manentana antsika clubs eto Marovatana tsy hisalasala hifampiresaka amin’ny birao hifanampiana amin’ny fidirina amin’ny ara-dalàna hivelaran’ny club sy ny mpianatra ao amintsika. 🥋
Efa hoavy tsy ho ela indray ny championnat antsika (cadet(te) hatramin’ny senior)

Alefa Marovatana! 🔥🥋

09/03/2026

Tonga indray ny fotoanantsika amin’ny KIDS CHALLENGE MAROVATANA 2026.
Ny alahady 22Mars2026 amin’ny 8ora maraina ao amin’ny tranom-pokonolona Mahitsy.
Tongava maro manohana ny zandry zanatsika 🥋

Photos from Marovatana Karaté-Do's post 07/09/2025

Marovatana miray hina sy mifankatia! 🔥🥋
Androany no nanao fivoahana voalohany nirahan’ireo klioba mandrafitra ny section Marovatana. Izany dia hampitomboana ny fifankatiavana sy firaisampo amin’isika mpanao Karaté eto Marovatana. Mankasitraka ireo tonga namaly ny antso rehetra!
Amin’ny asabotsy 13 Septembre izao mihaona sy mifanohana amin’ny championnat ny ligy Analamanga.
-Do

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Ambohidratrimo
Antananarivo
105