Valin'ny Autopsie androany alina :
1- Fanomanana tena tsy ampy : 2 herinandro ve ahavita inona. Tena ratsy ny conditions physiques an'ny Joueuses amin'ny ankabeazany. Ilay cohésion koa hita be tsy misy dia lasa mifampitady ny iray Club sy mpiakama.
2- Staffs mandringa : Coach principal tsy mahay ninoninona amin'ny football féminin akory, assistante mbola tsy nitondra Club féminin lehibe sady hita mihafihafy, fa maninona raha nasina noentin'i Coach Naval hatramin'ny farany ilay preparation. Ny preparateur gardiennes naman'ny tsy nisy.
3- Hita be ilay tsy fisian'ny matchs federaux sy Championnat National. Ny ekipa lehibe lasa manenjika baolim-pokontany sy kaominaly sisa hitazomana ny forman'ny joueuses.
...
Fehiny tena mbola tsy asina lanjany Ilay football féminin, fandraisana anjara fotsiny fa tsy mbola vonona hitady vokatra ny FMF.
Kitra Vehivavy Malagasy
Pejy natao hampahalalana sy hampiroboroboana ny kitra lalaovin'ny vehivavy Malagasy
Nanainga alina nihazo an'i Afrique du Sud ny Barea vehivavy hiatrika ny fifaninanana Cosafa Championship 2025. Marihana fa mbola tsy nisy lisitra ofisialy nivoaka aloha hatreto.
Mirary soa hoa an'ny Barea foana isika
Nangotraka ny Tournoi triangulaire Disciples FC - ASKAM AFA - AJSM tao Betongolo ny alahady 09 Novembre lasa teo. Iza avy no nijery tao? Mba omeo ny fahitanareo ny lalao tao?
PS : Niampy Sabnam ilay tournoi no tena natsiro
Averina ihany ny antso. Ny volan'ny klioba vehivavy sy mpilalao Barea reh Tompoko mba avoay 🚑🚑
Ny an'ny Barea Chan prime vao haingana mampimenomenona ny maro, ny an'ny Foot féminin : Cosafa 2024 senior sy U17, Futsal Maroc farany tena tsy misy resaka hatramin'izao. Na dia argent de poche ary tsy homena ny joueuse rehefa mivoaka. Ny joueuses moa tsy misy sahy mitaky, ny Clubs koa dia mangina daholo satria matahotra ny tsindry isankarazana. Ny regroupement Cosafa ity efa akaiky hono, dia sanatria ve hoatran'izay lasa izay ihany no ahazo an'ireo Internationales vehivavy ireo?
Maro ny lesoka amin’ny kitra Malagasy amin’ny ankapobeany. Ary anisan’ny tena tsy omena lanja mihintsy ny kitra vehivavy eto Madagascar. Izay indrindra no ampisian’ity pejy : hampiroborobo ny Kitra lalaovin’ny vehivavy eto Madagascar. Hezahana ampifandraisina eto ny mpisehatra rehetra eto antoarina ary ampisehona amin’ny any ivelona koa fa velona, na mitsipozipozy ary ny kitra vehivavy Malagasy. Hampaneno lakolosy, handrisika amin’ny tsara fa tsy hitsikera fahatany na haka ankolafy sy hampisara-bazana ny himasoan’ity pejy ity.
Ho anareo manao hetsika dia misokatra ho anareo maimaimpoana ny pejy fa manasa anareo hizara aty ny hetsika hataonao. Aza misalasala mandefa hafatra miafina.
Mankasitraka antsika rehetra manaraka sy manaparitaka ny pejy…
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Antananarivo
101