13/05/2026
🚨🇪🇦 Coupe du monde 2026 — Namoaka ny pré-liste hoan'ny ekipamirenena espagniol hiatrika ny coupe du monde i De la Fouinte omaly, 03 ny mpialaon'ny Real Madrid tafiditra ao anaty lisitra :
✅ Dean Huidjsen
✅ Fran García
✅ Gonzalo García
Raha tsy misy izany ny fiovana dia 03 ny mpilalaontsika espaniol hiatrika ny coupe du monde 2026🥹💪
Ahoana ny fahitanao ilay lisitra, nahafa-po anao ve sa mbola misy mpilalao tokony ho tafiditra ⁉️
⚪💪
12/05/2026
🔴 Niteraka resa-be tato amin'ny tambazotran-tserasera ity sarin'i Lamine Yamal mpilalaon'ny Fc Barcelone izay mitazona ny fanamiana misoratra hoe « Thanks God I'm not Madridista » izay midika hoe « Hisaorako ny tompo fa tsy Madridista aho » nandritra ny fankalazana ny nahazoan'ny Fc Barcelone ny tompon-dakan'ny Espagne omaly.🫢🥹💔
➡️ Eny haneho ny heviko manokana indray aho, na dia Madridista aza aho dia anisan'ny mahafinaritra aho fona ny mijery izany Lamine Yamal milalao eny ambony kianja izany... fa ity toetrany eny ivelan'ny kianja no somary mahasorena kely aho aminy. Tsy mendrika ny fahaizany ny toetrany eny ivelany kianja💔💔🙏
➡️ Izao fihetsika ataony izao dia miantsy ny mpanohana ny Real Madrid amin'ny tsy nahazoantsika amboara tamin'ity taom-pilalaovana ity, eny zo-ny izay fa kosa amin'ny maha matihanina vao misondrotra azy tsy tokony hanao an'izao toetra tsy mendrika izao ❌❌
➡️ Mety ho maro indray ny fans Barça hiditra eto ilaza hoe « izay no mahafaly azy » sy hanindrahindra aho eto androany fa kosa tadidio fa tsy mendrika io ataon'ny Yamal io.... mba efa niaina an'izay mibata amboara maro izany ny mpilalaon'ny Real Madrid fa tsy mbola nahita nanao an'izao aho🙏🤍🤍
Zay fa mirary tontolo andro mahafinaritra hoantsika rehetra 🤍🥳
⚪💪
11/05/2026
📣 Hisy fanambarana lehibe ho ataon'i Florentino Perez filohan'ny Real Madrid amin'ny herinandro hoavy io, momba ny tsy fahombiazana tamin'ity taom-pilalaovana ity sy ny hoavin'ny ekipa ho amin'ny taom-pilalaovana manaraka 🎉🤍✅
➡️ Antenanaina fa vaovao lehibe no ho ambarany amin'io fotoana io satria efa nanamarina ny mpitantana ny klioba portugais Benfica omaly fa handeha i José Maurinho amin'ny 17 Mai hoavy izao... midika izany fa raha mifanaraka ny fifampiresahana dia ho mpanazatran'ny Real Madrid vaovao indray i Maurinho atsihoatsy, ary manodidina eo amin'ny 60 tapitrisa € ny vola ho laniana amin'ny fakana azy.🙏🤍✅
Ary efa nilaza ny fahavonosana ihany koa i Maurinho handeha hanarina ny Real Madrid ho eo amin'ny toerany... Ary nilaza ihany koa izy rehefa tonga dia mpilalao 4 sahady no tsy maintsy hiala ao amin'ny Klioba mba hanatsarana ny ekipa.🥹🤍🙏
Tongava lesy Maurinho fa mila anao ny klioba 💪❤️
⚪💪
10/05/2026
🏆🥇 Arahabaina ny Fc Barcelone sy ny mpanohana azy rehetra tamin'ny fahazoana ny amboaran'ny LaLiga 2025-2026 🎉❤️💙
Mendrika ho anareo ny tompon-daka raha ny taom-pilalaovana tsara vitanareo, mirarisoa ho antsika rehetra 🙏👏
Ho ela velona anie ny baolina kitra ⚽❤️
⚪💪
10/05/2026
🚨 Tapitra ny lalao ‼️
➡️ Fc Barcelone 2️⃣ - 0️⃣ Real Madrid
⚪ Madridistas, mampahery antsika fa saison blanche ny ekipantsika tamin'ity taom-pilalaovana 2025-2026 ity, tsy nitoko na amboara iray isika...🥹🤕💔
➡ Ratsy ny ny lalao ho antsika androany, tsy niady ireo mpilalaontsika amin'ny maha classico iny lalao iny 🙏😌
➡️ Deraina manokana i Brahim Diaz 👏🤍
➡️ Inona moa fa amin'ny taom-pilalaovana manaraka indray no manarina sy manao misimisy... Hirariana mba hitondra fahombiazana hoan'ny ekipa ny taom-pilalaovana 2026-2027🙏🙏🤍
Madridista hatr'izay 🤍🖤
Madridista mandrakizay🤍🖤
| ⚪💪
10/05/2026
🔴 Fampitana hafatra sa tena fanohanana🥹⁉️
Efa tarihana 2-0 ny Real Madrid zay vao nanao story nilaza hoe «Hala Madrid » tao amin'ny Instagramm i Kylian Mbappé 🤍🖤
Ny fanontaniana mipetraka dia hoe fanohanana ny ekipa namany ve sa mampatsiahy hoe mamaly ny kiana mahazo azy i Kylian 🙏😌🤍
Tena i Mbappé ve ny olana ao amin'ny Real Madrid ⁉️
⚪💪
10/05/2026
🚨 MI-TEMPS ⚪🔥
Tapitra ny fizaram-potoana voalohany, mitarika amin'ny ïsa 2 no tsy misy rizareo Barça 🤕😌
➡️ Barcelone 2️⃣ - 0️⃣ Real Madrid
Ahoany ny fahitanao ny lalao teo ⁉️
Alefa fona Real Madrid 🔥💪⚪
| 🔥⚪
08/05/2026
🚨⚪ Miarahaba antsika Madridista rehetra, elaela isika izay tsy nifampiresaka teto satria mbola fenofeno kely ny fandaharam-potoana hoan'ny Admin manokana 🙏🙏❤️🔥
➡️ Samy mahalala ny zava-misy ao amin'ny ekipantsika ankehitriny isika rehetra, tsy vitan'ny hoe efa tsy nahomby ity taom-pilalaovana ity fa mbola misy ady eo amin'ny samy mpialao ihany koa ao amin'ny Vestiaire 💔😥😥
➡️ Nisy ny tsy fifankahazoana teo amin'i Tchouameni sy Valverde nandritra ny fanazarantena omaly ka niteraka fifampikasohana izany ka nahatonga i Valverde nalefa tamin'ny hôpital 😌🤕
➡️ Tsy hiverina hitantara ny zava-nisy intsony aho fa efa samy naharaka isika rehetra, fa raha ny vaovao voaray farany dia efa nivoaka ny hôpital i Valverde ary niaika ny fahadisoany sy nametraka fialantsiny izy ary manaiky ny fepetra ho raisin'ny mpitantana ninoninona ny fanapahan-kevitra 🙏🔥🤍
➡️ Etsy ankilan'izay ihany koa nilaza i Fabrizio romano io maraina io fa vonona ho tonga hanadamina sy hitondra vokatra tsara ao amin'ny Vestiaire Real Madrid i José Maurinho raha miantso azy ny mpitantana ny Real Madrid ✅💯
➡️ Miandry ny fanapahan-kevitra avy ao amin'ny mpitantana ny rehetra fa tena marary ny ekipantsika amin'izao fotoana 💔✅
🔴 Aza adino ihany koa fa amin'ny alahady 10 Mai hoavy izao ny Classico hifandonana amin'ny Fc Barcelone 😌🔥
Manohana hatrany isika, Vamos Madridistas 🔥🔥🔥🤍🤍 Real Madrid mandrakizay 💪
⚪💪
28/04/2026
🟢 Vonona hiverina hitarika ny ekipa i “special one ” 🤍❤️🔥
➡️ Raha ny vaovao navoakan'ny fabrizio romano dia nanaiky sy vonona handray antanana hanazatra ny Real Madrid indray i José Maurinho amin'ny taom-pilalaovana manaraka 🥰🤍👏 noho ny fifandraisana tsara izay misy eo aminy sy ny Real Madrid fa indrindra i Perez dia tsy manana fisalasalana izy raha miantso azy ny mpitantana ✅🎁🔥
➡️ Efa fantatrin'ny Real Madrid tsara ihany koa ny situation an'ity mpanazatra ity ao amin'ny Benfica izay ho tapitra fifanarahana amin'ny volana Mai izao.... Efa miasa amin'ny fampifandraisana ny roa tonta moa i Jorges Mendes amin'izao ka hirariana mba ho tapa-kevitra hamerina azy ny Real Madrid. 🙏🤩🤍
Resilahatra amin'ny fiverenan'i Maurinho hitondra ny ekipa ihany koa ve ianao⁉️
⚪💪
28/04/2026
🚨Manohana iza tsika Madridistas androany???
PSG sa Bayern ⁉️😅
25/04/2026
🚨 Voka-dalao omaly alina 🥹‼️
➡️ Betis 1️⃣ - 1️⃣ Real Madrid
⚽ Vini Jr
➡️ Nanary ïsa ny ekipantsika, tena efa kely sisa dia saison blanche ny Real Madrid 🙏🙏 tena malahelo aho milaza aminareo fa tena tsy vonona hiady mihintsy ny ekipantsika tamin'ity taom-pilalaovana ity... tsy mahay mandray lesona, na ny mpilalao, na ny Staff ary ny mpitantana ihany koa...😌💔🤍
➡️Averiko ihany fa tsy mahay miaraka ireo mpanafika reo ka lasa kely loatra ny baolina maty... Tena banga an'i Courtois koa ny ekipa, nanomboka ny tsy naha teo azy izay dia hidiram-baolina fona isika 💔🥹
➡️ Raha mandresy ny Barça androany dia miakatra ho 11 indray ny elanelan'ïsa izay lalao 5 sisa tavela 🖤🥹
Madridistas, tadidio fa tsy hoe mpankafy fotsiny isika fa mpanohana ihany koa, izany hoe ninoninona ny vokatra eo dia Madridistas hatrany isika, manantena isika fa hahay andray lesona aimzay ny mpitantana sy ny ekipa manontolo mba hanatsara ny taom-pilalaovana manaraka 👏👏 VAMOS 🤍🫂
⚪💪