Antanifotsy Bodybuilding Club - ABC

Antanifotsy Bodybuilding Club - ABC

Share

💥 Bienvenue dans la team !
💪 Ici, on construit des champions
🔥 Entraînement • Discipline • Résultats
🥗 Nutrition & coaching personnalisé

15/06/2026

Mankasitraka indrindra anareo rehetra tonga nanohana sy nandrisika an'i Iry Ny Antso nandritra ny fifaninanana Mister Madagascar omaly.

Faly izahay mizara aminareo fa tafiditra tao anatin'ny Top 5 izy, vokatra mendrika izay vokatry ny ezaka, ny faharetana ary ny fanoloran-tena nataony nandritra ny fotoana maro.

Isaorana manokana ireo mpijery sy mpanohana rehetra tonga maro, nanao izay hahafinaritra sy hampafana ny sehatra tamin'ny fanatrehana sy ny fankaherezana tsy tapaka. Tena zava-dehibe taminay ny fanohanana nasehonareo.

Misaotra anareo rehetra ary manantena ny mbola hiara-dalana aminareo hatrany. 💪🔥





13/06/2026

Rahampitso ny fotoana an!🥰
Tongava alohaloha 🙏🏼
Eny amin'ny Mining business Center Ivato amin' ny 9ora maraina.
Efa vonona tanteraka ny athlète tsika Iry Ny Antso 💪🏼

Photos from By Haingo's post 10/06/2026
03/06/2026

🎙️ 🔥 J-11 : Manakaiky ny Compétition Nationale! 🔥

Nahafinaritra ny ambiance sy ny aventure nandritra ny fifaninanana régionale. Noho ny ezaka sy ny fikirizana natao dia tafakatra hiatrika ny Compétition NationaleIry Ny Antsotso 💪🏆

Ankehitriny dia akaiky ny fotoana, J-11 sisa!

Koa manentana antsika rehetra, indrindra ny vahoakan'Antanifotsy sy ireo tanora, mba ho tonga maro hanohana sy hampahery Iry Ny Antso Antso amin'ity fifaninanana nasionaly ity.

📅 Alahady 14 Jona 2026
🕗 Manomboka amin'ny 8 ora maraina
📍 Business Center Ivato
🎟️ 10 000 Ar ny fidirana

Ny fisianareo sy ny fanohananareo no hanome hery sy fahatokisana ho an'ireo atleta eny ambony sehatra. Andao hiara-haneho fa mijoro ao ambadik'izy ireo isika!

⚠️ Aza tara fa andrasana ho maro ireo mpijery sy mpanohana hanatrika ny hetsika.

💪 Tongava maro!
🏆 Ny fanohananao no herin'i Ny Antso 🇲🇬💪🏆

Photos from Antanifotsy Bodybuilding Club - ABC's post 02/06/2026

Mankasitraka antsika rehetra izay nandray anjara sy nanohana tamin'ny opération Pistolet/Steak Frites natao ho fanohanana ny atleta hiatrika ny fifaninanana amin'ny 14 Jona ao amin'ny Business Center Ivato.

💪 Misaotra tamin'ny fitokisana, ny fandraisana anjara ary ny fanohanana rehetra.

📅 Koa manasa antsika rehetra indray ho tonga maro amin'ny 14 Jona 2026 ao amin'ny Business Center Ivato hanohana anIry Ny Antsoso mandritra ny fifaninanana.

🔥 Andao hiara-haneho fa matanjaka ny firaisankina ary tsy irery ireo atleta misolo tena antsika!

Tongava maro, manohana ary mampahery!

💪🏆🇲🇬

13/05/2026

🔥 TSY HADINO NY FOTOANA LEHIBE!🔥

Aza adino fa hotanterahina ny fifaninanana lehibe Mister Mada 2026 ny alahady maraina 14 Jona 2026 ao amin'ny MNNG Business Center Ivato 💪🏆

Ho avy haneho vatana ary fahaizana ireo atleta Isakin' ny faritra eto Madagasikara!
Ary ny solontenantsika eto Vakinankaratra dia i Iry Ny Antso 🔥👏

Andao hanohana sy hampiakatra ny herin’ny atleta Malagasy! 🇲🇬

Vonona ve ianareo hanatrika sy hanome support? 😍
Omboaro dieny Zao ary ny programme an!

Federation Malagasy de Bodybuilding

13/04/2026

⚠ Fampafatarana kely,
Nivoaka officialy tao amin'ny pejin'ny Federation Malagasy de Bodybuilding fa miroso ny 14 Juin (Maraina) izao ny Mr Mada,
izay andraisan'ny tenako anjara. Amboary dien'izao ny fotoana ka tongava manohana 🥰😘

PS : Miaraka tanterahina amin'io fotoana io moa ny Bodyperfect. ny 13 Juin ny amateur, raha 14 Juin koza ny PRO


Antanifotsy Bodybuilding Club - ABC
Primo FIT 109
Iry Ny Antso

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antanifotsy?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Antanifotsy