Primo FIT 109

Primo FIT 109

Share

Éveillez votre force, cultivez votre bien-être.

03/06/2026

🎙️ 🔥 J-11 : Manakaiky ny Compétition Nationale! 🔥

Nahafinaritra ny ambiance sy ny aventure nandritra ny fifaninanana régionale. Noho ny ezaka sy ny fikirizana natao dia tafakatra hiatrika ny Compétition Nationale i Iry Ny Antso 💪🏆

Ankehitriny dia akaiky ny fotoana, J-11 sisa!

Koa manentana antsika rehetra, indrindra ny vahoakan'Antanifotsy sy ireo tanora, mba ho tonga maro hanohana sy hampahery an'i Iry Ny Antso amin'ity fifaninanana nasionaly ity.

📅 Alahady 14 Jona 2026
🕗 Manomboka amin'ny 8 ora maraina
📍 Business Center Ivato
🎟️ 10 000 Ar ny fidirana

Ny fisianareo sy ny fanohananareo no hanome hery sy fahatokisana ho an'ireo atleta eny ambony sehatra. Andao hiara-haneho fa mijoro ao ambadik'izy ireo isika!

⚠️ Aza tara fa andrasana ho maro ireo mpijery sy mpanohana hanatrika ny hetsika.

💪 Tongava maro!
🏆 Ny fanohananao no herin'i Iry sy Antso!

Antanifotsy Bodybuilding Club - ABC

🇲🇬💪🏆

Photos from Antanifotsy Bodybuilding Club - ABC's post 02/06/2026
31/05/2026

🌹 Mirary Fetin'ny Reny sambatra ho an'ireo Reny rehetra!
Enga anie ho feno fifaliana, fahasalamana ary fitahiana ny andronareo.

💪Ny hery lehibe indrindra dia tsy hita amin'ny hozatra ihany, fa ao anatin'ny fo feno fitiavan-dreny.❤️

Bonne Fête des Mères!

Ny ekipan'ny Primo FIT 109 🏋️‍♀️🏋️‍♂️🌷

24/05/2026

Amin’izao fetin’ny Pentekôty izao dia mirary hery vaovao, fahasalamana ary fahombiazana ho anareo rehetra 💪❤️

Toy ny vatana mila entraînement sy discipline, ny fiainana koa mila finoana sy faharetana.
Aza kivy amin’ny tanjonao. ✨

🏋️‍♂️ “Ny vatana matanjaka dia vokatry ny fikirizana isan’andro.”
Tohizo ny ezaka, tohizo ny fanazaran-tena, ary aza adino ny mikarakara ny tenanao.

🙏 Mirary Pentekôty feno fitahiana ho an’ny famille fitness rehetra!

19/05/2026

“Aza miandry ny hafa vao hanomboka, satria ny objectif-nao tsy an’olon-kafa.”

13/05/2026

🔥 TSY HADINO NY FOTOANA LEHIBE!🔥

Aza adino fa hotanterahina ny fifaninanana lehibe Mister Mada 2026 ny alahady maraina 14 Jona 2026 ao amin'ny MNNG Business Center Ivato 💪🏆

Ho avy haneho vatana ary fahaizana ireo atleta Isakin' ny faritra eto Madagasikara!
Ary ny solontenantsika eto Vakinankaratra dia i Iry Ny Antso 🔥👏

Andao hanohana sy hampiakatra ny herin’ny atleta Malagasy! 🇲🇬

Vonona ve ianareo hanatrika sy hanome support? 😍
Omboaro dieny Zao ary ny programme an!

Federation Malagasy de Bodybuilding

11/05/2026

🔥 NY VATANAO DIA VOKATRY NY FAHAZARANAO 🔥

🏋️‍♀️ Fanazaran-tena + sakafo voalanjalanja = fiovana tena izy.

✔️ Déficit calorique + musculation
➡️ mampihena tavy ary manome vatana voasokitra kokoa

✔️ Surplus calorique maîtrisé + musculation
➡️ mampitombo hozatra nefa voafehy tsara ny tavy

Tsy ny “perfection” no zava-dehibe indrindra.
Fa ny faharetana sy ny fitohizana no tena lakile. 💪

Ao amin’ny Primo FIT 109 dia miaraka aminao izahay hanatratra ny tanjonao. 🔥

📍 Antanifotsy
📩 Coaching | Nutrition | Transformation physique

Fitness

04/05/2026

💪 Tsy ny taona no olana… fa ny fialan-tsiny no be loatra.

Ao amin’ny kotrana, tsy misy hoe “tara loatra”. Ny tena manakana anao dia ilay “rahampitso aho vao hanomboka”, “reraka aho”, na “tsy mbola vonona aho”.

🔥 Ny vatanao afaka miova.
🔥 Ny herinao afaka mitombo.
🔥 Ny vokatra dia miankina amin’ny asa ataonao androany.

Atsaharo ny fialan-tsiny.
Manomboha izao.
Miezaha isan’andro.

🏋️‍♂️ Tsy mila tonga lafatra… fa mila manohy.

29/04/2026

Ny diète tsy misy sport dia finoana tsy arahana asa.😎

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antanifotsy?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Antanifotsy