21/04/2026
💍NY VOLAFOTSY SY VARAHINA NO TSARA MIARAKA ATAO FIRAVAKA💍
⏩Ny varahina dia tsy metaly tsotra fotsiny fa "metaly velona" izay mampifandray ny tany sy ny lanitra, mpampita hery tahaka ny fampiasana azy amin’ny herinaratra,Manamafy ny herin’ny vato sarobidy (vato manambina).Raha manao peratra na bracelet varahina ianao,dia mikoriana tsara kokoa ny herinao anaty .
⏩Ny varahina dia manana hery mandroaka ny loto ara-panahy sy ny "onja" ratsy,hampiasaina hanadiovana ny aura na ny manodidina.Misintona ny lolompo sy ny fialonana izy mba tsy hipaka aminao,miaro amin’ny herin’ny maizina sy ny lolo ratsy ihany koa.
⏩Manintona ny fitiavana, ny fihavanana,ary ny fahavokarana eo amin’ny tany na eo amin’ny fiainan’ny olombelona koa izy, Manampy amin'ny fandaminana ny disadisa eo amin'ny mpivady na ny fianakaviana ary mampifandanja ny vatana sy ny saina,izany hoe tsy natao ho haingo fotsiny, fa mba hampitony ny rarin-tsaina sy ny fikorontanan’ny saina.Manome hery ny vatana sy manampy ny saina hazava rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe raisina.
⏩Ny varahina koa dia hampiasaina hanamboarana ny "Vola lahy" ,izany hoe volafotsy sy varahina no hatambatra mba hisian'ny firindran'ny "Lahy sy Vavy" .Ny varahina no mitazona ny hafanan’ny fiainana,fa ny volafotsy kosa no mitondra ny fahatoniana.
✅ Ny varahina dia mila diovina foana. Raha miova loko ho matromatroka na maitso izy eo aminao,dia midika izany fa nisy hery ratsy notrohiny izay tokony ho niantefa taminao.Tsy maintsy diovina amin’ny rano masina izy mba hamerina ny heriny.
21/04/2026
🙏Hisy fahasoavana be tsy hampoizinao ho tonga aminao anio🙏
soraty anaty commentaire ny ora hahitànao ity fa izay ilay fotoana...
20/04/2026
🫵Raha handefa hovitra matanjaka ho anao aho dia handray ve ianao?🫵
Soraty hoe RAISIKO miaraka @ anaranao sy ny toerana misy anao
20/04/2026
♾️ AZONAO ATAO NO MANJAVONA RAHA MIFANENA AMIN'NY FAHAVALO ♾️
✅ Ity fomba iray ity no antsoina hoe "Tsimatimanota" na "Hery tsy hita maso" izay mampiasa ny singa tany fiaro tena hoan'olona izay enjehin'ny ratsy ho fiarovana ny aina raha sendra mifanena tampoka amin'ny fahavalo ka te "hanjavona" eo imasony.
⏩ Ny tokony atao: Miondreha kely nefa aza mampiseho tahotra.Maka vovoka kely amin'ny tany amin'ny tananao havanana ary havereno ao an-tsaina ity teny ity hoe: "Izaho vovoka,ianareo vovoka,ny tany tsy mifampihinana.Ny masonareo aoka ho jamba,ny saina ho fanina, ka ny lalako ho malalaka."rehefa avy eo ataovy any am-paosinao ilay vovoka kely ka rehefa dify ny fahavalo dia hario eny afovoan'ny sapanan-dalana 4 ilay vovoka sady miteny hoe :vita iny izay ka misaotra.
⏩Rehefa ataonao am-pinoana,sy feno fahatokisan-tena ary tsy misy tahotra ity fomba iray ity dia hivily sy ho variana amin'ny zavatra hafa mihitsy ny mason'ny fahavalonao (illusion) ka tsy hahatsikaritra ny fisianao eo akory.
19/04/2026
🫵 Minoa ahy ianao fa ho tototra fahombiazana ny herinandronao manomboka rahampitso Alatsinainy 🫵
👇soraty hoe mino aho👇
18/04/2026
🤌 RAHA MAHATSAPA FA RATSY CHANCE FOANA IANAO,ITY NO VAHAOLANA METY🤌
⏩Ny vola dia zavatra ampiasaintsika isan’andro ary mora hita ary mitahiry ny herin’ireo olona efa nampiasa azy,zany no mahatonga azy ho fitaovana tsotra azo ampiasaina amin’ny fombafomba fanadiovana ny tena.
👉 Makà ianao vola vy madinika madio tsara iray,tsy mifidy "valeur",na ohatrinona na ohatrinona fa kosa mila vola tena madio tsara
👉 Ampifampikasohy amin'ny vatanao iray manontolo ilay vola,manomboka eo an-tampon-doha ka hatrany amin'ny felan-tongotra,toy ny hoe mamafa ny loto na ny hery ratsy rehetra amin'ny tenanao ianao.
👉 Mandritra ny fombafomba izay atao,eritrereto ny fanalana ireo tebiteby,ny famelana ireo zavatra mavesatra aminao,ireo sakana,ary izay rehetra tsy mampahazo aina anao.
👉Rehefa vita dia farano amin’ny fehezanteny mazava sy feno fanajana. tonony moramora hoe:
🔯 entin’ity vola ity anie izay rehetra tsy ahy,ary hatolony ny tany izany mba hovàny ho fiadanana. »
👉 Mandehana apetraho eny am-pototry ny hazo lehibe iray ilay vola,mandray izany hery izany ny natiora ary manova azy ho zavatra tsara.
16/04/2026
🫵 RAHA VITANAO NO MANAO ITY DIA GARANTIE 100% FA MIOVA TANTERAKA NY FIAINANAO 🫵
✅ Rehefa avy manao fombafomba fidiovana ara-panahy ianao dia mety hisy fotoana hisafotofoto sy hiovaova be ny toe-jamisy eo amin'ny fiainanao.
tsy midika hoe « miteraka olana » lehibe ny fidiovana natao fa mampiseho sy manokatra ny lalana tena tokony hizoranao .
✅Midika izany fa izay rehetra tsy manana toerana eo amin’ny fiainanao intsony dia manomboka miala :
👉 Mety hisy fahamarinana mipoitra.
👉 Mety hisy fifandraisana rava.
👉 Mety hisy zavatra natao hijanona tampoka,sns...
✅ Ny zavatra ao anatin'ny saina voalohany matetika dia hoe:
😅 Vaomaika namotika sy nandratsy ny zava-misy amin'ny fiainako ilay fombafomba natao,kanefa ny mifanohitra amin’izay no zava-misy.
🙎Ny fidiovana dia manala ny voaly manarona.
🙎Mampiseho izay zava-miafina noezahina nofatarina nisitrika hatramin'izay
🙎Manala ny fitaka,ny fatorana,ary ny zavatra rehetra tsy mitondra fivoarana amin'ny fiainana o.
🙎hanaisotra ny asa tsy mifanaraka aminao intsony izy mba hanomezana toerana ho an'ny tsara kokoa.
🙎 Mety hampiharihary ny maizana rehetra manodidina anao izy mba tsy hitoeranao ao anatin’ny fahajambana.
🙅 Tsy fanimbana na famaizana ilay zava-misy fa fandaminana ny lalana avy amin'ny natiora no mitranga.
🦺Rehefa manadio trano ianao,dia tsy maitsy mbola maniditsidina eny aloha ny vovoka vao madio sy maivana tanteraka ny rivotra iainana ao amin'ilay trano .
😎Ny zava-dehibe dia ny tsy hifikitra sy hiasa saina be amin’izay miala fa manontania tena aloha hoe:
« Tena nifanaraka tamin’ny maha-izaho ahy tokoa ve iny? »
😀Mety hanelingelina ny fiovana misy
nefa manazava izy,ary fitahiana foana ny fahazavana, na dia manaitra sy manozongozona aza.
🌙 Ny fidiovana tsara ataonao amin'ny tsinambolana rahampitso 17 avril 2025 amin'ny 2ora52 minitra tolakandro dia asio zava-manitra fotsiny ny rano handroanao,mitodiha any atsinanana dia manaova hataka matanjaka amin'ilay Mpahary Hanadio,ny saina,ny vatana ary ny fanahay, indrindra ny fanokafanao ny lalam-piainanao indray manomboka eo...
🫵 Misy zavatra tianao hatomboka na ho hatsaraina ve,fotoana tena mety manomboka io tsinambolana io fa araraoty.
👇 Manomboka rahampitso tolakandro indray aho izany vao miverina manomboka mandray anao mivantana indray ho anao eto antananarivo...
☎️ 0382230323
0374633002
🫵 Ho anao tsy afaka manantona mivantana soraty anaty commentaire fotsiny hoe " VONONA" fa handefasako vibrations matanjaka be ianao manampy ny fidiovana izay ho ataonao hahery vaika kokoa💪😎
15/04/2026
Andro maivana anio, fanesorana ireo vesatra mitambesatra aminao rehetra,anio @ 9 ora alina mifantoha ianao...👇toerana misy anao👇
14/04/2026
🕉️ ITY ISAN'NY FOMBA AFAKA ATAO MAMPITOMBO VOLA HAINGANA SY MALAKY MIDITRA AMINAO 🕉️
💎 Ny fampiasana fitaratra kely atao anaty kitapom-bola dia fomba amam-panao manana heviny lalina eo amin’ny tontolon’ny angovo sy ny fampitomboana harena.
⏩ Ireto ny voka-tsoa azo avy amin’ny fanaovana azy :
👉 Ny fitaratra dia mamerina ny sary hitany.Rehefa miatrika ny vola izy, dia toy ny hoe "mifandray" ny angovon’ny fitaratra sy ny vola,ka ny sary hita ao dia mampiseho vola avo roa heny.Izany dia fanehoana an-tsary (visualisation) ny fahatongavan’ny vola mikoriana sy mitombo hatrany.
👉 Ny vola dia angovo,ny fitaratra dia manampy amin’ny fitazonana izany angovo izany tsy hivoaka mora foana.Miaro ny kitapom-bolanao tsy ho foana tampoka izany.
👉 ny fitaratra dia hampiasaina koa ho "fiarovana". Raha misy olona mitsiriritra na manana eritreritra ratsy amin’ny fanananao, ny fitaratra dia mamerina izany angovo ratsy izany any amin’ny tompony, ka tsy ho voadona ny fitahiana izay efa eo aminao rehetra.
💎 Ataovy madio foana ilay fitaratra,Ary fadio ny mampiasa fitaratra efa vaky
💎 Ataovy mahitsy sy milamina foana ny vola miatrika azy.
💎 Tsara diovina amin'ny rano nasiana sira dia tsofirina ranomanitra ilay fitaratra alohan'ny hametrahana azy ao anaty kitapom-bolanao .
12/04/2026
🧷 FOMBA ISAN'NY TENA TSOTRA NEFA MAHERY VAIKA ATAO FIARO VATANA 🧷
✅ Ny paingotra dia mariky ny “fanakatonana” sy “fiarovana” izay manidy ny angovo mba tsy hidiran'ny ratsy
👉Miaro amin’ny fitsiriritana ratsy
👉Miaro amin’ny fanafihana ara-panahy
👉Manakana angovo ratsy tsy hiditra amin’ny vatana
✅ Afaka atao :
👉 anaty akanjo
👉 na bracelet
🔴 Raha misokatra tampoka ilay paingotra dia mety nisy angovo ratsy nosakanany
🔴 Raha very izy dia inoana fa “nitondra” zavatra ratsy hiala aminao izy
🔴Midika izany fa nanao ny asany izy
⏩ Ny paingotra dia tsy fitaovana tsotra fotsiny fa “fanalahidy mihidy” miaro ny fanahinao ary raha hampiasaina amin’ny fahalalana sy finoana,dia lasa ampinga tsy hita maso izy.
11/04/2026
Fadio ny mandainga rehefa hindram-bola amin'olona fa tsy hahasoa anao izany,ary ho lanilany foana amin'ny tsy misy dikany...
11/04/2026
🔯 IRETO NO MAHATONGA NY VOLA MANDALO FOTSINY FA TSY TAMÀNA AMINAO🔯
✅ Ireto misy fahazaran-dratsy miteraka fahaverezan'ny angovo (fuite énergétique) amin'ny resaka vola:
⏩ Ny fitazonana kitapom-bola (portefeuille) mikorontana sy maloto:
ny kitapom-bola dia "tempoly" fitehirizana ny angovon'ny harena. Ny fampifangaroana ny vola amin'ny tapakila lany daty (factures), fako,na famoriporetana ny vola taratasy dia manome famantarana ho an'ny tontolo tsy hita maso fa tsy manaja ny vokatry ny asanao ianao.Ny vola dia angovo ary tsy mitoetra amin'ny toerana misy loto sy fikorontanana.
⏩ Ny fametrahana ny kitapom-bola na kitapo amin'ny tany :
Ny tany dia mitroka ny angovo koa rehefa hapetrakao amin'ny tany ny kitaponao,dia avelanao hivoaka sy hitsoaka any amin'ny tany ny "vibration" mitondra ny harena ao anatiny. Mifandray amin'ny fahantrana sy ny tsy firaharahiana izany fihetsika izany.
⏩ Ny fitarainana lava momba ny trosa sy ny fahasahiranana:
Ny teny dia "vibration" mahery vaika. Rehefa miteny foana ianao hoe "tsy manam-bola aho", "lafo loatra izany", "tsy ho afaka amin'ity trosa ity aho", dia mamorona "rideaux" mainty manodidina ny tenanao ianao. Io rideaux io no manosika ny vola tsy hanakaiky anao satria ny fanahinao dia efa "vibrer" amin'ny tsy fahampiana .
⏩ Ny fisehosehoana sy ny fizahozahoana :
Ny harena dia mila fahanginana.Ny fampisehoana vola be amin'ny olona na ny fireharehana dia manintona ny fialonana sy ny fitsiriritan'ny sasany . Amin'ny tontolo ara-panahy, ny fitsiriritan'ny hafa dia angovo mandrava,izay mamaky ny fiarovana ny harenanao,ka mahatonga ny vola ho lany amin'ny zavatra tsy nampoizina (fahasimbana,aretina, fatiantoka,sns...)
⏩ Ny fanomezana vola amin'ny fomba ratsy:
Fady ny manome vola amim-pahatezerana na amim-panenenana. Rehefa mandoa vola ianao (na dia hetra na trosa aza), raha omena amim-pahasorenana izany, dia manapaka ny "cercle d'abondance" ianao. Ny vola mivoaka amim-pitahiana ihany no miverina amim-pitahiana.
😎 Manomboka anio, ovay ny fomba fijerinao ny vola.Raiso ho toy ny namana sarotiny izy: hajao,diovy ny toerana hametrahanao azy,ary aza hitarainana foana ny tsy fisiany.