13/04/2026
Hey mom!! Le sport stimule l'oxygénation du cerveau, améliorant la concentration, la mémoire et la créativité.
Princess Fitness Center est un espace dédié à la santé, au bien-être et à la performance physique
13/04/2026
Hey mom!! Le sport stimule l'oxygénation du cerveau, améliorant la concentration, la mémoire et la créativité.
07/04/2026
Hey Mom!! Andao ahintsana izay sakafo tsy mahasoa nampidirina nandritry ny fety☺️
30/03/2026
Mamans, le sport est un antistress et antidépresseur naturel. Il améliore aussi l'estime de soi et la qualité du sommeil. Excellente semaine à toutes🥰
23/03/2026
Hello!! Ny Cardio dia manatsara ny fo sy ny circulation sanguine, manala toxine sy ny rano amin’ny vatana ihany koa izy ary manampy ny muscle hitombo tsara. Mampavitrika sady manala stress.
Excellente semaine avec Jésus à toutes les mamans🥰
16/03/2026
Coucou les mamans🥰
Lasa indray ary isika fa lundi ny andro e!! Ankoatran’ny fahasalamana dia tena efa passion hatramin’izay mihitsy ilay sport. Mitondra hafaliana sy hasambarana anie izy io maman e!! Oviana ianao vao hanomboka??
Merveilleuse semaine avec Jésus à toutes🙏🏻
09/03/2026
Hey!! Tsara foana manao sport Lundi maraina aki mamans mba hampavitrika mandritry ny herinandro a!!🥰
Fa ny tena lehibe indrindra dia ny mametraka feno ny fiainana manontolo eo amin’i Jésus, zava-poana izao rehetra izao rehefa tsy miankina Aminy.
Maro ny bokon’hozatra no maty amin’ny fotoana tsy ampoizina.
Dia eo isika ilay miteny manao hoe: tsy mety mino ny saiko, hay ve ireny mba mety maty e!!🤔
Tsy misy tompon’ny aina isika olombelona fa mikolokolo ny tenantsika sy ny fahasalamantsika ary miray tanteraka amin’i Kristy no anjarantsika.
23/02/2026
Hey!! Lasa indray ary isika miaraka amin’ny cardio etc…
Mila mavitribitrika sy feno hafaliana fa hiatrika herinandro vaovao.
Tsy mavesatra izany ny lundi rehefa miaraka amin’ny sport sy Jésus 🙏🏻💪🏻
16/02/2026
Finaritra e!! Lundi ny andro fa andao aki hikotrana maman a!
Te hanangeza vatana ianao sa te hampihena vatana? Azo atao tsara mihitsy izany fa efa niainako daholo.
Sa efa tonga eo amin’ilay hangezana tianao ka tianao hotazonina eo amin’izay??
👉 Izaho manokana sady tsy te ho ngeza no tsy te hahia ary te ho salama tsara.
🫴 Andao ary hiaraka hikolokolo fa an’i Jésus anie io vatantsika io fa isika mpitantana fotsiny e🥰
CONTACTS:
Princess Beauty Institute siège au lot III A 561 Antsapanimahazo, Antsirabe 110
( Bus 5, 11, 17 miala eo amin’ny fiangonana FLM )
Fanazavana fanampiny:
💝 WhatsApp : +261 34 04 644 71
💝 Téléphone : 034 04 644 71 / 033 74 773 10
💝 Instagram : Princess Beauty Institute
💝 e-mail : [email protected]
10/02/2026
Finaritra e!!
Rehefa hanomboka kotrana dia mila faritana mazava tsara ny objectif-nao: te-ho salama sa te-hitazona forme sa te-haka forme sa te ho be cuisses sa te ho be doudouce sa te ho be sandry sa te ho be épaules sa te hihozatrozatra mihitsy??
Miankina amin’izay ny kotrana atao.
Ataovy ao amin’ny commentaire ary ilay tianao ho azo e!!
08/02/2026
Finaritra e!!
Te ho MAMAN SAMBATRA ve ianao?? Anio à 14h30 ilay fotoanantsika CLUB DES MAMANS o!!
Tongava fa HAHASOA sy HAHAFINARITRA ny fidiranao ao anaty Club: misy SPORT, fifampizarana, torohevitra fanabeazana ankizy, tanora, tokantrano, éducation financière, …
💞 Rehefa mamans ianao dia tongava fa natao ho anao ity Club ity: tsy mifidy na manambady na tsia, tsy mifidy toerana misy, tsy mifidy taona, tsy mifidy finoana ihany koa fa natao hahazo tombontsoa avokoa ny mamans rehetra.
📌 Aza matahotra ianareo lehilahy fa ho vady hitombo fahendrena sy fahaiza-manao ary hitombo amin’ny fahatsarana rehetra ny vadinao.
Tsy aleo ve miditra anaty Club hampisondrotra toy izay ho lany andro amin’ny zavatra tsy mahasoa!!
Mahaiza mandamina fotoana dia tongavasoa tompoko!!
1 Samoela 25:3 “…vehivavy hendry sady tsara tarehy izy”
👉 Efa maromaro isika fa mba miditra message privé izay mamans ivelan’Antsirabe maniry hiditra anaty Club azafady tompoko fa ho ampidirina anaty groupe privé mba hahafahanao manaraka ny programme rehetra.
📌 Tsy misy vidim-pidirana tompoko fa tena fitiavana manokana antsika Reny.
Kezia: Maman!! Ndri no haltère-ko💪🏻
Maman: Bokona be ny Chérie jt’aime n’i maman❤️
Toerana: Antsapanimahazo Tombontsoa Antsirabe 110
Fanazavana fanampiny:
💝 WhatsApp : +261 34 04 644 71
💝 Téléphone : 034 04 644 71 / 033 74 773 10
💝 Instagram : Princess Beauty Institute
💝 e-mail : [email protected]
💝 Adresse: III A 561 Antsapanimahazo ANTSIRABE 110
08/12/2025
Hey!! Misy hafaliana sy hasambarana be ao anatin’io kotrana io, saingy tsy ho tsapan’ny olona tsy miaina anaty sport mihitsy izany fa ny mifanohitra amin’izany aza no hitany. Fampijalian-tena no handraisan’ny hafa azy kanefa tombontsoa marobe no ao.
Rehefa feno hafaliana sy hasambarana mantsy ny olona iray dia mazava ho azy fa manana fahadiovam-po sy toe-tsaina miabo ary manana PAIX INTÉRIEURE.
Andramo ankafizina anie dia ho tsapanao e!!
| Monday | 09:00 - 17:00 |
| Tuesday | 09:00 - 17:00 |
| Wednesday | 09:00 - 17:00 |
| Thursday | 09:00 - 17:00 |
| Friday | 09:00 - 17:00 |
| Sunday | 09:00 - 17:00 |