Special Olympics Haute Matsiatra

Special Olympics Haute Matsiatra

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Special Olympics Haute Matsiatra, Sports, RN7, Fianarantsoa.

Photos from Special Olympics Madagascar's post 11/05/2026
Photos from Special Olympics Haute Matsiatra's post 11/05/2026

Tao amin'ny Ecole Chinoise de Fianarantsoa indray no nanaovana ny fanentanana mikasika ny fammi anio.
Afaka miara-milalao, manao fanatanjahantena ary miara-mianatra isika na inona na inona fahasamihafana ananan-tsika (ara-batana na ara-tsaina).
Rehefa miaraka isika dia mahavita zavatra tsara sy miavaka.
Ity tetik'asa ity moa dia iarahan'ny Special Olympics Haute Matsiatra sy ny DREN Haute Matsiatra manatanteraka mandritra ny 3 volana eto Fianarantsoa.

Photos from Special Olympics Haute Matsiatra's post 27/04/2026

Androany no natomboka ilay tetikasa "Sport et Education Inclusive" iarahan'ny Special Olympics Haute Matsiatra ary ny DREN Haute Matsiatra manatanteraka🏋️
Ireo tanora mpitarika(Youth Leader) ato amin'ny Special Olympics no nirotsaka nanatanteraka izany hetsika izany.
Ny tanjona ifotoran'ity hetsika ity dia ny hoe afaka miara-mianatra, miara-milalao ary miara-manao fanatanjahantena isika na inona na inona fahasamihafana ananantsika.
Sekoly 03 no nanaovana ny fanentanana anio ary ireto avy izy ireo:
• Lycée Loterana Andrianarijaona Ivory
• Sekoly La Puissance Ambanimaso
• ABC School
Ireo sekoly ireo dia efa resilahatra fa lalana tsy azo ihodovirana ny fampiatiana amin'ny lafiny rehetra eto Madagascar 🌈

Photos from Special Olympics Haute Matsiatra's post 24/04/2026

Nohon'ny fiaraha-miasa izay irahan'ny Special Olympics Haute Matsiatra sy ny DREN Haute Matsiatra dia hisy fanentanana sy fampahafantarana ny atao hoe Sport Unifié, Education Inclusive eny anivon'ny sekoly maro eto Haute Matsiatra mandritra ny 3 volana.
Natao koa io hetsika hampahafantatra ny Special Olympics ary hakana ireo athlètes handrafitra nyekipa.
Ary ny Youth Leader ato aminay no hiandraikitra izany hetsika rehetra izany.
Manentana anareo tanora rehetra na manana na tsy manana fahasarotana manokana hiaraka aminay hampahafantatra ny Sport Unifié ary ny Education Inclusive ary ôôô 😊

Photos from Special Olympics Haute Matsiatra's post 21/04/2026

Firaisankina no hery 😊
Tonga nanatevin-daharana ary nanohana athlètes-nay ao Autisme Fianarantsoa ny ekipan'ny Special Olympics ny 15 Aprily lasa teo.
Io hetsika io moa dia fanamarihana ny andro maneran-tany ho fanentanana sy fampahafantarana ny Autisme.
Nasongadina tamin'io fotoana io ny fampiatiana na ny atao hoe inclusion io zay mifanandrify tanteraka amin'ny tanjon'ny Special Olympics.
Tianay ny athlètes-nay ka tohananay 💙

13/04/2026

Nafinaritra ny fiarahana 🥰

10/04/2026

Akoatran'ny Sport hoan'ny ankizy manana fahasarotana dia miady ny hisian'ny fampiatiana "Inclusion" ihany koa ny Special Olympics.
Henoy ary ny fandaharana ao amin'ny radio Tsiry FM 105.0 Mhz rahampitso aminy 15h00.

Photos from Special Olympics Haute Matsiatra's post 02/04/2026

Nofaranana tamin'ny Sport Unifié ny Sommet National Youth Leader niarahana tamin'ny Special Olympics Madagascar.
Ary nohamarihana androany ihany koa ny Andro Iraisam-pirenena ho Fampahafantarana ny Autisme💙
Misaotra antsika rehetra nandray anjara tamin'ny lalao androany👌

01/04/2026

Rahampitso 02 Avril ny fotoanantsika amin'ilay Sport Unifié 🏀🏐
Tongava maro mba manotrona ny sy manome voninahitra ny athlètes-tsika Special Olympics💙

Special Olympics Madagascar DREN Haute Matsiatra

Photos from DREN Haute Matsiatra's post 01/04/2026

Misaotra manotrona DREN Haute Matsiatra 😊
Rahampitso indray ny fotoanantsika 😊

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Fianarantsoa?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

RN7
Fianarantsoa
101