13/08/2026
𝐂𝐇𝐈𝐅𝐅𝐑𝐄 𝐀̀ 𝐋𝐀 𝐁𝐀𝐑𝐑𝐄 : 𝟖 𝟎𝟎𝟎 𝐄𝐌𝐏𝐋𝐎𝐈𝐒
_________________________________________
𝟖𝟎𝟎𝟎, izany no isan'ny asa mivantana, ankolaka ary ateraky ny firoboroboan'ny toekarena izay tombanana ho tohanan'ny 𝐏𝐥𝐚𝐭𝐞𝐟𝐨𝐫𝐦𝐞 𝐌𝐮𝐥𝐭𝐢𝐦𝐨𝐝𝐚𝐥𝐞 𝐋𝐨𝐠𝐢𝐬𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐨𝐫𝐭𝐮𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 (𝐏𝐌𝐋𝐏-𝐓) rehefa vita tanteraka ny tetikasa.
Ao ambadik'io tarehimarika io dia tsy isa fotsiny no hita.
Ao ireo fanararaotra ho an'ny tanora, ny fanantenana ho an'ny fianakaviana ary ireo sehatra fandraharahana vaovao ho an'ireo orinasa eto Toamasina sy manerana an'i Madagasikara.
Ao ambadik'io tarehimarika io :
✅ Asa mivantana 1 500 hatramin'ny 2 500 eo ho eo
✅ Asa ankolaka sy asa vokatry ny firoboroboan'ny toekarena 2 700 hatramin'ny 5 500
✅ Orinasa sy mpandraharaha 40 hatramin'ny 90 mety hiditra ao anatin'ny tontolo ara-toekarena ateraky ny tetikasa
✅ Tetikasa natao hamorona sanda maharitra ho an'ny faritra sy ny firenena
________________________________________
𝟖𝟎𝟎𝟎, c'est le potentiel d'emplois directs, indirects et induits que pourrait soutenir le 𝐏𝐥𝐚𝐭𝐞𝐟𝐨𝐫𝐦𝐞 𝐌𝐮𝐥𝐭𝐢𝐦𝐨𝐝𝐚𝐥𝐞 𝐋𝐨𝐠𝐢𝐬𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐨𝐫𝐭𝐮𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 (𝐏𝐌𝐋𝐏-𝐓) à pleine maturité à travers l'ensemble de son écosystème logistique, industriel, numérique et de services.
Derrière ce chiffre, il y a bien plus que des statistiques.
Il y a des opportunités pour les jeunes, des perspectives pour les familles et de nouvelles activités pour les entreprises de Toamasina et de Madagascar.
Derrière ce chiffre :
✅ 1 500 à 2 500 emplois directs potentiels
✅ 2 700 à 5 500 emplois indirects et induits
✅ 40 à 90 entreprises et opérateurs susceptibles de rejoindre l'écosystème
✅ Un projet conçu pour créer de la valeur durable sur le territoire
www.toamasina-port.com
08/08/2026
Ndao eh !
Faradoboka vacances 2026
Lieu: Ambodikalipitisy-Tamatavy
03/08/2026
Ny FIAT MADA dia mitondra teny fampaherezana ho an'ny vahoaka rehetra eto Tamatave, manoloana ny fahamaizana nitranga tany amin'ny tsenan'i Bazary Kely omaly alina.
Eto izahay dia miantso ny olom-pirenena rehetra mba hifanome tanana amin'izao fahavoazana mianjady amin'ny havantsika izao
🇲🇬
Fototra Iray Ampandrosoana ny Tanora eto Madagasikara
01/08/2026
https://www.facebook.com/100080022187525/posts/1034778935866170/?app=fbl
📢 FILAZANA MOMBA NY FANDAMINANA ENY AMIN’NY GUICHET UNIQUE – PORT SEC III
Ampahafantarina ny rehetra fa, ho fanohizana ny fandraisana sy ny fandinihana ireo antontan-taratasy mahakasika ny Carreau 2 ao Port Sec III, dia toy izao ny fandaminana napetraka:
🔹 Sabotsy 01 sy Alahady 02 Aogositra 2026
Hotohizana ny fandraisana ireo antontan-taratasy eny amin’ny Guichet unique, noho ny fahatapahan’ny asa nandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny herinandro lasa.
🔹 Alatsinainy 03 Aogositra 2026
Hanomboka avy hatrany ny fandinihana ireo antontan-taratasy rehetra voaray hatramin’ny Alahady ny Vaomiera.
Amin’io andro io ihany koa no halefa eny amin’ny Centre fiscal ireo taratasy fanomezana tany avy amin’ny SPAT ho an’ireo olona 63 efa nahazo tany, mba hanaovana ny fisoratana ara-dalàna na enregistrement. Roa andro no fe-potoana hanatanterahan’ny Centre fiscal izany.
🔹 Talata 04 Aogositra 2026 ka hatramin'ny Alarobia 05 Aogositra 2026 :
Fampahafantarina ireo mpangataka vaovao ny valin’ny fandinihana nataon’ny Vaomiera.
Fanolorana ny attestation eny amin’ny Guichet unique ireo nahazo fankatoavana. Ary afaka mijery sy misafidy avy hatrany ny lot mbola malalaka sy mifanaraka amin’izy ireo ihany koa izy ireo.
Halamina miaraka ny fizarana ny attestation sy ny fijerena ireo lot, mba hahafahana manatanteraka ny asa rehetra am-pilaminana sy amim-pahombiazana.
Misaotra antsika rehetra amin’ny fiaraha-miasa sy ny fanajana ny fandaminana napetraka.
01/08/2026
Amin'izao fitsingerenan'ny taona naterahany Mpanakanto DA'HERY izao,
ny FIAT Mada sy ny Team B5 Talenta 1ère édition dia miarahaba anao sady
mirary soa sy fitahiana ho anao.
Enganie ho tratranao daholo ny nofinao, hitombo hatrany ny lazanao, ary hiroborobo hatrany ny talentanao.
Ho ela velona ianao ralahy, ho salama sy ho faly mandrakariva.
Mirary anao ho kintana mamirapiratra hatrany.
Da'hery Jean Nick
Fototra Iray Ampandrosoana ny Tanora eto Madagasikara
19/07/2026
2026- Faritany Toamasina
👉10 taona no zandriny indrindra série A2, centre Moramanga
👉 61 taona no zokininy indrindra série A2, centre Toamasina.
Source d'information: Université de Toamasina
Ny FIAT Mada dia mirary fahombiazana ho an'ny mpanala fanadinana bakalorea rehetra.
🇲🇬
Fototra Iray Ampandrosoana ny Tanora eto Madagasikara