Ambiance-nay efa ela tany Atlanta ity fa averiko fotsiny. Ankafizo lay fiainana.
Rijasoa Manana
I won't give up until all my dreams will be fulfilled! God helps me to achieve them! I praise his na
Iray ny Malagasy, iray Madagascar🇲🇬 toy ny fianakaviana
25/05/2026
💥Tamberina sary mariazy avy tamin ny photographe officielle💥
♦️Hafa ihany ny matihanina. Tsy ho ary voazara eto daholo moa izy fa vao 300 no hitanay raha 2,000 mahery ny sary hono. Navoakan i Sayli tao amin ny page-nazy ity. Nasiako soratra fotsiny mba hanajàna ny sangan asan olona♦️
Photo: Alexa Taylor Photography ©️
25/05/2026
🏜🔺️Santa Fe, Renivovitr i New Mexico🔺️🏜
🇺🇸 Efa haintsika fa misy 50 etats ny firenena be kintana ka isan izany i New Mexico. Manana renivohitra aby ireo etats ireo. Tsy voatery faran ny ngeza akory ny renivohitra. Ohatra ny eto New Mexico dia Albuquerque no tanàna lehibe fa any Santa Fe ny biraom-panjakana rehetra. Ny an i California dia Los Angeles no malaza be kanefa Sacramento no renivohitra. Zay lay etat federal aminy. 🇺🇸
🏖Afaka mivezivezy sy miasa ary mipetraka na aiza na aiza eto Zamerika ny olona ary tsy miady no tsy misy hoe tsy ampy manam-pahaizana ny arý. Ny tombony dia mijanona ao amin ny faritra io ny vola hampandrosoana azy, dia misitraka ny tombotsoa izay olona rehetra miasa sy monina ao na avy aiza izy na avy aiza. Bref.
Ndao entiko an-tsary any Santa Fe ndray ianareo fa tany zahay sy Baban ny zenfan omaly alahady Pentecost.🏖
25/05/2026
🌻🍁Deb Haaland, Minisitry ny Intérieur Amerikana teo aloha🍁🌻
🌹Eny, mifanena sy miresaka amin ny olona ambony koa zah aty be kintana e. Izy no Minisitry ny Atitany tamin ny fitondran ny Filoha Amerikana Joe Biden. Samy nianatra tao amin ny University of New Mexico izahay.🌹
💥Araho an-tsary ny tantara fohy raha sitrakao. 💥
Railyard Market Albuquerque
23/05/2026
🎓👨🎓Nahavita fianarana koa i Khristion, zandrin i Sayli Ravinanto 🎓👨🎓
Dia faly indray izahay fa mitohy ny fankalazàna. Ho an i Maman i Sayli manokana dia ny zanaka roa samy nahazo fahasoavana ❤️ 💙 💜 💖. Khristion moa dia nahavita soa ny lycée na high school. Arahabaina indrindra izy amin izao andro manokana izao! Eny Tompoko ô, tena dingana bevata io aty, ary ankalazaina. Tsy mitovy any amintsika hoe "alefaso ny arrosage-n ny bacc" fa tena fety manetriketrika ataon ny sekoly ary atrehin ny solontenan ny Cisco sy ny manam-pahefana an-tampony eo amin ny fanabeazana eo an-toerana mihitsy. Dia rariny raha manao azy ho zava-dehibe koa ny fianakaviana.
Ao fa hazavaiko tsotsotra amin ireo sary ireo dia araho raha liana ianao. Aza adino mirary soa an i Khristion raha sitrakareo ❤️ 💙 💜 💖
22/05/2026
🌹🪴Izahay 5 mianaka🪴💐
🍂Mba tafiaraka indray izahay 5 mianaka androany. Manararaotra mahita an ireto zanakay ireto. Somary maimaika fa Rado fotoana fisakafoana io dia pause kely, Rotsy maika hiditra hiasa amin ny 1. Faly be moa zahay mivady fa tsy nampoizinay lay fiarahana tampoka. Rindra sy Rado no saika hiaraka, dia avy eo nanontany an i Rotsy zareo, dia avy eo nampidirina koa zahay.🍂
⛳️Ny anay moa tsy misy programa firy afa-tsy mijery zavatra amin ireny mpivarotra 2eme main ireny, ary variana zahay. Hatreto dia mbola voatanako lay hoe tsy mila akanjo na kiraro na kopetsa intsony. Mankafy fotsi y ny maso dia zay. Ny sakafoko sandwich 🥪 fa lay lasopy Pho bobaka be 🍲. Aza omena tsiny fa efa ela koa zahay no tsy niditra tamin itony resto itony.⛳️
👍 👌 Aza adino ny manao j'aime ny page-ntsika Rijasoa Manana an 💛
Zahay
22/05/2026
🌹💐Coaching en Education🍁🌿
🔺️Tianao ho lasa lavitra amin ny fianarana ve ny zanakao?
🔺️Maniry hanana planina maty paika ho an ny hoavin ny zanakao ve ianao?
🔺️Mila torohevitra mahomby sady mahasoa ho an ny fanabeazana ny zanakao ve ianao?
===>Manome Coaching en Education ho anao na ho an ny zanakao zah. Efa betsaka ireo nahita tombotsoa.
✅️Coaching en ligne
✅️Conseils spécialisés
✅️Accompagnement individualisé
✅️Confidentialité assurée
✅️Uniquement sur rendez-vous
✅️Prestation: 30.000 ar ny séance de 60 minutes
✅️Reservation sur WhatsApp
⚠️🚫NB: raha hiresaka olan ny fitiavana, fanambadiana, famoizam-po, depression sns dia psychologue no antonina fa tsy zah🚫⚠️