19/07/2024
The reason💪
✝️ God first
💪🏽 Athlète
🏋️ Coaching personnel : - Musculation/Perte de poids 🔥
💎Donnez toujours le maximum de vous même 💎
🔥🥗FAST GROW COMPANY🥗🔥
19/07/2024
The reason💪
14/07/2024
🥗Jeûne intermittent pour perdre de gras ( efficace ?)
Inona moa no atao hoe Jeûne intermittent ?
🕓Misy durée de temps ianao misakafo, Dia misy durée de temps koa ianao tsy mihinana zavatra calorique mihintsy, izany hoe rano💧 ihany zany no sotroina na sakafo non-calorique mitovy aminio.
Ny tena fataon'olona matetika Dia ny 16/8 , izany hoe :
Mandritriny 8H afaka misakafo/ Fa mandritriny 16H Kosa ianao Dia mifady hanina
👉🏽Ohatra : 20h du soir à 12H (Midi du jours d'après) tsy misakafo mihintsy ianao fa, 12H01 à 20H kosa ianao dia afaka misakafo ze tinao dia mitohy makany makany
🫴🏽 2 semaines eo no tsara anaovana azy io Dia miverina à la normale avy eo de afaka mamerina indray mandeha ny volana manaraka
Efficace pour la perte de poids🔥 ?
Ny olona tsirairay dia samy manana ny toe batany, izany hoe samy manana ny réaction'ny par rapport aminio pratique io
Fa en général, efficace izy io hoan'olona manao perte de poids satria : - Voalohany afaka manararaotra manao cardio Kely🏃🏽 mandritriny iny fotoana tsy isakafoanana iny, Ary tena mandoro calories maro(manala tavy).
- Faharoa Tsara ihany koa izy aminy Bon fonctionnement ny appareil digestif🩻, satria manana fotoana hialany sasatra izy .
- Fahatelo manadio ny anaty, satria rehefa tsy misy sakafo vaovao miditra ny vatana Dia ny déchets cellulaire🦠 no hoaniny
- Manala stress sns...✨
💎Fehiny: Tsara ny mapiasa azy io Ary tena efficace fa, ato @ kotrana dia tsara fona ny mamantatra ny compatibilité anao Amina pratique iray mba hisorohana ny aretina sy ny loza mety hiseho.
01/07/2024
Lundi...💥
1 er juillet 👋🏽
L'entraînement est obligatoire 💪🏽
Bon début de semaine 🔥
28/06/2024
🔥 5 semaines pour brûler votre graisse 🔥
Misasaka ny taona, vita iny ny fety isankarazany. Fotoana izao hanaovana remise en forme.
Raha te hanena vatana ianao ka sahirana aminy resaka kotrana tokony hatao, sakafo tokony ho hoanina, tokony hiditra salle de sport ve sa tsia ? Tsy mahatakatra ny resaka suivi na coach personnel lafo be ary indrindra sahirana koa aminy resaka complexe physique ny hiditra any anaty salle de sport hoan'izay tena vao hanomboka.
Dia ito ny opportunité sady solution ho anao. izay ahitana:
- Programme diète ( sakafo tokony ho hoanina )
- Séance de sport ( kotrana tokony hatao)
- Activités journalières ( fihetseham-batana madinika ilain'ny vatana ; marche....)
N.B: Izany rehetra izany dia misy suivi na coach(H24/7J) avokoa mandritrinio 5 semaines io + salle de sport ikotranana.
Ary ny tena lehibe dia remboursé ianao rahatoa ka tsy afa-po aminy vokatra azo.
📨Mandefasa ary Message privé
🔒 Places limitées
27/06/2024
🔥 avant et après 🔥
Mahafinaritra fona mahita an'le olona napikotraninao dia afa-po aminy vokatra izy av eo... na dia be adi-varotra Aza refa apanaovina exercices😌
18/06/2024
🔥 Avant et après 🔥
Une métamorphose 👽
16/04/2024
Natao izy ity tany ampiandohana mba hanatsarana vatana fotsiny ihany, fa Zao efa lasa fiainana mihintsy 🫀. Manome herin-tsaina sy fahatokisan-tena ✊🏽
16/04/2024
Ahoana no tokony hatao raha hanao prise de masse musculaire ?💪🏽
Manana safidy roa aloha isika; dia ny prise de masse propre ary ny bulking
Prise de masse propre ?
izany hoe mandritriny fanaovana prise de masse dia 80% ny lanja azo dia muscle avokoa
Bulking ?
Mitombo ny lanja fa mifangaro ny muscle sy ny graisse (50≈50)
#🥗
Raha misafidy ny hanao prise de masse propre ary ianao:
- Mila misakafo amboniny dépenses caloriques 'nao isan'andro (satria prise de masse no resaka eto) fa kosa ny sakafo be protéines no tena ataovy maro fa ahenao kosa ny lipides
Raha hanao bulking kosa dia :
- Afaka misakafo izay tiana fa kosa prise de masse musculaire no hatao eto , noho izany ; ny protéines no tena tadiavina .
#🏋🏽
- Tokony kitihina 2 fois/semaine ny muscle tsirairay , izany hoe après 48h/2j eo ho eo zany dia mila averina ikotranana ny muscle iray.
- Ezaho ho mavesatra kokoa ny charge bataina fa kosa zakanao tsara(sous votre contrôle)
- 6 à 12 répétition no tsara mandritrin'ny série iray ( 3 à 4 séries)
- Temps récupération 1min30 à 2 min
no tsara #👀
Samy manana ny safidiny fa raha hanao prise de masse propre ianao dia somary elaela sady mila manaraka diet strict( kaly amboniny taux ana protaka), raha hanao bulk kosa dia hanitsana mafimafy refa hanao séchage . Fa samy tsara ny vokatra refa forme av eo❤️🔥
N.B‼️: - ilaina ny mahafantatra ny dépenses caloriques'ny isan'andro ahafahana mamantatra ny diet Tokony hatao refa mikotrana na io prise de masse na séchage( any ambany)
- Ny complément alimentaire (protéines en poudre sns...) dia arakiny anarany, fanampin-tsakafo fotsiny ihany fa ny sakafonao andavan'andro no tena important
- Ny torimaso ihany koa dia tena zava- dehibe satria mandritrin'iny fotoana iny ny muscle no mitombo (faharetan'ny torimaso entre 6 à 8h)
- SAMY MANANA ny toe-batany ny olona ka aoka tsy hampitovy ny tenanao , fantaro hoe inona no mety aminao👊🏽
🤍
06/04/2024
Resaka perte de poids 🔥
Ny kotrana irery ihany no tena mampihena vatana. Marina sa diso ?
Maro ny olona maniry hanena vatana no mieritreritra fa kotrana(sport)🏋️♂️ irery no tena manan-danja amin’izany. Tsy diso , fa saingy zao ; ny sakafo hoanina ihany koa🥗 dia tena zava-dehibe! satria nahoana ?
Ho an’ny olona manao perte de poids manokana dia ny ho en déficit calorique no tanjona ; izany hoe midépense calorie kokoa nohon’ny azo mandritrin’ny fotoana anaovana izany fanenana vatana izany
Ny tokony hatao ary mba ho en déficit calorique :
Tsara ny manamarika fa ny olona tsirairay dia tokony hahafantatra ny dépense calorique quotidienne‘ny, izany hoe ny fandaniana(calories) ataon’ny vatany isan’andro
Ahoana no fomba ahafantarana ny dépense calorique’ny ?
Zavatra roa no mila fantarina :
1) BMR (Basal Metabolic Rate= Métabolisme de base)
{fandaniana natoraly ataon’ny vatana}
Lahy : 10*lanja(Kg) + 6,25*refy(cm) – 5*taona + 5
Vavy : 10*lanja(Kg) + 6,25*refy(cm) – 5*taona – 161
2) TDEE (Total Daily Energy Expenditure = Dépense énergétique quotidienne)
{fandaniana hery ataontsika andavan’andro}
Ahitana ny atao hoe Facteur d’activité (ny hetsika ataon’olona iray mandritriny tontolo andro) izay manana valeure de 1,2 à 2 ( hohazavaina kokoa ery ambany)
TDEE= BMR*Facteur d’activité
Ohatra : Rabe ( 82kg/ 1m73/ 26 ans) , tsy sportif fa mandeha tongotra matetika(1,5 facteur d’activité { approximation} )
BMR= 10*82 + 6,25*173 – 5*26 + 5 : 1 776,25 Kcal
TDEE= 1 776,25*1,5= 2 664,375 Kcal
Rasoa ( 67kg/ 1m60 / 32 ans) , tsy sportive izy ary mbola mipetraka lava(sédentaire)
(1,2 facteur d’activité)
BMR= 10*67 + 6,25*160 – 5*32 – 161 : 1 349 Kcal
TDEE= 1 349*1,2 = 1 618,8 Kcal
- Ho an’i Rabe zany dia mila 2 664,375Kcal izy raha hitazona io lanjany io(82 kg) .Mitovy amin’izany ihany koa nen’i Rasoa 1 618,8 Kcal raha hitazona an’ilay 67 kg
- Noho izany, raha te hanena vatana i Rabe sy Rasoa dia mila miconsommer calories latsakin’ny TDEE‘ny avy (déficit calorique)
Hanena tena ary izao i Rabe :
Hampanaovina déficit calorique 20% (2 664,375 Kcal*20% = 532,875= 533 Kcal)
2 664,375 Kcal – 533 Kcal = 2 131,375 = 2 131 Kcal (io no calories tokony ho consommeny isan’andro)
‼️ Tsara ho fantatra : 1g de protéine : 4 Kcal
1g de glucide : 4 Kcal
1g de lipide : 9 Kcal
Protéines : {minimum : 1,6 à 1,8g /Kg} = 1,8 *82 kg : 147,6 g (590,4 Kcal)
Lipides : {minimum : 0,6 à 1g/Kg} = 0,7 *82kg : 57,4 g (516,6 Kcal)
Glucides : 2 131 Kcal – (590,4 + 516,6) Kcal = 1 024 Kcal (256 g)
590,4 Kcal+ 516,6 Kcal + 1 024 Kcal = 2 131 Kcal
N.B : - miankina aminy tanjony tsirairay ny déficit calorique tokony hataony ary tokony zarina tsikelikely ny vatana(- 250 Kcal normale)
- Eo aminy quantité’ny protéines/lipides/glucides ihany koa dia miankina aminy objectif an’ilay olona fa saingy manaraka an’ilay condition calorique fotsiny
Mankasitraka anao namaky, PEACE🤍