04/08/2026
⭕ Ndrii🥺🥺🥺 : Miato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny pejintsika Fans Madrilène Mdg 🇲🇬 💔💔
Amin'ny maha iray antsika, dia nisy fotoana aho niteny teto amin'ny pejy tamin'ny dada narary... 🥺
Ankehitriny kosa, lasa vao izao ariva izao ny dadan''i Admin 😭💔💔💔
Mahatsiaro anareo koa aho rehefa lasa izy 😭😭
Misaotra foana ry Andriamanitro ooh💔💔😭
Nanome ianao dia maka indray.. 💔💔
04/08/2026
⭕ OFISIALY : LASA IZY MITSAM.. 🔥 👏
▪️ Mirary soa ho an’i Gonzalo García 🇪🇸 sy César Palacios 🇪🇸✨✈️.
Niala tao amin’ny Real Madrid izy mirahalahy ary hanatevin-daharana ny Fulham ⚪⚫.
Mirary azy ireo hahazo fahombiazana lehibe miaraka amin'ny ekipany ary hahavita asa tsara ao amin'ny championnat . 💪⚽🤍.
▪️ Misaotra tamin’ny zava-bita rehetra ary mirary soa sy fahombiazana hatrany amin’ny ho avy🌟
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️
03/08/2026
⭕ Sary nanamarika ny fanazaran-tena nataon'ny ekipantsika androany..🔥 👏
Efa tafaverina niaraka tamin'ny ekipa i Rüdiger, Vinicius Jr, Silva, Brahim..
Bonne chance 🤞 👏
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️
03/08/2026
⭕ Androany no niverina nanao fanazaran-tena niaraka tamin'ny ekipa i Vinicius Jr 7 🇧🇷 🔥..
Iza no mendrika aminao, Vini amin'ny endriny teo aloha sa ilay vaovao ⁉️
Andao foana lesy Vinigoool 🔥
Revenay foana izay mety amin'lah👏
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️
03/08/2026
⭕ TSARA HO FANTATRA 🔥
Efa tazana tonga ao Valdebebas, ilay ivotoeranam-pampiofanana i Vinícius Júnior 🇧🇷, Bernardo Silva, ary Brahim Diaz. 🔥 👏
Mirary soa an'lisany lesy zalahy..
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️
03/08/2026
⭕ FA INONA MARINA NY ZAVA-MISY⁉️
➡️ Yan Diomandé : Dia manana olana ara-pitsarana lehibe nipotra tampoka, izay mety hanohintohina ny fifindrany ho ao amin'ny Real Madrid⚪🇨🇮⚖️
▪️Ny zava-misy, na dia efa saika vita tanteraka aza ny fifanarahana teo amin’ny Real Madrid sy RB Leipzig, dia nipoitra tampoka ny olana ara-dalàna.
Araka ny tatitry ny Diario AS, i Gradel 🇨🇮, izay agent-an'i Yan Diomandé taloha dia milaza fa najanony fa tsy ara-dalàna ny fifanarahana niaraka tamin'ilay mpilalao.
Noho izany dia nametraka fitoriana ofisialy tany amin’ny FIFA ⚖️ izy.
⚪ Ny Real Madrid kosa dia nifampiraharaha tamin’ny Nation ary tsy nahalala akory ny fisian’ity fifandirana sy olana ity, ka zary lasa mitazarazoka ny famaranana ny fifanarahana.
▪️ Ankehitriny, ny FIFA no tompon’ny teny farany. Misy ny safidy 3 azo atao:
1- Manome licence vonjimaika ho an’ilay mpilalao mba hahafahana manamafy ny transfert na dia eo aza ny olana.
2- Mangataka ny hiandrasana mandra-pahavitan’ny fanadihadiana, izay mety hanemotra ny fifindrana.
3- Ary ny farany dia tranga ratsy indrindra, izay mety hanakana tanteraka ny transfert raha toa ka heverina fa manan-kery ny fitoriana napetraka.
⏰ Ao anatin'ny 48 ora manaraka no tena ahitana fanapahan-kevitra mazava ny momban'i Yan Diomandé....
Ho afaka hanatevin-daharana ny Real Madrid ve izy araka ny drafitra, sa mbola tsy maintsy hiandry indray⁉️
©️ Diario AS
__________
Mirary soa mba ho voavahy ara-drariny ny olanao🤝🔥
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️
03/08/2026
⭕ 💣Félicitations lesy Brahim Diaz 💍🌹👩❤️💋👩🇲🇦
Mirary tokatrano sambatra be ho anareo mivady.. 💗
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️
02/08/2026
⭕ Inona moa manakana anao tsy hanao fond d'écran an'ireo ?? 😊😁
➡️ Betsaka isika no nangataka ity :
🤝 Tsara ny mampahafantatra antsika mpankafy Madrilène momba ny pejy, fa miara-miasa amin'ny pejy 2 samy hafa aty ivelan'ny Madagasikara 🇲🇬 ny pejintsika amin'ny fanomezana ny vaovao. 🤝😍
- Pejy efa manana ny maha izy azy ireo pejy roa ireo.
- Vaovao voamarina hatrany no zaraina ary ofisialy.
📍Tsy misy atahoranao noho izany ny mandray sy manaraka ny vaovao avokan'ny pejintsika...
🤝 Mifandray amin'ny rohy manoka sy WhatsApp izahay 3 mianadahy amin'ny fanomanana ny vaovao.
🤝 2 izahay no afrikanina, ary ny iray kosa avy ao Europe 🇪🇺.
🤝 Ilay 1 afrikanina miaraka aminay no tena niaraka nanampy be anah tamin'ny fanomezana ny anaran'ny pejy hoe " Fans Madrilène Mdg" 😍
Misaotra azy aho🤝💗
🤝 1 taona mahery izay no nijoroana..
🤝 Ankehitriny, mbola mitohy hatrany ny fifandraisana eo aminay 3 mianadahy amin'ny fanomezana vaovao voamarina ho antsika..
🤝 Misaotra antsika Madrilène 🇲🇬 rehetra manome hery ny pejy 🤝 🎇 😍
Andao foana... 🚶♀️🚶♂️
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️
02/08/2026
⭕ VOAMARINA : Fa hijanona amin'ny toerana mahazatra azy i Kylian ao amin'ny Real Madrid, laharana faha-9 na (AC).
▪️ Antony : Aorian’ny fanapahan-kevitry Vinicius Jr 7 🇧🇷, ny Real Madrid dia nanapa-kevitra ny hanasonia mpisolo toerana ho an’i Vinícius Jr raha toa ka tsy manavao ny fifanarahana izy.
Rahampitso moa no ho tonga ao Madrid 🇪🇸 izy, ary hiaona mivantana amin'ny mpanazatra sy ny staff, ka handray ny fanapahan-kevitra aorian'ny fihaonana....
▪️ Raha mitranga ny "Tsia" avy amin'i Vini, fa tsy hanohy fifanarahana izy, dia hiditra avy hatrany amin’ny tsenam-pifanarahana vaovao ny klioba ka hitady mpisolo azy...
▪️ Yan Diomande kosa dia tsy ho solon’i Vini, satria ny drafitra ataon’ny Real Madrid dia ny hampiasa azy ho mpilalao eo amin'ny elatra ankavanana, araka ny fanamafisana avy amin'ny AS hatrany.
©️ Diario AS
_________
Andao foana lesy Vini.. 🔥 👏
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️
02/08/2026
⭕ VOAMARINA : Rahampitso no higadona Madrid 🇪🇸, hamonjy ny klioba i Vinícius Júnior 🇧🇷 🔥.
✅ Tonga ny fotoana izay tsy maintsy handraisany fanapahan-kevitra entitra izay hamaritra ny hoaviny...
Ny Real Madrid dia efa nampahafantatra an’i Vinícius Jr mba hanome fanapahan-kevitra farany izay haingana araka izay azo atao.
▪️ Noho izany, Hisy ny dinika manokana ataon'i Vinicius miaraka amin'ny mpanazatra Mourinho sy ny staff vao tonga ao Madrid 🇪🇸 izy....
©️ Diario AS
__________
Mirary fanapahan-kevitra mahasoa ho anao lesy Vini.. 🔥🥺
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️