14/05/2026
📌 𝗭𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗟𝗔𝗜𝗡𝗔 :
- Fandeferana
- Fitsipika mazava
- Fitiavana tsy misy fepetra
- Fanomezan-danja ny ezaka
- Feo malefaka
- Fotoana miaraka
- Filalaovana sy fihomehezana
- Hadisoana kely
- Fanantenana
📋 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗭𝗬 :
Afangaro aloha ny fandeferana sy ny feo malefaka, satria ao no mahatsiaro ho voaaro ny ankizy.
Arotsahy manaraka ny fitiavana tsy misy fepetra — indrindra rehefa sendra andro sarotra.
Ampio fanomezan-danja, na amin’ny teny tsotra aza : “Hitako ny ezakao.” “Tiako ianao.”
Ketrehina elaela ny fotoana miaraka : miresaka, mihaino, milalao, mihomehy… ireo no fahatsiarovana entiny mandritra ny fiainany.
Asio hadisoana kely ihany koa mba hianarany amin'ny fiainana. Indrindra fa fitsipika mba hampisy arofanina.
Farany, araraka moramora ny fanantenana : “Vitanao io.” “Matoky anao aho.”
Andrahoy elaela ao anaty faharetana sy famelan-keloka.
Dia arosoy mafana isan’andro… ❤️
Pejy - Mpanabe Fototra
02/05/2026
Ny atao hoe dia:
1. Tsy miantso📞olona mihoatran'ny indroa misesy. Raha tsy mamaly na tsy mandray io olona io dia eritreretro hoe manao zavatra.
2. Mamerina vola💵 nindramina na dia mbola tsy mitaky ary ilay olona, izany dia mampiseho ny fahamendrehanao sy ny toetranao. Torak'izany koa ny elo🌂sy ny penina🖊️,...
3. Aza mi "commande" sakafo 🍱lafo vidy raha olona no manasa anao hisakafo.
4. Aza mametraka fanontaniana hafahafa toy ny hoe: "Oh nga mbola tsy manambady ianao ?, Tsy mbola niteraka ve ? Na manofa trano ve ? Na nahoana ianao tsy mividy tokotany sy fiara ?
5. Raha nandeha Taxi🚕 miaraka amin'ny namanao ianao ka izy no mandoa ny vola 💸saran-dalana dia ezaho mba ianao indray no mandoa amin'ny manaraka
6. Hajao ny hevitrin'ny hafa. Tsarovy fa samy manana ny fomba fijeriny ny olona. Raha 06 no itanao dia mety ho 09 amin'ny hafa
7. Aza manapaka ny olona miteny na miresaka. Avelao izy haneho ny heviny. Diniho izay lazainy dia sivano izay mety aminao
8. Raha mananihany (misangy) olona ianao ka toa tsy tiany dia ajanony ary aza atao intsony
9. Mitenena hoe misaotra rehefa misy manampy na manome zavatra anao.
10. Tsy fomba ny miteny hoe niha ngeza ianao na nihena ianao. Miteny aminao eo ihany izy raha te hiresaka lanja aminao
11. Rehefa misy olona mampiseho anao sary amin'ny findainy📲, aza ahisakisaka miankavia na miankavanana.Tsy fantatrao izay sary ao ambadika ao
12. Raha milaza aminao ny mpiara-miasa aminao fa hoa handeha Dokotera🩺, dia aza manontany azy izay mahazo azy, fa teneno fotsiny hoe" Mirary fahasalmana". Miteny anao eo ihany izy raha tiany ho resahana anao Ilay anton-diany any tobim-pahasalamana
13. Ataovy mitovy ny fahalalam-pomba na PDG na mpamafa trano ny manolona anao.
24/03/2026
Iza avy ny misotro kafe ato o??☕
Ity indray ary ny voka-tsoa entin'ny kafe ho an'ny vatana👇🥰
24/01/2026
🇲🇬 Ndao ho fantarintsika ny mikasika ny horohorontany, tsy hoe farandro fa zavatra voajanahary:
Horohorontany dia fihozongozonan’ny tany tampoka.
Ireto ny antony lehibe mahatonga azy:
Fihetsiky ny takelaka tektonika
✅️– Mifandona, mifanalavitra, na mifampisosa ireo takelaka lehibe mandrafitra ny tany. Rehefa mivaha tampoka ny tsindry dia miteraka horohorontany.
Fahavakisan’ny vatolampy (faults)
✅️– Misy tsipika fahatapahana ao anaty tany; rehefa mihetsika tampoka ireo faritra ireo dia mihozongozona ny tany.
Asa volkano
✅️– Ny fiakaran’ny magma sy ny fipoahan’ny volkano dia afaka miteraka horohorontany.
Asan’olombelona (tsy dia fahita loatra)
✅️– Toy ny fipoahana lehibe, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, na famenoana tohodrano goavana.
Ny refin ny horohoro tany:
< 3: malemy, matetika tsy tsapa
4 – 5: tsapa fa tsy dia manimba
6 – 7: mahery, mety hanimba trano
> 7: tena mahery, fahasimbana lehibe
pub : ve ianao
13/01/2026
🎗️𝗧𝗢𝗛𝗔𝗡𝗢 𝗛𝗔𝗧𝗥𝗔𝗡𝗬 𝗜𝗭𝗬 💖
🔹 Raha miteny izy hoe:
“Tsy mahay aho…”
👉 Lazao aminy: “Izay indrindra no antony ianarana. Andao hiezaka.”
🔹 Raha miteny izy hoe:
“Tsy vitako ity…”
👉 Lazao aminy: “Ao fa eto aho hanampy anao.”
🔹 Raha miteny izy hoe:
“Diso foana izay ataoko…”
👉 Lazao aminy: “Natao hianarana ny fahadisoana. Tsara be fa efa miezaka ianao.”
Ary aoka kosa tsy ianao no hilaza aminy hoe :
❌Tsy mahay ianao
❌Tsy vitanao io
❌Diso foana izay ataonao
Aoka ianao hihaino, hanohana ary hampahery
…Satria ny teny kely lazainao androany,
dia mety ho heriny lehibe rahampitso.
Pejy - Mpanabe Fototra
05/01/2026
FILOZOFIAM-PIAINANA JAPONEY
Vaovao ny taona izao. Andao isika tena hanova izay tiantsika amin'ny fiainantsika fa tsy hijanona ho mpankafy ny an'ny hafa fotsiny.
Zaraiko aminao androany ny filozofiam-piainan'ny japoney mahatonga azy ireo mivoatra ka samy hampihatra izany.
Misy 5 izy io amin'ny ankapobeny ka manasa anao hamaky hatramin'ny farany.
1) *Kaizen*
Ny kaizen dia fanatsarana kely isan'andro mitohy. Tsy zavatra goavana be mitaky ezaka be fa kely fotsiny nefa atao mitohy isan'andro.
Ohatra : te hanena vatana.
Kaizen : manao marche 1 minute isan'andro.
Fa atao isan'andro io.
2) *Ikigai*
Ny Ikigai dia fitambaran'ny zavatra tinao+zavatra hainao+zavatra ilain'ny manodidina+zavatra hahazoanao vola.
Mila tadiavinao izany ary hiainanao isan'andro.
Rehefa tinao sy hainao ary ilain'ny fiarahamonina sy mampidibola anao ny ataonao dia mahafinaritra anao ny manao azy ary satrinao anao azy foana.
3) *Hara hachi bu*
Ny Hara hachi bu dia midika hoe tsy manao voky rehefa misakafo fa eo amin'ny 80% eo ihany no hoanina.
Rehefa voky manko dia malaina ny vatana. Ny japoney tena olona actif ary tena miasa be.
Araka ny fikarohana ihany koa dia mahalava andro hiainana ny fampiharana azy ity.
4) *Wabi sabi*
Manaiky fa tsy misy ny tonga lafatra.
Tsy atao mahakivy izany fa izay no lalam-piainana ary io dia amin'ny lafiny rehetra mihitsy.
Raha ohatra hoe nanao planina ianao ohatra hanao marche isan'andro nefa nisy andro tena tsy nahavita, dia tsy maninona izany fa tohizana indray ny ampitso. Ekena ny tsy fahatongavana lafatra ary tsy manome tsiny ny tena sy ny hafa.
5) *Ganbaru*
Ganbaru dia midika hoe fikirizana.
Rehefa ataonao ireo teboka 4 etsy ambony ireo dia mila fikirizana. Tsy mahazo mi-abandonne izany fa tohizana foana.
Rehefa mikiry ianao dia manomboka ny fiovana.
Izay no masaka azo natolotra an'io fa dia mirary taona feno fahombiazana hoantsika rehetra.
Aza adino ny mizara.
29/12/2025
🚨🍋 ATSAHARO NY MAMETRAKA CITRON AMIN’NY RANO MAFANA BE!
⚠️ Fahadisoana iray manimba ny soa ara-pahasalamany
💡 Betsaka no mihevitra fa citron + rano mangotraka = détox mahery
❌ DISO anefa izany, ary mety hanimba ny vatana mihitsy raha tsy fantatra tsara.
🍋🔥 FA MANINONA NO TSY TOKONY HO AMIN’NY RANO MANGOTRAKA?
➡️ Ny Vitamine C ao amin’ny citron dia:
MORA SIMBA amin’ny hafanana mihoatra ny 60°C
Rehefa atao anaty rano mangotraka:
❌ Very ny vitamina
❌ Mihena be ny antioxidant
❌ Tsy mahavita intsony ny asany ho an’ny hery fiarovana
📌 Midika izany fa:
Misotro citron ianao… nefa tsy mahazo ny tombontsoa ilain’ny vatana
😲⚠️ IREO OLANA ARAM-PAHASALAMANA GOAVANA METY HO VOKATRY IZANY:
❌ Fahasosorana vavony (Gastrite)
❌ Asidra miakatra (Reflux gastrique)
❌ Nify simba (noho ny asidra mafana)
❌ Fanaintainana kibo sy fivalanana
❌ Olona manana ulcère mety hiharatsy ny aretina
🚨 Izany no antony ilazana fa:
Tsy mety ho an’ny olona rehetra ny citron amin’ny rano mafana be
✅🍋 FOMBA TENA TSARA HISOTROANA NY CITRON
🥛✨ IRETO NO TENA HIKARAKARANA AZY
1️⃣ Ampagotrao aloha ny rano
2️⃣ Avelao hangatsiaka 5–10 minitra
👉 tokony ho mafanafana (tiède) fa TSY mindranona @ ilaymangotraka
3️⃣ mafanafana Vao asiana citron rehefa
4️⃣ Citron vaovao voasasa tsara no ampiasaina
5️⃣ Azo asiana:
🍯 tantely kely (raha tsy diabeta)
🌿 gingembre kely (raha mahazaka)
⏰📆 FOTONANA TSARA HISOTROANA AZY
🕖 Maraina vao mifoha (vavony mbola tsisy nininona )
🕕 na hariva alohan’ny sakafo
📌
➡️ 1 vera isan'andro dia ampy
❌ Aza mihoatra ny 2 vera isan’andro
👥 HOAN'IREO OLONA :
te hanatsara fandevonan-kanina
te hanadio vatana (détox doux)
te hanamafy immunité
manana constipation malefaka
❌ Tsy tsara ho an’ny:
manana ulcère
manana reflux gastrique mafy
manana olana amin’ny nify
zaza madinika (raha tsy toro-hevitra ara-pitsaboana)
✨ Citron = tsara ho an’ny fahasalamana
🔥 Rano mangotraka = manimba ny soa ao aminy
💧 Rano mafanafana = mitahiry ny vitamina
👉 Ny fahalalana no fiarovana voalohany ho an’ny fahasalamana
👉 Pub : @ Fitsaboana azo antoka & torohevitra mahasoa (abonneo ny pejiny)
26/12/2025
MIFAMPIARAHABA VE NY ATO AN-TRANO REHEFA MARAINA ?
Hoy ny lehilahy anankiray raha nilaza ny heviny momba izany :
« Tsy mahazatra ahy ilay miarahaba satria samy olona ato an-trano ihany izahay ; ny vadiko ary olona miara-matory amiko amin’ny alina , dia tsy hitako izay mbola ifampiarahabanay indray amin’ny maraina . »
Fahaiza-miaina tsotra kanefa manan-danja eo amin’ny fiainan’ny ankohonana ny fifampiarahabana amin’ny maraina . Manokatra ny fifandraisana eo amin’ny mpivady sy eo amin’ny mpianakavy izany .
Arahabaina ny zaza : « Nanao ahoana ny alina ? » Mety raha arahina kopakopa-tanana kely na famihinana amin’ny sandry mihitsy izany . Mahasalama ny toe-po sy ny vatan’ny zaza ny fihetsika toy izany .
Tsy fahaiza-miaina fotsiny ihany akory ny fifampiarahabana eo amin’ny ankohonana amin’ny maraina , fa fiderana ihany koa an ‘ Andriamanitra izay mbola nanome indray andro iray vaovao .
Raoeliarijao
21/12/2025
• Andro 1 : Mbola ny toaka no mifehy anao fa tsy ianao no mifehy ny toaka.
• Andro faha-2: Makafoka. Misy poizina mahery vaika avy @ toaka fa manimba avo 30 heny noho ny toaka (acétaldéhyde).
• Andro faha-7: Manomboka miverina ny herin’ny sela ao amin’ny atidoha izay simban’ny toaka. Lasa maranitra sy kinga saina kokoa ianao.
• Andro faha-30: Ny torimaso no tena mihatsara be. Tafaverina ny torimaso lalina izay réparateur ho an'ny vatana.
• Andro faha-90: Misava ny zavona ao an-tsaina. Mihena ny tebiteby sy ny ahiahy satria midina ny tahan'ny cortisol.
•Andro faha-180: Mitombo ny fahatokisan-tena satria hitanao fa mahavita mitazona ny teny nomenao ianao.
• Andro faha-365: Tsy manaiky zavatra manimba (na olona na asa) intsony ianao. Lasa ianao indray no fangatahan'ny olona soso-kevitra.
💡 Astuces 3 manampy:
1. Aza terena: Tadiavo ilay antony tena avy ao anaty hoe manilona no mijanona misotro toaka ianao
2. Aza mijery izay "faty antoka" (fety, fiarahana @ namana, fahasahiana, fanadinoina problème vetivety, sns,...) fa jereo ny tombony: saina mazava sy vatana salama.
3. Andramo 30 andro fotsiny aloha.
Zarao fa mahasoa ny hafa
Misaotra 💛
pub :
02/05/2025
Rehefa maty ianao dia aza manahy ny amin'ny vatanao...
Ny olon-tianao sy ny fianakavianao no hikarakara izany...
Havoakan'izy ireo ny efitranonao ary hitondra anao any amin'ny efitra fiandrasam-paty.
Hesoriny ny akanjonao.
Hampandroany ianao.
Hampiakanjoany ianao.
Maro no ho avy amin'ny fandevenana hanome voninahitra anao.
Ny sasany aza dia manafoana ny drafitr'izy ireo ary mangataka andro tsy hiasana mba hanatrehana.
Ny entanao – ireo zavatra tsy tianao hampindramina – dia hamidy, omena olon-kafa na hodorana.
Ny fanalahidinao,
Ny findainao,
Ny volanao,
Ny tahirinao,
Ny akanjonao...
Ary matokia fa tsy hitsahatra ny tsy hihodina ny tany ary tsy izao tontolo izao no hitomany anao.
Hitohy ny zava-drehetra.
Hosoloina ianao any am-piasana. Olona hafa, manana fahaiza-manao mitovy na tsara kokoa aza, no handimby ny toeranao.
Hitomany mandritra ny ora na andro vitsivitsy ireo namanao, fa tonga ny afakapitso dia hihomehy sy hikorana indray izy ireo.
Ny sarinao dia hihantona eo amin'ny rindrina mandritra ny fotoana fohy, avy eo hapidirina any anaty fitoeran'entana, ary amin'ny farany dia hihidy anaty vata.
Misy olon-kafa hipetraka eo amin’ny sezanao ary hihinana eo an-databatrao.
Ny alahelo fanaintainana lalina ao an-tokantranonao dia haharitra herintaona, roa, mety folo ... Dia ho lasa fahatsiarovana sisa ianao, ary hifarana hatreo ny tantaranao.
Hifarana amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity izany.
Fa ny tantaranao dia manomboka amin'ny zava-misy vaovao ... any amin'ny fiainanao any ankoatra.
Ho zava-poana tsy misy dikany ny fanananao taloha. Tsy ho afaka hitondra na inona na inona eto an-tany ianao.
Ny hatsaran'ny vatanao,
Ny fanananao,
Ny toeram-boninahitrao,
Ny volanao,
Ny trano,
Ny fiara,
Ny amboaranao,...
Amin'ny fiainanao vaovao dia ny fanahinao no hany sisa tavela aminao. KOA MANAOVA NY MARINA, ATAOVY TSARA NY FANAHY.
-- Raha tonga aminao ity hafatra ity ka zarao amin’ny hafa -- 👏👏👏