24/01/2026
🇲🇬 Ndao ho fantarintsika ny mikasika ny horohorontany, tsy hoe farandro fa zavatra voajanahary:
Horohorontany dia fihozongozonan’ny tany tampoka.
Ireto ny antony lehibe mahatonga azy:
Fihetsiky ny takelaka tektonika
✅️– Mifandona, mifanalavitra, na mifampisosa ireo takelaka lehibe mandrafitra ny tany. Rehefa mivaha tampoka ny tsindry dia miteraka horohorontany.
Fahavakisan’ny vatolampy (faults)
✅️– Misy tsipika fahatapahana ao anaty tany; rehefa mihetsika tampoka ireo faritra ireo dia mihozongozona ny tany.
Asa volkano
✅️– Ny fiakaran’ny magma sy ny fipoahan’ny volkano dia afaka miteraka horohorontany.
Asan’olombelona (tsy dia fahita loatra)
✅️– Toy ny fipoahana lehibe, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, na famenoana tohodrano goavana.
Ny refin ny horohoro tany:
< 3: malemy, matetika tsy tsapa
4 – 5: tsapa fa tsy dia manimba
6 – 7: mahery, mety hanimba trano
> 7: tena mahery, fahasimbana lehibe
pub : ve ianao