Tompokovavy sy Tompokolahy,
Efa herinandro maro izao no mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika. Ny fahatapahan-jiro matetika sy ny olana amin'ny famatsiana rano dia nisy fiantraikany tamin'ny fiainana andavanandro sy ny fiasan'ny orinasa. Ireo olana ireo dia nitarika fitokonana sy hetsi-panoherana, izay miteraka fahavoazana ara-toe-karena sy ho an’ny fianakaviana efa sahirana noho ny krizy.
Famakafakana ny toe-draharaha:
Ny antony lehibe dia ireto manaraka ireto:
Fotodrafitrasa tranainy sy tsy voakarakara tsara, izay miteraka fahaverezan'ny herinaratra sy rano betsaka.
Fianteherana mafy amin'ny angovo avy amin'ny solika, lafo sy tsy azo antoka.
Fahatarana amin'ny fikojakojana sy tsy fahampian'ny mangarahara amin'ny fitantanana ny tolotra ho an'ny besinimaro.
Zava-dehibe ny manamarika fa misy tetikasa maro lehibe efa an-dalan-mpiasana:
Fanavaozana ny tambajotra elektrikan'i Antananarivo,
Fampifangaroana amin'ny herin'ny masoandro amin'ireo foibe efa misy,
Fanavaozana sy fanitarana ny fantsona JIRAMA,
Tetikasa Tana Water III sy PAAEP ho an'ny rano fisotro madio, izay tohanan'ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena.
Ireo tetikasa ireo dia fototra matanjaka amin'ny famahana ny krizy, saingy mitaky fampiharana haingana, mahomby ary mangarahara.
Drafitra fanao avy hatrany sy fohy fotoana :
Fepetra maika (0 ka hatramin'ny 30 andro) :
fizarana rano amin'ny camion citerne amin'ireo faritra tena ilàna izany,
fametrahana vondrona mpamokatra herinaratra vonjimaika ary fanohanana ny fianakaviana sy ny orinasa voakasika.
Hetsika fohy fotoana (3 ka hatramin'ny 6 volana) :
fanamafisana ny asa fanarenana, famoahana isan-kerinandro ny fandrosoan'ny tetikasa ary fananganana komity mpanara-maso iombonana ahitana ny Fanjakana, ny fiaraha-monina sivily ary ireo mpiara-miasa ara-teknika.
Fanavaozana ara-drafitra (1 ka hatramin'ny 3 taona) :
fikarakarana indray ny JIRAMA mba hanatsarana ny zava-bitanay, fanitarana ny loharanon-jiro (masoandro sy herinaratra avy amin'ny rano) ary fiarovana maharitra ny loharano sy ny rano.
Antso ho amin’ny fampitoniana:
Mangataka amin’ny antoko rehetra izahay mba hanome lanja ny fifampiresahana sy hanafoana ny fihetsika mety hiteraka herisetra. Ny fanatanterahana ny fitokonana dia mitarika fatiantoka lehibe ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Ny andraikitra dia mizara:
Tokony hanao hetsika haingana ny Fanjakana ary hiantoka ny mangarahara.
Ny vahoaka sy ny sendika dia tokony hitazona ny filaminana ary handray anjara amin’ny fanarahana ny fampanantenana.
Ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola dia tokony hanohana ny fanatanterahana tanteraka ny tetikasa.
Ny fanatanterahana ireo fepetra maika ireo, sy ny tetikasa efa eo an-dalana ary ny fanavaozana ara-drafitra, no vahaolana maharitra ivoahana amin'ity krizy ity. Ny fampiharana hentitra sy mangarahara ny drafitra dia hahafahana mamerina ny fahatokisana, miantoka ny famatsiana rano sy herinaratra, ary manatsara ny kalitaon'ny fiainana ho an'ny fianakaviana Malagasy.
Miara-miasa isika, ahafahana manova ity krizy ity ho hery hananganana hoavy tsara kokoa.
Tsy manao politika fa mba miteny fotsiny
Mi'délire
Miteny izay mba mahafinaritra, mitantara izay zavatra hita teny rehetra teny
Hafatra kely fotsiny hoe:
Raha toa ka sahirana ara-pivelomana ianao na ianareo mivady, asio fetra ny isan'ny zaza ateraka. Aza manao hoe vita foana io na hoe velona foana io rehefa tonga eo.
Tena marina aloha hoe velona foana foana io rehefa tonga eo fa arak'ilay fitenenana hoe "velona fa mitsipozipozy". Fantarao fa olona 1 ateraka mira vava 1 mihinana. Ilay zaza no mijaly avy eo fa na ny fiainany aza tsy zarizary
Raha efa fantantrao fa marary ianao, aza mieritreritra ny hiteraka ihany koa satria mety ho faty eo ampiterahana na marary rehefa teraka sady tsy afaka ny ampinono na hikarakara ilay zaza teraka akory avy eo,
Raha fantatrao fa tsy ho vitanao ilay zaza ateraka dia aza mbola miteraka aloha fa mijaly nge lay zaza rehefa teraka eo. Ny havana na ny namana na ny fiarahamonina tsy voatery hanana fahafahana hanampy foana rehefa misy ny fahasahirana.
Ny fiaianana efa sarotra fa mba jereo ny ho avy
Kasy rapiera zany rehefa mievona dia atao hoe à tes souhaits; variana nanao zavatra aho dia tsy henoko izy nievona. Miandry izy atao hoe à tes souhaits .... tsy nisy nanao. Tezitra amin'izay izy dia niteny! tu es vraiment mechant neny, tu m'a pas dit à tes souhaits. On ne t'aime pas blablabla. Nanomboka ny hariva io, nifoha maraina mbola tezitra ihany. nanambitamby, niteny azafady fa hehehe. mbola tezitra foana. Efa nievona tamin'ny maraina natao hoe "à tes souhaits!" vao afaka ny hatezerana.
Ny lesona azo tsoahana dia hoe: mila mihaino sy maharaka ny zavatra ataon'ireny zanatsika ireny ao an-trano na dia betsaka aza ny zavatra manahirana sy erehana fa lasa malahelo izy rehefa tsy manana attention aminy ianao na dia heverina fa zavatra tsy misy dikany aza
Salama aby!
tonga soa ato amin'ny page nay.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Antananarivo
Ambohidratrimo
105