FMZaM: Fikambanan'ny Mpianatra ao amin'ny Zana-tsehatra Malagasy

FMZaM: Fikambanan'ny Mpianatra ao amin'ny Zana-tsehatra Malagasy MANDAN'NY MAHA MALAGASY, KITRO IFAHARAN'NY FAMPANDROSOAM-PIRENENA.

26/09/2026

Ny ventin-kevitra ho hitanao ao amin'ny revio hiratra 7

📚HIRATRA 7Ny Zanatsehatra Malagasy dia manasa anao ho tonga hanotrona  ny famoahana ny revio HIRATRA 7🗓️ Zoma 02 octobre...
26/09/2026

📚HIRATRA 7

Ny Zanatsehatra Malagasy dia manasa anao ho tonga hanotrona ny famoahana ny revio HIRATRA 7

🗓️ Zoma 02 octobre 2026
🕑 02 ora tolakandro
🏠 AMPHI 24 - FLSH


23/09/2026

📌 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐨𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐕𝐚𝐭𝐬𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐌𝟐 - 𝐌𝟏 ( Volana faha7), 𝐋3 - 𝐋𝟐 - 𝐋1 ( Volana faha6 sy faha7)

✅ Ho an'ireo mpianatra L1-L2-L3 dia horaisina miaraka amin'ny daty fandraisana ny vatsim-pianarana volana fahenina ny vatsim-pianarana volana faha-fito.

✅ Alaina eny amin’ny "Postes Comptables" araka ny tetiandro ny vatsim-pianarana, ho an'ireo tsy nisafidy ny fandoavana amin'ny alalan'ny "Airtel Money".

✅ Mivantana avy hatrany ao amin’ny kaonty Airtel Money ny vatsim-pianarany, ho an’ireo nisafidy ny fandoavana izany amin’ny alalan'ny Airtel Money.

Source:

💥Andao indray aza, vonona hatrany💪🎙️SLAM- POESIE 🕜 01ora🏠 Amphi 10 ⚽ BAOLINA KITRA- LALAO MANASA-DALANAMALAGASY 🆚 FRANTS...
23/09/2026

💥Andao indray aza, vonona hatrany💪

🎙️SLAM- POESIE
🕜 01ora
🏠 Amphi 10

⚽ BAOLINA KITRA- LALAO MANASA-DALANA
MALAGASY 🆚 FRANTSAY
🕜 01ORA 30MIN
🏁 Kianja Ankatso ambony

🎱 TSIPY KANETIBE LALAOVIN'OLON-DROA
MALAGASY 🆚 JEOGRAFIA
🕜 01ora
🚩 Boulodrome Ankatso

🎱 TSIPY KANETIBE LALAOVIN'OLONA TELO
MALAGASY 🆚 JEOGRAFIA
🕜 02ora
🚩 Boulodrome Ankatso


💥FANDRESENA HO ANTSIKA NY ANDROANY🎱 Fandresena efatra tamin'ny lalao dimy no azon'ny ekipantsika tamin'ny taranja tsipy ...
16/09/2026

💥FANDRESENA HO ANTSIKA NY ANDROANY

🎱 Fandresena efatra tamin'ny lalao dimy no azon'ny ekipantsika tamin'ny taranja tsipy kanetibe lalaovin'olon-droa ka nahatafakatra azy ireo amin'ny dingana ampahefa-dalana.

⚽ Nisaraka ady sahala 0 sy 0 kosa ny tovovavintsika sy ny avy ny ao amin'ny Zanatsehatra Haiolona teo amin'ny lalao baolina kitra. Mizotra mankany amin'ny lalao manasa-dalan'ny fifaninanana ny ekipantsika amin'izao.

🤝Mirary soa hatrany ny ekipa rehetra (ny mpilalao, ny mpanazatra, ny mpanohana...)


📢 Anio hariva koa ity sao hadinontsika.🎶 Efa vonona izy mirahalahy hisolotena ny Zanatsehatra.Fanamarihana: Tsy afaka ma...
16/09/2026

📢 Anio hariva koa ity sao hadinontsika.

🎶 Efa vonona izy mirahalahy hisolotena ny Zanatsehatra.

Fanamarihana: Tsy afaka manatrika an'io ny mpanohana fa ny firarian-tsoa avy amintsika aloha no ilain'izy ireo.

💥VONONA HATRANY NY EKIPA.Rahampitso hariva indray ny fotoanantsika.🎱 TSIPY KANETIBE LALAOVIN'OLON-DROA ♦️Fifanandrinan'n...
15/09/2026

💥VONONA HATRANY NY EKIPA.

Rahampitso hariva indray ny fotoanantsika.

🎱 TSIPY KANETIBE LALAOVIN'OLON-DROA
♦️Fifanandrinan'ny iray vondrona ka hifandimby hifanandrina amintsika ny Zanatsehatra Espaina, Z. Anglisy, Z. Filozofia, Z. Rosia ary ny Z.Tantara.
🕧. Ora: 12ora 30min
🏁Kianja: Boulodrome Ankatso

⚽ BAOLINA KITRA SOKAJY VEHIVAVY
♦️Zanatsehatra Malagasy 🆚 Zanatsehatra Haiolona
🕜 Ora: 01ora 30min
🏁 Kianja ambony Ankatso


🎯Tanjona iray iombonantsika mpianatra tsirairay ny hahavita soa aman-tsara ny fianarana ety amin'ny Anjerimanontolo. Ani...
10/09/2026

🎯Tanjona iray iombonantsika mpianatra tsirairay ny hahavita soa aman-tsara ny fianarana ety amin'ny Anjerimanontolo. Anisan'ny tanjona lehibe ato amin'ny fikambanantsika koa izany, miampy ny fanamafisana ny firaisan-kinan'ny mpianatra. Mifameno ny fahatratrarana ireo tanjona ireo ka tsy tokony hisy na dia iray aza azontsika odiana tsy hita. Vavolombelon'izany fifamenoana izany ireto zokintsika vao avy nanohana ny vokam-pikarohana androany ireto.(Mbola hoavy ny fotoana hijoroany vavolombelona fa miandry aloha isika😁)

🤝Andeha isika hanararaotra kely hiarahaba an'ireto zokintsika ireto, miaraka amin'ny teo alohany izay vao avy nahavita ny fanohanana voka-pikarohana tamin'ity taona ity koa. Miarahaba anareo nahavita dingana lehibe, mirary soa anareo ho tonga amin'ny ambony kokoa sy izay tanjona irina.

✨Hery ho antsika zandry ny fahitana azy ireo tafita. Miampy indray araka izany ny tahirin-kevitra hahafahantsika manohy ny fikarohana ataontsika.

✊Andao hifanohana hiakatra isika mba ho tonga toa azy ireo, mba ho samy hahatratra ny tanjony avy ny tsirairay ato anatin'ny fikambanana.



05/09/2026

TSY HO ELA

🇲🇬"MANDAN'NY MAHA MALAGASY"🇲🇬Toy izao ny fizotran'ny andro faharoa tamin'ny "salon de l'étudiant" nandraisan'ny Zanatseh...
04/09/2026

🇲🇬"MANDAN'NY MAHA MALAGASY"🇲🇬

Toy izao ny fizotran'ny andro faharoa tamin'ny "salon de l'étudiant" nandraisan'ny Zanatsehatra Malagasy anjara.




Address

Ankatso

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FMZaM: Fikambanan'ny Mpianatra ao amin'ny Zana-tsehatra Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share