05/11/2024
Ao daholo ve oooh๐
Miarahaba anao tongasoa
aza adino ny mizara annnn
05/11/2024
Ao daholo ve oooh๐
Satria na minitra iray ary tsy azon-tsika dinganina ety ambonin'ny tany
Dia ho araraotiko inty minitra ity hizarako tsiky ho anao hatrany
Tsiky avy amin'ny fo fa tsy akory hoe tsiky tsy ravo
Indray andro aho manko ho loa ka ny vatako ho rava
Amin'izay aho tsy afaka hitsiky ho anao intsony
Fa anjaran'ireo akaiky ahy no migogogogo manala fony ho ranomaso farany ho ahy
Hanandratra vavaka ireo mba ho fialantsasatrin'ny fanahy
izay efa godron'ny ady tety amin'ny izao tontolo izao
Izaho kosa hisidina hisantatra fiainam-baovao
Ary ianao ??
Maninona raha mba mitsiky
Maninona raha mba mifaly
Minia kely aloha mikipy adinoy any ireo jaly
Dia ireo lasa tsy nampahomby omaly
Arafeto ho tanatohatra hiakaranao rahampitso
Ambony ny heritsaina eee,tsy zava-poana ny fisiako
Mpandresy aho matoa tonga ety,mpandresy aho voaforona tao anatin'ny fitia
Mpandresy aho rahampitso raha lavo aho ny omaly
Ho volavolaiko ireo fijaliako mba hitondra ahy ho any amin'ny tontolon'ny fahombiazana
Satria ny antony hamboleko hitondra ahy ho any amin'ny fihotazana
Dia zay
Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao ๐๐๐
Mirosoa hasina daholo dia ho taona zina anie inty taona inty๐๐
Oroka mamy daholo eee๐๐๐๐ฅฐ๐
30/12/2022
ANDAO FA OMENDALANA
Raha toa ianao nahita olon-kafa ianteherana
Raha toa efa nahita ny andry hifaharana
Raha toa ka efa tojo ilay toky fanamperana dia....
....andao fa omendalana
Raha toa ka mahakosoka ny dinitrin'ny lasa
Na efa manampaika sy ketrika hisambarana
Raha te hikopakelatra hifikitra any ankafa diaaa....
... andao fa omendalana
Raha leo ny eto antoerana mbola anatin'ny ady
Raha leo inty mideza sy lalana fiakarana
Raha sahy handika mihintsy ireo toky sy voady dia
... andao fa omendalana
Raha tsy afa-po mihintsy amin'ny misy ampelatanako
Ka hangorin-damba handrafitra sampanana
Raha tsy mahay mionina amin'ny kely izay hananako diaaa....
... andao fa omendalana
Andao fa omendalana, ho arahiko tso-drano dia....
Mahaleova,mahalasana
maharena tokatrano
RAMANANTSIRESY
27/12/2022
Tsoriko mihintsy aloha f'izaho tia anao ee
Nahoana kosa aho no tsy tokony ho tara
Eta-mamiratra be tahakizao ve
Dia ahoana no handavako anao ry gitara??
RAMANANTSIRESY
taitra foana aho rehefa amin'ny ray maraina
Mantsy zatrazatra ilay niara niandry trano taminao
Eo mantsy no tapitra ilay ora fakana aina
Avieo mody mihosinkosina dia iny indray fa ndao๐๐๐๐คช๐คช
Rija Ramanantsiresy
20/12/2022
Hira
Aleoko aloha mihira hanadinoina anao
Dia miheritreritra aho hoe inona ny hira mba mety hampamiran'inty tavako efa otsaka??
Inona ny hira mba mety hampilamina inty fo mangotrangotraka kilan'ny fisarahana???
Hiran'izao tontolo ve sa hiram-pivavahana no ho antsaiko mafy be ??
Ahoana moa ilay hoeee....
..Enganie ho sendra mamolava ianao,mpamono vady
Miala antrano latsinainy tsy hody raha tsy alahady...
Mety kosa angamba eee!!!aleo izay no hanaovana azy
Rija RAMANANTSIRESY
12/12/2022
TIAKO IANAO NY TENA MARINA
Andalan-tsora-bitsivitsy
taratasy iray manify
Penina iray mikorisa
somary mitampifimpify
Izay sadaikatra ny hilaza,
vahobahotra ny vava
Hilaza izay mba hetahetany
Sy izay efa mba niaretany
Tanatin'ny izay ela izay
F'ianao ilay tovovavy iray
Mba nahasarika ny foko
Ianao ilay tovovavy iray
Notiaviko antsokosoko
Sy tamin'ny foko manontolo,
Tamin'ny fomba rehetraretra,
Tanatin'ny Ora tsy voafetra
Ka na tamin'ny toerana naleha
Na tamin'ny zavatra natao
Dia nitiavako anao...
Efa ela ka tsy zaka
Aleo lazaina sao handratra
Sy hanaki-pery tsy hay fantarina
Tiako IANAO ny tena marina.
-Rija RAMANANTSIRESY-
07/12/2022
Tsy hampanantena anao vola-mamiratra aho
Tsy hanome izay tsy ho vitan'ny tena
Raha hoarina mantsy dia firaka aho
Fa manam-pitia volamena
Tsy hanakatra ho anao ny habakabaka
Tsy hahatakatra ho anao irony kintana
Fa manampitiavana miavaka aho
Fitia izay tsy hita ho faritana
Na ihanikoa hoe fitia tsy voafetra
Irony volana sy ny etsetra
Na ny rivotra sy ny tontolony
Dia tsy azoko atao amboletra
Na koa ho bataina ampolony
Hanambazako anao ho tia ahy
Ny tendrombohitra sy lohasahy
Na ny lemaka sy ny havoana
Na ho ino karazam-panahy
Abosesiko hiseho anoloana
Dia tokana no azoko omena
Tokana no azoko omena
Sy atolotro anao rรฉ ra havako
Dia ilay mivelona anatin'ny tena
Ambongadiny ho anao ny fitiavako
-RIJA RAMANANTSIRESY-
24/11/2022
LASANY IANAO ILAY NIRIKO
Mahatsiaro ny fony fahazaza eee
Ilay kilalao tamin'ny ireny
Izaho ilay natsoina hoe dada
Dia ianao ilay natao hoe neny
Biriky no seza sy fanaka
Ravinkazo no vola ampiasaina
Vorodamba ny atsika no zanaka
Omenao nono raha hoe mitaraina
gony no natao tafo
Ny rindrina indray ravinkazo
Tao isiaka no nitaninafo
Sy nitonotono mangahazo
Tadidinao ilay mariazy???
Isiaka ilay mba namasinina
Rovi-boaly no nanaovana azy
Sy girilandy amin'ny ravinkininina
Ianao izao any efa mitaiza eee??
Mikarakara ireo ankohonana
Mantsy efa tsara sakaiza
Sy nanana fahavononana
Izao akia mbola miandry ann!!
Mbola miandry ilay tia ahy sy tiako
Mbola miforitra miondan-tsandry faa...
.. lasany ianao ilay niriko
โ๏ธ Rija Ramanantsiresyโ๏ธ
Ela ela izay zareo annn๐๐
Te hamoaka tononkalo vaovao indray aho izany๐