Kianja BAREA Mahamasina

Kianja BAREA Mahamasina

Share

"Ny herintsika, ny reharehantsika"
"Un stade, une nation, notre victoire"
"Stronger Together"

06/08/2026

🇨🇳🤝🇲🇬 TSENABE SINO-MALAGASY 2026

Tongava mitsidika ny TSENABE SINO-MALAGASY, tsena lehibe mampivondrona vokatra maro samihafa avy eto Madagasikara sy Sina.

Hahita asa tanana, fitafiana, kiraro, kosmetika, fitaovana an-dakozia, kojakoja isan-karazany, entana fampiasa andavanandro, ary vokatra maro hafa ianareo.

📅 24 ka hatramin'ny 27 Septambra 2026
📍 Parvis P1 – Kianja Barea Mahamasina

Fotoana tsy tokony hohadinoina hahitana vokatra tsara kalitao amin'ny vidiny mirary sy hiainana tontolo feno fifanakalozana ara-barotra sy fiaraha-mientana.

📞 Fifandraisana : 038 97 880 32 / 038 50 881 11
📧 Email : [email protected]

✨ Tongava maro ary aza adino ny manasa ny havana sy namana!

Photos from Kianja BAREA Mahamasina's post 03/08/2026

Merci pour votre confiance !

Toute l'équipe de Kianja Barea Mahamasina adresse ses sincères remerciements à tous les motards et automobilistes qui nous font déjà confiance en choisissant nos parkings.

Grâce à vous, nos espaces de stationnement sont chaque jour plus vivants et contribuent à faire de Kianja Barea un lieu pratique, sécurisé et accueillant pour tous.

🚗🏍️ Et ce n'est que le début !

Pour encore plus de confort et de sérénité, notre service d'abonnement reste disponible. Profitez d'une place de stationnement en toute simplicité, gagnez du temps et bénéficiez d'un accès privilégié tout au long de l'année.

✨ Rejoignez dès aujourd'hui la communauté des abonnés Kianja Barea Mahamasina 🇲🇬 !

Venez en masse souscrire à votre abonnement et profitez d'un stationnement pratique, sécurisé et adapté à vos besoins.

Parking Kianja Barea Mahamasina : Votre parking de confiance, au cœur de la ville.

Photos from Kianja BAREA Mahamasina's post 28/07/2026

☀️ FIALAN-TSASATRA IZAO… FA NY FANAZARAN-TENA TSY MIALA SASATRA! 💪🇲🇬

Mitohy misokatra ho anareo hatrany ny Kianja Barea Mahamasina mandritra izao fialan-tsasatra izao. Raha te hihazona ny vatana ho salama, hanatsara ny fahaiza-manao, na hifaly miaraka amin'ny namana ianao, dia eto no toerana mety indrindra!

⚽ Kianja baolina kitra
🏀 Kianja basikety
🌿 Toerana malalaka ahafahana miala sasatra
🎱 Ary mazava ho azy, kianja filalaovana Tsipy Kanety Be ho an'ireo rehetra tia ity taranja ity!

🏆 Tompon-daka Eran-tany amin'ny Tsipy Kanety Be i Madagasikara! Izany no reharehan' antsika rehetra. Koa raha isan'ireo mpankafy Tsipy Kanety Be ianao, na te hianatra sy hanatsara ny fahaizanao, dia efa vonona handray anao ny Kianja Barea Mahamasina.

🔥 Mba hahafahanao manazatra tsy tapaka dia mbola misy hatrany ny tolotra Abonnement. Midira ho mpikambana, ary ankafizo ny fotodrafitrasa amin'ny fomba mora sy mahasoa kokoa.

📍 Aza avela handalo fotsiny ny fialan-tsasatra.
Ataovy fotoana hanamafisana ny vatana, hanatsarana ny talentanao ary hankafizana ny fanatanjahan-tena.

Na irery, na miaraka amin'ny namana na ny fianakaviana. Misokatra ho an'ny rehetra ny Kianja Barea Mahamasina.

Aza misalasala ary miantso ny laharana 038 50 881 11 / 038 97 880 32

💙 Kianja Barea Mahamasina: Eto no hanorenana ny tanjaka, ny finiavana ary ny ho avin'ny fanatanjahan-tena malagasy. 🇲🇬

27/07/2026

Noho ny antony ara-teknika sy fandaminana dia nahemotra ny TSENABE SINO-MALAGASY.

📅 Daty vaovao : 24 – 27 Septambra
📍 Parvis P1 Kianja Barea Mahamasina

✨ Misaotra anareo hatrany amin'ny fahavononana

Manan-kery hatrany ny vola famandrihana efa voaloha
Contact : 038 50 881 11 / 038 97 880 32

Photos from Kianja BAREA Mahamasina's post 23/07/2026

🏡 FOIRE TRANO 2026 EFA MISOKATRA AO AMIN'NY KIANJA BAREA MAHAMASINA!

Anio no manomboka ny Foire TRANO, ary hitohy hatramin'ny 26 Jolay 2026 ao amin'ny Kianja BAREA Mahamasina.

Mitadiava vahaolana ho an'ny tetikasanao rehetra momba ny tany, trano ary fanorenana. Hihaona mivantana amin'ireo mpandraharaha sy matihanina amin'ny sehatry ny trano fonenana ianao, hahazo torohevitra, tolotra ary fahafahana maro hanatanterahana ny nofinofinao.

📅 23 – 26 Jolay 2026
📍 Kianja BAREA Mahamasina

Na mikasa hividy tany ianao, hanorina trano, hanavao trano, na hitady fitaovana sy serivisy, dia eto no fotoana tsara indrindra.

Tongava maro fa tsy misy vidim-pidirana! 🙌🏡

Photos from Kianja BAREA Mahamasina's post 22/07/2026

🌳 Misokatra hatrany ho anareo ny Kianja Barea Mahamasina. 💚

Nandritra izao fotoam-panadinana Baccalauréat izao, maro taminareo no nisafidy ny toerana maitso eto amin'ny Kianja Barea Mahamasina mba hialana sasatra am-pilaminana, na hanohanana ireo mpiadina.

🙏 Misaotra anareo rehetra nandalo sy nifidy ny Kianja Barea ho toerana hiatoana sy hialana sasatra. Faly izahay mandray anjara, na dia amin'ny fomba tsotra aza, amin'ny fanomezana toerana milamina sy mahafinaritra ho an'ny rehetra.

📚 Efa manakaiky ny fiafaran'ny fanadinana. Koa dia mirary fahombiazana ho an'ireo mpiadina rehetra izahay. Enga anie mba ho valin'ny ezaka sy ny fianarana nataonareo ny vokatra ho azonareo.

🏟️ Misokatra hatrany ny varavaran'ny Kianja Barea Mahamasina. Tongasoa foana ianareo!

Mirary soa ho an'ny mpiadina rehetra!🇲🇬

20/07/2026

🇲🇬🤝🇨🇳 TSENABE SINO-MALAGASY ETO AMIN'NY KIANJA BAREA MAHAMASINA! 🛍️✨

Vonona indray ny Kianja Barea Mahamasina handray anareo amin'ny TSENABE SINO-MALAGASY, hetsika ara-barotra lehibe ahafahanao mahita vokatra isan-karazany amin'ny vidiny mirary!

📅 Daty :
🗓️ 30 - 31 Jolay 2026
🗓️ 01 - 02 Aogositra 2026

📍 Toerana : Kianja Barea Mahamasina

🛒 Ho hitanao ao:
✨ Akanjo sy kiraro
📱 Finday sy kojakoja elektronika
🍳 Fitaovana an-dakozia
💄 Kosmetika sy vokatra fikarakarana tena
👜 Asa tanana sy kojakoja maro samihafa
🎁 Ary vokatra maro hafa miandry anao!

Na hitady izay ilainao andavanandro ianao, na hitady fanomezana, na te hijery ny vaovao eny an-tsena fotsiny, dia ity no fotoana mety indrindra!

👨‍👩‍👧‍👦 Tongava miaraka amin'ny fianakaviana sy ny namana, manohana ny mpivarotra sy ny mpandraharaha ary mankafy tsena lehibe feno tolotra sy fahafahana.

📍 Kianja Barea Mahamasina
📅 30 - 31 Jolay | 01 - 02 Aogositra 2026

Aza adino ny fotoana! Miandry anao izahay! ❤️💚🤍

20/07/2026

🎓 MIRARY FAHOMBIAZANA HO AN’IREO MPIANATRA MIATRIKA NY FANADINANA BACCALAURÉAT 2026! 🇲🇬

Ny Kianja Barea Mahamasina dia mirary fahombiazana ho an'ireo kandidà rehetra manerana an'i Madagasikara hiatrika ny fanadinana Baccalauréat 2026.

📢 Fampahafantarana manokana ho an'ireo kandidà eto ANTANANARIVO :

🅿️ MAIMAIM-POANA ny fampiasana ny Parking P2, eo anoloan'ny Sainte Famille, ho an'ny kandidà rehetra , hatramin'ny andro farany amin'ny fanadinana.

➡️ Ny zavatra ilaina dia ny mampiseho ny Convocation-nao amin'ny Baccalauréat.

🌳 Afaka misitraka ihany koa ny espaces verts ao amin'ny Kianja Barea Mahamasina ianareo mba hialana sasatra na hisakafoanana eo anelanelan'ny fanadinana.

♻️ Koa mangataka antsika rehetra mba hitandro ny fahadiovana sy hanaja ny toerana ampiasaina, mba hahafahan'ny rehetra misitraka tontolo madio sy mahafinaritra.

Mino izahay fa ny ezaka nataonareo no hitondra anareo ho amin'ny fahombiazana.

Mirary soa ary tompoko!! 🇲🇬🎓

Photos from Kianja BAREA Mahamasina's post 17/07/2026

🏨✨ À la recherche d'un hôtel qui allie confort, élégance et cadre exceptionnel ? Bienvenue au Barea Hotel ! ✨

Offrez-vous une expérience unique au cœur de Mahamasina, dans un hôtel moderne où chaque détail est pensé pour votre bien-être. Que vous soyez en voyage d'affaires, en escapade romantique, en famille ou entre amis, nos chambres vous garantissent un séjour tout en confort.

📸 Le petit plus ? Le Barea Hotel Mahamasina est totalement Instagrammable ! Chaque espace est conçu avec un style moderne et chaleureux, parfait pour capturer de magnifiques photos et partager vos meilleurs moments sur les réseaux sociaux. ✨📷

🌟 Pourquoi choisir le Barea Hotel ?
✅ Chambres modernes, élégantes et climatisées
✅ Literie confortable pour des nuits paisibles
✅ Connexion Wi-Fi
✅ Emplacement stratégique à Mahamasina au sein du Stade Mythique de Madagascar
✅ Cadre calme et raffiné
✅ Service accueillant et professionnel
✅ Des espaces qui donnent envie de sortir son téléphone à chaque coin de l'hôtel 📸

💼 Que ce soit pour une nuit, un week-end ou un long séjour, faites de votre passage à Antananarivo une expérience inoubliable.

📞 Réservez dès maintenant :
📱 037 88 228 90
📱 034 64 354 45

💬 WhatsApp : 037 29 015 14

📧 [email protected]

✨ Barea Hotel Mahamasina : Plus qu'un hôtel, une expérience inoubliable au coeur de Mahamasina. 🌟

Photos from Kianja BAREA Mahamasina's post 16/07/2026

🍽️ Votre prochain restaurant mérite une adresse d'exception !

✨ L'espace Restaurant de Kianja Barea Mahamasina est à la recherche de sa nouvelle famille.

Offrez à votre projet un cadre moderne, spacieux et idéalement situé, dans un environnement pensé pour accueillir vos futurs clients.

🌿 Avant même d'entrer dans le restaurant, vos visiteurs profiteront d'un agréable espace vert, parfaitement entretenu, propice à la détente et aux moments de convivialité.

🔒 Pour votre tranquillité et celle de votre clientèle, le site est entièrement sécurisé par un système de caméras de surveillance.

📍 Emplacement stratégique
Situé en face de l'école Sainte Famille Mahamasina, Entrée P2, un secteur dynamique et facilement accessible.

Ce que vous offre cet espace :

✅ Grande surface lumineuse
✅ Baies vitrées offrant une belle visibilité
✅ Espaces intérieurs modernes et fonctionnels
✅ Grand parking à proximité
✅ Espace vert aménagé et entretenu
✅ Site sécurisé 24h/24 par vidéosurveillance
✅ Adresse de prestige au cœur de Mahamasina

💼 Que vous souhaitiez créer un restaurant gastronomique, un café, une brasserie, un lounge ou un concept innovant, cet espace est prêt à accueillir votre vision.

🏡 Votre restaurant mérite une nouvelle adresse... et cet espace cherche sa nouvelle famille.

📞 Contactez nous dès aujourd'hui pour organiser une visite et découvrir tout son potentiel.
Tel : 038 50 881 11 / 038 97 880 32

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo
101