01/09/2026
๐ฉ๐๐๐๐ข ๐๐ง๐ฅ๐๐ ๐๐ก'๐ก๐ฌ ๐๐๐ฅ๐๐ก๐ฌ ๐๐ ๐๐ง๐ฌ ๐๐๐๐ฌ ๐๐๐ก๐๐๐ฌ ๐๐๐ง๐ข ๐
โ
VATANA (HITA-MASO)
Rehefa tonga ny maraina,mitroka rivotra miantsinanana.
Misaotra ilay Nahary,fa mbola miaina tafatsangana.
Manetsika ilay vatana , tomady salama tsara.
Mivonona hamita adidy ,fa hanoratra tantara.
โ
Rร
Mihaino ny fahatsapana,ny hafanana maka herijika.
Mitazana ireo dindo ,na ilay aloka ,double etherique.
Misintona manatsara ,maka hovitra na vibration .
Mikolo vatana ,mamboatra fo , mba hazava tsara ilay corde d'argent.
โ
Fร
Mampita ireo nofy ,mivoaka any an'habakabaka.
Mamboatra ny fihetsehampo ireo toetra tsara manova zavatra.
Manala ireo ratram-po mba hivadika fifaliana.
Manova ny endriko ,mba ho lasa izy ilay fanirina.
โ
SAINA
Ity vatako fahaefatra iangonan'ny eritreritro.
Na ilay tena izy na ilay noforoniko mivoaka toy izay fihevitro.
Izy no mampifandray ahy amin'ireo taovako.
Io no mampivoatra ahy sy ny aram-panahiko.
โ
TENY (@ ALALAN'NY VAVA)
Ilay boรฎte fahadimy ,mpanangona ireo efa vita.
Ivontoerana iray mitantana ny karma antsika
Noho izany fantenina ireo teny izay lazaina.
Ny fihetsika ,fanao ,eritreritra hatsaraina.
โ
Christique - Bouddhique (MAITRE GOAVANA INDRINDRA)
Rehefa tonga saina te ho lafatra indrindra.
Mandrato fahendrena ,manitsy ny famindra.
Ilay vatako faha-enina ,tsy manana ahiahy.
Mitarika ,mitantana ,manoro ara-panahy.
โ
Atome divine. ou Atmique (Mifandray tanteraka Nahary, Misy Pouvoir ianao)
Fa ilay Izy ,Ilay Izaho no Sombiny.
Mifandray isan'andro aloha efa tombony.
Alavitra kanefa akaiky,eo ambony kely eo.
Sady mafy no malemy no eo antampo-dohako eo.
๐บFa any aho , fanahy mitondra vatana !
Ho esoriko daholo izay rehetra mety ho sakana ! Mandroso hatrany satria tsy misy afaka hanakana . Aleo manjohy manohy hitohy ohatry ny vakana !.
Xena Zen Aom
๐๐ผ๐ฎ๐ฐ๐ต ๐๐๐น๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฑ