RHE rakoto

RHE rakoto

Share

Poeta

09/01/2025
09/12/2024

Rehefa ho avy ny fotoana
Hery rakoto

15/11/2024

Hery rakoto

ILAY HAMPAKARIKO

14/11/2024

Hery rakoto

Photos from RHE rakoto's post 20/08/2022

ILAY SILAKA FANAHY
Injay mibitsika ao anaty
Toa manpahankona Avelo
Misiosio ila tsy ho tanty
Ry silako tsy ambara telo

Ny Fanahy dia kotrakotra
Sy mihikika tsy hita lany
Ka Iza moa no ho ontraontra
Izany any anaty lalina any.

Toa ny nofo no nafoy
Ka ny Fanahy indray misaona
Satria tapaka ilay nitohy
Ka nisaraka ho fona.

Ranomaso ny tsy hita
Mikodana any anaty
Eny tsy mba mety ho Vita
Raha tsy tampitra ho faty.

Fa nisasaka Fanahy
Nitsinjara ho any hafa
Tsy maintsy izay na dia manahy
Ka dia nody ho samy hafa.

Any ho any nitoetra
Izato ilako tsy ho Ahy
Tafatombona ho voafetra
Ilay SILAKA FANAHY.
Hery RAKOTO
17/08/22
09 ora alina
Belanitra

17/07/2022

𝑨𝒍𝒂𝒉𝒆𝒍𝒐

Raha tonga ilay ora tsy maintsy hidona :
Ny fahafatesana hitaky ny aiko,
Ny fasan-tsy mihaino ny foko mifona —
izao no iriko ho hany mba baiko :

Ny maso hikimpy tsy mba hitomany
Ny mba halahelo ny fahadalana
Izay raisin’ny maro ho didin’ny tany,
Toaviny ho didy sy ataony lalàna…

Fa handrotsaka kosa tomany mangina
Tomany voavonton’ ny aiko rehetra,
Ho enti-manao : veloma, masina,
Ny soa nokasaina hanova ny toetra.

Ny molotro, hikombona anisan’ny maty.
Tsy mba hitanisa ny zava-mahory,
Na hametraka adidy, ny sento tsy tanty !
Ambonin’ny vintana atao : sorisory !

Fa hiteny malemy, toa amin’ny foko,
« Tsy izy no diso, na azo disoina,
Raha toa aho very sy feno toloko !
O ! Izy niantso, fa izaho tsy nanoina ! »

𝑻𝒓𝒊𝒔𝒕𝒆𝒔𝒔𝒆
Quand sera l’heure inéluctable,
La mort réclamant ma vie,
La tombe qui n’écoute mon cœur implorant —
Voici mon désir et seul ordre :

Les yeux qui se ferment n’iront pleurer
Les tristesses et les folies
Que le nombre prend comme normes
Et que tous érigent en règles et lois de ce monde…

Mais seront versées des larmes de silence,
Des larmes que ma vie aura alourdies,
Pour dire ceci : au revoir, soyez bénis,
Le bien que l’on a projeté changera les âmes.

Mes lèvres qui se ferment seront des morts.
N’iront énumérer les choses bien tristes,
N’imposeront devoirs et soupirs bien trop lourds !
Les actes au-dessus du sort : ne sont que tracas !

Mais elles, mes lèvres, comme de mon cœur, murmureront :
« Ce n’est pas de sa faute, et nul n’a le droit de lui donner tort
Si je me suis perdu et me suis empli de tristesse !
Ô ! Son appel fut, mais c’est moi qui n’ai point réagi ! »

(𝑇𝑟𝑎𝑑𝑢𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑑𝑒 𝐽𝑒𝑎𝑛-𝐿𝑢𝑐 𝑅𝑎ℎ𝑎𝑟𝑖𝑚𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎)

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Ankadikely Ilafy (crai)
Antananarivo
250802