Parents Fanantenana ASF

Parents Fanantenana ASF

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Parents Fanantenana ASF, Sports Club, Maibahoaka, Antananarivo.

26/05/2026

MANDROSO MIARAKA AMIN'I JESOA HATRANY.

Misaotra ny mpilalao rehetra sokajy SENIOR ato amin'ny AS FANANTENANA nanomeha ny tsara indrindra hatrany, tsara ny ezaka ary mendri-piderana ny toe-tsaina feno fahendrena, efa azo lazaina fa tratra ny tanjona, manana olom-banona isika ahafahana manomana tsara ny hoavy.

MIVERINA MIKOTRANA NY ZOMA SY SABOTSY AMIN'NY 04 ORA SY 30 MINITRA NY SENIOR ARY NY KATITA NY SABOTSY MARAINA @ 06 ORA SY 30 MINITRA.

21/05/2026

COACH NA MPANABE.

Andraikitra tena goavana ny fampianarana baolina kitra na hoan'ny KATITA io na hoan'ny sokajy lehibe satria ny hoavin'ireo mpilalao ireo no hovolavolaina, ny tanjona hiombonana dia ny hahatonga olom-banona, andry hiankinan'i Dada sy Mama an'ireo mpilalao, rehefa ao ny fahendrena dia afaka mino sy mahatoky isika mpanabe fa tsy sarotra ny lalan'ireo mpilalao ho-matihanina amin'izay efa nofiny hatrizay.

Mpandresy isika mpanabe rehefa tafapetraka amin'ny mpilalao ny fahaizana mijery alavitra, ny fitsinjovany ny hoaviny.

Betsaka anefa ny sehatra misintona azy ireo hiverina dia eo no tena hilaina antsika mpanabe ny mijoro hatrany, manoro azy ireo, mibedy azy ireo ary tena ilaina ny firaisan-tsaina amin'ny Ray AmanDreny satria SOA iombonana ny hoavy mamiratra.

Dia ny tena zava-dehibe dia ny MIVAVAKA HATRANY, mila miraiki-po amin'i JESOA lalandava isika, ny ezaka rehetra tsy misy hovery maina rehefa mitafy an'i JESOA.

MANDROSO MIARAKA AMIN'I JESOA

21/05/2026

MANDROSO MIARAKA AMIN'I JESOA HATRANY.

Efa mby akaiky ny fotoana, ny baolina kitra dia mitaiza ny toe-tsain'ny mpilalao ahay hifikitra ary hanana fahavononana hatrany manoloana ny toe-java-misy rehetra.

AS FANANTENANA manomeha fotoana antsika eny Mahitsy ny Sabotsy hoavy izao amin'ny 12 ora sy 30 minitra.

20/05/2026

Match ligue 1 Analamanga, Eny amin'ny kianja Mahitsy ny lalao hifandrianan'ny ekipantsika amin'ny FIVE FC, ny Sabotsy hoavy izao amin'ny 12 ora sy 30 minitra.

Mandroso miaraka amin'i Jesoa hatrany.

18/05/2026

MANDROSO MIARAKA AMIN'I JESOA HATRANY.

Tsy miova ny fandaharam-potoana amin'ny kotrana, ny TALATA - ALAROBIA - ALAKAMISY - ZOMA - SABOTSY amin'ny 04 ora sy 30 minitra ny SENIOR.
NY KATITA amin'ny 06 ora sy 30 minitra ny SABOTSY.

MIRARY SOA NY REHETRA.

17/05/2026

Resy isika tamin'ny lalao nifandrianana tamin'ny fileovana Premium, arabaina ny mpifanandrina Dia Misaotra ny mpilalao ato amin'ny AS FANANTENANA fa tena mendri-piderana ny lalao antsika, maro ny Zavatra hatsaraina amin'ny lalao manaraka.
Mankasitraka Anareo staffs sy Ray AmanDreny rehetra ihany koa fa tena Hery lehibe hoan'ireo mpilalao antsika ny fanohananareo, tsy adino ihany koa ianareo sokajy Katita Tonga maro nanohana ny zokinareo, mankasitraka amin'ny firaisankina.

Mandroso miaraka amin'i Jesoa hatrany.

16/05/2026

MANDROSO MIARAKA AMIN'I JESOA HATRANY.

Mamerina ny fisaorana hoan'ny mpilalao rehetra ato amin'ny AS FANANTENANA, porofoinareo ilay fitiavanareo ny ekipantsika ary hita taratra fa manana ilay tanjona ianareo, tohizo hatrany io toe-tsaina feno fahavononana io ahafahantsika mandresy eo amin'ny andavan'androm-piainantsika.

Tena hoe FENO FANANTENANA isika amin'ny hoavy.

13/05/2026

« Ce n'est pas la taille du joueur qui compte, mais la grandeur de son cœur ❤️».

Nous serions ravi de vous compter parmi nos spectateurs pour ce match🔥🔥⚽⚽.
Venez nombreux encourager nos joueurs. 🥰💚💛💚💛⚽⚽

Mandroso miaraka amin'i Jesoa hatrany.

Photos from Parents Fanantenana ASF's post 11/05/2026

MANDROSO MIARAKA AMIN'I JESOA HATRANY.

Mitohy hatrany ny fanomanan'ny sokajy SENIOR, ny TALATA - ALAROBIA - ALAKAMISY - ZOMA ARY SABOTSY amin'ny 04 ora sy 30 minitra ny maraina.

Ny sokajy KATITA dia ny SABOTSY MARAINA amin'ny 06 ora sy 30 minitra.

Photos from Parents Fanantenana ASF's post 08/05/2026

Nous remercions JESUS pour cette récompense grandiose tout au long de ces 33 années d’existence, enfin, AS FANANTENANA va collaborer avec la firme GARDEN & DESIGN, Nous, tous les membres tant staffs que joueurs que parents, tenons particulièrement à remercier vivement Monsieur Lauret Mickaël et toute l’équipe de GARDEN & DESIGN, la coopération va loin que la couleur commune, nous nous battons pour une cause commune, c’est et sera de former des citoyens responsables par le biais du football et la prise en charge de l’environnement.

L’environnement sain garanti l’épanouissement de chacun.

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Maibahoaka
Antananarivo