Fédération Malagasy de Handball

Fédération Malagasy de Handball

Share

Page officielle de la Fédération Malagasy de Handball - FMHB

Photos from Fédération Malagasy de Handball's post 04/06/2026

📸 Topi-maso an-tsary ny IHF Trophy Zone 7 2026

Tontosa soa aman-tsara tao anatin'ny firaisankina sy
ny herin'ny fanatanjahantena ny fifaninanana!
Manomboka amin'ny fiezahan'ireo mpilalao eny
ambony kianja, ny hafanam-pon'ireo mpankafy nanamasina ny kianja, hatramin'ny fahaiza-mitantana nasehon'ireo mpitsara sy ny mpitantana, ny mpiaramiombonantoka ofisialy Yas Madagascar sy ny mpanohana rehetra tsy ankanavaka, samy nitondra ny anjara-biriky nampamirapiratra iny hetsika iny avokoa ny rehetra.

Indro atolotra anareo ny sary nanamarika ny dingana rehetra sady namoaka ny hambom-pom-pirenena. Iraisana ny tantara, ary mbola hitohy any amin'ny dingana manaraka ny rindra sy ny ezaka!

#|HFTrophy2026

Photos from Fédération Malagasy de Handball's post 02/06/2026

🇲🇬 FANDRESENA ROA HO AN’I MADAGASIKARA! 🇲🇬

Andro lehibe ho an’ny handball malagasy! Nahazo fandresena avokoa ny ekipam-pirenena roa misolo tena an’i Madagasikara tamin’ny IHF TROPHY 2026.

🔥 Madagascar 44 – 30 Mayotte (Juniors)
🔥 Madagascar 40 – 30 La Réunion (Cadets)

Vokatry ny firaisankina, ny fahafoizan-tena ary ny finiavan’ny mpilalao sy ny mpanazatra izany zava-bita izany.

Misaotra ireo mpanohana rehetra izay mijoro miaraka amin’ny ekipam-pirenena. Mbola mitohy ny dia, ary mbola hiady hatramin’ny farany isika hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara. 💚🤍❤️




01/06/2026

IHF TROPHY 2026 - ZONE 7

Fandresena goavana poadroa azon'ny AKIO


MADAGASIKARA 40 - 30 LA REUNION


MADAGASIKARA 44 - 30 MAYOTTE

Yas Madagascar

31/05/2026

IHF TROPHY 2026

FINALE U18
LA REUNION vs MADAGASCAR

31/05/2026

IHF TROPHY 2026

SEYCHELLES vs COMORES
3EME PLACE

31/05/2026

IHF TROPHY 2026

MAYOTTE vs COMORES
3EME PLACE

Photos from Fédération Malagasy de Handball's post 31/05/2026

🏆 IHF TROPHY AFRICA ZONE 7 – 2026

Nifarana omaly ny lalao manasa-dalana, ary tafakatra amin’ny dingana famaranana avokoa ireo ekipam-pirenena malagasy roa tonta, na eo amin’ny sokajy Cadets (U18) na eo amin’ny Juniors (U20). 🇲🇬

🔥 Anio no fotoana hanoratana tantara sy hiadiana amin’ny anaram-boninahitra.

Manentana ny Malagasy rehetra hiara-hanohana sy hampirisika ireo solontenantsika amin’izao dingana farany izao.

Miray hina, manohana ny ekipam-pirenena! 🇲🇬🤾‍♂️





🇲🇬🏆

Photos from Fédération Malagasy de Handball's post 30/05/2026

Fampahafantarana ny ekipa mpandray anjara amin’ny IHF Trophy 2026

Ireto avy ireo ekipa miatrika ny fifaninanana IHF Trophy 2026. Vonona ny hiaro ny voninahiny sy hampiseho ny talentany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo.

Mirary fahombiazana ho an’ny mpilalao sy ny mpikambana rehetra ao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy izahay mandritra izao fifaninanana izao.

Photos from Fédération Malagasy de Handball's post 30/05/2026

IHF TROPHY 2026
Voka-dalao omaly sy ny dingana manasadalana androany.

Tonga ny dingana manasadalana.
Isika rehetra hiaraka hanohana ny ekipampirenena.


Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Antananarivo
101