COACH Berindra

COACH Berindra

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from COACH Berindra, Sports & Fitness Instruction, ANKATSO, Antananarivo.

08/05/2026

Mitohy ny fanomanana 2e phase concours POLICE. Tongava izay vonona.
COACH Berindra

30/04/2026

Satria fanabeazana ny fiainana dia nisafidy ny hizara ity izahay.
VAHAOLANA:
👉 Isan'ny fianarana ny tsy fanaovana hosoka ary voararan'ny lalàna
👉Mampigadra ny fisolokiana sy fanaovana hosoka na ny endrika firaisana tsikombakomba am'zay.
👉 Mianara ka izay tena fahaizanao no asehoy arakzay.
👉Tsisy tara izany na efa lehibe aza hianao vao miverina mianatra ary efa maro ny fomba afahanao manao izany amzao andron'ny nomerika izao.

Photos from COACH Berindra's post 29/04/2026

📱 FIHODINANA FAHAROA AMIN'NY FIFANINANANA HIDIRANA HO MPIANATRA HO POLISIMPIRENENA TAONA 2025

đŸ”č Ireo mpiadina afaka tamin’ny fihodinana voalohany ihany no hiatrika ny fihodinana faharoa.

📅 Datin'ny fanadinana : Alakamisy 28 sy Zoma 29 Mey 2026

📍 Toerana :
â–Ș Ho an’ny mpiadina niatrika izany tamin’ny foibem-panadinana ivelan’Antananarivo dia manatona ny « Direction RĂ©gionale de la SĂ©curitĂ© Publique » (DRSP) amin’ny renivohim-paritany (TOAMASINA, ANTSIRANANA, MAHAJANGA, FIANARANTSOA, TOLIARA) misy ny Foibem-panadinana niatrehana izany tamin’ny fihodinana voalohany.

â–Ș Ho an’ny mpiadina tao amin’ny foibem-panadinana ANTANANARIVO kosa dia manatona ny « Service Central du Recrutement » (DRH/SCR) Anosy ;

đŸ©ș Visite mĂ©dicale (CM2) :
â–Ș Ny “Fiche MĂ©dicale” (CM2) dia azo atao avy hatrany ary azo raisina atao “Photocopie” ao amin’ny Foibem-panadinana amin’ny renivohim-paritany teo aloha na alaina amin’ny “site web de la Police Nationale Malagasy” : https://www.pn.gov.mg. na koa ao amin'ny "Facebook" pejy "POLISIM-PIRENENA MALAGASY" ary entina amin’ny “Centre Hospitalier de RĂ©fĂ©rence” na “Centre Hospitalier Universitaire” irery ihany ;

â–Ș Ny “Fiche MĂ©dicale” (CM2) dia entina amin’ny hopitalim-panjakana Centre Hospitalier de RĂ©fĂ©rence (CHR) na Centre Hospitalier Universitaire (CHU) ary fenoin’ny dokoteram-panjakana. Rehefa voahidy tsara anaty valopy dia entin’ny mpiadina ary angonina mandritra ny andro hanaovana ny fanadinana fihodinana faharoa. Arak’izany, tsy mahazo manao adina am-bava ny mpiadina tsy mitondra ny CM2.

📏 Contre-toise :
âžĄïž Manatanteraka ny “Contre-Toise” ny mpiadina rehetra ny ALAROBIA 27 MAY 2026.

✔ Marihina fa hisy fandaharam-potoana isaky ny « Groupe de candidat » mandritra ireo daty ireo hanatontosana ny adina tsirairay ;
Mandritra ny fotoam-panadinana fihodinana faharoa dia tsy maintsy mitondra ny "Convocation" izay nampiasaina tamin’ny fanadinana fihodinana voalohany sy ny "Carte d'IdentitĂ© Nationale".

📋Lisitry ny mpiadina efa voazara anaty “Groupe de candidat” miaraka amin’ny fandaharam-potoana hanatanterahana ny fanadinana fihodinana faharoa dia azo jerena manomboka ny ZOMA 22 MAY 2026 ao amin’ny « Service Central du Recrutement » (SCR) Anosy Antananarivo sy any amin’ny DRSP amin’ny renivohi-paritany misy ny foibem-panadinana iadinan’ny mpiadina.

📌 Ny lisitra sy ny fandaharam-potoana dia ho hita manomboka ny Zoma 22 Mey 2026 eny amin’ny SCR Anosy sy DRSP rehetra.

â„čRaha mila fanazavana fanampiny dia manatona ny "Service Central du Recrutement” Anosy Antananarivo na ny "Direction RĂ©gionale de la SĂ©curitĂ© Publique (DRSP)" isam-paritra.

Photos from COACH Berindra's post 24/04/2026

📱 FIFANINANA HIDIRANA MPIANATRA HO POLISY : NIVALY ANDROANY NY DINGANA VOALOHANY.

đŸ‘źâ€â™‚ïž Nivoaka ny valin'ny fifaninanana hidirana ho Polisy dingana voalohany. Arahabaina hianareo 694 mianadahy afaka tamin'iny dingana vialohany iny.

📍 Azonao jerena eny amin'ny Minisiteran'ny Filaminambahoaka Anosy, ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka sy eny anivon'ny kaomisaria akaiky anao izany.

📅 Ho ampitaina eto ny andro voatondro hanaovana ny fifaninanana dingana faharoa sy ny pitsopitson'ny fandaminana.

Izahay dia manomana ny 2e phase raha liana hianao. Manomboka Lundi izao isika ka ao @ ANS Ampefiloha no toerana hanaovana PrĂ©paration đŸ’Ș

Photos from COACH Berindra's post 24/04/2026

PRÉPARATION PHYSIQUE miaraka amin'i COACH Berindra

Ho atombotsika amin'ny MARDI izao ny Préparation ho anareo hanao Préparation physique 2eme Phase POLICE sy CAMIL.

Ireto no zavatra inclus ao anatin'ny Préparation
✓ PPG (stade ankatso
👉Ny PPS kosa fia hataotsika ao amin'ny stade ANS Ampefiloha.
✓ Saut en Longueur
✓ Saut en Hauteur (ACMIL)
✓ COOPER LUC LEGÉ (12mn ACMIL)
✓ CORDE
✓ LANCER de Poids
✓ Course de VITESSE
✓ Course de Demi-fond

BONUS:
👉Ny longue marche (20 Ă  30 km) ato aminay dia tafiditra anaty PACK Bonus ka mikarakara izany 2 sĂ©ance izahay. Axe ouest et Est en une journĂ©e par sĂ©ance.
👉 Manolotra koa izahay sĂ©ance de natation sselon votre option

Berindra Ny RJ : +261 34 17 956 61

23/04/2026

Ry zandry handeha hanao Fiofanana ZANDARY a!

Ef nisy fotoana izaho nandefa hafatra teto momba ny zava-misy any Ambositra any ka nilazanay amin'ny maha Coach Préparateur Physique anay hoe:
👉 .🙏
👉 ?

👉Tsy mora ny rythme hiandry anareo any. Tombony ny tsy fahampiana tori-maro sy ny harerahana isan-karazany.
👉 Fadio ny mandray zava-mahadomelina sy ireny zava-pisotro manampy hery ireny.
👉Hanai Fiofanana Zandary no dia any fa tsy hutady fahafatesana ka sady mampahafantatra izahay no manabe anareo zandry mialohan'ny fotoana.

👉MIKOTRANA mafy fa mbola manana herinandro mahery hianao. Izahay afaka manampy anao raha liana hianao indrindra ho anareo eto Tanà.

Eto izahay dia mirary soa sahady ho anareo any amin'ny faritra.
COACH Berindra : 0341795661

22/04/2026

Préparation Physique spéciale GENDARME et ACMIL qui commencent demain jeudi 23.
Lieu: Stade Ankatso Ă  14h
Contactez-nous sur mp ou au
COACH Berindra: 0341795661

Photos from CIRGN Antananarivo's post 21/04/2026

COACH Berindra

Miarahaba anareo Zandry afaka soaman-tsara tamin'ny fanadinana dingana voalohany 80e Promption.

Toy ny isan-taona dia afaka manomana ara-batana anareo izaho. Azo antoka fa ho vonona hiatrika ny dingana faharoa hianareo.

Ny fanomanana dia atao isanandro ka tsy miala isika raha tsy lasa any ambositra hianareo. Amin'ny sarany 30000Ar fotsiny no anomanatsika an'io. Tongava miditra mp izay vonona na miantso ny finday
Coach Berindra Ny RJ: 0341795661

Izay tsara fanomanana no mahita vokatra zandry ađŸ’Ș
Ary izay tsara fiomanana tsy tampohin'ny loza.

Photos from COACH Berindra's post 23/02/2026

Cours de Natation isanandro!
Restaurant Sahamadio Ilafy

Hianao anie ato aminay sady tsara fandraisana no mahazo matoky ihiany koa fa hivoatra haingana eâ˜ș.

Ny hampahay anao milomano no mahamaika anay Coach eâ˜șïžđŸ„°!
Tongava mianatra milomano ato aminay fa tsy maintsy mahay hianao. đŸ’Ș
👉 Contact: 0341795661
COACH Berindra

Photos from COACH Berindra's post 23/02/2026

📱 COMMUNIQUÉ OFFICIEL

COACH Berindra Ny RJ

Daty : 23 Febroary 2026

Ny Fitantanan’ny pejy Coach Berindra dia mampahafantatra anareo mpanjifa sy mpiara-miombon’antoka fa nisy olana ara-teknika nitranga nandritra ny volana maromaro lasa izay, ka nahatonga sakana teo amin’ny fifandraisana sy ny famaliana hafatra.
Fantatra fa nisy fikasana hiditra an-keriny (piratage) tamin’ny pejy, izay nanelingelina ny fiasany. Noho izany dia tsy afaka namaly ara-potoana ireo hafatra sy fanontaniana voaray izahay.
Amin’izao fotoana izao anefa, efa voavaha tanteraka ny olana ary tafaverina amin’ny laoniny ny pejy. Afaka mifandray sy mahazo valiny ara-dalàna indray ianareo.
Maneho fialan-tsiny indrindra amin’ireo tsy fahatomombanana nitranga izahay ary manome toky fa hanamafy ny fepetra fiarovana sy hanatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra atolotra, ho fahafaham-ponareo mpanjifa.

📞 Contact : 034 17 956 61
Misaotra indrindra amin’ny faharetana sy ny fahatokisana.
Ny Fitantanana
COACH Berindra

Photos from COACH Berindra's post 31/08/2025

Salama e🙏

Mba hilaza ny hevitro izaho par rapport amin'ny Favoritisme des Expats.

Niarahatsika nahita ny zava-bitan'ny Ankiz niantrika CHAN iny. Na tia na tsy tiana nankafy ny zava-bitan'zalha isika. Mampiray ny fotsika tokoa ny Fanatajahan-tena. Teniko foana ny hoe: AZA AMBANIANA NY JOUEURS LOCAUX.

Favorisenareo ny Expats nefa ireny Locaux ireny no Sady mora mifandray @ lafiny rehetra no mifankafantatra ary mora ampivondronina. Tena ilaina ny communication anaty sport collectif na sur terrain na en dehors. Sûrement raha ny intensité de match nasehon'ny Boaikely omaly iny de mandresy tsy azo iadian-kevitra BAREA "A". Tsy anaty Football ihiany io fa hita koa ny fanambaniana ataon'ny Sélectionneur ny Joueurs Locaux tao @ Ankoay Basket nandritra ny CAN Farany teo. Omenareo match sy temps de jeux Betsaka ny Expats satria hoe ambony kokoa ny technique sy ny niveau de compétition any amin'ny tany sy championnat ilalaovan'izy ireo. Maro am'reny anefa no tsy ampy temps de jeux akory any @ Club misy azy. Ireo Bandy natao 9 tamin'it
y CHAN ity zao de tena mahasolo ireo 9 izay efa Sady nahazo taona nefa de mbola ireny no hajoro eo. Tsy analysen'ny Fanatic no ataoko fa analyse par rapport amin'ny réalité.

Ireo bandy Kely ireo mahavitĂ  miaritra hatramin'ny segondra farany. Tsapa izany fa aleo tsy odian-tsy hita.

Amiko dia tokony hampifandanjana tanteraka ny effectifs Joueurs Locaux sy Expats anaty ekipam-pirenena na ny tombotsoa io na ny fotoana ilalaovana. Averiko mahavita zavatra sy Lalao tsara ireo Boaikely eto Atanana ireo ka aza varina mitily sy manambitamby olona hisalotra ny Fanamiana Malagasy izany. Aleo izay Expats tena vonon-kiady fa tsy hanao vacance mandritry ny TrĂȘves Internationaux no atsoina handrafitra ny Ekipam-pirenena. Miteny aho na tsy haiko hoe ho avy amin'ny tompon'andraikitra mandidy mahatapaka aza fa en tant que Coach sady Ancien Joueurs de milaza izay azoko ambara sao misy mihaino ihiany.
Fédération Malagasy de Football
Fédération Malagasy de Basket Ball ,

Tous ensemble pour le développement des sports Malagasy.
COACH Berindra

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address


ANKATSO
Antananarivo