23/08/2026
FC ROUGE
Ny Ady Tsy Miova
23/08/2026
18/08/2026
Ry mpitia baolina kitra Malagasy rehetra! ❤️💚
Tsy ekipa roa ihany no hiakatra an-kianja amin’ity fifaninanana Afrikana ity, fa MADAGASIKARA mihitsy no soloin’izy ireo tena! 🇲🇬🔥
💪 CFFA sy FC ROUGE no hitondra ny voninahitry ny Grande Île eo amin’ny sehatra Afrikana. Noho izany, mila ny fanohanantsika rehetra izy ireo: eny an-kianja, eny an-trano, ary na aiza na aiza misy antsika.
📣 Aoka isika hifampitantana, hifampahery ary haneho fa rehefa miatrika an’i Afrika i Madagasikara dia MITSAKA AO AORIANY NY MALAGASY REHETRA!
🔥 CFFA, FC ROUGE — Tsy irery ianareo!
🇲🇬 Ho an’i Madagasikara!
⚽ Ho an’ny baolina kitra Malagasy!
💪 Ny ady tsy miova!
ALEFA MADAGASIKARA! 🇲🇬🔥🇲🇬 fans
01/08/2026
🎉 Mirary tratry ny tsingerintaona nahaterahana, Coach Fenosoa! 🎂⚽
Amin’izao andro manokana izao dia mirary fahasalamana lavorary, faharetana, fahendrena ary fahombiazana hatrany izahay mpiara miasa aminao ato FC ROUGE, Enga anie hitohy ny fitarihanao ny ekipa amin’ny lalana mankany amin’ny fandresena sy ny zava-bita lehibe kokoa.
Mankasitraka ny fitiavanao ny baolina kitra, ny fanoloran-tenanao ary ny ezaka ataonao ho an’ny klioba sy ny mpilalao.
Tratry ny tsingerintaona nahaterahana, Coach! Mirary taona feno fitahiana sy fandresena maro. 🎂🏆⚽
31/07/2026
FANAMBARAN’NY CLUB FC ROUGE
Manoloana ny vaovao anio ,fa niala tampoka tao amin’ny FC Rouge ny iray amin’ireo mpilalao efa nokaramain’ny klioba, ary voalaza fa nandeha ho any Seychelles hanatevin-daharana ny Côte d’Or FC, dia maneho ny ahiahiny sy ny fanontaniany ny FC Rouge.
Hatramin’izao dia tsy nisy fampahafantarana ofisialy na fifampidinihana nataon’ilay mpilalao tamin’ny klioba mialoha ny fiaingany. Kanefa, efa tao anatin’ny fifanarahana sy ny tetikasan’ny FC Rouge izy.
Noho izany dia mametraka fanontaniana ny FC Rouge: raha mbola fantatry ny Federasiona sy voarakitra ho mpilalaon’ny FC Rouge ny klioba nilalaovany farany, ahoana no ahafahany miala sy miroso amin’ny dingana mankany amin’ny klioba any ivelany nefa tsy misy fifampiresahana na fanarahana ny fomba fanao ara-dalàna?
Tsy manohitra ny nofinofin’ny mpilalao hivoatra sy hilalao any ivelany izahay. Mifanohitra amin’izany aza, manohana izany tanteraka ny FC Rouge. Saingy mino izahay fa tokony hatao amim-pahitsiana, amim-pangaraharana ary amin’ny fanajana ny fifanarahana sy ny zon’ny klioba nandray sy nanohana ny mpilalao.
Koa mangataka fanazavana amin’ireo tompon’andraikitra mahefa ny FC Rouge, mba hahafantarana mazava ny dingana tokony harahina amin’ity raharaha ity sy hiantohana fa hajaina ny fitsipika mifehy ny famindrana mpilalao.
Ny Ady Tsy Miova.
FC Rouge
😇🙏🧨✊🏿
25/07/2026
Andriamatoa sy Andriambavilanitra hajaina, ry mpankafy, ry mpanohana, mpiara-miombon’antoka, ary ny fianakaviambe FC Rouge.
Amin’ny anaran’ny Club FC Rouge dia maneho fankasitrahana sy fisaorana feno izahay noho ny fanohanana tsy nitsahatra nasehonareo, izay nahafahan’ny ekipantsika nibata ny Amboaran’ny YAS Coupe de Madagascar 2026.
Tsy mora ny lalana nodiavina, saingy noho ny firaisankina, ny fahatokisana, ny vavaka ary ny fanohanana avy aminareo rehetra no nahatonga izao fandresena lehibe izao. Ity amboara ity dia tsy an’ny mpilalao sy ny mpanazatra ihany, fa an’ny mpanohana rehetra izay nijoro nanohana ny FC Rouge tamin’ny fotoan-tsarotra sy tamin’ny fotoam-pifaliana.
Fisaorana manokana no atolotray ho an’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana rehetra, ireo tompon’andraikitra ao amin’ny klioba, ny staff technique, ny mpilalao, ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ary indrindra ianareo mpankafy izay nameno ny kianja sy nanome hery anay hatramin’ny farany. Ny fanohananareo no nanosika anay hihoatra ny fetra sy hanoratra tantara vaovao ho an’ny FC Rouge.
Manome toky izahay fa tsy hijanona amin’izao fahombiazana izao, fa mbola hanohy hiasa amim-pahavononana sy amim-panetren-tena hitondra voninahitra bebe kokoa ho an’ny klioba sy ho an’ny baolina kitra Malagasy.
Farany, misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fitahiany sy ny fiarovany nandritra ny fifaninanana manontolo.
Mankasitraka indrindra anareo rehetra.
FC ROUGE – “NY ADY TSY MIOVA!” 🏆❤️
25/07/2026
Misaotra Tompoko!
⏸️ HALF-TIME
FC ROUGE 1 # A.S.A 1
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Telephone
Website
Address
Zafy Albert
Antananarivo
101