12/05/2023
Eny amin'ny FIM no fotoana e😊🌱
Eh! Mino ve ise raha ilazanay hoe vita amin’ny baoritra ♻️ daholo ny fanaka ao amin'ity stand ity ? Tena marina e, tongava eny amin'ny Foire Internationale de Madagascar, stand n°39, anie e
♻️ Fanaka sy haingotrano tsara sady mafy vita amin’ny baoritra
🔥 Char'bio avy amin'ny fako naodina
🤩 Samy asa tanana tily daholo ireo
Talenta mahazaka lenta iraisam-pirenena koa no trandrahan'ny skoto tily an 😉
01/12/2022
Aujourd'hui, la biodiversité doit être la première préoccupation de tous car c'est grâce à elle que nous pouvons vivre et avoir toutes les ressources indispensables à notre survie comme l'oxygène, l'eau et la nourriture.
C'est notre assurance vie, alors préservons-la ! 🍃
Nous sommes à J-6 de la CBD COP15, la 15è Conférence sur la Diversité Biologique. Du 7 au 19 décembre au Canada, les pays du monde, dont Madagascar, y prendront des décisions concrètes pour renverser le déclin de la nature.
© Nick Riley / WWF Madagascar
Source: WWWF MadagascarMWWF Madagascar
25/11/2022
🍃🔥
May i Madagasikara. Manodidina ny 8.200 Ha no may tamin'ny volana oktobra lasa teo ary isika rehetra dia tompon'andraikitra manoloana izany.
Hita fa maro ny antony manosika ireo mpandoro tanety hanatanteraka izany, toy ny tsy fahampin-tsakafo, ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary na ihany koa ny fahasahiranan'ny mponina. Voka-dratsy anefa no aterak'izany satria dia ringana ny ala ary mihatraika maneran-tany ny fiovan'ny toetr'andro.
Nametraka lamina iarahana ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Fikambanan’ny firaisamonim-pirenena manoloana izany doro tanety mirongatra eto amintsika izany. Na dia eo aza anefa ny fandraisan'ny manam-pahefana andraikitra dia anjarantsika tsirairay avy ihany koa no mitondra ny anjara birikintsika amin'ny alalan'ny fambolena hazo ary ny fampiasana ny angovo maitso sy maharitra.
'Ndao hiara-hiaro sy hiahy ny harenan'i Madagasikara satria antoky ny fahavelomantsika ny ala! Araka ny hevitrao, inona no vahaolana mahaomby indrindra hanafohana tanteraka ny doro tanety eto amintsika?
Araho ny rohy raha hamaky feno ny lahatsoratra izay nosoratan’i Lari ANDRIANTSEHENO avy ao amin'ny Bôndy Green Army ianao. 👉 https://bit.ly/3gxL6lUaaä
12/11/2022
Tontosa soa aman-tsara teny amin'ny Palais des sports Mahamasina teo ny andiany faharoa amin'ilay hetsika FESTIVAL DE L'ECOLOGIE
Maro ireo liana amin'ny vokatra char'bio. Aza misalasala miantso anay fa afaka miara-miasa tsara isika e🍃😁
12/11/2022
Satria Tily, nobeazina handray andraikitra✨🍃
04/11/2022
Eny amin'ny palais des sports Mahamasina no fotoanantsika manaraka rehefa somary nangina nandritra ny fotoana fohy.😁
Tongava daholo.
02/11/2022
✨🍃
Tongava eny amin'ny FESTIVAL DE L'ECOLOGIE 2022 ny Sabotsy 12 novambra 2022 ao amin'ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina manomboka amin'ny 09 ora maraina.
Fiaraha-miasa amin'ny Réseau des Jeunes pour le Développement Durable - Madagascar , CRAAD-OI Madagascar, FARM Madagascar.
'Ndao hampitombo fahalalana mikasika ny tolona efa ataontsika io ho an'ny tontolo iainana. Anatin’izany hetsika izany dia hisy: carnaval lehibe, Flashmob, trano heva maro samihafa, fampisehoana lehibe, ....
https://fb.me/e/21Ppnf88N