Maro ireo manotany hoe ianareo mpanao trail ge izany raha makany TAMATAVE, ANTSIRABE, AMPEFY, MAJUNGA dia mety vety2 ihany dia tonga
Valiny : OUI, satria toy izao amin'ny video izao, ny lalana anaty trail 150km, 110km, etc. Mbola miampy
Tendrimbohitra be lava reny be sady malama be, mitazona tady mihintsy moa miakatra aminy
Midina fidinana lava reny sady malama be
Mandalo fotaka sy antsana be, sns sns
Kanefa vita ao anaty 35 heure, 40 heure, ireo élite aza mahavita izany en 20heure
🛑Ny 100m D+ amin'ny trail dia équivaut à 1km supplémentaire sur plat ( izany hoe ireny fiakarana be 100m amin'ny trail ireny dia toy ny niampy 1km ny distance tamin'ny plat )
🛑ankotran'ilay fiakarana be dia ireo rano be sy fotaka be sns dia manampy 30% ny difficulté
Ohatra tsotsotra ilay ULTRA TRAIL 155km 7000m D+ tamin'ny ultra utop farany teo
155km
7000d+ : 7000/100 = 70km de plus
TOTAL = 225km
+ 30% de difficulté fotaka , rabo, etc. : 225×30/100 = 67km de plus
Grand total = 292km , 300km environ sur goudron plat izany iny ultra 155km 😱😱
Ireo élite izany afaka makany tamatave ao anatin'ny 1 andro, 24h, na latsaka aza, miala amin'ny 6h maraina dia rahampitso amin'ny 6h maraina dia efa tonga tamatave 😅😅😱😱
Tena ohatrany hoe incroyable ilay izy
Ohatran'ny mampite ho any Tamatave kely izany 🤣🤣 sérieusement, ndao atao izany
Ilay oe 155km mantsy tsy fantatra tsara ilay anarana tanana dia tsy tena mampitolagaga, fa kosa raha mahavita tamatave izany, na Maevatanana, sns, tena Ohatran'ny hoe anaty livre des records ny fahenona azy 😁 Sady arabe foana tsy mahita fasana misy mpamosavy sy voay sy inona avy dia mba tsy mampatahotra 🤣🤣
Misy sahy ve?
Commando team officiel
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Commando team officiel, Ambatotokana talatamaty, Antananarivo.
Tsy maharaka intsony ny coach eh 😭😭🤣🤣🤣🙈🙈🙈🙈
Fidinana be mafy nohon fekarana ty 🥵🥵
Efa ho lozan'i Sarah amin'izay ny Coach eh 😭😭🤣🤣🥵🥵💪💪💪💪
Encore Bravo Sarah 🤙🤙
11 mois nanaovana trail
4 podium sur 5 compétitions : 2ème senior Coli ampefy 12km, 3 ème senior 44km TDS, 3ème senior utcs 48km, 1ère senior mitety nature
Ultra-traileuse en 11 mois
Tohizo foana ilay sacrifice mikotrana irery eny amin'ny 416 amin'ny atoandro be sy rakotomaditra amin'ny ariva fa misy valiny toy izao foana ireny, 🫡🫡👌👌 ho lasa lavitra no izao hatrany 💪💪🙏🙏
20/02/2026
Jumeaux 😍😍
16/02/2026
Fifaliana foana miarakamin'ny TRAIILLL
Début de saison mahafinaritra, 1ère compétition nataon'ireto andriambavilanitra ireto fa dia podium daholo indray izy 3 vavy ireto
Sarah : 1ère senior sur 40km
Sandra : 1ère senior sur 20km
Kelly : 2ème senior sur 20km
Marihina anefa fa tsy dia nikotrana izy ireo ary tsy en forme
Misaotra ny Tompo amin'izany rehetra2 izany🙏🙏
Dia Merci anareo 3 vavy fa motivation be ho an'ny tontolon'ny TRAIL izao, tohizo ny kotrana fa ho lasa alavitrabe ianareo 🫡🫡👌👌💪💪
07/12/2025
Marihina fa any amin'ny tapatapan'ny taona 2026 any vao mety hiverina hisokatra ny CT , indrindra fa ny ato amin'ny salle ( juin na septembre 2026 )
Teo amin'ny arrivée io, avy namboly mangahazo erakin ambatofotsy sy ambohidratrimo, 🤣🤣 ohatran'ny tsy avy nanao 130km ilay tarehy, ilay nanao 18km tam erintaona indray no rodana coco be 😪 izao no porofo oe ilay parcours fohy no mafy no ilay lava be satria tsy mitovy ny allure
Amin'ny septembre any indray izany isika mpankato amin'ny salle no miona na lazaina eto ihany raha misy fiovana
Bon dimanche daholo
24/11/2025
ULTRA 130KM, vita soa, tantara lava be mendrika tantaraina 🙂 sady sambany mba nanao izany ka ialana tsiny 🙏
Erintaona izay no nanaovako trail, ny zandriko vavy dia 9 volana, 12km 15km teo foana fataonay
Volana février nanandrana nanao andranovelona 37km dia toa ohatrany nahafinaritra kokoa noho le 15km, dia aveo notohizana 55km
Ka Noho ny fitiavana sy ny faniriana andeha lavitra kokoa amin'ity taranja ity dia tapaka ny hevitra tamin'ny volana juin fa hanandrana 45km TDS sy ULTRA tour 127km utcs
sahady izahay ka isaorana ny Tompo fa vita soamantsara🙏🙏
Ny zandriko vavy aza moa dia 3ème senior sahady tamin'izy 2 ireo
Misaotra ihany koa anareo izay nanome courage sy nahatoky, indrindra fa ireo izay niantso foana na avant na pendant ary après ny course fa ni-touché be ana ireny ary tena nanome confiance en soi be 🙏🤙🤙
Misaotra manokana ihany koa an'i vadiko izay manatitra sy maka anay na aiza na aiza amin'ity trail ity 🙏🙏❤️❤️
Manaraka izay, mampirisika anareo foana aho ( na ireo traileur izay tsy sahy manao longue distance na ireo olona tsotra tsy sahy manao trail na 10km aza ) hoe ny trail no sport tsotra ary accessible ho an'olona indrindra, mivoaka ny trano dia lasa mihazakazaka, tsy mila oe mafy be izany vao afaka manao, atomboka 2km, 5km sns, nefa vokatsoa tena tsy voatanisa, izaho manokana dia niova tanteraka ny fiainako tao anatin'ny erintaona, isakin'ny trail IRAY aho dia manoratra tantara sy fiovana ho tsara kokoa hatrany, na fahasalamana na vatana na mental na inona na inona
Ny ULTRA indray dia tena mahasahy miteny aho fa vitan'ny olona rehetra fa tsy hoe mafy be akory izahay matoa nanandrana fa tena izahay aza no tena hoe DÉBUTANT, fa kosa mba mila mikotrana kely 3 fois par semaine ohatra, dia asina SIRA sy SIRAMAMY tsara fotsiny ny rano dia vita fa tsy mila ankotran'izay fa na CHATGPT aza miteny an'izay foana
Quelques jours avant ny départ aho nilaza ny namako hoe misy problème nutriments ( magnésium calcium fer sns ) zahay ( héréditaire) ka fanina be rehefa manao effort, nefa tsy nahavita nihinana compléments tato ato ka aza gaga raha sanatria maty any 😅🤣 sady efa nanomboka talata no tsy dia natory fa be doute be 😪
Atomboka ny tantara, asiko détails maro mba hiainan'olona rehetra na tsy traileur aza ny sensation unique azo amin'ny trail:
1er jour 48,5km, vaknisisaony
Départ le carat ambatofotsy 4h30, arrivée ankadimanga rn2 12h
Nitaitaina hoe ho fanina, ho torana, hazaka ve ny fo sy muscle amin'izany carence izany sa aona
vao teo amin'ny 5km dia efa fanina be tsy misy équilibre, nigoga rano sy sira dia cava2 kely dia lasa, lasa foana, nanomboka nahazo fafiny, mijery ny paysage, rano, rivotra mitsoka milay be ohatran'ny oxygène izany, nandeha mafy ho azy, gaga ihany oe efa nahavita 15km
Nanomboka nisy narary indray ny loha tany amin'ny 30km, fa izay no maha extraordinaire an'ny trail, afaka ho azy izany rehefa mandeha elaela
Dia Somary niverina kely koa ny fanina sy arerahana be teny ampovony fa misakafo sy mihinana sira, mihaino ny nature, dia VELONA indray
Fa ny tena nanampy ihany koa dia ireto hazo ireto, raha tsy nisy an'ireo tena mety rodana kokoa, za anefa taloha ny sous estimé an'ireny, fa TENA ilaina ry zareo ilay baton aaaaa 😪
Betsaka no nitady hazo aveo nanao toa ahy 😄
Tonga ankadimanga, tsy afaka nanofa tente fa soa ihany fa nisy namana nampindrana tente dia napidirina tao amin'ny fianarana fa nataotra orana, fa narary kely ihany rehefa mitodika amin'ilay ciment anh 😃 adin 3h monja torimaso
2ème jour 48,5km AVARADRANO
Départ ankadimanga 4h30, arrivée ambohimanga rova 12h30
Naneno ilay réveil mage 4 maratra ambopo tamin'ny 3h maraina, fa tena oe kivy, mbola hanao an'izao koa ve rahampitso, tsy vita ity
Fa namboarina ny saina, nisintona koa ny Tompo, dia lasa ihany
Vao niakatra ny Angavokely dia nitady hazo indray, vao nisy hazo tonga dia afaka tsara foana
Imagineo maheno feon'ny voronkely anaty ala amin'ny 5 maraina, fahasambarana, paradisa kely, eny hafalina tsy omby tratra fa dia adino ny havizanana
15km nanomboka ny ampoule, nanapakevitra ny hamerina ilay bas 1er jour fa ohatran'ny tsy nety ilay nanaovana 2eme jour, dia afakafaka kely aveo
Dia même refrain aveo, fanina sy reraka trop eny ampovony, vao handalo fiakarana dia efa mitady hazo indrindra fa hiakatra Ambohitrabiby, teo nanao massage kely dia velobelona
2km avant arrivée tena ohatrany nisy pouvoir izany ka afaka nandeha mafy be ka lasa nahatratra namana maro
3ème jour farany 33,7km Marovatana
Départ ambohimanga rova 4h30 arrivée AMBOHITSIMELOKA alakamisy rn4 10h
Tsy heno intsony ny mage 4 fa dia notohizana ny torimaso, somary tara, fanina sy reraka eo am Départ, ny ampoule ohatran'ny trano, fa nanome astuce ny chatgpt dia afaka nandeha ihany, fa nandeha tongotra aloha teo am ilay goudron ambohimanga sady nitady bararata iakarana rakoto maditra
Tampoka teo lasa nikoaka kely indray, fa izay ilay magie an'ny trail, afaka ho azy aveo
Tsy mila mandeha dokotera, tsy mila hoe manao azy quelques jour sy régulier vao salama sy mahatsapa vokany ohatran'ny sport hafa, fa ny trail dia eo no eo dia henonao miala ny aretinao sns
Dia même refrain 2ème jour, nisy partie tena fanina be sy tsy afaka nandeha. Nipetraka sy nijanona mitsy aza dia nanao massage, nanampy sira hatrany dia velona indray
2km avant arrivée nisy pouvoir indray, tratra daholo ihany ny namana
😭 nisy émotion kely ihany tany ampovony tany, 2ème sy 3ème jour 🙂
Teo arrivée indray no ohatran'ny tsy taitra akory
PS: misaotra manokana an'i Alvine izay nanome ravito an'ny zandriko teny andalana satria tsy inscrite 2ème jour sy 3ème jour izy fa novitainy foana ihany anefa ilay 130km
Fehiny, tsy nilaina akory ilay nitaitaina fa ay vita tsara leiz kkkk, atao tsara fotsiny sakafo dia ny SIRA tena important be amin'ilay perte ana sodium, rehefa régulier tsara fotsiny ireo dia tonga foana fa tsy dia nisy hoe tena mampijaly be, ny tenako fotsiny no nisy carence sy tsy en forme no nahatonga fanina sy ampoule sns, raha ampy calcium, magnésium sns tsara aza ianareo dia vitanareo tsara tsy misy olana ny ULTRA 😊
Fa eny, misy douleur kely hafahafa tsy mahazatra ny fe sy ny oditra amin'izao, tsy courbature, fa mety noho ilay carence
Fa ny mental tena niova be, tena fière, lasa mahatoky tena, nisy zavatra niala tao anaty tao dia nosoloina vaovao...
Koa andao ary....
19/11/2025
Noho ny compétition izay ho atao dia mikatona manomboka androany aloha ny salle de sport CT
Mety ho afaka elaela mihintsy vao misokatra indray fa lazaina eto ihany ny fisokafana
30/10/2025
BONNE NOUVELLE foana miarakamin'ny TRAIIILLL
Ho an'ireo izay tsy afaka tamin'ny tapabolana dia ho averintsika indray ilay RECO VAKINISISAONY 48KM an'ny UTCS - Ultra Trek des Collines Sacrées amin'ny asabotsy 1er novembre 2025 ho avy izao, fa te iverina hiletra mananasy izahay 😄😄😋😋
Alefa rahampitso ny détails rehetra
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Telephone
Website
Address
Ambatotokana Talatamaty
Antananarivo
103