Barea mampiray ! Hatrany avaratra, andrefana, atsinanana, atsimo, ny faritra rehetra dia niara nifaly avokoa androany.
Nenay Barea e !!!
Nenay Barea
N'inon'inona ataon'ialahy, dia ny anay BAREA !!!
Ô rey olona a ! Tena hoe mihoraka be ve rehefa miverina ny jiro ? Manoatra noho ilay rehefa mahafaty baolina ny Barea 🤔
Mafimafy ity combat ity 😁
Ratsy iny baolina maty tamin'ny ora farany iny 😭😭🙃
Fa dia nanary occasion maromaro koa aloha isika teo, misy lesoka mila harenina maromaro ao...
Ataovy anaty commentaire ary ny kiana mihabonao sendra ho hitan'i Rôrô ihany 💪
Aza adino ihany koa ny mi-partage 😉
Aza kivy Barea, tarihin'i Romuald Rakotondrabe fa efa tena ao tsara ianareo ! NENAY BAREA foana eeeeee !
13/09/2023
Mitrakà hatrany Rakool a, fadio ny hakiviana!
Bedebe zao ry zalah (mpamosavy) no faly any fa nidaraboka elah!
Aza ajanona ny ezaka fa tsy maintsy mbola ho tafita elah indray andro any!
Soso-kevitra kely fotsiny hoe mianara lets teny vahiny a (au moins teny frantsay), io no tena olanlah raha tena atao ny fandinihana...
Courage bro
‼️⚽️Tapitra hatreo ny an'i Rakool sy ny Mouloudia.
➡️Enim-bolana. Izay no faharetan'ny filalaovan'ny kintan'ny baolina kitra Malagasy Koloina Razafindranaivo tao MCA, na ny Mouloudia Alger. Ny zoma teo voalaza fa natsahatry ny klioba ny fifanarahana tamin'io mpilalao malagasy io. Raha ny lahatsoratra an-gazety nivoaka tany an-toerana, nilaza ho diso fanantenana tamin'ny kalitaon'ny baolina noetiny tao Mouloudia ny tomponandraikitry ny klioba.
⚽️Mpilalao maromaro no navotsitra tato anatin'ny herinandro, ary tsy afa-bela i Rakool. Fifanarahana goavana indrindra ho an'ny tantaran'ny kitra Malagasy no nifanaovan'i MCA sy ny CFFA tamin'ny famindrana io mpilalao io.
✅Sonia natao tamin'izany ny fijanonan'ny Koloina anatin'ny lokon'ny MCA. Noho izany, nanolotra taratasim-bola ho an'i Rakool ny klioba izay mbola tsy voafaritra hatreto hoe otrinona. Ny azo ambara kosa, mitohy ny baolina kitra ho an'i Koloina Razafindranaivo. Mandeha ny feo fa hiondrana any La Frantsa izy.
🎙L'interview
Merci kosa lou Barea fa efa izy ireny e!!!
3ème place ndray e !
ALEFA BAREAAAA !!!
Zay maka anlisany eee....
10/10/2020
MPANOHANA FA TSY MPIJERY !!!
Ny tiana ambara dia hoe raha maharesy ny ekipantsika dia mifaly moa zany mazava ho azy, raha sanatria resy kosa dia tsy sanatria ho tezitra na handeha hanakora fa kosa mitondra FANKAHEREZANA, torohevitra, fanohanana amin'ny lafiny rehetra.
AZO atao ny kiana ary TENA TOKONY ATAO ary fa saingy kosa aleo mba KIANA FANATSARANA fa TSY kiana fanaratsiana na fanatsatsoana re tompoko o !!!
Ireto ohatra kiana fanaratsiana izay TSY TOKONY ATAO satria TSY MITONDRA N'INON'INONA !!!
- Vendra-t*y ianona...
- Tsy mahay ninin ianona...
- ....
Ireto indray ohatra kiana fanatsarana izay AZO ATAO satria MITONDRA HEVITRA ENTINA MANATSARA !!!
- Ianona tokony alefa aty amin'ny gauche fa ao izy no mahazo aina kokoa...
- Raha ny hevitro manokana dia toa tsy dia mety ilay formation teo fa izao na izao no mety hety kokoa...
- ...
Izany hoe rehefa hanakiana izany isika dia AOKA MBA handroso "solution" fa tsy faly ny hanakiana be fahatany sy hanaratsiratsy fotsiny e !!! Raha tsy izay mantsy dia FIALONANA no azo iantsoana an'izany.
Partagéo ito publication ito amzay mba hitan'ny be sy ny maro. Misaotra mialoha !
Aza adino ihany koa ny mametraka commentaire raha misy tianao hanamafisana an'izay voalaza.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Antananarivo