01/07/2025
Ny Kung Fu Wisa dia tsy fanazarantena fotsiny ihany fa tena fiainana. Manao fanazarantena isika, tsy enti-hiady akory, fa hiarova-tena sy ny manodidina ary ny firenena, enti-manatsara ny fiainana ihany koa. Reseo ary ny hakamoana, reseo ny vatanao, reseo ny fiainana de ho resy ireo fahavalonao. Mitoy hatrany ny fandraisana mpianatra vaovao
Contact: 0388714857 / 0349341841
.
01/07/2025
Ny Kung Fu Wisa dia tsy fanazarantena fotsiny ihany fa tena fiainana. Manao fanazarantena isika, tsy enti-hiady akory fa enti-manatsara ny fiainana.
Kung_fu_wisa_mandresy_mandrakariva.
24/06/2025
Mitohy hatrany ny fandraisana mpianatra vaovao ato aminay KUNG FU WISA SHAOLIN SIU AMBOHIDRAPETO
- Mikotrana, mahabikana, mahamafy ary rehefa mafy ny vatana dia lavitry ny rofy, tsy ny vatana ihany anefa no mila ampikotranina, fa ny saina sy fanahy ihany koa satria ny kung fu dia fiainana.
Contact: 0388714857 Maitre Toky na
0349341841 Miary
05/06/2025
Mahatsiaro ho lasa ngeza ve ianao ka tia hampiena vatana, mararirary lava, tia ho mafy afaka hiaro tena amin'izao tsy fahadriampahalemana misy etsy sy eroa izao? Mila kotrana ianao. Izahay ato am Kung Fu Wisa Ambohidrapeto dia vonona mandrakariva ny handray anao hiara hikotrana aminay isaky ny alahady amin'ny 2ora tolak'andro ao amin'ny toerana mahazatra ihany (CEG AMBOHIDRAPETO).
Ny ho mafy ny tanjotsika, ary rehefa mafy ny vatana dia mafy manarak'izay daholo na ny saina na ny fanahy. Tapaho ny hevitra, manaraha ny dianay, na lahy ianao na vavy, na firy taona na firy taona, misy ny kotrana sahaza anao aty.
Raha mila fanazavana fanampiny dia midira mp na antsoy ny laharana 0388714857 na 0349341841
Mandresy mandrakariva no tanjona