25/01/2025
Hanomboka indray ny hazakazaka 2025, Dia manasa antsika rehetra.
Salama daholo eeeee !
Raikitra àry ity ity.
Atombontsika amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny FLM Toby Fanantenana 67Ha izany ny SABOTSY 01 FEBROARY 2025 ho avy izao manomboka amin'ny 2ora sy sasany tolakandro.
SANTATRA FIDERANA 2025 no iantsoanay azy io.
Izahay ihany no mikarakara ary nataonay karazana cadeau "bonané" ho antsika mianakavy ka TSY MISY NY VIDIM-PIDIRANA. Izahay no nisafidy ny toerana mba ho centre mety amin'ny besinimaro, ary isaoranay manokana ny FLM Toby Fanantenana 67Ha nanaiky nampiantrano 🙏🏻.
Na izany aza nefa dia misy ihany ny fandaniana ka hisy ny valopy izay ho zarainay eo am-pidirana hanoloranao izay foinao anohanana ny asan'Andriamanitra.
Tongava daholo àry fa efa tsy andrinay ny hiara-hidera indray aminareo e!
Dia tongava aloha fa raha izay elaela tsy nihaonana izay dia mety ho maromaro kely isika amin'io fotoana io an ! 😁
*Zarazarao dia antsointsoy anaty commentaire ny fianakaviana sy namana mpankafy rehetra eeee !
Tahian'i Jesosy daholo o !
12/06/2024
Bonsoir daholo ô !
Tonga amin'ny Famaranana azy ny SPORT FIDERANA andiany faharoa izay nokarakarainay. Misaotra ny Tompo 🙏😍.
Manasa antsika àry ho tonga maro amin'ny Sabotsy 15 Jona 2024 izao eny amin'ny Kianjan'ny SAINT MICHEL ITAOSY fa hataontsika mafana be io famaranana io.
Hanomboka amin'ny 8 ora ny hetsika rehetra.
Ho hitanao amin'izany ny :
- Dingan'ny Famaranana ho an'ny Foot à 7, Volley mixte, Basket lahy sy vavy ary Pétanque
- Fifaninanana tirs à 3 points
- Animations maro isan-karazany toy ny ZUMBA, TOMBOLA (Inona àry izao ny ho mety fanomezana tsy ampoizina ao ? 😁. Izay mahay dia omenay fanomezana tsara kely koa 😁😍),...
Entanina isika ekipa rehetra hitondra supporteur be dia be hampiakatra tsara ny ambiance ao anaty firahalahiana 😁😍🙏.
500Ar monja ny vidim-pidirana.
Efa manomana sakafo amin'ny vidiny mirary izahay.
Fotoana iray koa io hahafahantsika miresadresaka mivantana, miaraka makamaka sary eny,... sns 😁😍
Tahian'i Jesosy daholo dia manantena hiaona aminareo àry amin'ny Sabotsy e ! 🙏
07/06/2024
Manasa antsika ho avy zareo a!!!!
Finaritra e !
Mitohy rahampitso Sabotsy 8 Jona indray ny Sport Fiderana andiany faharoa karakarainay.
Rahampitso dia tsy misy eny Antsahamasina (tsy misy ny Foot) fa ho eo amin'ny Cité Itaosy daholo isika (Basket) na eny Ambodin'Isotry (pétanque, amin'ny 8 maraina).
FA indro misy vaovao mahafinaritra kely ambaranay aminareo sahady :
Amin'ny Sabotsy heriny (Sabotsy 15 Jona 2024) dia manasa antsika ho tonga marobe eny amin'ny Kianjan'ny Saint Michel Itaosy hanao ny FAMARANANA ny Sport Fiderana andiany faharoa.
Ho ataontsika amin'izany ny :
- Final Basket vehivavy
- Phase finale pétanque
- 1/4 de finale Foot ka hatramin'ny famaranana
- 1/2 finale Basket lehilahy ka hatramin'ny famaranana
- 1/2 finale Volley ka hatramin'ny famaranana
Ankoatr'ireo dia hisy ny :
1) CONCOURS DE TIR À 3 POINTS.
Fandraisana anjara : 3 000Ar.
Fisoratana anarana : 034 08 871 74 (Mr Hajazo) na rahampitso eo amin'ny Cité Itaosy na amin'io andron'ny fifaninanana io
2) Zumba
3) Tombolà hahazoana fanomezana maro isan-karazany
..
Misy vidim-pidirana kely dia kely (500Ar monja) amin'ity Famaranana ny Sport Fiderana andiany faharoa ity.
Samia ho tahian'Andriamanitra daholo àry hiara-hiatrika izany fotoana mahafinaritra izany 🙏🙏.
30/05/2024
Tonga ity Ilay fotoana Dia Io ny fandaharan-dalao.
Manasa antsika koa hanohana ireo Fianngoanana misy antsika.
03/05/2024
Aty amin'ny zaika kely KTLM Miarinarivo izahay.
Mandray Anjara amin'ny fifaninanana ara-panatanjahantena.
Foot, Basket ary Patanque.
16/04/2024
Fanomanana zaika kely, izay atao any Miarinarivo
07/04/2024
Concert Tanora Masina Itaosy tao amin'ny FJKM Ambodiafotsy tamin'ny Alahady 31 Martsa 2024.
02/04/2024
Finaritra e!!!
Nafinaritra ny Fitsangatsanana omaly niaraka tamin'ny Fiangonana fa Dia nahitana ireo ankizy maro bé manana talenta eo anivon'ny fiangonana.
Mankasitra ireo nandray Anjara rehetra.Sady MBA Niala voly kely no nitaiza vatana e....
01/09/2023
Miarahaba antsika rehetra
Misy ity fotoan-dehibe ity, andao isika zanaky ny FLM rehetra mba hifanotrona eny e!