27/07/2026
Mitohy hatrany ny fitsidiham-paritra mizara teknika sy fiofanana ara-pitantanana ataon’ny biraon’ny FMKFBCDA.
👉Tao Tsiroanomandidy Bongolava indray ny Sabotsy 25 Jolay 2026 lasa teo no nanaovana izany.
Ny SG, Maître Vola Tantara hatrany no mitarika ny Délégation sy mampiofana ara-pitantanana.
Ny DTN, Maître Rajo Joel no mampita ny lafiny Teknika.
👉Ny fikohan’ny Ligimparitra Bongolava, Maître RABEARIVONY Armand, sy ny biraon’́ny Ligim-paritra no nandrindra amin’ny ankapobeny, niaraka tamin’i SIHIHOU Bosco.
Maîtres sy Gradés manodidina ny 300 isa no nanatrika izany tao an-toerana.
Efa miomana amin’ny faritra hafa indray ny birao FMKFBCDA.
👉Nisy ny fihaonana manokana tamin’ny Ministère de la jeunesse et des sports tany an-toerana
29/06/2026
Ny FMKFBCDA dia manentana ny mpikambana isam-paritra hatrany amin’ny fandraisana anjara noho ny fetim-pirenena 26 Jona 2026 🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Na ny GM Pierre Mizael, na ny GM AVOKO dia nivoy sy nampianatra mandrakariva izany ho an’ny taranaka faramandimby.
10/06/2026
Ny fianankaviana Grand Maître Pierre Mizael, ny fianankaviana Grand Maître AVOKO ,ny fédération FMKFBCDA manontolo, dia maneho fiarahamiory amin’ny fianankaviana Maître MIZARASOA, amin’izao nandaozan’ny Ray niteraka izao.
Namela taranaka nandimby tokoa Itpklahy RALAIMIZARA Thomas, satria Itplklahy dia Gradé mpianatr’i Grand Maître Pierre Mizael tao Behoririka ary nafàna Fo tamin’ny kung-fu wisa izay nodimbiasin’ny zanany lahimatoa filohan’ny ligin’Analamanga.
Mirary fiononana feno ho an’ny Fianankaviana manontolo tompoko
06/06/2026
Amoron’i Mania sy ny FMKFBCDA 2026.☯️
👉Tontosa soa amantsara teto Ambositra indray anio Sabotsy 06 Jona ny Fampianarana sy fiofanana nataon’ireo Gradés taty an-toerana.
Samy vonona hampita amin’ireo club kung-fu wisa avokoa ireo tonga nanatrika izany.
🙏Ny SG Maître Vola hatrany no nitarika ny fiofanana ara-pitantanana.
🙏Ny DTN Maître Rajo no nampita ny Teknika.
👉Ny Maître SIHIHOU Kaiser sady mpitantana ny Ligimparitra Amoron’i Mania no nandrindra ny asa rehetra.
👉Ny SIHIHOU Lucie no nanao ny fanapariahana.
👉Isaorana koa ny Maître Tovo, sy ny SG Ligim-paritry Amoron’i Mania tamin’ny fiarahamientana
🚩Ny Maîtres kung-fu wisa rehetra kosa no niara-nisalahy.
Nahafinaritra ny fandraisan’́ny DRJS an’ny Ministère de la jeunesse et des sports an’ireo délégation tany an-toerana.
Mitohy hatrany ny Tournée FMKFBCDA
31/05/2026
Handeha isika mpikatroka Kung-Fu Wisa rehetra manerana ny Nosy hiarahaba an'ireto RENY mpitarika antsika ireto.
Mirary soa sy ny tsara ho anareo izahay, ary mankahery hatrany @ adidy hatrehana eto anivon'ny taranja KUNG-FU sy ny Firenena.
Miarahaba ny Reny mpikatroka Kung-Fu Wisa rehetra ihany koa 🎉🎉
30/05/2026
👉FMKFBCDA Fahombiazana Mai 2026.☯️
🚩An’arivony ireo Gradés sy Maîtres nanaraka ny fiofanana ( Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro).
Ny Grand Maître AVOKO no nitondra ny fampianarana mahakasika ny teknika fahombiazana am fiainana, tamin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta. 🙏
Ny DTN Maître Rajo, no nampita ny traik’efa teknika.
Ny SG Maître Vola nampiofana ny lafiny fitantanana.
Hitohy amin’ny faritra hafa indray izany ny volana JONA ho avy izao.
👉Azo heverina fa ny taona ho avy 2027 dia efa afaka handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ny kung-fu wisa.
23/05/2026
👉FMKFBCDA Tournée Alaotra Mangoro 2026.
🚩Ambatondrazaka indray no nanao ny Formation ho an’́ny Gradés anio 23 Mai 2026.
Anjatony ireo Gradés tonga nanatrika, ary fizaràna teknika hiatrehana ny compétition sy ny sehatra administrative hatrany no natao, ary fampianarana Teknika mampahomby amin’ny fiainana andavan’andro.
🙏Isaorana ny birao FMKFBCDA notarihan’́ny SG Maître Vola, sy DTN Maître Rajo.
🙏Isaorana ny Biraon’́’ny Ligimparitra Alaotra Mangoro notarihan’i Maître Rojo sy ny ekipany.
🙏Isaorana ihany koa ny SI-HI-HOU Nono tonga nanotrona ny fotoana
🙏Isaorana manokana ny Loholona wisa Maître Jean tonga nanotrona sy nanome hery.
🙏Isaorana Atoa DRJS an’ny Ministère de la jeunesse et des sports Alaotra Mangoro izay nandray sy nankahery ny mpikatroka rehetra.
Kung-fu wisa mandresy mandrakariva
16/05/2026
👉FMKFBCDA Tournée Vakinankaratra 2026.
Sabotsy 16 Mai 2026 no natao teto Antsirabe ny Formation des Gradés.
Namafisina tamin’izany fa ny any anaty kwoon dia kung-fu wisa no fototra, fa ny compétition kosa dia ny Règlement intérieur an’ny Boxe chinoise no atao, satria ny fihetsika kung-fu izay ahitàna rangotra,tsindrona, safelika, dia tsy mbola tena afaka ampiharina amin’ny compétition.
Ny Fédération Malgache de Kung-Fu, de Boxe Chinoise et Disciplines Assimilées FMKFBCDA kosa anefa dia mandray anjara feno amin’ny sehatra Nasionaly sy Iraisampirenena amin’ireo hetsika rehetra hampiakarana ny haavo teknikan’ny mpikambana tsirairay.
Ny DTN Rajo Joel Ratsimandresy no nanao ny fampisehoana Teknika.
Ny SG,Maître Vola Tantara kosa no nanazava sy nampita ny fomba fitantanana sy ny formation administrative
🙏Isaorana ny Loholona wisa Maître Alfred, nitarika sy nanotrona ny fotoana,
🙏isaorana ny Birao Ligimparitra Vakinankaratra.
🙏hIsaorana ny birao FMKFBCDA nandeha tany Vakinankaratra
09/05/2026
👉TOURNÉE FMKFBCDA 2026.
Analamanga no nanomboka ny Formation Technique sy Formation administrative ho an’́ny kung-fu sy Boxe chinoise, ka tao amin’ny Temple de Pierre Mizael no nanatanterahana izany ny sabotsy 09 Mai 2026.
Ny Gradés no nampihofanina, ka nisy ny fanolorana Attestation voalohany izay misy ny anaran’ny Fédération internationale izay tena ilain’ny mpikambana tokoa raha handeha lavitra izy.
Hitohy ny fitetezamparitra hataon’ireo birao mpanatanteraky ny FMKFBCDA ireto mba hampiakarana hatrany ny haavoTeknikan’ny mpikatroka manerana ny Nosy
08/05/2026
👉 Entraînement ho an'ny SI-HI-HOU sy ny LOHOLONA WISA fanao isam-bolana.
Méditation - Entraînement - Résultat.🙏☯️