25/07/2026
🔴⚪ BAYERN & EKIPA-PIRENENA ALLEMAND 🇩🇪
Elaela satria resaka mitovy fona no miverina teo, Olise, Olise........ Tsy dia actif ny koa klioba amin'ny meracato.
Ireto no vaovao azo ambara.
1️⃣Andro maromaro izay, dia nilaza i Santi Aouna , fa tena maniry ny hifindra real i Olise, araka ny "sihon-dresaka" heno tamin'ireo mpiara-milalao (EDF) amin'i Olise ho izy. Nanamafy izany koa ny L'Equipe andro vitsy taty aoriana.
**** i Santi Aouna dia ilay rédacteur FM nanambara voalohany tamin'izany fa : nahita fifanarana ambava i Upamenano sy ny Real....****
Setrin'izany, Nambara i Florian Plettenberg - Sky, fa diso tanteraka izany, na dia misy aza ny intérêt ny real tsy manana faniriana ny handeha real i Olise sy ny fianakaviany.
Nohamafisiny ko fa tia hijanao ao Munich izy, ary tsy miova hevitra koa ny Bayern ho izy, "tsy amidy i Olise", ary eo ampijerena ny fanavaozana ny contrat ny Bayern amin'izao, iza hatonga anin'i Olise ho tafiditra amin'ny mpilalao telo voalohany mikarama be indrindra ao amin'ny klioba.
Tohiny, nalaza ny omaly fa " efa nahita solon'i Olise ny Bayern - dia i Barcola", araka ireo journaux français - vive la France 🇫🇷.
Tsy vao izao no nandeha tao Munich ny resaka Barcola fa efa tamin'ny erintaona. Fa amin'izao
" ....son arrivée au Bayern est impossible." hoy i Christian Falk .
Maro loatra ny vaovao mandeha momba ny Olise amin'izao. Betsaka amin'ireny no mahakasika ny " vie privée", izay tsy ho resahana eto, betsaka ihany koa no tsy mitobina.
Mbola hitohy io tantantra io, tsy hay izay hiafarany...
2️⃣ Lasan'i Tom Bischof ny laharana faha 8️⃣ manomboka amin'ity taom-pilalaovana 2026/2027 ity.
3️⃣ Nanavao ny contrat ho hatramin'ny taona 2029 i Laimer.
4️⃣ Rehefa tsy nahomby nandritra ny taona maro ny Ekipa-pirenena Allemand dia Jürgen Klopp indray no hitantana azy hatramin'ny taona 2030.
5️⃣ Manomboka androany ny "matchs amicaux" ataon'ny klioba, izay tafiditra ao anatin'ny fanomanana ity taom-pilalaovana hoavy ity.
⚪🔴
04/07/2026
🔴⚪ Nathaniel Brown 🇩🇪
Arakiny efa fantantrin'ny rehetra, dia i Brown (23ans) no mpilalao faharoa tonga ao amin'ny klioba.
Hatramin'ny 2031 ny contrat, nanaodina ny 55M€ ny vidiny tamin'ny Frankfort.
Mitazona ny toerana vodi-laharana havia izy. Manampy be ny klioba ny fanana olona iray amin'ity toerana ity, satria afaka miditra Milieu i Laimer.
Anisany naniry mafy ny fatongavany i Kompany.
Namiratra izy tamin'iny taom-pilalaovana lasa iny ; fa ny fanontanin'ny maro dia hoe : atakatra ny niveau takin'ny kiloba ve i Brown?.
Tsy hay, ny fotoana no hilaza azy.
👏👏 Tongasoa
#ℳ𝒾𝒶𝒮𝒶𝓃ℳ𝒾𝒶 ⚪🔴
02/07/2026
🔴⚪ CDM- Sénégal 🇸🇳
Tsy aiko raha izaho no naka Sénégal fa sarotra loatra no manome penalty eo @ 120+2min izany.
Indrindra fa ilay penalty tena mbola "discutable" be.
Ny zavatra tsapa dia tena mandroso ny kitra Afrikana.
Medrika ho tafahakatra ny Sénégal, Saingy ny baolina boribory.
Bara Sapoko Ndiaye, milieu ao @ Bayern, mahavelom-bolo ny lalao nataony omaly.
⚪🔴
01/07/2026
🔴⚪CDM - Angleterre 🏴
Tena manao ilay RDC, fa na izany aza ny filalaon'ny Angilisy koa tena tsy maharesy lahatra mihitsy.
👑 Kane ⚽⚽
💎 Gordon 🎯🎯
#ℳ𝒾𝒶𝒮𝒶𝓃ℳ𝒾𝒶 ⚪🔴
01/07/2026
🔴⚪Ismael Saibari 🇲🇦
Ofisialy, hatramin'ny taona 2031 ny fifanarana.
Manodidina ny 50M€ ny vidiny tamin'ny PSV.
Kane-Olise-Diaz-Saibari
+Musiala-Gnabry-Karl
Ireo no ao amin'ny lohany ao amin'ny taom-pilalaovana manaraka.
Mbola ho lava ny mercato fa milieu sy défense no tena mila hatevenina
Togasoa👏
(Ny vaovao ratsy, azo antoka fa hintsana eo @ 1/8 de finale ko ny Ekipa-pirenena Allemagne raha apanaovana CAN aty Afrique).
#ℳ𝒾𝒶𝒮𝒶𝓃ℳ𝒾𝒶 ⚪🔴
18/06/2026
🔴⚪ CDM🏆
Ireo attaquants 3 ny Bayern tamin'ny lalao voalohany nataony (CDM) dia samy MVP.
Olise : 1 passe d., impliqué dans 3 buts
Diaz : 1 passe d, 1 but
Kane : 2 buts
Samy mamiratra tokoa izy 3 reto ao amin'ny firenena misy azy avy.
#ℳ𝒾𝒶𝒮𝒶𝓃ℳ𝒾𝒶 ⚪🔴
17/06/2026
🔴⚪Olise - CDM🇫🇷
Lasan'i Olise ny MVP , tamin'ny lalao 🇫🇷3-1🇸🇳 omaly.
Passe décisive : 1
Occasions créées : 4
Grosses occasions créées : 2
Impliqué dans les 3 buts
Tires (cadrés) : 2(2)
Fa enja ko ity passe sy appel ity👏
#ℳ𝒾𝒶𝒮𝒶𝓃ℳ𝒾𝒶 ⚪🔴
15/06/2026
🔴⚪ BREAKING- SAIBARI 🇲🇦
Vita tanteraka ny adivarotra, ny fifanaraha rehetra ✅
Ho mpilalao ao @ Bayern Munich i Saibari manomboka amin'ny taom-pilalaovana 2026/27.
Mitentina 55M€ ny sarany nifanarahan'ny PSV- Bayern Munich.
Atao any USA ny visity medikaly, manana ekipa any an-toerana ny Bayern hanatateraka izany.
Saingy handeha miadana ny dingana farany, mba tsy hanakorotana ny fanomanan'ity mpilalao ity ny CDM.
Noho izany, mila fahazon-dalana avy amin'ny Fédération Marocaine de Football ny Bayern amin'izany.
Arak'izany, mety aharitra andro maromaro vao ho tonga ny fanambarana ofisialy. - (Sky, Bild, Fabrizio R...).
⚠️ Renfort tsara, sa ahoana ?
✍️ Ataovy amin'ny commentaire ny hevitrao.
#ℳ𝒾𝒶𝒮𝒶𝓃ℳ𝒾𝒶 🔴⚪
14/06/2026
⚪ CDM 2026 🇩🇪
Mazava hoazy fa maka Allemand isika. Mety tsy anisan'ny ekipa tsara rafitra indrindra amin'ity CMD ity ny Allemand, nefa izay ilay izy.
L. Sane🤭
#ℳ𝒾𝒶𝒮𝒶𝓃ℳ𝒾𝒶 ⚪
13/06/2026
🔴⚪Olise🇫🇷
Tsy dia tiako resahana loatra ity resaka ity, nefa tsy maintsy satria mila mahafantra isika mpankafia.
Tsy tiako resahana satria, tsy mercato ilay izy ny tena marina fa "propagande miampy spéculation". Rehefa nandinika sy nanadihady aho dia tonga tamin'izay famintinana izay.
1️⃣ Nilaza i Perez fa hanao tolotra 150M€.
2️⃣ Nipoitra amin'izay ny spéculation tsy fanta-piavina hoe Olise.
3️⃣Vita ny tolotra, Alvarez no notolorany. Vita ny fampanantenana nataony izay.
4️⃣ Ny mpifandrina tamin'i Perez, Riquelme koa namely tao andaniny, Haland (City) no hovidiny. Milaza hitory City sy Haland noho ny fampiasana ny sary sy anaran'i Haland tamin'ny propagande.
5️⃣Rehefa noharcelen'ny media isan-karazany ny mpitantanana Bayern dia namaly hoe tsy hamidy i Olise na 200M€ aza.
⚠️Marina hoe nanambara ny fitiavany ny filalao an'i Olise i Perez ; normal izany, sahala amin'ny olombelona mahalala sy tia football rehetra.
Ny fanontaniana dia hoe, tena nisy dossier matotra moban'i Olise nandeha tokoa ve tao amin'ny Real, sa tena tsaho nahely na mba fanirian'ny fan fotsiny ihany?
⚠️Hoatsika mpankafia :
Nisy mpitantanana iray ao amin'ny Bayern (anonyme), nanambara tamin'ity erinandro ity, tao amin'ny L'Équipe 🇫🇷 :
"Na dia 200M€ aza, dia mihetsika Olise, tsy voavinan'ny saina izy ; tsy hamidy izy na mbola 500M€ koa aza. Ny tena marina, tsy sûr aho hoe, hahavidy ny tongotr'i Olise ilany ny Real amin'ny 150M€...."
Ny zavatra fatatra sy azo antoka hatreto dia hatramin'ny 2029 ny contrat ny Olise, tsy misy clause libératoire. Manaomana ny fanalavana ny contrat ny Bayern eo andanin'izany.
Ny zavatra mila fantratry ny mpankafia, ny Bayern dia tsy fonja akory, ka hanagadra ny mpilalao tia handeha, mandresy lahatra ny ataony. Araka ny vaovao koa anefa dia tsy tia hiala ao amin'ny Bayern Munich i Olise.
⬆️ Anisan'ny mpilalao tsara indrindra maneran-tany i Olise amin'izao fotoana izao, na dia mbola misy aza no sahy miteny hoe satria izy miaraka amin'ny Kane dia lasa hoazy. Noporofoiny miraka amin'ny Ekipa-pirenena🇫🇷izany, tamin'ny lalao maro nataony.
(Resahatsika amin'ny manaraka ny fasalaman'ny attaque ny lafrantsa, amin'izao alo dia mampanahy satria tsy complet...).
Ny sentiments ny mpankafia amin'izao sy ny zavtra hiseo, raha manary an'i Olise ny Bayern, dia tsy i Olise irery no hafoiny fa zava-dehibe maro hafa (ny maha izy azy ny klioba, mpakafia, vola miditra, indrindra fa ny football eny ambony terrain mihitsy aza.....).
🔴⚪ Izay no mba hevitra keliko izay, miampy ny vaovao marim-pototra mba hitako.
Fa zarao ao amin'ny commentaire ny hevitrao.
#ℳ𝒾𝒶𝒮𝒶𝓃ℳ𝒾𝒶 🔴⚪