27/07/2026
🥥 RANONA COCO: NAMANA TSARA HO AN’NY MPIKOTRANA?
Eny, mety ho safidy tsara ny ranona coco, indrindra rehefa avy nanao entraînement ka tsemboka be iny .
Rehefa mikotrana isika dia very rano sy mineraly (électrolytes) amin’ny alalan’ny hatsembohana. Anisan’izany ny potassium, sodium ary magnesium, izay ilain’ny vatana mba hiasan’ny hozatra sy ny taova ara-dalàna.
Ny ranona coco dia ahitana ireo électrolytes ireo, ka afaka manampy:
✅ Hamerenana ny rano very (réhydratation).
✅ Hanoloana ny mineraly very nandritra ny entraînement.
✅ Hanohanana ny fiasan’ny hozatra.
✅ Mety hanampy hampihena ny crampes musculaires, indrindra raha ny tsy fahampian-drano sy electrolytes no antony.
⚠️ Marihina anefa fa tsy ny crampes rehetra dia avy amin’ny tsy fahampian’ny electrolytes. Mety ho vokatry ny havizanana, fanazaran-tena tafahoatra, tsy fahampian’ny torimaso, na antony hafa ihany koa izy ireny.
Maro no mihevitra fa satria “naturel” ny ranona coco dia tsy misy calories, nefa tsy marina izany.
🥥 100 ml ranona coco dia misy eo amin’ny:
• 18–24 kcal
• 3,5–5 g de glucides (glucose, fructose, sucrose) sucre naturel
Midika izany fa raha misotro vera iray (250 ml) ianao dia mahazo eo amin’ny:
• 45–60 kcal
• 9–12 g de glucides
Noho izany, raha manaraka programme nutrition ianao—na , na mampihena tavy—dia tsara ny mampiditra ireo calories sy glucides ireo ao anatin’ny kajy isan’andro.
👉 Ny safidy tsara indrindra dia ranona coco 100% naturel, tsy misy siramamy na additifs nampiana.
💚 Tsarovy: Tsy misy sakafo na zava-pisotro manao miracle hoe ampihena .Ny ranona coco dia afaka manampy amin’ny hydration sy ny famerenana electrolytes, fa ny tena mitondra vokatra dia ny fitambaran’ny sakafo voalanjalanja, ny entraînement mifanaraka amin’ny tanjonao, ary ny récupération tsara.
E-kotrana Mdg
15/07/2026
Antony 3 mahatonga anao tsy mety mihena, na dia misakafo voalanjalanja sy manao activité physique aza:
1. Tsy ampy torimaso 😴 – Mety hampitombo ny fahazotoan-komana sy hanakorontana ny hormonina mifehy ny lanja.
2. Adin-tsaina (stress) be loatra 😓 – Ny fitomboan’ny hormone cortisol dia mety hanasarotra ny fihenan-danja.
3. Tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny vatanao ny sakafo na ny fanatanjahan-tena 🍽️🏃 – Mety ho salama ny sakafo sy ny activité physique ataonao, saingy tsy mbola mifanaraka amin’ny tanjonao na ny filàn’ny vatanao.
💡 Tsarovy fa tsy ny lanja eo amin’ny mizana ihany no mariky ny fandrosoana. Ny fahasalamana sy ny faharetana no tena zava-dehibe. Raha tsy mahita fiovana ianao dia tsara ny mandinika ny antony lalindalina kokoa ary manatona matihanina raha ilaina.
E-kotrana Mdg
11/07/2026
🚨 Miala tsiny indrindra amin’izay rehetra mila ahy maika. 🙏
Misy olana kely ny WhatsApp-ko amin’izao fotoana izao ka mbola tsy afaka mamaly hafatra aho. 📵
Raha vao misokatra sy miverina amin’ny laoniny dia valiako haingana avokoa ny hafatrareo. 💬⚡
Raha misy zavatra tena maika, indrindra ho an’ireo manao Abonnement Coaching Personnalisé, dia mba alefaso aloha eto amin’ny page E-kotrana Mdg ny hafatrareo. 📩
🙏 Misaotra betsaka amin’ny faharetanareo sy ny fahazoanareo ny zava-misy.
💙 Mankasitraka anareo hatrany.
Misaotra tompoko! 🙏😊
10/07/2026
💚 TE HIHENA IANAO ?
Dia tandremo ireto fahazarana 25 ireto.
Tsy misy fanafody mahagaga na vahaolana haingana. Raha mahavita mampihatra ireo fahazarana ireo isan’andro ianao dia ho hitanao tsikelikely ny fiovan’ny vatanao.
1️⃣ Aza mitsipaka sakafo maraina raha noana ianao.
2️⃣ Ataovy ampy ny protéines isaky ny sakafo.
3️⃣ Ampitomboy ny fihinanana legioma isan’andro.
4️⃣ Misotroa rano ampy (2–3 litatra isan’andro arakaraka ny filàn’ny vatanao).
5️⃣ Ahena ny zava-pisotro mamy
6️⃣ Fadio ny sakafo voahodina be sy ny fast-food.
7️⃣ Aza mihinana noho ny fahasorenana na ny adin-tsaina.
8️⃣ Mihinàna miadana ary tsakoina tsara ny sakafo.
9️⃣ Hajao ny habetsahan’ny sakafo ilain’ny vatanao.
🔟 Aza manao régime mahery vaika ka mandrara sakafo rehetra.
1️⃣1️⃣ Matory 7–9 ora isan’alina.
1️⃣2️⃣ Manaova fanatanjahan-tena farafahakeliny in-3 isan-kerinandro.
1️⃣3️⃣ Ampidiro ny musculation mba hitazonana ny hozatra sy hanampy ny fandoroana angovo.
1️⃣4️⃣ Miezaha hihetsiketsika isan’andro, na mandeha tongotra aza.
1️⃣5️⃣ Aza kivy raha mbola tsy hita avy hatrany ny vokatra.
1️⃣6️⃣ Raha nihinana be indray andro ianao, aza kivy fa tohizo ny fahazarana tsara amin’ny sakafo manaraka.
1️⃣7️⃣ Ahena ny siramamy miafina ao anaty biscuit, gâteau ary bonbon.
1️⃣8️⃣ Mihinàna voankazo amin’ny fatra antonony fa aza atao be loatra.
1️⃣9️⃣ Fadio ny misakafo alina be raha tsy tena noana.
2️⃣0️⃣ Ataovy tanjona ny hanova fomba fiaina fa tsy hitady vahaolana vetivety.
2️⃣1️⃣ Fehezo ny adin-tsaina satria mety hampitombo ny fahazotoan-komana izy.
2️⃣2️⃣ Mahareta, satria ny vokatra tsara dia vokatry ny fahazarana tsara.
2️⃣3️⃣ Aza mampitaha ny fandrosoanao amin’ny an’ny hafa.
2️⃣4️⃣ Ataovy tsy tapaka ireo fahazarana tsara, na dia amin’ny faran’ny herinandro aza.
2️⃣5️⃣ Tsarovy fa ny fahombiazana amin’ny fampihenana lanja dia avy amin’ny fahazarana tsara averina isan’andro, fa tsy avy amin’ny vahaolana mahagaga.
💚 Raha manaraka ireo fahazarana ireo tsy tapaka ianao, dia tsy vitan’ny hoe hihena, fa ho salama sy hahazo vatana matanjaka kokoa ihany koa.
💬 Iza amin’ireo no efa ataonao? Ary iza no mbola mila ezaka? Soraty ao amin’ny commentaire. 👇
:::
E-kotrana Mdg
07/07/2026
Tsy hoe mihena fotsiny no tena zava-dehibe, fa ny kalitaon’ny lanja very. 📊✨
Ity no porofo fa rehefa arahana tsara ny programme:
✅ Lanja: 56,6 kg ➜ 51,3 kg (-5,3 kg)
🔥 Tavy: 16,4 kg ➜ 12,7 kg (-3,7 kg)
📉 Taux de graisse: 29,1 % ➜ 24,9 %
Ny tanjona dia tsy ny hampihena isa eo amin’ny balance fotsiny, fa ny hampihena tavy amin’ny fomba mahasalama.
Misaotra ny azy tamin’ny fahatokisana sy ny faharetana. Mbola mitohy ny fanovana, ary mbola hisy vokatra tsara kokoa ho avy. 💚💪
Tsy “miracle”, tsy nihinana produit mampihena , fa programme, discipline ary faharetana.
Ianao koa afaka manaraka ny programme personnalisé izay omeko anao.Programme d’entraînement + planning alimentaire.
Tonga dia midira Watshap
+261346546264
Coach Auréllia
Coach certifiée en fitness et nutrition .
E-kotrana Mdg
07/07/2026
Fantatrao ve? 🌸 Ny cycle menstruel dia mety hisy fiantraikany amin’ny kotrana sy ny fahazotoan-komana.
🩸 1. Phase menstruelle (fotoanan’ny fadimbolana)
• Mety hihena ny herin’ny vatana.
• Mety tsy dia mazoto homana ny sasany, fa ny hafa kosa mbola mahavita mikotrana.
• Mila sakafo manankarena fer sy protéines mba hanarenana ny vatana.
🌱 2. Phase folliculaire (aorian’ny fadimbolana)
• Miakatra tsikelikely ny œstrogène.
• Mihabetsaka ny hery sy ny toe-po tsara.
• Mora kokoa ny mifehy ny fahazotoan-komana, ary matetika mihena ny kotrana.
🥚 3. Ovulation
• Matetika no tena avo ny hery.
• Tsara ny toe-po.
• Tsy dia be kotrana ny ankamaroan’ny vehivavy amin’ity dingana ity.
🌙 4. Phase lutéale (1–2 herinandro alohan’ny fadimbolana)
• Miakatra ny progestérone ary miova ny hormonina.
• Eto no tena matetika manana envie te hisakafo : sakafo mamy 🍫, masira 🍟 na be glucides 🍞.
• Mety hitombo ny fahazotoan-komana, hiovaova ny toe-po, hahatsiaro reraka, ary hitahiry rano ny vatana.
👉 Raha manaraka régime ianao dia ity phase lutéale ity no matetika tena sarotra indrindra, satria mitombo ny filàn’ny vatana hihinana. Tsy midika izany hoe malemy finiavana ianao, fa vokatry ny fiovan’ny hormonina izany.Eto ilay misy fotoana miverin-dalana tsy mahavita miverina intsony,eto ilay hoe androany fotsiny iny no matetika tsy voatohitra ary tsy tafaverina intsony .
Ny zava-dehibe dia ny mahafantatra ny fiovan’ny vatanao, manomana sakafo mahasalama mialoha, ary tsy manameloka ny tenanao rehefa misy kotrana. Ny faharetana sy ny fitohizana no mitondra vokatra maharitra. 💚
Rehefa tena mafy aminao ilay izy dia manaova coaching personnalisé mba misy coach manaraka anao mba afaka manarina ny erreur mety nataonao.
Coaching personnalisé
E-kotrana Mdg
Coach Auréllia Coach en fitness et en nutrition
24/06/2026
🔥 AZA ADINO NY ÉCHAUFFEMENT! ❄️💪
Indrindra amin’izao andro mangatsiaka izao, tena ilaina ny manao échauffement alohan’ny hanombohana mikotrana.
✅ Manomana ny hozatra sy ny tonon-taolana
✅ Mampihena ny mety ho ratra
✅ Manatsara ny performance mandritra ny séance
✅ Mampitombo ny fivezivezen’ny rà sy mampafana ny vatana
Raha sanatria mahazo blessure ianao, tadidio fa mety hiato herinandro na volana maro ny entraînement-nao. Ny tanjonao mety hihemotra, ary ny ezaka efa nataonao mety ho voasakana vetivety.
Aleo mandany 5 ka hatramin’ny 10 minitra hanaovana échauffement toy izay hiato volana maro noho ny ratra.
Tsy fandaniam-potoana ny échauffement fa fiarovana ny vatanao sy fanomanana azy hahavita tsara kokoa ny séance. 💯🔥
Tandremo ny vatanao, satria izy no fitaovana hitondra anao ho any amin’ny tanjonao. 🏋️♀️❄️💪
🔥❄️💪
E-kotrana Mdg
19/06/2026
🎯 Inona no objectif anao amin’izao fotoana izao?
✔️ Te hihena ve ianao?
✔️ Te hanana ventre plat ve?
✔️ Te hampitombo hozatra sy hanana forme tsara ve?
✔️ Te hanatsara ny fahasalamanao sy hahazo hery bebe kokoa ve?
✔️ Te hiverina amin’ny lanja sy vatana tianao ve ianao?
Tsy mbola tara ny manomboka!
📢 Ho anareo rehetra izay efa niandry place disponible amin’ny Coaching Personnalisé, dia misy place disponible 10h30.
💪 Coaching personnalisé
✅ Programme adapté à votre objectif
✅ Suivi sportif et nutritionnel
✅ Accompagnement et motivation
⚠️ Places limitées !
Izay manamafy sy tonga mialoha foana ihany no raisiko an.
Aza miandry ny fotoana tonga lafatra vao hanomboka. Ny fiovana tadiavinao rahampitso dia miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisinao anio.
📩 Message privé raha te hisoratra anarana na mila fanazavana fanampiny.
🔥 Places limitées — aza tara fa mety ho feno haingana ny place disponible. 💯💪
E-kotrana Mdg
05/06/2026
Raha te hiena ianao dia sakafo no base ,ka raha tsy mahavita mitandrina sakafo ianao dia very maina n’a hikotrana be eo aza dia vola lany sy fotoana very fa tsy lasa alavitra.
31/05/2026
Mirary fety sambatra ho an’ny Maman rehetra 🥰!